alahady fahatelo amin'ny karemy : tsy mamela hipetra-poana ny fitiavana an'Andriamanitra ; lehibe tokoa ny fitiavan'Andriamanitra an' izao tontolo izao ka nomeny ny Zanany lahitokana mba hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino azy. Ny tena tenimpoly dia i Jesoa izay misy ny Ray ; tsy azo vidim-bola Andriamanitra, nitondra ny tenin'Andriamanitra Rainy i Jesoa, miantefa amintsika ihany koa izany ka arovy mba tsy ho fitadiavam-bola ny fiangonana fa mba fampandrosoana araka ny tokony ho izy sy araka ny finoana no hatao ao. Mila miezaka isika mba tena fanamasinan-tena sy vavaka no haleha any am-piangonana, mila meneho finoana isika rehetra amin'izay hatao sy ny fihetsika. Mila manao ezaka isika mba hanadio ny fo sy ny vatana ary ny fanahy.
♦ Tsy marisarisa ny fifandraisan'ny CENI amin'ny mpiara-miombon'antoka iraisam-pirenena manohana ny fifidianana eto Madagasikara. Azo iatrehana ny fifidianana amin'ity taona ity ny 44 miliara Ariary natokan'ny fanjakàna ho amin'izany hoy ny filohany, Dama Arsène Andrianarisedo... ♦ Hanolotra kandidà solombavambahoaka ao amin'ny vovonana IRD ny fikambanana Emergence de Madagascar... ♦ Manohana ny tantsaha Malagasy amin'ny fampiroboroboana ny fiompiana omby sy ny ondry aman'osy any amin'ny Faritra atsimon'ny nosy ny ao amin'ny ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana... ♦ Hanome fanampiana ho an'ny mponina any Gaza i Etazonia ; miantso an'i Israel hamela malalaka ny fidiran'ny fanampiana izy ireo...
♦ Niakatra 3,92% ny isan'ny mpifidy voasoratra anarana nandritra ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy nifarana vonjy maika ny 28 febroary teo, raha ny tatitry ny CENI omaly... ♦ Nodinihina sy nakan-kevitra tao Taolagnaro tamin'ny alalan'ny atrik'asa nandritra ny roa andro nifarana omaly ny fampiroboroboana ny lalam-pihariana hena mena any amin'ny Faritra Atsimon'i Madagasikaraka... ♦ Hatsangana ny vondron'ny mpamokatra lavanila maneranan-tany. Resy lahatra ireo ministra sy solontena avy amin'ny firenena mpamokatra lavanila eran-tany nandray anjara tamin'ny fivoriana tany ABHU DHABI renivohitr'i Emirats Arabes Mitambatra... ♦ Tontosa omaly ny fandevenana ny nofo mangatsiakan'i Alexey Navalny...
♦ Niakatra 3,92% ny isan'ny mpifidy voasoratra anarana anaty lisitry ny mpifidy, tamin'ny fanavaozana isan-taona ny lisitra, izay nifarana vonjy maika ny 28 febroary 2024, raha ny tatitry ny CENI androany... ♦ Nodinihina sy nakan-kevitra tao Tolagnaro, tamin'ny alalan'ny atrikasa nandritra ny roa andro, ny fampiroboroboana ny lalam-pihariana hena mena, any amin'ny fatritra atsimon'i Madagasikara... ♦ Nanainga androany teto Antananarivo, nihazo ny Faritra Atsinanana, ny hetsika “Caravane de Santé” karakarain'ny fikambanana Fitia sy ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka...
♦ Hotanterahina ny alahady 14 aprily 2024 ny fanamasinana ho eveka an’i Mgr Jean Désiré Razafinirina, Evekan’ny Diôsezin’ny Morombe… ♦ Hotanterahina ny 9 sy ny 10 marsa izao ny Andron’ny Vehivavy Misiônera Katôlika eto amin’ny Diôsezin’Antananarivo… ♦ Toetra mila fongorana ny fitsiriritana sy ny fitadiavana voninahitra foana, hoy ny Papa François, tamin’ny Audience générale ny alarobia lasa teo… ♦ Niverina ao Vatican ny Papa François, rehefa avy nanao ny fizahana ara-pahasalamana…
♦ Nahitana taham-piakarana 3,92% ny fisoratana anarana, raha mitaha amin'ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy farany. Izany hoe misy mpifidy vaovao miisa 432.578 ao anaty lisitra... ♦ Natomboka ôfisialy androany, tao amin'ny seranan-tsambon'i Mahajanga Be ao Mahajanga I, ny fanjonoana makamba... ♦ Nahatratra 44 ny isan'ireo ankizy tsy hita naharaisan'ny Pôlisim-pirenena misahana ny zaza tsy ampy taona fitarainana, tao anatin'ny roa volana, ho an'ny teto Antananarivo Renivohitra...
♦ Hamoaka ny antontan'isa vonjy maika amin'ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy, ny CENI Foibe, anio maraina. Manana 20 andro hitsirihana ny lisitra eny amin'ny fokontany, ireo olom-pirenena... ♦ Vonona hanome tànana ireo tanora mpandraharaha liana amin'ny fananganana orinasa, ny tetikasa SEEED. Hisokatra anio ary haharitra 22 andro ny fandraisana ny antonta-taratasin'ireo maniry hanaraka izany... ♦ Mitombo ny isan'ireo olona marary saina ary miha-tanora izy ireny...
♦ Niantsy Lehiben'ny Distrika imasom-bahoaka indray ny olom-boafidy iray tany Mahajanga, tao aorian'ilay tranga tany Fianarantsoa. Tsy niandry ela fa naneho hevitra ny sendikàn'ny Andministrateurs civils... ♦ Mbola tsy voatendry ihany izay ho PDS hitantana an'Antananarivo Renivohitra. Mety tsy manana olona ny fitondrana, na tsy laharam-pahamehana ho azy ireo Antananarivo, hoy ny antoko Humaniste Ecologique... ♦ Maherin'ny 16.000 ny kapila mangirana hosoka, nogiazan'ny Brigade Anti-Piratage, nandritra ny taona 2023. Olona 86 no tratra nanao izany ary efa natolotra ny fampanoavana...
♦ Maro amin'ireo solombavambahoaka amperin'asa amin'izao fotoana izao no mbola hirotsaka ho kandidà amin'ny fifidianana amin'ny 29 mey 2024 ho avy izao. Isan'izany ny solombavambahoakan'i Betroka sy Vohipeno... ♦ Nametraka fototra tsara ho an'ny fampandrosoana ny tanàna an'Antananarivo ny ben'ny tanàna teo aloha Naina Andriantsitohaina hoy Ramatoa Lalatiana Ravololomanana. Tanteraka avokoa ny 86 tamin'ireo fanapahan-kevitra noraisin'ny filan-kevitry ny tanàna miisa 128... ♦ Handray anjara amin'ny dinika ara-diplômasia ho an'ny fandriam-pahalemana sy ny filaminana hatao any Turquie ny delegasiôna Malagasy hotarihan'ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina...
Ny fanantenana dia mitondra amin'ny finoana ary ny finoana manova ny zavatra ho amin'ny tsara. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Tsy mihemotra amin'ny fampiharana ilay lalàna momba ny famosirana ireo lehilahy mpanolana ankizy tsy ampy taona ny fitondram-panjakàna na misy aza ny fanakianana ataon'ireo mpiaro ny zon'olombelona. Fanambarana nataon'ny mpitondra tenin'ny governemanta Rakotondrazafy Lalatiana... ♦ Hanohy ny asan'ny maha mpanolontsainan'ny tanànan'Antananaivo Renivohitra aza Ramatoa Ravololomanana Lalatiana. Tsy ho PDS ho an'ny tanànan'Antananarivo ny tenany araka ny nambarany omaly... ♦ Mbola hitoetra hatramin'ny anio ny alondrano any amin'ny morontsiraka atsimo andrefana sy atsimon'ny nosy. Mbola hahazo vahana ihany koa hatramin'ny anio ny oram-baratra ho an'ny afovoan-tany sy ny faritra afovoany atsinan'ny nosy...
♦ Tsy hihemotra amin'ny fampiharana ilay lalàna vaovao ao amin'ny fehezan-dalàna famaizana mikasika ny famosirana ireo mpanolana ankizy, ny fitondram-panjakana... ♦ Tsy ho isan'ireo delegasiôna manokana, hitantana vonjy maika ny tanàn'Antananarivo Renivohitra, Ramatoa Lalatiana Ravololomanana... ♦ Mirongatra ny aretin'omby besoroka, any amin'ny Kaominina Andriandampy, tapany avaratry ny Disitrikan'i Betroka, raha ny tatitry ny Solombavam-bahoaka tamin'ny mpanao gazety...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco