♦ Nahemotra ho amin'ny talata faha 27 ny volana febroary izao indray raha tokony ho tanterahana omaly ny fitsarana an'Andriamatoa Mbola Rajaonah... ♦ Tsy hihemotra amin'ny fampiharana ilay sazy famosirana ho an'ireo mpanolana zaza tsy ampy taona ny fitondrana Malagasy araka ny nambaran'ny mpitondra tenin'ny governemanta Rakotondrazafy Lalatiana... ♦ 21 febroary marihina ny andro iraisam-pirenena ho an'ny tenin-dreny, loha-hevitra tamin'ity taona ity ny hoe "ny teny Malagasy teny mampandroso"... ♦ Ao Bande de Gaza, 5% amin'ny zaza latsaky ny 2 taona no tratrany ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka any amin'ny faritra atsimo...

♦ Hoampiasaina eny amin'ny fitsaràna Anosy manomboka izao ny diary fanarahan-draharaha ho fanampiana ny olom-pirenena manan-draharaha atao eny. Nidina teny an-toerana niantsafa tamin'ireo manan-draharaha ireo ny ministry ny fitsaràna Randriamanantena Landy Mbolatiana... ♦ Nosoniavina androany teny Ankatso ny fifanarahanam-piaraha-miasa eo amin'ny Oniversiten'Antananarivo sy ireo rafitry ny firaisamonim-pirenena anatanterahana ny tetik'asa IRF Tanoran'ny oniversite... Tetik'asa hisorohana ny fifandirana eny amin'ny tontolon'ny anjerimanontolo... ♦ Nanomboka androany ny atrik'asa fanombohana amin'ny fombaé ôfisialy ny fanavaozana ny paik'ady sy ny drafitr'asam-pirenena mahakasika ny karazan-java-mananaina...

♦ Lasa rivo-doza nosalorana ny anarana "Eléonore" ilay andro ratsy tao amin'ny ranomasimbe Indiana. Arahitsika eto Madagasikara akaiky ny fivoarany, indrindra amin'ny faran'ny herinandro... ♦ Mitaraina ny Vovonan'ireo sekoly tsy miankina fa nampandoavina vola izy ireo, hikarakaràna ny fisoratana anarana ho an'ny fanadinana CEPE sy BEPC... ♦ Naaton'ny OMC nasiônaly ny fitrandrahana "concombre de mer" any amin'ny tapany avaratry ny nosy, noho izy ireo ahiana ho lany tamingana. Misy ny fanazavàna entin'ny Ministry ny jona sy ny toe-karena manga... ♦ Olona 50 isa any ho any ireo olona voarohirohy tamin'ny famonoana nahafaty ny filoha Haisiana, Jovenel Moise ny volana jolay 2021...

♦ Misy fiforonana andro ratsy ao amin'ny ranomasimbe Indiana, ka ahiana hivadika ho rivo-doza. Tany amin'ny 680 km atsinanan'i Sambava no nisy ny foibeny omaly hariva... ♦ Nanondrana volamena tamin'ny fomba ara-dalàna indray i Madagasikara nanomboka omaly . Bolongam-bolamena 2 kg no nalefa voalohany any ivelany, taorian'ny fandalovany "Guichet Unique"... ♦ Olona 30 farafahakeliny no nosamborina sy atao fanadihadiana, taorian'ilay raharahan'ny Zandary sy ny Fokonolona tany Ankazomiriotra. Nidina tany an-toerana ny ministra delege misahana ny zandarimariam-pirenena... ♦ Olona 150 farafahakeliny no voaheloka an-tranomaizina 14 andro any Rosia, noho ny fanaovan'izy ireo hetsi-pahatsiarovana an'i Alexei Navalny...

♦ Misy fiforonana andro ratsy ao amin'ny Ranomasimbe Indiana, any amin'ny 680 km atsinanan'i Sambava no misy ny foibeny, ny hariva teo... ♦ Nanondrana volamena amin'ny fomba ara-dalana indray i Madagasikara, ka bolongam-bolamena 2 kg no nalefa voalohany androany... ♦ Nivoaka tamin'ny fahanginany manoloana ny fitifirana ilay Ben'ny Tanàna tao Tsimafana, Andriamatoa Saory Christian, zanak'i Belo Amoron'i Tsiribihina...

♦ Tontosa ny 15 hatramin'ny 17 febroary 2024, ny Symposium mifantoka amin'ny hoe ny vavaka manokana sy ny vavaka iombonana, tao amin'ny Grand Séminaire tao Moramanga... ♦ Nosokafana ny alahady 18 febroary 2024, ny fankalazana ny faha-150 taonan'ny EKAR Masindahy Louis de Gonzague, Ankadisoa. Nifanentana ho amin'ny fiatrehana izany avokoa ny kristianina rehetra tao an-toerana... ♦ Nandritra ny vavaka Angélus, ny alahady voalohany amin'ny Karemy, no nampitandreman'ny Papa François ny mpino rehetra, ny amin'ireo bibidian'ny fanahy...

♦ Miantso an'ireo antoko politika nanohana ny filoham-pirenena Andry Rajoelina nandritr ny fifidianana farany teo hanambatra ny heriny anatin'ny vondrona iray ny antoko Freedom. Famondronan-kery iatrehana ny fifidianana solombavambahoaka sy ny eny anivon'ny kaominina... ♦ Hisy ny fanadiovana ny asam-panjakàna hoy ny ministra tompon'andraikitra. Hisy amin'ireo tsy manaja ny fitsipika sy ny tandrohasina maha-mpiasam-panjakàna no hiakatra filan-kevi-pifehezana saingy tsy voatery hiafara amin'ny fandroahana izany... ♦ Nanolotra zanak'akoho 1.500 isa sy toho-tantely manara-penitra ho an'ny fikambanana AFF ao amin'ny kaominina Ambasimbe, Faritra Atsinanana ny ministeran'ny fambolena sy ny fiompiana...

♦ Natomboka omaly ny fankalazana ny faha-150 taonan'ny Fiangonana Masindahy Louis de Gonzague ao Ankadisoa Distrikan'i Mahabo ato amin'ny Diôsezin'Antananarivo. Ny 23 jona izao no ivon'ny fankalazana... ♦ Tanora maherin'ny 160.000 isa no hofanina ao anatin'ny 100 andro anatin'ny hetsika nasiônaly ho an'ny tantsoroka ho an'ny famoronan'asa mendrika, ny torolalana arak'asa ho an'ny tanora. Isan'ny mpiara-miombon'antoka amin'ny ministeran'ny asam-panjakàna, ny asa ary ny lalàna sôsialy ny Don Bosco Madagasikara... ♦ Tantsaha 57.000 isa any amn'ny Faritra 20 manerana ny nosy no nahazo hanam-pamokarana hiatrehana ny taom-pamokarana nanomboka ny voalohan'ny volana novambra lasa teo...

Alahady voalohany amin'ny karemy : te hiavana amintsika Andriamanitra ; tsy ny mofo ihany no hiveloman'ny olona fa ny teny rehetra haloakan'ny vavan'Andriamanitra. Miditra amin'ny vanim-potoana karemy izay maharitra 40 andro isika ary ny alarobian'ny lavenona no nanombohantsika izany. Mila manao dingana isika ho amin'ny fihavanana amin'Andriamanitra : manao ezaka hiala amin'ny fahazaran-dratsy, manao asa fivalozana sy asa soa, hifady anina sy hifehy tena. Andriamanitra dia manao dingana voalohany mba hiavanany amintsika olombelona : izy Andriamanitra dia nanao fanekem-pihavanana tamin'ny olombelona sy amin'ny taranaka mandimby, tahaka ny tantaran'ny safo-drano.

♦ Fitaovam-pandanjàna sy famaràna maromaro an'ireo mpivarotra ety Ivato no giazan'ny ministeran'ny varotra sy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa MCI... ♦ Nahazoana vokatra tsara ny tetik'asa JM CT Jeunesse Malagasy Compétente au Travail, nandritra ny 6 taona niasany teto Madagasikara... ♦ Tokony hampitohy ireo tanan-dehibe hafa manitona mpizahan-tany ny zotram-piaramanidina hataon'ny Fly Emirates fa tsy Antananarivo sy Nosy-be ihany hoy ireo mpandalina eo amin'ny sehatry ny fizahan-tany ♦ Voaheloky ny fitsarana tany New York handoa onitra mitentina 355 tapitrisa Dolara ny filoha Amerikana teo aloha Donald Trump... ♦ Niala tao amin'ny tanànan'i Av Divka faritra Atsinanan'i Ukraine ny tafika Ukraniana...

♦ Nazoto nisoratra anarana tao anaty lisitry ny mpifidy ny mponina any ambanivohitra, tamin'ny RAL na ny fanavaozana isan-taona ny lisim-pifidianana... ♦ Hatomboka any Faux Cap Distrikan'i Tsihombe ny sekolin'ny Jono, ary hitarina amin'ny Faritra hafa manerana ny Nosy... ♦ Teknisiana sy tantsaha mpampita miisa 20 minadahy no niofana momba ny fiompiana sy famokarana tantely nandritra ny telo andro... ♦ Nody mandry omaly tany amin'ny fonja nitazomana azy i Alexei Navalny, mpanohitra ny filoha Rosiana Vladmir Poutine... ♦ Teratany Israeliana roa no maty, enina hafa naratra vokatry ny tifitra nataon'ny Palestiniana iray tany Kiryat Malackhi, 30km miala ny tandavan'i Gaza...

♦ Mazoto nisoratra anarana tanaty lisitry ny mpifidy, ny mponina any ambanivohitra, tamin'ny RAL na ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana... ♦ Hatomboka any Faux-Cap, Distrikan'i Tsihombe ny sekolin'ny jono, ary hitarina amin'ny faritra hafa manerana ny nosy... ♦ Teknisianina sy tantsaha mpampiatra miisa 20 mianadahy no niofana momba ny fiompiana sy famokarana tantely, nandritra ny telo andro...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...