Tsy tahaka ny firenen-kafa i Israely fa ny Tompo no Mpanjakany noho izany dia very hasina izy raha manaraka ny fomba amam-panaon'ny firenen-kafa satria mitsipaka ilay tena mpanjakany. Te hitovy amin'ny firenena hafa rehetra i Israely ka nangataka mpanjaka hafa, tsy nahay nihonona tamin'ny anjara nomen'Andriamanitra izy ireo ka tojo olana hatrany. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
♦ Tafiakatra 5.010 Ariary ny iray Euro omaly tolakandro tamin'ny fikatonan'ny tsenan'ny fifanakalozana vola vahiny. Manodidina ny 4.500Ariary kosa ny iray Dolara... ♦ Vonona hiara-hiasa amin'ny ministra hisahana ny fanjifana ho avy eo ny fikambanan'ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa MCI hitondra ny tetik'asa izy ireo mba hitsinjovana ny mpanjifa... ♦ Vahaolana entina mamaha ny fahantran'ny tontolo ambanivohitra ny fampiofanana ara-pambolena hoy ny tambazotra FARMADA... ♦ Namoizana ain'olona 78 farafahakeliny ny horohoron-tany nitranga tany Japon tamin'ny alatsinainy teo araka ny tarehimarika farany. Am-polony ireo tsy hita popoka hatramin'izao...
Ny safidy no fototry ny fiainana, raha tiana ho tsara ny fifandraisana eo amin'ny olon-droa, eo amin'ny sehatra roa samihafa dia tokony hajaina amin'ny safidiny ny olona tsirairay. Ny safidy dia miainga amin'ny finoana ihany koa. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Ho fantatra tsy ho ela ny anaran'izay ho praiministra amin'izao fe-potoan-kiasana faharoan'ny filohan'ny repoblika izao. Tsy resy lahatra amin'izay governemanta hijoro eo Andriamatoa Guy Maxime Ralaiseheno... ♦ Hanova paik'ady amin'ny fitarihana ny antoko ny filohan'ny Tiako i Madagasikara. Niantso ny mpanara-dia azy ho sahy hijoro hanangana firenena vanona sy matanjaka Andriamatoa Marc Ravalomanana... ♦ Miisa 5 ny olona maty nandritra ny fandalovan'ny rivo-doza Alvaro teto amintsika. Maherin'ny 16.000 ny tra-boina... ♦ 95 farafahakeliny no maty tany Iran, 200 mahery ny olona naratra. Izay no vokatry ny fipoahana nahary vaika in-droa niantona nandritra ny fanamarihana ny faha efa-taona nahafatesan'i Qassem Soleimani...
Mampivoatra ny fari-piainana sy ny sôsialy ary ny ara-toekarena ny asa. Ny asa dia mampatsara ny fivelomana saingy miteraka zavatra hafa satria voakasik'ota : herisetra, fialonana, tsy fahamarinana, fifankahalana, ady... Misy ireo sakana mametra ny olona tsy tena hivoatra amin'ny fivelomana : hakamoana, fialonana... Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
♦ Nivoaka an-dranomasina ka tany amin'ny 324 km atsimo-atsinanan'i Farafangana no nisy ilay rivo-doza Alvaro, tamin'ny 10 maraina teo... ♦ An-dalana ho any Fianarantsoa ny fiarabe mitondra ny fitaovana sy kojakoja ilaina amin'ny fametrahana tetezana vonjy maika ao amain'ny PK 416 + 300 ao Mahazengy - Fianarantsoa, vokatry ny fahatapahan'ny lalana nateraky ny rivo-doza Alvaro... ♦ Nahemotra amin'ny fotoana manaraka ny fiakaran'ireo olona voarohirohy tamin'ny raharaha hosoka sy fisolokiana tanin'olona teny Isahafa-Anosiavaratra... ♦ Nankalaza ny fetin'ny Noely tamim-pahanginana sy niafina ny ankohonam-piainana kristiana tany Birmanie...
Fanontaniana mipetraka ny hoe malagasy manao ahoana no afaka mifanampy hampandroso an'i Madagasikara. Fanabeazana sahala amin'ny ahoana no tsy maintsy hapetraka mba ho singa hampandrosoana ny firenentsika. Ny fanabeazana no tsy maintsy hatao laharam-pahamehana raha toa ka manana vina hampivoatra ny firenena iray. Ireo fitsipika hamari-pototra ny fanabeazana : fifanajana, fametrahana sy fanarahana fitsipika, miezaka ho maodely tsara, fametrahana tontolo mahafinaritra hanamorana io fampitana fanabeazana... Fandaharana "ampela miary" niarahana tamin'ny Ramatoa Aliette Abraham.
♦ Tsy hisy fitsofan-drano ny fiarahan'ny mitovy fananahana na oviana na oviana atao amin'ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara hoy ny Evekan'i Madagasikara omaly, manoloana ilay fanambarana "fitokisana am-pitalahoana" nataon'i Vatican ny 18 desambra 2023, ary nosoniavin'ny Pape François... ♦ Nivoaka ny ranomasina androany maraina ilay rivo-doza Alvaro... ♦ Maherin'ny 3.000 ireo tra-boina vokatry ny rivo-doza Alvaro... ♦ Tafakatra 62 ireo namoy ny ainy vokatr'ilay horohoron-tany mahery vaika tany amin'ny Peninsule de Noto Japon ny alatsinainy teo... ♦ Maty vokatry ny fanafihana nataon'i Israely ny filoha lefitry ny Hamas Saleh Al Arouri sy ny olona 6 hafa...
♦ Tsy hisy fitsofan-drano ny fiarahan'ny mitovy fananahana na oviana na oviana ato amin'ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara hoy ny Evekan'i Madagasikara androany manoloana ilay fanambarana "fitokisana am-pitalahoana" nataon'i Vatikana ny 18 desambra 2023 teo ary nosoniavin'i Papa François... ♦ Vinavinaina hivoaka an-dranomasina anio alina any amin'ny Faritra Vatovavy sy Fitovinany ny sisan-drahona miaraka amin'ilay andro ratsy Alvaro. tao amin'ny distrikan'i Fianarantsoa no nisy ny foibeny ny tolakandro teo hoy ny teo anivon'ny Météo Madagasikara... ♦ Maherin'ny 400 hatramin'ny tolak'andro teo ny isan'ireo tra-boina vokatry ny fandalovan'ilay rivo-doza Alvaro tany amin'ny distrikan'i Morombe, Faritra Atsimo-Andrefana....
Tsy mety ny mihary ka manambaka ny hafa satria hoy ny ohabolana hoe " aleo kely ombam-pahamarinana toy izay harembe omban'ny tsy fahamarinana". Kianin'Andriamanitra mafy ary tena zava-maharikoriko eo anatrehany ny saha manambaka ny hafa izany hoe manangon-karena amin'ny fanambakana ny hafa. Ny fitiavana te-hanankarena tampoka no mahatoonga ny halatra... Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
♦ Mihena hatrany ny herin'i Alvaro, izay efa tsy voasokajy ho rivo-doza intsony fa lasa andro ratsy. Manohy ny diany miatsinanana hatrany izy, amin'ny hafainganam-pandeha 20km/ora... ♦ Mbola tena tsy hilamina ny fifanolanana pôlitika nisy nandritra ny fifidianana teo amin'ity taona 2024 ity, hoy ny antoko MFM. Hanampy trotraka izany ny fiakaran'ny vidim-piainana ka ahiana hiteraka olana ara-pôlitika... ♦ Voafonja 9.757 amin'ireo 16.766 manerana ny nosy no hahazo fanalefahan-tsazy noho izao taona vaovao 2024 izao. Miisa 2.766 ireo hahazo izany ka afaka hivoaka ny fonja avy hatrany... ♦ Tafakatra 30 farafahakeliny ireo namoy ny ainy, vokatr'ilay horohoron-tany nitranga tany Japon...
♦ Niditra an-tanety alina ilay rivo-doza Alvaro. Tany amin'ny Distrikan'i Ikalamavony no nisy ny foibeny ny maraina teo. Nihena ny heriny araka ny filazàna manokana avy amin'ny Météo Madagascar... ♦ Taona 2024, taona miavaka noho ny fananany andro 366. 10 farafahakeliny eo ireo andro hitsaharana kely amin'ny asa andavanandro... ♦ Tetik'asa maro no nampanantenain'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina fa hotanterahina amin'ity taona ity, tamin'ny kabary firariantsoa noho ny taom-baovao. Haodina eto an-toerana ireo vokatra ilain'ny vahoaka, hoy izy, hanarenana ny lafiny toe-karena... ♦ Nisehoana horohorontany nisesisesy omaly tolak'andro tany avaratra atsinanan'i Japon, nahatratra 7,5 Richter ny heriny...
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco