Vakiteny voalohany

Boky voalohan’ny Mpanjaka (1 Mpanj. 8, 1-7. 9-13)

Nentiny teo amin’ny fitoerany ny fiara faneken’ny Tompo, ao amin’ny fitoerana masina indrindra ka nameno ny tranon’ny Tompo ny rahona.

Tamin’izany andro izany,
novorin’i Salômôna tao aminy, tany Jerosalema, avokoa ny loholon’i Israely,
sy ny lehibe rehetra isam-pokony, ary ny filoham-pianakavian’ny zanak’i Israely,
mba hamindra ny fiaran’ny faneken’ny Tompo avy amin’ny tanànan’i Davida,
izany hoe any Siôna.
Ka nivory tao amin’i Salômona mpanjaka avokoa ny lehilahy rehetra amin’i Israely,
tamin’ny fety, amin’ny volana Etanima, volana fahafito.
Nony tonga ny loholona rehetra amin’i Israely,
dia nentin’ny mpisorona ny fiara.
Nentiny ny fiaran’ny Tompo mbamin’ny trano lay fihaonana
sy ny fanaka voahasina rehetra izay tao amin’ny trano lay,
ka ny mpisorona sy ny Levita no nitondra ireo.
Ary i Salômôna mpanjaka sy ny fiangonan’i Israely rehetra izay nantsoiny ho eo aminy,
dia niaraka taminy teo anoloan’ny fiara.
Ondry sy omby tsy hita isa sy tsy tambo isaina noho ny hamaroany no novonoiny ho sorona.
Dia nentin’ny mpisorona teo amin’ny fitoerany ny fiaran’ny faneken’ny Tompo,
dia tao amin’ny fitoerana masin’ny trano,
ao amin’ny fitoerana masina indrindra,
teo ambonin’ny elatry ny kerobima.
Fa namelatra ny elany tambonin’ny fitoeran’ny fiara ny kerobima
ka nanaloka ny fiara sy ny baony teo amboniny.
Tao anatin’ny fiara tsy nisy afa-tsy ny takela-bato roa,
napetrak’i Môizy tao, tany an-tendrombohitra Hôreba,
fony ny Tompo nanao fanekena tamin’ny zanak’i Israely,
tamin’ny nivoahany avy tany amin’ny tany Ejipta.
Nony nivoaka avy tao amin’ny fitoerana masina ny mpisorona
dia nameno ny tranon’ny Tompo ny rahona,
ka tsy nahajanona hanao ny fanompoany tao ny mpisorona,
noho ny amin’ny rahona,
fa nameno ny tranon’ny Tompo ny voninahitry ny Tompo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 131, 6-7. 8-10

Midira ato an-trano fonenanao re, ry Tompoko!

Indro lazaina hoe any Efrata ny fiarany,
anatin’ny saha manodidina eo no napetrany!
Midira ao an-tranon’ilay Masin’ny Masina!
Midira ao an-kianjany, miankohofa anoloany!

Midira ato an-trano fonenanao re, ry Tompoko!
Ka ento mba hiditra ilay Fiaranao Masina.
Ny olam-boahosotra anie hitandro ny rariny.
Hifaly, hihoby, hidera Anao ny mpivavaka!
Ny tavan’ilay voahosotra aza atosika,
tsarovy i Davida mpanomponao re, ry Tompoko!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Araikao amin’ny fanambaranao ny foko, ry Tompo, ary ny Lalànao no aoka hanenika ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 53-56)

Izay rehetra nanendry Azy dia sitrana.

Tamin’izany andro izany,
nony tafita i Jesoa sy ny mpianany,
dia nitody tao Genezareta ka niantsona teo.
Ary rahefa niala tao an-tsambo kely izy ireo,
dia nahalala an’i Jesoa niaraka tamin’izay ny olona,
ka lasa nitety ny manodidina,
ary rafitra nitatitra ny marary tamin’ny fandriana
ho any amin’izay reny fa misy Azy.
Na taiza na taiza nalehany,
na tamin’ny vohitra, na tany an-tanàna, na tany an-tsaha,
dia napetraky ny olona teo an-kianja ny marary,
sady niangavy taminy mba havelany hanendry
na dia ny sahondran’akanjony ihany aza,
ka izay rehetra nanendry Azy dia sitrana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Hotanterahana any amin'ny Diôsezin'Antsiranana amin'ny volana aogositra ho avy izao ny hetsika ara-panahy "Kongresy Eokaristika Nasiônaly sy ny Fihaonamben'ny  AFAFI FET". Hisy ny fiomanam-panahy hiatrehana izany hoy ireo tompon'andraikitra... ♦ Manolotra ny fandaharan'asa hanatanterahana ny politika ankapoben'ny Fanjakàna eny amin'ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza ny Praiministra Lehiben'ny Governemanta Ntsay Christian... ♦ Mikaikaika ny vahoaka manoloana ny fizakàna ny zo amin'ny fananan-tany hoy ny filohan'ny repoblika. Hiato mandritra ny 90 andro ny fangatahana tanim-panjakàna rehetra. Hisy ny lamina apetraka hisorohana ny fanodikodinana amin'ny endriny samihafa...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Jôba (Jôb. 7, 1-4. 6-7)

Feno tebiteby aho nandra-pahazavan’ny andro.

Tamin’izany andro izany, niteny i Jôba nanao hoe:

“Andro fanompoana, ny fiainan’ny olona eto an-tany,
ary toy ny an’ny mpikarama ny androny.
Toy ny mpanompo maniry alokaloka,
toy ny mpikarama miandry ny karamany,
mova tsy izany aho nanana izay anjara volana mampahory,
sy nanana izay anjara volana mampijaly.
Fa nony handry aho manao hoe:

‘Rahoviana aho no hifoha?
Rahoviana ny alina no ho tapitra?’

Dia mandry an-driran’antsy foana eo aho,
mandra-pahazavan’ny andro.
Mihelina faingana toy ny famahanan-tenona ny androko, dia lany:
tsy misy fanantenana intsony!
Andriamanitra ô!
tsarovy fa fofona kely foana ny aiko!
ka tsy hahita fiadanana intsony ny masoko”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 146, 1-2. 3-4. 5-6

Derao ny Tompo manasitrana ny torotoro fo.

Derao ny Tompo fa tsara,
antsao ny Andriamanitsika fa mamy:
ary fiderana voakaly no tena mendrika Azy:
Izy ilay manorina an’i Jerosalema,
manangona ny tafaely amin’i Israely.

Mitsabo ny fanahy torotoro,
manasitrana ny fo maratra,
Ilay manisa tsirairay ny kintana
sy miantso azy amin’ny anarany avy.

Tompontsika lehibe sy mahery,
Ilay tsy misy fetra ny fahalalany,
Izy Tompo manandratra ny ory,
fa ny olon-dratsy adabony aman-tany.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 9, 16-19. 22-23)

Mila loza aho raha tsy mitory ny Evanjely.

Ry kristianina havana,
raha mitory ny Evanjely aho,
dia tsy mba izany no voninahitro,
fa adidy tsy maintsy efaiko izany,
ka mila loza aho raha tsy mitory ny Evanjely.
Raha safidim-poko fotsiny no anaovako izany,
dia hoe mendri-baly aho;
fa didy no anaovako azy,
ka dia adidy napetraka hiandraiketako izany.
Inona àry ny valisoa azoko?
Izao ihany: mitory ny Evanjely aho,
ary mitory azy maimaim-poana,
fa tsy mampiasa ny fahefana ananako avy amin’ny Evanjely.
Eny, na dia olona afaka aza aho,
ka tsy mpanompon’iza na iza akory,
dia nilatsaka ho mpanompon’ny olona rehetra kosa,
mba hahazoako olona maromaro kokoa.
Tamin’ny malemy aho, dia hoatra ny malemy,
mba hahazoako ny malemy.
Eny, tonga toa azy rehetra tamin’ny olona rehetra aho,
mba hamonjeko azy rehetra.
Ary noho ny Evanjely no nanaovako izany rehetra izany,
mba hananako anjara aminy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 29-39)

Nanasitrana olona maro nararin’ny aretina samihafa Izy.

Tamin’izany andro izany,
raha nivoaka avy tao amin’ny Sinagôga i Jesoa sy i Jakôba ary i Joany,
dia nankany an-tranon’i Simôna sy i Andre.
Ary ny rafozambavin’i Simôna nandry teo am-pandriana fa nanavy,
ka noresahin’izy ireo taminy niaraka tamin’izay.
Dia nanatona nandray ny tanany i Jesoa sy nanarina azy,
dia afaka ny tazony ka nanompo Azy izy.
Nony hariva efa maty masoandro,
dia nentina teo aminy ny marary rehetra sy ny azon’ny demony,
ary ny tao an-tanàna rehetra nitangorona teo am-baravarana avokoa.
Dia nanasitrana olona maro nararin’ny aretina samihafa Izy,
sady nandroaka demony maro,
fa tsy navelany hiteny ny demony, satria nahafantatra Azy.
Nony ampitso nifoha maraina alina koa Izy,
dia nivoaka nankany amin’ny tany mangingina, ka nivavaka tany.
Dia lasa nitady Azy i Simôna sy ny namany,
ka nony nahita Azy dia nilaza taminy hoe:

“Tadiavin’ny olona rehetra Ianao”.

Fa izao no navaliny:

“Andeha isika hankany amin’ny tanàna akaiky,
mba hitoriako any koa; fa izany no nivoahako”.

Dia lasa Izy nitory tamin’ny sinagôgan’ny olona
sy eran’i Galilea rehetra,
sady nandroaka ny demony.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Nankalaza ny fetin'i Masindahy Joany Bosco ny Fiangonana omaly faha-31 janoary. Sorona Masina notarihan'ny Arsevekan'Antananarivo Mgr Raoelison Jean de Dieu no nanehoan'ny fikambanana saleziana izany teny Ivato... ♦ Telo no maty, dimy naratra mafy, izay no vokatry ny lozam-pifamoivoizana an-dalamby niseho tao Sahasinaky Fenomby. Fiaran-dalamby niainga tao Manakara saika hihazo an'i Fianarantsoa... ♦ Hanolotra ny fandaharan'asany hanatanterahana ny pôlitika ankapoben'ny Fanjakàna eny  amin'ny antenimieram-pirenena, anio maraina ny Praiministra lehiben'ny Governemanta, araka ny voalazan'ny andininy faha-99 ao amin'ny Lalam-panorenan'ny Repoblika fahaefatra...

♦ Namoaka ny isa azo sy laharana misy an'ireo firenena eran-tany momba ny ady atao amin'ny kolikoly ny Transparency International. Any amin'ny laharana faha-145 amin'ny firenena 180 no misy an'i Madagasikara... ♦ Mbola tetezamita mitanila ny fitondrana misy ankehitriny hoy ny Cellule de Crise "Diovy i Madagasikara". Tsy handray anjara amin'ny fifidianana ho avy eo izy ireo araka ny tapaky ny mpikambana... ♦ Hajanona amin'izay hoy ny governoran'ny Faritra Analamanga Hery Rasoamaromaka ny fanariana fako eny Anosipatrana. Efa miverina amin'ny laoniny mantsy ny fidirana amin'ny fanarina fako eny Andralanitra... ♦ Nomelohan'ny fitsaràna any Pakistan 10 taona an-tranomaizina ny Praiministra teo aloha Imran Khan...

♦ Miantso ny Governemanta, hidinika amin'ny rehetra momba ny fanatanterahana fifidianana, ny Vovonana Gasy Leo. Kajikajy pôlitika ny hampiarahana ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Solombavam-bahoaka, hoy izy ireo... ♦ Mitaky amin'ny CENI, ny tokony hamoahana ny datim-pifidianana, ny antoko Humaniste Ecologique. Ahiana, hoy ity antoko ity, fa sao miandry baiko avy amin'ny fitondrana ny CENI, vao hamoaka ireo tetiandro... ♦ Ahiana hisy fiforonana rivodoza indray ao amin'ny Ranomasimbe Indiana. Mety hisy rindrin-drahona handalo any amin'ny ilany atsimo atsinanan'ny nosy, manomboka rahampitso...

♦ Tsy zava-baovao teto amin'ny firenena ny fikarakarana fifidianana roa samy hafa, hoy ireo fikambanana sy firaisamonim-pirenena, mpanara-maso fifidianana eto Madagasikara... ♦ Olana iray mbola mitoetra eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina hatramin'izao, ny fanalana fako... ♦ Nisy indray lalana tapaka, vokatry ny rotsak'orana, any amin'ny Faritra Sava, eo amin'ny PK 405 amin'ny Lalam-pirenena faha-5A...

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Eveka, an'i Mgr Luc Oliver Razfitsimialona, hitantana indray manomboka izao ny Diôsezin'i Tolagnaro... ♦ Nentin'ny Papa nandritra ny fampianarany tao aorian'ny vavaka Angelus, ny fanentanana ny rehetra mba hianatra hiaina an-kalalahana, afaka amin'ireo gadra vy izay mamatotra ny tsirairay...

♦ Vonona handray anjara amin'izay fifidianana manaraka eo ny antoko TIM, ary manentana ny mpanara-dia azy hijery sy hanamarina ny anarany ao anatin'ny lisi-pifidianana... ♦ Miisa 9 ireo olona namoy ny ainy, 5 tsy hita popoka ary maherin'ny 9400 ireo tra-boina noho ny fisian'ny rotsak'orana be loatra manerana ny nosy, nanomboka ny 16 janoary, hoy ny BNGRC... ♦ Hafainganina ny dingana rehetra amin'ny fampisitrahana ireo Malagasy am-pielezana, ny pasipaoro, hoy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny sy ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka...

♦ Tontosa omaly alahady 28 janoary 2024, ny fanamasinana sy ny fametrahana ho Evekan'i Tolagnaro, an'i Mgr Razafitsimialona Luc Olivier... ♦ Hiatrika fivoriana tsy ara-potoana manomboka androany ireo Antenimiera mpanao lalàna... ♦ Avotra teo am-pelatanan'ireo dahalo naka an-keriny azy, ireo vehivavy telo mianaka tany amin'ny Fokontany Androva Atsimo, Kaominina Ambanivohitra Talata Angavo, Distrikan'Ankazobe...

♦ Efa any amin'ny Diôsezin'i Tolagnaro ankehitirny, ny Nonce Apostolique, Mgr Tomas Grysa, hanatrika ny Sorona Masina fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Luc Olivier Razafitsimialona, amin'ny alahady izao... ♦ Velaran-tany mirefy 75.000 Ha, no kendrena ho volena zanakazo amin'ity taona ity. Nanomboka androany tamin'ny fomba ôfisialy teny Imerintsiatosika, ny taom-pambolen-kazo 2024... ♦ Mbola tsy votsotra ireo takalon'aina telo vavy any amin'ny Kaominina Talata Angavo, Distrikan'Ankazobe...

♦ Efa any amin'ny Diôsezin'i Tolagnaro ankehitriny, ny Nonce Apostolique sy ireo Eveka avy amin'ny Diôsezy samihafa avy eto Madagasikara... ♦ Manolotra ny teny fankasitrahana ho antsika mianakavy nanotrona sy nanohana azy ireo, nandritra ny fankalazana ny fetin'ny Fianakaviana Masina, ny fianakaviamben'ny Seminera Zandriny Ambohipo... ♦ Nofaranana tamin'ny 20 sy 21 janoary 2024 ny fankalazana ny faha-40 taonan'ny EKAR Trinite Masina Anosimasina, ao amin'ny Diôsezin'i Moramanga...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...