♦ Nankalazaina ny alahady 18 jona 2023 tao amin’ny Masera Notre-Dame du Cénacle - Amparibe, ny andro faha-57 maneran-tany ho an’ny fifandraisan'ny mpiara-belona... ♦ Kristianina miisa 1138 no niroso tamin'ny Sakramentan’ny Fankaherezena tao amin'ny EKAR Distrika Betafo... ♦ Niverina nitarika ny vavaka Angélus, ny Papa François, ny alahady 18 jona 2023...
♦ Tontosa tamin'ny talata teo ny fitsofan-drano an'i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay notendren'ny Papa François ho Eveka Mpanampy any amin'ny Diôsezin'i Morondava... ♦ Nankalaza ny faha-105 taona niorenan'ny sekoly ny tao amin'ny Lycée Masindahy Antoine Ankadifotsy, nandritra ny fankalazana ny fetin'ny olomasina mpiaro azy ireo, ny talata teo... ♦ Hotontosaina ny 27 hatramin'ny 29 jona, ho avy izao, ny fiofanana izay fanaon'izy ireo isan-taona, no sady hankalazana ny faha-10 taona nisiany, dia ilay antsoina hoe "Formation à la Spiritualité Ignacienne", na ny FSI...
Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (2 Kôr. 9, 6-11)
Ry kristianina havana,
izay mamafy kely dia hijinja kely ary izay mamafy be dia hijinja be.
Samia manao araka izay efa nokasainy tao am-pony avy,
tsy amin’alahelo na an-tery,
fa ny manome an-kafaliana no sitrak’Andriamanitra.
Hain’Andriamanitra fenoina ny fahasoavana rehetra ianareo,
ka sady hanana ny ampy mandrakariva amin’ny zava-drehetra ilainareo
no hanana amby ampy aza hoentinareo mitombo amin’ny asa soa isan-karazany
araka ny voasoratra hoe:
“Namafy tamin’ny fanomezam-be ny mahantra izy,
ka haharitra mandrakizay ny fahamarinany.”
Ilay manome ny mpamafy ny voa afafy sy ny hanin-ko haniny,
no hanome anareo koa ny voa afafy sy hampitombo azy,
ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo,
dia hanan-karena amin’ny zava-drehetra ianareo
sy hahafoy be amin-kitsim-po,
ka fisaorana an’Andriamanitra noho ny asanay no ho vokatr’izany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 111, 1-2. 3-4. 9
Sambatra ny olona matahotra ny Tompo,
sy mankasitraka fatratra ny didiny!
Ny taranany hahery eto an-tany;
ny taranjan’ny olo-marina tahina.
Fananana sy harena no ao an-tranony;
ny fahamarinany maharitra mandrakizay.
Ny olo-marina tsilovina raha maizina:
dia ireo izay mangoraka sy antra.
Malala-tanana izy,
manome ny mahantra;
ny fahamarinany maharitra mandrakizay;
ny tandrony misandratra noho ny voninahitra.
Aleloia. Aleloia.
Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao,
ary tariho ho amin’ny fahamarinanao aho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 1-6. 16-18)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Tandremo sao hataonareo eo imason’ny olona
ny asa soa hataonareo mba hahitany azy;
fa raha izany,
dia tsy hahita valisoa amin’ny Rainareo izay any an-danitra ianareo.
Koa amin’izany raha manao fiantrana ianao,
dia aza mitsoka trômpetra eo alohanao
tahaka ny fanaon’ny mpihatsaravelatsihy ao amin’ny sinagôga sy eny an-dalam-be,
mba hankalazan’ny olona azy.
Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany.
Fa raha manao fiantrana ianao,
aoka ny tananao havia tsy hahalala izay ataon’ny havanana,
mba hiafina ny fiantrana ataonao,
ary ny Rainao izay mahita ny miafina no hamaly soa anao.
Ary raha mivavaka ianareo,
aza mba manao tahaka ny mpihatsaravelatsihy,
izay tia ny mivavaka mitsangana ao amin’ny sinagôga sy eny an-joron-dalana,
mba hahitan’ny olona azy.
Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany.
Fa ianao kosa raha hivavaka,
dia midira ao amin’ny efitranonao,
ka rahefa voarindrinao ny varavarana,
dia mivavaha amin’ny Rainao izay ao amin’ny mangingina,
ary ny Rainao izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly anao.
Ary raha mifady hanina ianareo,
dia aza manjombona endrika tahaka ny ataon’ny mpihatsaravelatsihy,
izay mampisotisoty ny tavany mba hahitan’ny olona fa mifady izy.
Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany.
Fa ianao kosa raha mifady hanina,
dia hosory zava-manitra ny lohanao, ary sasao ny tavanao,
mba tsy ho ny olona no hahita anao hoe mifady hanina,
fa ny Rainao izay ao amin’ny mangingina;
ary ny Rainao izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly soa anao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (2 Kôr. 8, 1-9)
Ry kristianina havana, mampandre anareo izahay,
fa izao no fahasoavan’Andriamanitra nomena ny Eglizy any Masedônia.
Na dia lehibe aza ny fahoriana nizahan-toetra azy,
dia feno hafaliana izy ireo;
ary na dia lalina aza ny fahantrana nahazo azy,
dia nahafoy harena be tamin-katsaram-po izy.
Vavolombelona aho fa an-tsitra-po tokoa no nahafoizany araka izay zakany,
eny mihoatra noho izay zakany aza,
fa niangavy mafy taminay izy
mba hanana anjara amin’izany fanampiana ny olo-masina izany.
Koa sady nahatò ny fanantenanay izy no nitolo-tena tamin’ny Tompo aloha,
vao taminay koa, noho ny fahasoavan’Andriamanitra.
Izany no niangavianay an’i Tito
mba hanatanteraka izany fahasoavana izany aty aminareo,
noho izy efa hanomboka izany rahateo.
Aoka ho araka ny fahambonianareo amin’ny zavatra rehetra,
dia amin’ny finoana, amin’ny teny,
amin’ny fahalalana, amin’ny fahazotoana na amin’inona na amin’inona,
ary amin’ny fitiavana anay,
no ho fahambonianareo koa amin’ity fahasoavam-piantrana ity.
Tsy didy omeko anefa izany,
fa fanararaotako ny zotom-pon’ny sasany
hoenti-mitsapa ny hamarinan’ny fitiavanareo.
Satria fantatrareo ihany ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika,
fa na dia mpanan-karena aza Izy, dia tonga mahantra noho ny aminareo,
mba hampanan-karena anareo amin’ny fahantrany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 145, 2. 5-6. 7. 8-9a.
Izaho midera ny Tompo, raha mbola velona aina,
miantsa ny Andriamanitro, raha mbola misy koa!
Sambatra izay manana ho Mpitahy ny Andriamanitr’i Jakôba;
sy mametraka ny tokiny amin’ny Andriamanitra Tompony.
Ilay nanao ny lanitra, ny tany sy ny riaka,
sy izay rehetra ao amin’ireny!
Ilay mitandrina mandrakariva ny fahamarinana,
sy manome rariny ny ampahoriana!
Ilay mamahana ny noana, Tompo mamaha ny mpifatotra.
Tompo mampahiratra ny jamba,
Tompo mampitraka ny miondrika,
Tompo Mpiaro ny vahiny.
Tohan’ny kamboty sy ireo mpitondratena.
Aleloia. Aleloia.
Izay mitandrina ny didin’i Kristy,
no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 43-48)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Efa renareo fa voalaza hoe:
Ho tia ny namanao ianao ary hankahala ny fahavalonao.
Fa Izaho kosa milaza aminareo:
Tiavo ny fahavalonareo manaova soa amin’izay mankahala anareo,
ary mivavaha ho an’izay manenjika sy manendrikendrika anareo;
mba ho zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo,
dia Ilay mampiposaka ny masoandrony amin’ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy,
ary mandatsaka ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina.
Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo,
inona no valisoa ho azonareo?
Moa va na dia ny poblikanina aza tsy manao izany koa?
Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo,
inona no mihoatra amin’ny ataonareo?
Moa na dia ny jentily aza tsy mba manao izany ihany koa?
Koa aoka ho lavorary ianareo
tahaka ny fahalavorarian’ny Rainareo izay any an-danitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (2 Kôr. 6, 1-10)
Ry kristianina havana,
noho izahay mpiara-miasa amin’Andriamanitra,
dia mihanta aminareo izahay mba tsy handray foana
ny fahasoavan’Andriamanitra ianareo; fa hoy Izy:
“Tamin’ny fotoana tsara, nihaino anao Aho,
ary tamin’ny androm-pamonjena namonjy anao Aho”;
indro, ankehitriny ny fotoana tsara;
indro, ankehitriny ny androm-pamonjena
sady tsy avelanay hisy manafintohina izay rehetra ataonay,
mba tsy ho azo tsinìna ny fandraharahanay,
fa mainka ny zavatra rehetra entinay hahamendrika ny tenanay
araka ny mety amin’ny mpandraharahan’Andriamanitra:
dia faharetana lehibe amin’ny fahoriana,
amin’ny fahaterena, amin’ny fahantrana, amin’ny kapoka,
amin’ny tranomaizina, amin’ny tabataba, amin’ny fisasarana,
amin’ny fiaretan-tory, amin’ny fifadian-kanina;
ary fahadiovan-toetra, fahalalana, faharetam-po, hamoram-panahy,
ny Fanahy Masina, fitiavana tsy mihatsaravelatsihy, tory teny marina,
ny herin’Andriamanitra, ny fiadian’ny fahamarinana,
na amin’ny ankavanana na amin’ny ankavia;
na omem-boninahitra na alam-baràka,
na ratsy laza na tsara laza;
honoina ho mpamitaka, nefa mpilaza ny marina;
ho olon-tsy fantatra, nefa fantatra tsara;
sy ho efa ho faty, nefa indro fa velona;
ho faizina mafy, nefa tsy maty tsy akory;
ho ampalahelovina, nefa faly mandrakariva;
ho mahantra, nefa nampanan-karena ny maro;
ho tsy manana na inona na inona, nefa manana ny zavatra rehetra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 97, 1. 2-3ab. 3de-4
Ihirao hira vao ny Tompo:
fa nahavita zava-mahagaga!
Namonjy Azy ny tanany havanana,
nanampy Azy ny sandriny masina.
Ny Tompo nanambara ny famonjeny,
sy naneho ny fahamarinany tamin’ireo firenena!
Tsarovy, ry tranon’i Israely,
ny hatsaram-po sy fahamarinany!
Zahao, ry vazan-tany rehetra,
ny famonjen’Andriamanitray!
Mihobia ny Tompo, ry tany tontolo!
Mientàna, mihobia sy miantsà!
Aleloia. Aleloia.
Velomy araka ny hatsaram-ponao aho,
mba hitandremako ny Fanambarana avy amin’ny Vavanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 38-42)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Efa renareo fa voalaza hoe:
Maso efai-maso, nify efai-nify.
Fa Izaho kosa milaza aminareo tsy hamaly ratsy akory;
fa raha misy mamely tehamaina ny takolakao ankavanana,
dia atolory azy koa ny ilany;
ary raha misy te-hiady aminao mba hahazoany ny akanjonao,
dia afoizo ho azy koa ny lambanao;
ary raha misy manery anao hiaraka aminy arivo dingana,
miaraha aminy roa arivo.
Omeo izay mangataka aminao,
ary aza ilaoza-mihataka izay te-hisambotra aminao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Eksaody (Eks. 19, 2-6a)
Tamin’izany andro izany,
nony tonga tany amin’ny efitr’i Sinaia ny zanak’i Israely,
dia nitoby tao an’efitra;
tandrifin’ny tendrombohitra no nitobian’i Israely.
Niakatra ho ao amin’Andriamanitra i Môizy,
dia nantsoin’ny Tompo tao an-tampon-tendrombohitra, ka nilazany hoe:
“Izao no holazainao amin’ny taranak’i Jakôba
sy hambaranao amin’ny zanak’i Israely:
Hitanareo ny nataoko tamin’i Ejipta
sy ny nitondrako anareo tamin’ny ela-boromahery
ary ny nitarihako anareo ho aty amiko.
Koa ankehitriny raha mihaino ny feoko ianareo
sy mitandrina ny fanekeko,
dia ho vahoakako manokana eo amin’ny firenena rehetra,
satria Ahy ihany ny tany rehetra,
fa ianareo no fanjakà-mpisorona sy firenena masina ho Ahy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 99, 2. 3. 5.
Hobio ny Tompo, ry tany tontolo,
tompoy an-kafaliana ny Tompo;
tongava eo anoloany amin-karavoana.
Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra.
Izy no nanao: ka Azy isika,
vahoakany sy ondry andrasany.
Eny, tsara ny Tompo;
eny, mandrakizay ny fitiavany
amin’ny taona rehetra ny fahamarinany!
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 5, 6-11)
Ry kristianina havana,
fony mbola tsy nanankery isika,
dia maty tamin’ny fotoana voatendry i Kristy,
mba hamonjy ny ratsy fanahy.
Saika tsy misy manaiky ho faty hamonjy ny olo-marina;
ary angamba hisy ihany sahy maty hamonjy ny manao soa.
Fa izao kosa no nanehoan’Andriamanitra ny fitiavany antsika:
fony mbola mpanota isika no maty hamonjy antsika i Kristy;
koa mainka fa izao efa nohamarinina tamin’ny Rany izao,
dia tsy maintsy afany amin’ny hatezerana mihitsy.
Satria raha fony mbola fahavalo aza isika
nampihavanina tamin’Andriamanitra noho ny nahafatesan’ny Zanany,
mainka fa rehefa nampihavanina dia tsy maintsy voavonjy
noho ny fahavelomany tokoa.
Tsy izany ihany koa,
fa isika dia mifaly amin’Andriamanitra
amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika,
Izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo:
Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 36 — 10, 8)
Tamin’izany andro izany i Jesoa dia onena nahita ireto vahoaka be
nijaly sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry.
Dia hoy Izy tamin’ny mpianany:
“Ny vary hojinjaina be, fa ny mpijinja no vitsy;
koa mihantà amin’ny Tompom-bary mba haniraka mpijinja amin’ny variny.”
Ary niantso ny mpianany roa ambin’ny folo lahy Izy,
ka nanome azy fahefana handroaka fanahy maloto,
sy hanasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra.
Ary ireto no anaran’ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy:
Ny voalohany dia Simôna izay atao hoe Piera,
dia Andre rahalahiny,
Jakôba zanak’i Zebede sy Joany rahalahiny,
Filipo sy Bartelemy,
Tômà sy Matio ilay poblikanina,
Jakôba zanak’i Alfe sy Tade,
Simôna ilay Kananeanina ary Jodasy Iskariôta ilay namadika Azy.
Ireo ny roa ambin’ny folo lahy izay hirahin’i Jesoa
rehefa nohafatrafarany hoe:
“Aza manaraka ny lalana mankany amin’ny Jentily
ary aza miditra amin’ny tanànan’ny Samaritanina,
fa aleo mankany amin’ny ondry very amin’ny taranak’i Israely.
Ary raha mandeha ianareo, mitoria hoe:
‘Efa akaiky ny Fanjakan’ny lanitra’.
Sitrano ny marary,
atsangano ny maty,
diovy ny boka,
roahy ny demony:
nahazo maimaim-poana ianareo,
koa manomeza maimaim-poana.”
— Izany àry ny tenin'ny Tompo.
♦ Neken'ny Ray masina François, ny taratasy fametraham-pialana nataon'i Mgr Jean Claude Randrianarisoa, Evekan'ny Diôsezin'i Miarinarivo, hitsahatra amin'ny fitantanana ara-pastôraly io Diôsezy io... ♦ Efa tafiditra tanteraka ao anatin'ny fandaminana ny Diôsezin'Antananarivo izay mpandray ny Fihaonambe Nasiônalin'ny Ankizy, andiany faha-3... ♦ Ao anatin'ny fakalazana ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, dia misy ireo hetsika samihafa izay tontosain'izy ireo. Ao anatin'izany ny "JOTI Centenaire" sy ny Lasy nasiônaly, izay hotanterahanan'ny isan-diôsezy...
Neken’ny Ray Masina Papa Fransoa ny taratasy fametraham-pialana nataon’i Mgr Jean Claude Randrianarisoa, Evekan’i Miarinarivo, hitsahatra amin’ny fitantanana ara-pastoraly io diôsezy io. Notendren’i Papa niaraka tamin’izany fanekena izany ihany koa ny Eveka hitantana vonjimaika ny diôsezin’i Miarinarivo dia i Mgr Fabien Raharilamboniana, Evekan’i Morondava ankehitriny sady Filohan’ny Fivondronam-ben’ny Eveka eto Madagasikara.
♦ Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny katesizy ho an’ny fianakaviana sy ny fanatsarana ny fomba fampitana hafatra ny tombana nataon’ny pretra mpanolotra fandaharana eto amin’ny Radio Don Bosco ny talata 6 jona 2023... ♦ Miato hatramin'ny 18 jona 2023 ny asan'ny Papa François, noho ny antony ara-pahasalamana... ♦ Manentana ny mpino hivavaka ho an’ny famongorona ny fampijaliana, ny Papa François amin’ity volana jona ity...
Boky Deterônômy (Det. 7, 6-11)
Tamin’izany andro izany,
dia hoy i Môizy tamin’ny vahoaka:
“Vahoaka masina ho an’ny Tompo Andriamanitrao ianao.
Ianao no nofidin’ny Tompo Andriamanitrao mba ho vahoakany manokana,
eo amin’ny vahoaka hafa rehetra ambonin’ny tany.
Tsy noho ianareo mihoatra isa noho ny vahoaka rehetra anefa,
no niraiketan’ny Tompo taminareo sy nifidianany anareo;
vitsy noho ny vahoaka hafa rehetra aza ianareo;
fa noho ny fitiavany anareo,
sy noho ny fankatoavany ny fianianana nataony tamin’ny razanareo,
dia nentin’ny Tompo nivoaka, tamin’ny tanana mahery,
sy navotany tamin’ny fanandevozana ianareo,
dia tamin’ny tanan’i Faraona mpanjakan’i Ejipta.Koa aoka ho fantatrao àry, fa ny Tompo Andriamanitrao no Andriamanitra,
dia Andriamanitra tsy mivadika,
fa maharitra amin’ny fanekena amam-pamindram-po,
hatramin’ny taranaka faharivo amin’izay tia Azy sy mitandrina ny didiny.
Fa mamaly an-kitsirano kosa an’izay mankahala Azy, amin’ny fandringanana azy;
tsy hitaredretra akory Izy ny amin’izay mankahala Azy,
fa hovaliany an-kitsirano izao.
Koa tandremo ny didy sy ny lalàna amam-pitsipika andidiako anao anio,
ka tanteraho izany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 102, 1-2. 3-4. 6-7. 8 sy 10
Isaory ny Tompo, ry fanahiko;
ny Anarany masina, ry ato anatiko rehetra!
Isaory ny Tompo, ry fanahiko:
ny soa avy aminy aza misy hadinoina.
Izy ilay namela ny helokao rehetra,
sy manasitrana ny aretinao rehetra,
manavotra ny ainao amin’ny hady,
manototra fitiavana sy indrafo anao.
Ny Tompo mpanome rariny:
izay ampahoriana omeny hitsiny.
i Môizy nanehoany ireo fikasàny;
ny zanak’i Israely, ireo asany ambony.
Mpamidra fo sy mpiantra ny Tompo,
tsy malaky tezitra ary be fitiavana;
Tsy araka ny otantsika no ataony antsika,
na araka ny helotsika no avaliny antsika.
Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo. 4, 7-16)
Ry hava-malala,
aoka hifankatia isika, fa ny fitiavana dia avy amin’Andriamanitra,
ary izay rehetra tia dia avy amin’Andriamanitra, sy mahalala an’Andriamanitra.
Izay tsy tia dia tsy mahalala an’Andriamanitra, satria Andriamanitra dia fitiavana.
Ary nampiseho ny fitiavany antsika Izy,
tamin’ny nanirahany ny Zanany lahy tokana ho amin’izao tontolo izao,
mba hahavelona antsika amin’ny alalany.
Ary toy izao izany fitiavana izany:
tsy isika no tia an’Andriamanitra rahateo, fa Izy no tia antsika mialoha,
sy naniraka ny Zanany ho sorom-panavotana antsika amin’ny fahotantsika.
Ry hava-malala,
raha toy izany no nitiavan’Andriamanitra antsika,
dia tokony mba hifankatia koa isika.
Tsy mbola nisy olona nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana.
Fa raha mifankatia isika dia mitoetra ao amintsika Andriamanitra,
ary lavorary ao amintsika ny fitiavana Azy.
Ny fananantsika ny Fanahiny no ahafantarantsika fa mitoetra ao aminy isika,
ary Izy ao amintsika.
Ary efa nahita izahay,
ka manambara fa naniraka ny Zanany ho Mpamonjy an’izao tontolo izao ny Ray.
Na iza na iza hanaiky an’i Jesoa ho Zanak’Andriamanitra,
dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy ao amin’Andriamanitra.
Ary izahay efa nahalala sy nino ny fitiavan’Andriamanitra antsika.
Andriamanitra dia fitiavana;
koa izay mitoetra amin’ny fitiavana dia mitoetra ao amin’Andriamanitra,
ary Andriamanitra ao aminy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Ento ny jiogako, hoy ny Tompo ary mianara amiko,
fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 11, 25-30)
Tamin’izany andro izany, dia hoy indray i Jesoa:
“Misaotra Anao Aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany,
fa nanafina ny hevitrao tamin’ny hendry sy be saina Ianao,
ary nanambara izany tamin’ny tso-po kosa.
Eny, misaotra Anao Aho, Raiko, fa izany no sitra-ponao.
Efa nomen’ny Raiko Ahy ny zavatra rehetra,
ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray;
ary tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy.
Mankanesa aty amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy vesaram-pijaliana,
fa hanamaivana anareo Aho.
Ento ny jiogako, ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho,
dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo;
fa mora entina ny jiogako, ary maivana ny didiko.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (2 Kôr. 3, 15 — 4, 1. 3-6)
Ry kristianina havana, mandraka ankehitriny,
isaky ny vakìna ny tenin’i Môizy, dia toa misy sarona manarona ny fon’ny zanak’i Israely.
Fa rahefa mitodika ny Tompo kosa izy, dia hoesorina ny sarona.
Ary tsy iza izany Fanahy izany fa ny Tompo;
ary izay itoeran’ny Fanahin’ny Tompo no misy ny fahafahana.
Koa isika rehetra dia tsy mba voasaron-tava,
fa mibanjina ny voninahitry ny Tompo toy ny amin’ny fitaratra;
sady ovan’Izy Tompo izay Fanahy,
handray izany endrika izany sy hitombo fahazavana lalandava.
Koa tsy ketraka izahay, manana izany fandraharahana izany,
araka ny famindram-po natao taminay.
Matoa misy miafina ny Evanjelinay,
dia amin’izay manary tena no iafenany,
izany hoe amin’ireo tsy mino nohajambain’ny andriamanitr’izao tontolo izao
mba tsy hiposahan’ny fahazavam-boninahitry ny Evanjelin’i Kristy,
izay endrik’Andriamanitra.
Fa tsy ny tenanay no torìnay, fa i Jesoa Kristy Tompontsika,
ary izahay dia mpanomponareo noho ny amin’i Jesoa.
Satria Andriamanitra izay mandidy hoe:
“aoka ny mazava hiposaka ao amin’ny maizina”,
no manazava ny fonay,
mba hampahazavanay ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra,
izay mitaratra amin’ny tavan’i Kristy Jesoa.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 84, 9ab-10. 11-12. 13-14
Mba tiako tokoa ny handre Azy Tompo.
Mirary fiadanana ho an’ireo olo-miandrandra ny tavany.
Akaiky izay mino Azy Tompo ny vonjy.
Honenan’ny lazany etý amintsika.
Koa indro mihaona tokoa
ny indrafo sy ny fahamarinana.
Ny rariny ombam-piadanana hatrany.
Ny hitsiny hita mitsiry amy tany.
Mitsinjo avy eny amy rahon’ny lanitra kosa ny raviny.
Handrotsaka orana anie Izy Tompo.
Izay hampamokatra tsara ny tany.
Fa lalan-kizoran’ny Tompo ny rariny ombam-piadanana.
Aleloia. Aleloia.
Omeo fahalalana aho, ry Tompo,
hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 20-26)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Raha tsy lehibe noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina ny fahamarinanareo
dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra akory ianareo.
Efa renareo fa voalaza tamin’ny ntaolo hoe:
Aza mamono olona, ary izay mamono dia hohelohina amin’ny fitsarana.
Fa Izaho kosa milaza aminareo
fa izay rehetra mitezitra ny rahalahiny dia hohelohina amin’ny fitsarana;
ary izay hanao aminy hoe Rakà dia hohelohina amin’ny Sanedrina;
ary izay manao azy hoe Foka, dia hohelohina amin’ny gehen’afo.
Koa raha manatitra ny fanatitrao eo amin’ny ôtely ianao,
ka eo vao mahatsiaro fa manana alahelo amin’ny rahalahinao,
dia avelao eo amin’ny ôtely aloha ny fanatitrao,
ka mandehana mihavana amin’ny rahalahinao
vao miverina hanolotra ny fanatitrao indray.
Mihavàna faingana amin’izay manana ady aminao,
dieny samy mbola eo an-dalana ianareo,
fandrao atolotr’izay manana ady aminao amin’ny mpitsara ianao,
ary ny mpitsara kosa hanatitra anao amin’ny mpamatotra
ka hatao an-tranomaizina ianao.
Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho afaka ao mihitsy ianao,
ambara-pandoanao ny variraiventy farany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (2 Kôr. 3, 4-11)
Ry kristianina havana,
Andriamanitra ihany no anananay izao fahasahianay izao, amin’ny alalan’i Kristy.
Tsy ny tenanay akory no ampy hahahevitra zavatra toy ny avy amin’ny tenanay;
Andriamanitra ihany no iavian’ny fahampianay,
Izy ihany koa no maha-ampy anay ho mpandraharaha amin’ny fanekena vaovao,
tsy mpandraharaha amin’ny soratra anefa,
fa mpandraharaha amin’ny fanahy,
satria ny soratra mahafaty fa ny fanahy no mahavelona.
Ary raha ny fandraharaham-pahafatesana voasoratra tamin’ny vato aza nohodidinim-boninahitra,
ka tsy nahabanjina ny tavan’i Môizy ny zanak’i Israely,
noho ny famirapiratry ny voninahiny mandalo foana,
tsy mainka va ny fandraharaham-panahy no hodidinim-boninahitra?
Eny, raha ny fandraharana ny fanamelohana aza nisy voninahitra,
dia vao mainka hanan-tombom-boninahitra ny fandraharahana ny fahamarinana;
ka tsy azo lazaina ho voninahitra akory ny an’ilay voalohany,
raha oharina amin’ny an’ity ankehitriny ambony lavitra.
Satria raha nomem-boninahitra ilay nandalo, vao mainka ho be voninahitra ity maharitra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 98, 5. 6-7. 8. 9
Asandrato
Andriamanitra Tompo.
Ny fitoeran’ny tongony ihohofy.
Fa satria Izy Masina indrindra.
I Samoela, i Môizy, i Aarôna, raha niantso dia novaliany,
tao anaty andry rahona fotsy.
Ka mitandrina izay nolazainy,
sy nandray ny lalàna nomeny.
Eny, ry Andriamanitra Tompo,
novalianao tokoa izy ireo.
Lefitrao izay rehetra nataony;
faizinao kosa ireo hadisoany.
Asandrato Andriamanitra Tompo,
ka ny Vohitra masiny ihohofy!
Fa satria Izy masina indrindra,
asandrato ny Tompo Mpamonjy.
Aleloia. Aleloia.
Alao tampina ny masoko, ry Tompo,
hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 17-19)
Tamin’izany andro izany,
hoy i Jesoa tamin’ny mpianany:
“Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny Lalàna sy ny Mpaminany;
tsy tonga handrava Aho, fa hanatanteraka.
Fa lazaiko aminareo marina tokoa,
fa mandra-pahalevon’ny lanitra sy ny tany,
dia tsy hisy ho foana akory amin’ny Lalàna na dia i iray
na tendron-tsoratra iray akory aza, mandra-pahatanterak’izy rehetra.
Koa amin’izany izay handika ny anankiray amin’ireo didy madinika indrindra ireo,
ka hampianatra ny olona toy izany,
dia ho kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra;
fa izay hanatanteraka sy hampianatra ireo kosa
dia ho lehibe amin’ny fanjakan’ny lanitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco