12 ôktôbra 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 5-13)

Vakiteny voalohany

Bokin’i Malakia Mpaminany (Malak. 3, 13-20a)

Indro avy ny andro, mivaivay toy ny memy.

Mafy loatra ny teninareo mamely Ahy, hoy ny Tompo.
Ary hoy ianareo:

“Inona no resakay momba Anao?”

Izao no nolazainareo:

“Zava-poana ny manompo an’Andriamanitra;
inona no soa azontsika tamin’ny fitandremana ny didiny
sy tamin’ny fandehanana niory teo anatrehan’ny Tompon’ny tafika?
Fa ankehitriny indro ny tsy mivavaka no lazaintsika hoe: sambatra;
fa ambinina izay manao ny ratsy;
maka fanahy an’Andriamanitra izy, nefa afa-potsiny.”

Tamin’izany, izay natahotra an’Andriamanitra,
dia samy niresaka tamin’ny namany avy.
Ary ny Tompo kosa nihaino ka nahare Izy;
ary nisy boky fahatsiarovana nosoratana teo anatrehany,
ho an’ireo matahotra ny Tompo sy manaja ny Anarany.
Amin’ny andro efa omaniko, hoy ny Tompon’ny tafika,
ho raki-tsoa manokana ho Ahy ireo,
ary ho feno fitiavana azy Aho
ho toy ny mahafeno fitiavana ny olona amin’ny zanany manompo azy.
Ka dia ho hitanareo indray,
ny tsy fitovian’ny marina sy ny ratsy fanahy,
ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy.

Fa indro avy ny andro, mivaivay toy ny memy.
Ny mpiavonavona rehetra, sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho mololo,
ary ny andro izay ho avy no handoro azy, hoy ny Tompon’ny tafika,
ka tsy hasiany miangana na ny fakany na ny rantsany.
Fa ianareo kosa izay matahotra ny Anarako,
dia hiposahan’ny Masoandron’ny fahamarinana,
ka ho ao amin’ny tana-masoandrony ny fanasitranana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 1, 1-2. 3. 4 sy 6

Sambatra ny olona mametraka ny fitokiana amin’ny Tompo.

Endrey ny hasambaran’ny olona tsy manaraka ny hevitry ny ratsy fanahy,
tsy mandeha amin’ny Lalan’ny mpanota na monina amin’ny fonenan’ny mpaneso;
fa ny Lalàn’ny Tompo no sitrany;
ny Lalàny no saininy andro aman’alina!

Toy ny hazo maniry amoron-drano velona izy:
mamokatra ara-potoana, tsy malazo ravina;
izay rehetra ataony
mahomby avokoa!

Tsy mba toy izany ny ratsy fanahy:
fa mova tsy akofa paohin-drivotra!
Fa ny lalan’ny olo-marina, fantatry ny Tompo;
ny lalan’ny mpanota kosa mamery.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 5-13)

Mangataha dia hahazo ianareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Raha misy aminareo manan-tsakaiza
mankao aminy misasaka alina ka manao aminy hoe:

‘Ry sakaiza,
ampisambory mofo telo aho,
fa misy sakaizako nandeha nivahiny ka tonga ao amiko,
nefa tsy manan-katolotra azy aho’,

ary ilay tompon-trano kosa hamaly ka hanao hoe:

‘Aza manahirana ahy, fa ny varavarana efa mihidy;
izaho sy ny zanako efa tafandry
ka tsy afaka hifoha hanome anao aho.’

Lazaiko aminareo,
fa raha maharitra mandondòna izy,
na dia tsy hifoha hanome azy noho ny fisakaizany aza ilay ao an-trano,
dia hifoha hanome izay ilainy noho ny fanaovany lemozy.
Ary hoy Izaho aminareo:
Mangataha, dia homena ianareo;
mitadiava, dia hahita;
mandondòna, dia hovohàna.
Fa izay rehetra mangataka no mahazo;
izay mitady no mahita,
ary izay mandondòna no vohàna.
Iza aminareo no ray hanome vato ny zanany,
raha mofo no angatahiny,
na hanome bibilava azy,
raha hazandrano no angatahiny,
na hanome maingoka azy,
raha atody no angatahiny?
Koa raha ianareo,
na dia ratsy toy inona aza,
mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo,
tsy mainka va ny Rainareo izay any an-danitra
no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy?”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Hanohy ny hetsika diabe am-pilaminana hatrany ny vondron'ireo kandidà ho filoham-pirenena anio. Tsy azo ekena ny hanomezana ny fahefana amin'ireo olom-bitsy hoy ny kandidà Andry Rajoelina... ♦ Hitohy anio ny fampihaonana tarihan'ny FFKM izay iarahany amin'ireo solotenan'ireo kandidà... ♦ Noho ny antony tsy miankina taminy indray no tsy nandraisany ny fahefana hoy ny filohan'ny Antenimieran-doholona Herimanana Razafimahefa... ♦ Maherin'ny 1.100 ireo maty vokatry ny fifandonana teo amin'i  Hamas an'i Israely. Efa mihoatra ny 2.000 isa ireo naratra...

Ny aretina "drépanocytose" dia vokatry ny tsy fahatomombanan'ny sela mena ao anatin'ny vatan'ny olombelona iray. Ny olona mararin'ny "drépanocytose" no atao hoe "drépanocytaire". Ny manam-pahaizana manokana afaka mandray io aretina io dia ny sampandraharaha "hématologie". Ny endriky ny sela mena ho an'ny olona mararin'ny "drépanocytose" dia sahala amin'ny ila volana, fa tsy boribory ary mafy sy henjana ka misy fahasarotana ny hikorinan'ny ao anaty lalan-dra. Ny "drépanocytose" dia manaranaka ; 10% amin'ny malagasy no "drépanocytaire"...

♦ Efa raikitra ny fisamboran'olona ataon'ny mpitandro ny filaminana eny Ankazomanga sy ny manodidina nanomboka tamin'ny 11 ora sy 30 antoandro... ♦ Misy indray ny dinika fikatsaham-bahaolana tarihin'ny FFKM nanomboka ny antoandro teo, manoloana ny toe-draharaham-pirenena. Ireo solontena roa avy isaky ny kandidà no miatrika izany eny Ampandrana amin'izao ora izao... ♦ Efa voafehy ilay valan'aretina pesta nahafatesan'olona tany Ambohitsoa, Distrika Ankazobe. Hanazava ny momba izay eto ny solombavambahoaka voafidy tany an-toerana... ♦ Maty voatifitra vokatry ny savorovoro nitranga tao amin'ny fonja nitazomana azy tany Equateur ireo voafonja 6, voarohirohy tamin'ny famonoana ny kandidà ho filoham-pirenena...

♦ Milaza ho efa mahita loharano hizorana amin'ny dinika eto amin'ny firenena ny FFKM. Anjaran'ny CENI ihany no afaka mamory ireo mpanao pôlitika hoy koa ny Praiministry ny governemanta ifarimbonana Ntsay Christian... ♦ Hitohy anio indray ny fidinana an-dalambe hataon'ny vondron'ireo kandidà. Nisongadina omaly ny tsy fisian'ny fandatsahana baomba mandatsa-dranomaso avy amin'ny mpitandron'ny filaminana... ♦ Mihenjan-droa ny tady eo amin'Andriamatoa Raobelina Andry sy ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena manoloana ny fanapahana ny fifanarahana hampiasa ny Plazza eny Ampefiloha... ♦ Nosantarina nanomboka omaly ny fampodiana ireo miaramila Frantsay any Niger...

♦ Andrasana indray izay mety hiseho ao an-drenivohitra anio, manoloana ny toe-draharaha pôlitika. Nanome alalana ireo Solombavambahoaka sy ny vondron'ny kandidà hanao hetsika eny Antsonjombe ny Prefet-n'Antananarivo... ♦ Mbola tsy navoaka eny Fiadanana hatramin'ny omaly ny sekretera jeneralin'ny antoko TIM. Nambaran'ireo mpisolo vava azy fa efa mihoatra ny fe-potoana 72 ora voalazan'ny lalàna,  afahana mitazona azy eny Fiandanana... ♦ Nitondra fanazavàna ny MInistry ny Fitsaraàna androany momba ny raharaha hanenjehana ny sekretera jeneralin'ny antoko TIM. Tsy marina ny filazàna fa tsy misy mpitsara mety mandray an-tanàna ny fitsaràna azy, hoy ny ministra...

♦ Milaza ny hampitombo ny isan'ny vahoaka manao diabe miaraka aminy, sy hanitatra ny hetsika any amin'ny Faritra, ny vondron'ireo kandidà, manomboka rahampitso... ♦ Mbola tsy navoaka eny Fiadanana, efatra andro tao aorian'ny nisamborana azy, ny Sekretera Jeneralin'ny antoko TIM. Nambaran'ireo mpisolo vava azy, fa efa mihoatra ny fe-potoana 72 ora, voalazan'ny lalàna, ahafahana mitazona azy eny... ♦ Nitondra fanazavana ny Minisitry ny Fitsarana, momba ny raharaha hanenjehana ny Sekretera Jeneralin'ny antoko TIM. Tsy marina ny filazana, hoy izy, fa tsy misy mpitsara mety mandray ny fitsarana azy...

♦ Hanentanan’i Ray Masina François ho an’ity volana ôktôbra ity ny mba hivavahana ho an’ny Eglizy, ahafahany mandray ny fihainoana sy fifanalalozan-kevitra ho fomba fiaina amin’ny ambaratonga rehetra… ♦ Nihaona tamin’ireo lahika mpikatroka, pretra, relijiozy, seminarista, ny Arsevekan’ny Toliara… ♦ Ny Fanahy Masina no tompon’anjara voalohany amin’izao Sinaody izao ka mitondra ny fiainan’ny Eglizy hiroso hatrany, hoy ny Papa François, tamin’ny fanokafana ny Sinaodin’ny Eveka ny 4 ôktôbra 2023…

11 ôktôbra 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahafito ampy roapolo Mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 1-4)

Vakiteny voalohany

Bokin’i Jônasa Mpaminany (Jônasa 4, 1-11)

Ianao malahelo noho ny amin’ny tanantanamanga izay tsy nisasaranao, ary Izaho ve tsy mba halahelo noho ny amin’i Niniva, tanàna lehibe?

Nampalahelo mafy an’i Jônasa ny namindran’ny Tompo fo tamin’ny mponin’i Niniva,
ka tezitra terý izy.
Nanao fivavahana tamin’ny Tompo izy nanao hoe:

“Indrisy, Tompo ô!
Tsy izao indrindra va no nolazaiko,
fony aho mbola tany amin’ny taniko.
Koa izany no nandosirako ho any Tarsisa aloha,
satria fantatro fa Andriamanitra mamindra fo sy miantra,
malain-kitezitra, be fitiavana Ianao,
ary manenina amin’ny loza voalazanao.
Koa ankehitriny, Tompo ô,
esory amiko ny fanahiko,
fa aleoko maty toy izay velona.”

Fa hoy ny navalin’ny Tompo:

“Mety va ny hatezeranao?”

Dia nivoaka ny tanàna i Jônasa,
ka nipetraka teo atsinanan-tanàna,
nanao trano rantsan-kazo ho azy,
sy nipetraka nialokaloka teo ambanin’io
mandra-pahitany izay hanjò ny tanàna.
Ary ny Tompo Andriamanitra nampaniry tanantanamanga,
izay nisondrotra teo ambonin’i Jônasa
mba hialokalofan’ny lohany,
mba hanafahana azy amin’ny alahelony
ka nahatsiaro faly erý i Jônasa,
tamin’ny tanantanamanga.
Kanjo nony ampitso raha vao niposaka ny mazava atsinanana,
dia nandefa fositra ny Tompo hamely ilay tanantanamanga,
ka tonga maina izy.
Nony niposaka indray ny masoandro,
dia nandefa rivotra mahamay avy any atsinanana ny Tompo
sady nasian’ny masoandro ny lohan’i Jônasa;
ka efa àna mihitsy izy.
Nangataka ny ho faty izy nanao hoe:

“Aleoko maty toy izay ho velona.”

Fa hoy ny Tompo tamin’i Jônasa:

“Mety va izao hatezeranao,
noho ny amin’ny tanantanamanga izao?”

Ka hoy ny navaliny:

“Mety ny hatezerako mandra-pahafatiko.”

Dia hoy ny Tompo:

“Ianao malahelo noho ny amin’ny tanantanamanga
izay tsy nisasaranao, tsy nampanirianao,
izay naniry tamin’ny indray alina monja,
dia maty tanatin’ny indray alina koa;
ka Izaho va tsy mba halahelo noho ny amin’i Niniva,
tanàna lehibe,
izay misy olona tsy omby roa alina sy iray hetsy,
tsy mahay manavaka ny havanany amin’ny haviany,
ary biby be dia be!”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 85, 3. 4. 5-6. 9-10

Ianao, ry Tompo, mpamindra fo sy mpiantra.

Amindrao fo hatrany re, ry Tompo,
fa Ianao no efa antsoiko isan’andro.
Itý fanahiko asandratro aminao,
dia ho dibo-kafaliana re ny foko.

Tsara fo sady antra Ianao, ry Tompo;
he! tianao ireo matoky miantso Anao.
Mitalaho an-tanan-droa aho ka henoy,
izany antso sy talahoko reneso.

Ary ireo firenena arianao,
ho tonga avokoa hiankohoka aminao,
fa dia lehibe tokoa ny Anaranao,
mahagaga raha ny asa vitanao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 1-4)

Ampianaro hivavaka izahay Tompo ô.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nivavaka tao amin’ny fitoerana anankiray,
ka nony nitsahatra Izy dia hoy ny mpianany anankiray taminy:

“Mba ampianaro hivavaka izahay, Tompoko,
tahaka ny nampianaran’i Joany ny mpianany.”

Ary hoy Izy taminy:

“Raha mivavaka ianareo manaova hoe:
Ray ô, hohamasinina anie ny Anaranao.
Ho tonga anie ny fanjakanao.
Omeo anay anio ny hanina ilainay isan’andro.
Avelao ny fahotanay,
fa izahay koa mamela izay rehetra nanao ratsy taminay.
Ary aza avelanao ho resin’ny fitaoman-dratsy izahay.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

10 ôktôbra 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 38-42)

[Miara-dàlana] Zoma 23 mey 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...