Zaro amin'ny lalana tokony alehany ny zanaka dia hanana ny fahavanonam-piainana izy. Ho lavitry ny herisetra sy ny risoriso izay manapotika ny fiaraha-monina izy ireo raha voataiza hanaraka ny lalana tsara. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.

Raha tian'ny ray aman-dreny ny hanana taranaka vanona sy mendrika dia mila manao ezaka ny  rehetra mba hanome fanabeazana ao anatin'ny fahamarinana. Ny fahamarinana dia antoka iray mampifanakaiky am-po. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.

Ilaina eo amin'ny fiainana ny fitiavana sy ny fahamarinana ary ny fifampitokisana. Ireo telo ireo no mitondra ho amin'ny fahatsaram-piainana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.

Ny mpiara-miombon'antoka dia tokony iaina ny fahamarinana, ny fifampitokisana ary ny fifanajana. Ireo toetra fototra ireo dia hampiarina amin'ny sehatra rehetra izay hisian'ny fiombonan'antoka. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.

Ny fisolokiana dia miteraka fahasahiranana sy fanimbana ary fanapotehana ny fiaraha-monina, ny tokan-trano ; mety hanimba ny sehatry ny asa ary mety hiafara amin'ny sehatry ny firenena izany olana izany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.

Ny fanambakàna dia miseho amin'ny endriny maro noho ny tsy fahalalana. Ny fanambakàna dia manimba ny rivotry ny fiaraha-monina, na eo amin'ny olon-droa na eo amin'ny fianakaviana na eo amin'ny firenena. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.

Ny fametsifetsena dia azo adika ihany koa hoe " famitahana, fampanantenana poakaty. Ny fametsifetsena dia hita eo amin'ny fiaraha-monina ary tonga amin'ny fahapotehan'ny firenena.  Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.

Ny fanararaotana dia mety ho amin'ny lafiny tsara fa misy koa ireo manararaotra amin'ny ratsy. Koa araraoty ny andro azo hanaovana soa. Tsy lavitra izany ny fahasarotam-piaro, indrindra ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fiaraha-monina. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.

♦ Ny finoana raisina sy zaraina no ijoroantsika ho vavolombelona hahazoana ny fiainana mandrakizay, hoy i Mgr Donatien Randriamalala, Evekan'Ambanja tao amin'ny Eglizy Masinandraina Andraikiba Antsirabe... ♦ Notanterahina tao amin'ny Kianjan'i Mgr Xavier Tabao, Antanambazaha ny Festival des chorales, nokarakarain'ny Radio Aina Mananjary... ♦ Frera efatra mirahalahy no nanonona ny voady mandrakizay tao amin'ny Fikambanan'ny Frères Hospitaliers de Saint Jean de Dieu ny 16 sy 23 aprily 2023...

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 7, 1-7)

Nifidy lehilahy fito feno ny Fanahy Masina ny Apôstôly.

Tamin’izany andro izany, rehefa nitombo ny isan’ny mpianatra,
dia nimonjomonjo tamin’ny Hebrio ny Helenista,
satria tsy mba nahìna loatra tamin’ny fizarana ny fiantrana isan’andro
ny mpitondra tena tao aminy.
Ka novorian’ny roa ambin’ny folo lahy ny mpianatra rehetra nilazany hoe:

“Tsy mety raha ilaozanay mitandrina ny sakafo,
ny fampianarana ny tenin’Andriamanitra.
Koa amin’izany,
ry rahalahy havana iray finoana,
mifidiana fito lahy eo aminareo,
izay tsara laza sady feno ny Fanahy Masina sy fahendrena,
mba hametrahanay izany raharaha izany;
ary izahay kosa hikely aina amin’ny fivavahana sy ny fitorian-teny”.

Nankasitrahin’ny olona rehetra izany teny izany,
ka nofidìny i Etiena lehilahy feno finoana sy ny Fanahy Masina,
i Filipo, i Prôkôra, i Nikanôra, i Timôna, i Parmenasy,
ary i Nikôlà, prôzelita avy any Antiôkia.
Narosony teo anatrehan’ny Apôstôly izy ireo,
ka nametrahany tanana nony efa vita ny fivavahana.
Dia niely ny tenin’Andriamanitra,
nihamaro be dia be ny mpianatra tao Jerosalema,
ary betsaka koa ny mpisorona nanaiky ny finoana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 32, 1-2. 4-5. 18-19

Homba anay anie ny hatsaram-ponao, ry Tompo, araka ny hitokianay Anao.

Ry olo-marina, hobio ny Tompo.
Ny olo-mahitsy no mendrika hidera.
Derao amin-dokanga ny Tompo,
antsao am-baliha tory folo.

Fa marina ny tenin’ny Tompo,
ny asany rehetra mahatoky,
ny rariny sy hitsiny no tiany,
mameno ny tany ny fitiavany.

Izay matahotra ny Tompo no ahìny;
eny, izay miantehitra amin’ny fitiavany
hafahany amin’ny fahafatesana,
hovelominy amin’ny tao-mosarena.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Piera Apôstôly (1 Pi. 2, 4-9)

Ianareo kosa dia taranaka voafidy, mpisorona manjaka.

Ry hava-malala,
manatòna an’i Jesoa Tompo, izay vato velona nolavin’ny olona ihany tokoa,
nefa voafidy sy sarobidy eo anatrehan’Andriamanitra kosa;
ary ianareo koa dia mirafeta eo amboniny, toy ny vato velona,
mba hitsangana ho tempoly fanahy,
ho mpisorona masina,
ka hanolotra fanati-panahy ankasitrahin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.
Fa izany no ilazan’ny Soratra Masina hoe:

“Indro Aho mametraka vato fehizoro ao Siôna,
dia vato voafidy sy saro-bidy,
ary izay mino Azy tsy hangaihay”.

Koa voninahitra ho anareo izay mino;
fa ho an’izay tsy mino kosa dia:

“Ny vato nolavin’ny mpanao trano
no efa tonga fehizoro ary vato mahasolafaka sy vatolampy mahatafintohina”;

fa tafintohina amin’ny teny izy ireo satria tsy nanaiky,
sady izany rahateo no nanendrena azy.
Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy,
mpisorona manjaka,
firenena masina,
vahoaka navotana,
mba hitorianareo ny hatsaran’ilay niantso anareo
hiala tamin’ny haizina,
ho amin’ny fahazavany mahagaga.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo;
tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 1-12)

Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Aoka tsy hitebiteby ny fonareo.
Mino an’Andriamanitra ianareo, ka minoa Ahy koa.
Misy toerana maro ao an-tranon’ny Raiko,
raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho;
fa handeha Aho hanamboatra toerana ho anareo,
ary rehefa lasa Aho ka voavoatra ny toerana ho anareo,
dia ho avy indray Aho haka anareo ho any amiko,
dia izay itoerako no hitoeranareo koa.
Ary fantatrareo koa ny lalana ho any amin’izay alehako”.

Dia hoy i Tômà taminy:

“Tsy fantatray izay alehanao, Tompoko,
ka ahoana no hahafantaranay ny lalana?”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana;
tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.
Raha nahafantatra Ahy ianareo,
dia ho nahafantatra ny Raiko koa;
hatramin’izao, dia mahafantatra Azy ianareo,
sady efa nahita Azy”.

Dia hoy i Filipo taminy:

“Asehoy anay ny Ray, Tompoko,
dia ampy ho anay izany”.

Fa hoy i Jesoa taminy:

“Izay ela izay no nitoerako teto aminareo,
ka tsy mbola fantatrareo ihany ve Aho, ry Filipo?
Izay nahita Ahy,
dia nahita ny Ray koa;
ka ahoana no anaovanao hoe:
Asehoy anay ny Ray?
Tsy mino va ianao fa Izaho ao amin’ny Ray,
ary ny Ray ato amiko?
Ny teny izay lazaiko aminareo dia tsy avy amiko,
fa ny Ray Izay mitoetra ato amiko no manao ny asa.
Minoa ny teniko fa Izaho ao amin’ny Ray ary ny Ray ato amiko;
na fara fahakeliny minoa ahay noho ny asa ihany.
Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mino Ahy,
dia hanao ny asa ataoko koa,
ary hanao mihoatra noho izany aza izy,
satria mankany amin’ny Ray Aho”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Mifantoka amin'ny zava-misy iainan'ny firenena, ny hafatra avy amin'ny Justice et Paix, izay nanatanteraka ny Fihaonambe, ny 18 hatramin'ny 21 aprily 2023... ♦ Nanatanteraka Zaikabe sady nanokatra tamin'ny fomba ôfisialy ny fankalazana ny faha-90 taona niorenany, ny MDMK-CVX ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina... ♦ Fianakaviambe Fransiskana, tia sy manaja ny Tranobe iombonana, io no lohahevitra nifampizarana nandritra ny fanamarihana ny Andro Maneran-tany ho an'ny Tany, ny Rano ary ny Ala, teny amin'ny trano fivarotam-boky Masindahy Paoly Analakely, ny sabotsy teo...

Mila filaminana isika na ara-tsaina na ara-batana na ara-panahy. Mila mifanaja ihany koa, indrindra ny fanajana ny fitsipi-pifehezana na ao an-tokantrano na eo amin'ny fiaraha-monina. Fandaharana "mba ho vanona", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...