Vakiteny voalohany

Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (2 Kôr. 1, 18-22)

Tsy nisy “eny” sy “tsia” ao amin’i Jesoa, fa “eny” ihany no tao aminy.

Ry kristianina havana,
araka ny maha-marina fa mahatoky Andriamanitra
no tsy maha-“eny” sy “tsia” ny teninay taminareo.
Satria ny Zanak’Andriamanitra dia i Kristy Jesoa
izay notorìnay sy i Silvano ary i Timôte taminareo
tsy nisy “eny” sy “tsia”, fa “eny” ihany no tao aminy.
Fa na firy na firy fampanantenana avy amin’Andriamanitra,
dia tao amin’i Jesoa ihany ny “eny”,
ka dia amin’ny alalany sy amin’ny asanay koa no anaovana “Amen”
mba ho voninahitr’Andriamanitra.
Ary tsy iza no mampaharitra anay mbaminareo ao amin’i Kristy,
fa Andriamanitra izay naha-voahosotra antsika,
sy nanisy tombo-kase antsika koa,
ary nanome ny Fanahy ho antoka ao am-pontsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 118, 129-130. 131-132. 133 sy 135

Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ry Tompo.

Tantely mandriaka ny Fanambarànao:
Izany no itandreman’ny fanahiko azy!
Vavahady mazava ny Teninao,
sy mampahazo fahalalana ny olon-tsotra!

Misokatra ny vavako; miemponempona aho;
ny Baikonao no mahaliana ahy!
Todiho aho ka iantrao
araka ny fanaonao amin’izay tia ny Anaranao!

Araka ny Teninao, hamafiso ny famindrako;
aoka tsy hisy faharatsiana hizaka ahy!
Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao;
ampianaro ahy ny Fitsaranao!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao,
ary ampianaro ahy ny fitsaranao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 13-16)

Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao.

Tamin’izany andro izany
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Ianareo no fanasin’ny tany;
fa raha ny fanasina no tonga matsatso,
hatao ahoana no fanasina azy indray?
Tsy ho azo atao inona intsony izy,
fa hariana any alatrano hohitsahin’ny olona.
Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao:
tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra,
ary tsy misy olona mampirehitra jiro,
ka mametraka azy ao ambanin’ny vata famarana,
fa eo ambonin’ny fanaovan-jiro no apetrany
mba hanazava izay rehetra ao an-trano.
Aoka hazava eo imason’ny olona tahaka izany koa ny fahazavanareo
mba hahitany ny asa soa ataonareo,
ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Fanombohan’ny taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (2 Kôr. 1, 1-7)

Nanafaka alahelo anay ny Tompo mba hahazoanay manala alahelo ny tra-pahoriana rehetra.

I Paoly, Apôstôlin’i Jesoa Kristy noho ny sitrapon’Andriamanitra,
sy i Timôte rahalahiny,
mamangy ny Eglizin’Andriamanitra izay any Kôrinto,
mbamin’ny olona masina rehetra eran’i Akaia manontolo:
ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana
avy amin’Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo.

Hisaorana anie Andriamanitra,
Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika sy Rain’ny famindram-po
ary Andriamanitry ny fanalana alahelo rehetra,
izay manafaka alahelo anay amin’ny fahoriana rehetra,
mba hahazoanay manafaka alahelo ny tra-pahoriana rehetra
amin’ny fanalana alahelo noraisinay taminy.
Fa araka ny haben’ny fijalian’i Kristy mihatra aminay
no haben’ny fanalana alahelo azonay amin’ny alalan’i Kristy koa.
Raha azom-pahoriana izahay
dia fanalana alahelo sy famonjena anareo izany;
ary raha alana alahelo izahay,
dia ho fanalana alahelo anareo koa izany,
fa mahatonga anareo handefitra tsara ireny fahoriana entinay ireny ihany.
Ary mafy ny fanantenanay ny aminareo,
satria fantatray fa toraka ny niombonanareo tamin’ny fahoriana
no hiombonanareo amin’ny fanalana alahelo koa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 33, 2-9

Ankafizo sy anarano fo fa mamy ny Tompo.

Izaho misaotra ny Tompo amin’ny fotoan-drehetra;
eo am-bavako lalandava ny fisaorana Azy.
Ny Tompo hafinaretan’ny fanahiko:
mandrenesa, ry ory, ka mifalia.

Mankalazà ny Tompo miaraka amiko;
miaraha isika midera ny Anarany!
Izaho nihanta tamin’ny Tompo ka nekeny;
ny tahotro rehetra nalàny tamiko.

Mibanjîna Azy fa ho mirana;
ny tavanareo tsy hangaihay.
Ity ory: velona antso ka novalian’ny Tompo;
ny ahiahiny rehetra namonjeny azy.

Ny Anjeliny milasy manodidina
mba hamonjy izay matahotra ny Tompo.
Ankafizo sy anarano fo fa mamy ny Tompo:
sambatra ny olona mifefy aminy.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana;
ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 1-12)

Sambatra izay mahantra am-panahy.

Tamin’izany andro izany, nony nahita ny vahoaka i Jesoa,
dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rahefa tafapetraka Izy,
dia nanatona Azy ny mpianany,
ka niloa-bava Izy nampianatra azy, nanao hoe:

“Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ny fanjakan’ny lanitra.
Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany.
Sambatra izay mitomany, fa halàna alahelo.
Sambatra izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa ho voky izy.
Sambatra ny mamindra fo, fa hamindrana fo izy.
Sambatra ny madio fo, fa hahita an’Andriamanitra izy.
Sambatra ny tia fihavanana, fa hantsoina hoe zanak’Andriamanitra izy.
Sambatra ny miaritra ny fanenjehana noho ny rariny, fa azy ireo ny fanjakan’ny lanitra.
Sambatra ianareo raha tevatevaina sy enjehina ary ampangaina lainga amin’ny ratsy rehetra noho ny amiko:
mifalia sy miravoravoa ianareo fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra,
satria tahaka izany koa no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Deterônômy (Det. 8, 2-3. 14b-16a)

Nanome hanina izay tsy fantatrao sy ny razanao ny Tompo.

Tamin’izany andro izany,
niteny tamin’ny vahoaka i Môizy nanao hoe:

“Tsarovy ireo lalana rehetra
izay nasain’ny Tompo Andriamanitrao nandehananao tany an’efitra,
nandritra ny efapolo taona izao,
mba hampanetry tena anao, sy hitsapa ny tenanao,
dia hahalalany izay hevitra ao am-ponao,
na hitandrina ny didiny ianao, na tsia.
Nampietry tena anao Izy, sy namela anao ho noana,
ary namahana anao tamin’ny mana,
izay tsy fantatrao, na fantatry ny razanao,
mba hampahalalàny anao fa tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona,
fa izay rehetra mivoaka avy amin’ny vavan’Andriamanitra no iveloman’ny olona.
Aza hadinoina ny Tompo Andriamanitrao,
Izay nampivoaka anao avy tany amin’ny tany Ejipta,
tamin’ny trano fanandevozana.
Izay nitondra anao tany an’efitra lehibe sy mahatahotra,
misy bibilava mivaivay sy maingoka,
amin’ny fitoerana ngazana sy tsy misy rano;
Izay nampiboiboika rano ho anao avy amin’ny vatolampy mafy indrindra,
Izay nanome mana hohaninao tany an’efitra,
dia zavatra tsy fantatry ny razanao akory”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 147, 12-13. 14-15. 19. 20

Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema.

Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema;
derao ny Andriamanitrao, ry Siôna:
fa ny vavahadinao ataony tsara hidy,
ny zanakao anivonao tahìny.

Ny faritaninao fenoiny fiadanana,
izaitratra sy fy ny vary omeny anao.
Alefany eto an-tany ny teniny,
ka miriotra mitety ny tontolo.

Nambarany tamin’i Jakôba ny teniny,
tamin’i Israely ny didy aman-tsatany:
tsy nanaovany izany ireo hafa firenena,
ny satany tsy mba nasehony an’ireny.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 10, 16-17)

Iray ihany ny Mofo, ka dia tena iray ihany koa isika na dia maro aza.

Ry kristianina havana,
moa ny kalisim-pisaorana izay isaorantsika,
tsy firaisana amin’ny Ran’i Kristy va?
Ary moa ny mofo izay vakìntsika,
tsy firaisana amin’ny Tenan’i Kristy va?
Satria iray ihany ny Mofo,
ka dia tena iray ihany koa isika na dia maro aza,
fa Mofo iray ihany no iombonantsika rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Antsa

Derao ny Mpamonjy, ry Siôna,
Hobio sy antsao ny Kiadinao
sy Mpifehy anao.

Mikezaha araka izay tratry ny ainao,
satria ambony noho ny dera rehetra Izy,
ka tsy ampy hidera Azy ianao.

Ny deraintsika anio indrindra
dia ilay Mofo velona,
ilay Mofo manome aina.

Dia ilay Mofo nomena ny Apôstôly roa ambin’ny folo
araka ny efa fantatsika,
tamin’ilay Fanasana farany.

Aoka ny fiderana ataontsika hanetriketrika
ary aoka ny hirantsika hahate-hihaino,
aoka ny hafaliantsika ho tsara.

Satria ilay andro malaza
namoronana io Fanasana masina io
no deraintsika anio izao.

Amin’izany fanasan’ny Mpanjaka vaovao izany
dia ny Paka vaovaon’ny Lalàna vaovao
no misolo ny Paka taloha.

Ny fomba vaovao: mandimby ny fomba taloha;
ny marina mampisava ny aloka,
ary ny fahazavana mamono ny haizin’ny alina.

Izay nataon’i Kristy tamin’ilay sakafo hariva
dia nodidiany hatao
ho fahatsiarovana Azy.

Ny nataony no arahinay
ka dia manamasina ny mofo sy ny divay
hanjary ho sorom-pamonjena izahay.

Teny finoana ho an’ny kristianina
no ahatongavan’ny mofo ho Nofo,
sy ny divay ho Ra.

Izay tsy azonao, izay tsy hitan’ny masonao
dia ampiaiken’ny finoana velona,
na dia tsy araka ny fomban’ny zava-boaary aza.

Ao anatin’ny endri-javatra samy hafa
endrika fotsiny tsy misy ventiny intsony
no iafenan’ny zava-tsoa faran’izay ambony.

Ny Nofo dia hanina ary ny Ra dia fisotro,
fa ny endrika roa dia samy misy
ny Tenan’i Jesoa Kristy manontolo.

Tsy tapaka izy, tsy mivaky,
tsy saratsarahin’ny mpandray
fa raisina manontolo.

Na olona iray na olona arivo no mandray
dia izay raisin’ny arivo no raisin’ny iray
mandray izy rehetra fa tsy mahalany Azy.

Mandray ny tsara fanahy, mandray koa ny ratsy fanahy
fa tsy mitovy izay anjarany:
na ho fiainana izany na ho fahafatesana.

Fahafatesana no azoa’ny ratsy fanahy,
ary fiainana no hitan’ny tsara fanahy:
endrey ity tsy fitoviam-bokatra
nefa hanina iray ihany no hanina!

Ilay vakìna iny ny endrika
dia aza misalasala ianao fa tsarovy
fa na hôstia sombiny na manontolo tsy mivaky;
dia samy misy an’i Jesoa Kristy manontolo.

Ny Tena izay takon’ny endrika
dia tsy vaky akory;
ilay endrika hita maso ihany no motika
fa Ilay ambarany dia tsy miova toetra.

Indro Ilay Mofon’ny Anjely
manjary vatsy ho an’ny olombelona mpivahiny:
tena sakafon’ny zanaka tokoa
ka tsy tokony hatsipy hohanin’ny amboa.

Efa voatandindona fahiny izy,
na tamin’i Isaaka natao sorona,
na tamin’ny zanak’ondrin’ny Paka,
na tamin’ny mana namelona ny razantsika tany an’efitra.

Ry Jesoa Mpiandry ondry tsara, ry Mofo mahavelona,
mamindrà fo aminay,
aoka Ianao ho hanina hamelona sy hanohana anay,
ary aoka Ianao hampahita anay ny soa
any amin’ny tanin’ny Velona.

Ianao no mahalala sy mahefa ny zavatra rehetra,
ka mamahana anay eto an-tany;
koa eto izahay miara-misakafo aminao,
ka dia tongavy ho mpiray lova,
sy ho naman’ireo mponina masina any an-danitra. Amen.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra, hoy ny Tompo;
izay mihinana amin’ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 51-59)

Tena fihinana ny Nofoko ary tena fisotro ny Rako.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza tamin’ny vahoaka Jody nanao hoe:

“Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra:
raha misy mihinana ity mofo ity dia ho velona mandrakizay izy,
ary ny Mofo izay homeko dia ny Nofoko ho fiainan’izao tontolo izao”.

Dia nifanditra ny Jody nanao hoe:

“Hataon’Ilay io ahoana àry
no fanome antsika ny Nofony hohanina?”

Fa hoy i Jesoa tamin’izy ireo:

“Lazaiko marina dia marina aminareo,
fa raha tsy mihinana ny Nofon’ny Zanak’olona ianareo,
sy tsy misotro ny Rany,
dia tsy manana ny fiainana ao aminareo.
Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako
no manana ny fiainana mandrakizay;
ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro.
Fa tena fihinana ny Nofoko, ary tena fisotro ny Rako.
Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako
dia mitoetra ao anatiko ary Izaho ao anatiny.
Velona ny Ray naniraka Ahy,
Izaho koa dia velona amin’ny Ray:
toy izany koa no hahavelona amiko izay mihinana Ahy.
Izany àry no Mofo nidina avy any an-danitra:
tsy mba tahaka ny razanareo izay nihinana mana nefa maty ihany;
fa izay mihinana ity Mofo ity kosa dia ho velona mandrakizay”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Nankatoavin'ny Papa François ny fangatahan'ny Arsevekan'Antananarivo, hitsahatra amin'ny fitantanana ny Diôsezin'Antananarivo ; ka notendren'ny Ray masina handimby azy, i Mgr Jean de Dieu Raoelison... ♦ Notontosaina omaly ny fizakana ny Seminera Zandriny Ambohipo, ary nanentana ny kristianina rehetra izy ireo, fa maro tokoa ny ezaka izay hatao amin'ny fanabeazana ireo izay ho pretra rahatrizay... ♦ Hotanterahana ny alahady ho avy izao ny fankalazana iombonana ny Sakramenta Masina, eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, eo amin'ny Kianjan'i Masina Misely Amparibe...

Nankatoavin’ny Papa François ny fangatahan’i Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona hitsahatra amin’ny fitantanana ny Arsidiôsezin’Antananarivo ary notendrena handimby azy i Mgr Jean de Dieu Raoelison, Evekan’Ambatondrazaka.

♦ Mirary soa sy mankahery ny ankizy manerana ny Nosy noho ny fankalazana ny volan'ny ankizy ny Aomônie Nasionalin'ny Vovonam-pirenena Katôlikan'ny Ankizy, P. Rodolphe Rafenoarisoa... ♦ Nanentana ny mpino hahay hifampihaino sy hifanompo i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, tamin'ny famaranana ny volan'i Masina Maria, ny 31 mey 2023... ♦ Nomarihana tao Antanimalandy Mahajanga, tamin'ny alahadin'ny Pantekôty ny faha-320 taonan'ny Fikambanana "Spiritains"...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Tôbia (Tôb. 12, 1. 5-15. 20)

Hiverina any amin’izay naniraka ahy aho: fa ianareo kosa misaora an’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany,
niantso an-janany hankeo aminy i Tôbia ka nanao taminy hoe:

“Inona no homentsika ity lehilahy masina
nanaraka anao tany amin’ny dianao?”

Dia nantsoin’i Tôbia mianaka izy,
nentiny nitokana ka niangaviany mba hankasitraka ny handray
ny antsasak’izay rehetra nentiny.

Tamin’izay ity Anjely niara-nitokana tamin’izy ireo
nanao taminy hoe:

“Misaora an’Andriamanitry ny lanitra, ary manomeza voninahitra Azy,
eo anatrehan’ny manana aina rehetra,
noho ny famindram-pony nataony taminareo.
Tsara ny tsy mamboraboraka ny zava-miafin’ny mpanjaka,
fa mendrika hoderaina kosa ny manambara
sy mampiely ny asan’Andriamanitra.
Ny vavaka ombam-pifadian-kanina dia tsara,
ary ny fiantrana dia saro-bidy noho ny volamena aman-drakitra.
Fa ny fiantrana manafaka amin’ny fahafatesana,
ary izy no manala ny fahotana,
ary mampahita ny famindram-po sy ny fiainana mandrakizay.
Fa izay manao fahotana sy tsy fahamarinana kosa
no fahavalon’ny tenany.
Indro àry hasehoko anareo ny marina,
ary tsy tiako ny hanafina na inona na inona aminareo.
Raha ianao nivavaka tamin-dranomaso sy nandevina ny maty,
raha ianao nandao ny sakafonao, nanafina ny maty tao an-tranonao ny antoandro,
ary nandevina azy nony alina,
izaho kosa nanolotra ny vavakao tamin’ny Tompo.
Ary noho ianao sitrak’Andriamanitra,
dia tsy maintsy notsapain’ny fakam-panahy ianao.
Fa nirahin’ny Tompo aho ankehitriny hanasitrana anao,
sy hanafaka an’i Sarà vadin-janakao amin’ny demony.
Izaho no Rafaela, Anjely,
anankiray amin’ireo fito mitsangana eo anatrehan’ny Tompo.
Ary izao dia efa fotoana tsy maintsy iverenako any amin’izay naniraka ahy,
fa ianareo kosa misaora an’Andriamanitra,
aelezo ny asany mahagaga rehetra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo Tôb. 13, 2. 6. 7. 8

Lehibe Ianao, ry Tompo, ao amin’ny mandrakizay.

Isaorana ilay Andriamanitra velona mandrakizay,
Ilay mandrakizay ny Fanjakany!
Fa mikapoka Izy ka mamindra fo,
mampidina an-tSeoly ka mampiakatra.
Ary tsy misy olona
izay afaka amin’ny tanany!

Raha miverina aminy amin’ny fo tontolo ianareo,
sy manao ny marina eo anoloany amin’ny fanahy tontolo,
dia hiverina aminareo koa Izy,
sy tsy hanafin-tava aminareo intsony!

Jereo ny nataony anareo:
ka mankalazà Azy amin’ny vava tontolo!
Isaory ny Tompon’ny Fahamarinana!
Hirao ny Mpanjaka mandrakizay!

Izaho mankalaza Azy atý an-tany namaboana ahy,
maneho ny hery sy halehibiazany amin’ity firene-mpanota:
Miverena, ry mpanota, manaova ny marina eo anoloany
sao mba ho sitrany ianareo ka hamindrany fo!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao aho, ry Raiko, tompon’ny lanitra sy ny tany,
fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 38-44)

Io mpitondratena mahantra io no nandatsaka be indrindra tamin’izay rehetra nandatsaka tao amin’ny fandatsahan-drakitra.

Tamin’izany andro izany,
izao no nolazain’i Jesoa ny vahoaka, tamin’ny fampianarany:

“Mahìna amin’ny mpanora-dalàna,
izay tia ny mitsangantsangana miakanjo mirebareba,
sy ny arahabaina eny an-kianja,
ary ny fipetrahana voalohany ao amin’ny sinagôga,
mbamin’ny fitoerana ambony amin’ny fanasana.
Fa miseho ho manao fivavahana lavareny izy ireny,
kanjo mihinana ny fananan’ny mpitondratena,
ka vao mainka hohelohina mafimafy kokoa.”

Raha nipetraka tandrifin’ny fandatsahan-drakitra i Jesoa,
dia nijery ny fandatsaky ny olona tao,
ary maro ny mpanan-karena no nandatsaka be.
Ary nisy mpitondratena mahantra anankiray tonga tao koa,
ka nandatsaka farantsa kely roa ankevitry ny variroaventy avy.
Dia nantsoin’i Jesoa ny mpianany ka nilazany hoe:

“Lazaiko marina aminareo
fa io mpitondratena mahantra io no nandatsaka be indrindra
tamin’izay rehetra nandatsaka tao amin’ny fandatsahan-drakitra;
satria ireo rehetra ireo nandatsaka ny ambim-bavany,
fa izy kosa nandatsaka izay ilainy,
dia izay rehetra nananany sy ivelomany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Tôbia (Tôb. 11, 5-17)

Nofaizinao aho dia nositraninao indray, ary indro mahita ny zanako aho.

Tamin’izany andro izany nandeha isan’andro nipetraka teo amoron-dalana i Annà,
tamin’izao havoana kely izao, fa mahatazan-davitra eo.
Raha ilay nitily ny hiavian-janany iny indrindra izy
dia indry izy tazany tamy mbola lavitra,
ka rahefa fantany dia lasa izy nihazakazaka
nilaza tamin’ny lahy nanao hoe:

“Indry tamy ny zanakao.”

I Tôbia izany, dia nilazan-dRafaela hoe:

“Rahefa tonga any an-trano ianao,
ny Tompo Andriamanitrao no itsaohy miaraka amin’izay dia misaora Azy,
vao manatona an-drainao ianao sy manoroka azy;
ary hosory faingana amin’ilay aferon-kazandrano nentinao ny masony,
satria fantatro fa hisokatra eo no ho eo ny masony
ka hahita ny hazavan’ny lanitra ny rainao,
sy ho feno hafaliana amin’ny fahitana anao.”

Tamin’izay ilay alika nanaraka azy tany am-pivahiniana,
nihazakazaka nialoha azy ireo toa hilaza ny vaovao,
nanafosafo tamin’ny rambony, an-kafaliana fatratra.
Dia nitsangana ity ray jamba, ka rafitra nihazakazaka,
fa tafintohina ny tongony ka noraisin’ny mpanompo anankiray tamin’ny tanany izy
handeha hitsena an-janany.
Nofihininy tamin’ny tanany sy nohorokorohany izy,
ary toraka izany koa no nataon’ny vadiny,
dia samy latsa-dranomason-kafaliana izy mivady.
Nony avy nitsaoka sy nisaotra an’Andriamanitra izy ireo dia nipetraka.
Niaraka tamin’izay, nalain’i Tôbia ny aferon-kazandrano,
ka nohosorany tamin’io ny mason-drainy.
Niandry sahabo ho antsasak’adiny izy,
dia nisy zavatra fotsifotsy hoatra ny hoditr’atody
nanomboka niala avy ao amin’ny masony.
Noraisin’i Tôbia izany,
nosintoniny hiala amin’ny mason-drainy,
dia nahiratra niaraka tamin’izay izy.
Koa nisaotra an’Andriamanitra izy ireo
dia izy sy ny vadiny mbamin’izay rehetra nahalala azy.
Hoy i Tôbia:

“Misaotra Anao aho, ry Tompo Andriamanitr’i Israely,
fa nofaizinao aho dia nositraninao indray;
ary indro mahita an’i Tôbia zanako aho.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 145, 2. 7. 8-9a. 9bd-10

Derao ny Tompo, ry fanahiko!

Izaho midera ny Tompo,
raha mbola velona aina,
miantsa ny Andriamanitro,
raha mbola misy koa!

Ilay manome rariny
ny ampahoriana!
Ilay mamahana ny noana,
Tompo mamaha ny mpifatotra.

Tompo nampahiratra ny jamba,
Tompo mampitraka ny miondrika,
Tompo mpiaro ny vahiny,
tohan’ny kamboty sy ireo mpitondratena.

Tompo tia ny olo-marina,
fa nampiviona kosa ny olon-dratsy;
Tompo manjaka mandrakizay,
ny Andriamanitrao, ry Siôna.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo;
ny baikonao mazava manilo ny maso.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 35-37)

Ahoana no ilazany fa i Kristy dia zanak’i Davida?

Tamin’izany andro izany, i Jesoa raha mbola nampianatra tao an-tempoly
dia niteny nanao hoe:

“Ahoana no ilazan’ny mpanora-dalàna
fa i Kristy dia zanak’i Davida?
Nefa i Davida ihany no nampilazain’ny Fanahy Masina hoe:
‘Ny Tompo nilaza tamin’ny Tompoko hoe:
mipetraha eo ankavanako Ianao
mandra-panaoko ny fahavalonao
ho fitoeran-tongotrao.’
Koa raha antsoin’i Davida ho Tompony Izy,
ahoana no maha-zanany Azy?”

Ary nihaino Azy an-kafaliana ny vahoaka be.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Tôbia (Tôb. 6, 10-11a ; 7, 1. 9-17 ; 8, 4-10)

Ny Tompo naniraka anareo ho atý amiko mba hanambadian’ny zanako vavy anao.

Tamin’izany andro izany, dia hoy i Tôbia tamin’ny anjely:

“Aiza no tianao hialantsika sasatra?”

Ary hoy ny anjely namaly azy:

“Eto misy lehilahy anankiray atao hoe Ragoela,
iray foko amam-pianakaviana aminao,
manan-janakavavy anankiray atao hoe Sarà izy.”

Dia niditra tao amin-dRagoela izy ireo,
ka noraisiny tamin-kafaliana.
Nony avy niresaka teo izy ireo,
nampamono ondralahy iray i Ragoela
sy nampanamboatra sakafo lehibe
dia nanainga azy ireo hipetraka hisakafo.
Fa hoy i Tôbia:

“Tsy hihinana na hisotro eto aho anio,
raha tsy ekenao aloha ny fangatahako,
ka omenao toky aho fa homenao ho vadiko i Sarà zanakavavinao.”

Nivadika ny fon-dRagoela nandre izany teny izany,
satria fantany ny nanjò azy fito lahy vadin’io, izay nanatona azy,
ka raiki-panahiana sahady izy,
fandrao dia hidiran-doza toy izany koa ity.
Mbola tao anatin’izany fisalasalana izany izy,
ka mbola tsy namaly ny fangatahan’i Tôbia,
no hoy ity anjely taminy:

“Aza matahotra ny hanome ny zanakao vavy
ho vadin’ity tovolahy ity,
fa tsy maintsy ho anjara vadin’io matahotra an’Andriamanitra io izy,
ka izany no tsy nahazoan’ny hafa rehetra nanana azy.”

Dia hoy i Ragoela tamin’izay:

“Tsy misalasala aho,
fa efa noraisin’Andriamanitra teo anatrehany ny vavaka aman-dranomasoko;
ary mino aho fa Izy no naniraka anareo ho atý amiko,
mba hanambadian’ny zanako vavy ny havany araka ny lalàn’i Môizy.
Koa dia aza misalasala intsony fa dia omeko anao izy.”

Dia nalainy ny tanana havanan’ny zanany vavy
nataony teo amin’ny tanana havanan’i Tôbia ka hoy izy:

“Homba anareo anie ny Andriamanitr’i Abrahama,
ny Andriamanitr’i Isaaka, ary ny Andriamanitr’i Jakôba,
hanakambana anareo anie Izy,
ary hampidina ny tso-dranony feno aminareo.”

Rahefa izany, naka taratasy izy,
dia nosoratany ny fanambadian’izy ireo.
Vita izany, vao nandroso nanao fihinanam-be
tamim-pisaorana an’Andriamanitra izy ireo.

Avy eo i Tôbia kosa namporisika an-drazazavavy nanao taminy hoe:

“Mitsangàna, ry Sarà,
aoka hivavaka amin’Andriamanitra isika anio
sy ampitso ary rahafakampitso;
Andriamanitra no hiraisantsika mandritra ireo andro telo ireo;
rahefa afaka ny alina fahatelo
dia ho velona ao amin’ny fanambadiantsika isika.
Fa zanaky ny olo-masina,
ka tsy mahazo miray araka ny fanaon’ireo firenena
tsy mahalala an’Andriamanitra.”

Dia nitsangana izy ireo ka niara-nivavaka tamin-kafanam-po
mba hanomezany azy ny fahasalamana.
Hoy i Tôbia:

“Ry Tompo Andriamanitry ny razanay,
hisaotra Anao anie ny tany aman-danitra,
ny ranomasina, ny loharano sy ny ony,
mbamin’ny zava-boaary rehetra ao aminy.
Ianao no nanao an’i Adama, tamin’ny fota-tany,
sy nanome an’i Eva ho vadiny.
Ary ankehitriny, ry Tompo,
fantatrao fa tsy mba ny hanarana ny filàn’ny nofoko
no angalako an’ity zanakavavin’i Israely ity ho vadiko,
fa noho ny faniriako te-hamela taranaka
izay hidera ny Anaranao amin’ny taona rehetra ihany.”

Ary hoy i Sarà:

“Mamindrà fo aminay, Tompo ô, mamindrà fo aminay,
enga anie ho tratra antitra ho salama tsy marofy izahay roroa.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 127, 1-2. 3. 4-5

Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo!

Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo,
sy mizotra amin’ny Lalany!
Mahazo voka-tsoa tokoa amin’ny asanao ianao;
ka sambatra sy tretrika!

Ny vadinao: foto-boaloboka mahavokatra
ao anivon-tranonao!
Ny zanakao: solofon’oliva
manodidina ny latabatrao!

Izany tokoa no fitahiana
ny lehilahy matahotra ny Tompo!
Eny, hitahy anao avy ao Siôna anie ny Tompo,
hahitanao ny hasambaran’i Jerosalema amin’ny andro rehetra iainanao!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy;
ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 28b-34)

Izany no didy voalohany, ary ny faharoa mitovy aminy koa.

Tamin’izany andro izany,
nisy mpanora-dalàna anankiray nanatona an’i Jesoa
sy nanontany Azy hoe:

“Inona no voalohany amin’ny didy rehetra?”

Ary i Jesoa namaly azy hoe:

“Ny voalohany indrindra amin’izy rehetra dia ity:
Mihainoa, ry Israely: ny Tompo Andriamanitsika no hany Tompo tokana;
koa tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra,
sy amin’ny fanahinao rehetra,
sy amin’ny sainao rehetra ary amin’ny herinao rehetra.
Izany no didy voalohany.
Ary ity no faharoa mitovy aminy ihany koa:
Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.
Tsy misy didy lehibe mihoatra noho ireo.”

Dia hoy ilay mpampiana-dalàna taminy:

“Tsara izany, ry Mpampianatra,
marina indrindra ny nilazanao fa tokana Andriamanitra,
ary tsy misy hafa afa-tsy Izy,
ka ny tia Azy amin’ny fo rehetra sy amin’ny fanahy rehetra,
ary amin’ny hery rehetra ary ny tia namana tahaka ny tena,
dia lehibe lavitra noho ny sorona dorana rehetra
sy ny fanatitra hafa rehetra.”

Nony hitan’i Jesoa fa namaly tamim-pahendrena izy,
dia hoy Izy taminy:

“Tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra ianao.”

Ary hatramin’izay,
dia tsy nisy olona sahy nanontany Azy intsony.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Tôbia (Tôb. 3, 1-11. 24-25)

Indray nekena teo anatrehan’ny voninahitr’ilay Andriamanitra ambony indrindra ireo fitalahoana roa ireo.

Velon-tsento i Tôbia ka rafitra nivavaka tamin-dranomaso, nanao hoe:

“Marina Ianao, ry Tompo,
marina avokoa ny fitsaranao,
antra sy hitsiny aman-drariny ny lalànao rehetra.
Koa ankehitriny, ry Tompo, tsarovy aho,
aza valianao ny ratsy nataoko,
ary aza tsiahivinao ao amin’ny fahatsiarovanao ny fahotako sy ny an’ny razako.
Fa tsy nankatò ny didinao izahay,
ka natolotra ho amin’ny fandrobana,
ho amin’ny fahababoana, ho amin’ny fahafatesana
sy ho amin’ny fihomehezana ary ho amin’ny fandatsana
eo amin’ny firenena rehetra nanelezanao anay.
Ary izao, ry Tompo ô, lehibe ny famaizanao,
satria tsy nitandrina ny didinao tamin’ny nataonay izahay,
sy tsy nandeha tamim-pahatsorana teo anatrehanao.
Koa amin’izao, ry Tompo ô,
ataovy izay sitra-ponao amiko,
ary tapaho ny horaisina amim-piadanana ny fanahiko
fa izao tsara lavitra amiko ny maty noho ny velona.”

Tamin’izay andro izay ihany koa,
tany Ekbatàna, tanànan’ny Meda,
dia nandre, ny fanebahan’ny iray amin’ny ankizivavin-drainy azy,
i Sarà zanakavavin-dRagoela.
Fa lehilahy fito no samy efa namoahana azy ho vadiny
nefa nisy demony anankiray atao hoe i Asmôdea namono an’ireo,
raha vao handeha taminy izy.
Ka raha niteny an’ilay ankizivavy iny izy,
noho izay hadisoany anankiray izay,
dia izao no navalin’io azy:

“Aza ahitanay zanakalahy na zanakavavy eto an-tany ianao na oviana na oviana,
ry ilay mpamono vadinao;
tadiavinao hovonoina aho
toy ny namonoanao azy fitolahy vadinao.”

Raha nandre izany teny izany i Sarà
dia niakatra tany an’efitranon’ny tranony ambony rihana,
ka nijanona tao hateloana, tsy nihinana na nisotro;
fa naharitra nivavaka sy nitaraina tamin’Andriamanitra tamin-dranomaso
mba hanafaka azy amin’izany fahafaham-baràka izany.
Indray nekena teo anatrehan’ny voninahitr’ilay Andriamanitra ambony indrindra
ireo fitalahoana roa ireo.
Ny Anjely masin’ny Tompo, i Rafaela,
no voairaka hanasitrana an’i Tôbia sy i Sarà,
fa ny vavak’izy ireo dia indray notononina teo anatrehan’ny Tompo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 24, 2-4a. 4b-5ab. 6-7. 8-9

Any aminao, ry Tompo, no anandratako ny fanahiko.

Ianao, ry Andriamanitro, no ifefeko:
tsy ho azon-kenatra aho, tsy ho resin’ny fahavaloko!
Izay rehetra mitady Anao tsy ho azon-kenatra;
ny mpivadika tsy amin’antony no ho azon-kenatra.

Ny lalanao, ry Tompo, ampahafantaro ahy;
ny soritrao, ampianaro ahy!
Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ry Tompo:
fa Ianao no Andriamanitra Mpamonjy ahy.

Tsarovy ny indrafo sy hatsaram-ponao,
izay efa hatramin’ny fahagola!
Ny otako fahazaza, ry Tompo,
hadinoy noho ny hatsaram-ponao!

Tsara sy mahitsy ny Tompo:
ka ny mpanota toroany lalana;
ny ory tarihiny amin’ny hitsiny;
ny ory ampianariny ny lalany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo;
ny baikonao mazava, manilo ny maso.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 18-27)

Andriamanitry ny velona Izy fa tsy Andriamanitry ny maty.

Tamin’izany andro izany, dia nanatona an’i Jesoa ny Sadoseanina
izay mandà ny fitsanganan’ny maty ka nanontany Azy hoe:

“Ry Mpampianatra ô,
izao no nosoratan’i Môizy ho antsika:
Raha misy lehilahy maty momba ka mbola velona ny vadiny,
dia aoka ny rahalahiny no hampakatra ny vadiny mba hiteraka hamelo-maso azy.
Ary nisy olona fito mirahalahy,
ka nanam-bady aloha ny lahimatoa, dia maty momba.
Dia nanam-bady an-dravehivavy indray ny faharoa, fa maty momba koa izy;
toraka izany koa ny fahatelo.
Ary samy nanam-bady azy izy fito mirahalahy, fa maty momba avokoa.
Faran’izy rehetra dia maty koa ravehivavy.
Koa amin’ny fitsanganan’ny maty, rahefa tafatsangana izy ireo,
iza no ho vadin-dravehivavy,
fa efa samy nanam-bady azy avokoa izy fito mirahalahy?”

Ary hoy ny navalin’i Jesoa azy:

“Moa tsy diso hevitra va ianareo
noho ny tsy fahafantaranareo ny Soratra Masina
sy ny fahefan’Andriamanitra?
Fa rahefa tafatsangana ny maty,
dia tsy hisy mpampakatra sy ampakarina intsony,
fa ho tahaka ny anjely any an-danitra izy.
Ary raha ny amin’ny fitsanganan’ny maty,
moa tsy mbola novakìnareo va ao amin’ny Bokin’i Môizy,
amin’ilay misy ny voaroy,
izay nolazain’Andriamanitra taminy hoe:
‘Izaho no Andriamanitr’i Abrahama,
Andriamanitr’i Isaaka, ary Andriamanitr’i Jakôba?’
Tsy Andriamanitry ny maty Izy, fa an’ny velona.
Koa diso lehibe loatra ianareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Tôbia (Tôb. 2, 10-23)

Tsy mba nanana alahelo tamin’Andriamanitra izy tamin’izany ozon-doza tonga jamba izany.

Indray andro, nony tonga tao amin’ny tranony i Tôbia,
ilay sasatra loatra avy nandevina ny maty iny,
dia niretaka teo ambody rindrina; ka nosintonin-tory.
Mbola natory teo izy no nisy tain-tsidintsidina mbola mafana nilatsaka avy any amin’ny akaniny,
teo amin’ny masony roa ka tonga jamba izy.
Fitsapana navelan’Andriamanitra hihatra aminy izany,
mba ho atao fakan-tahaky ny taranaka any aoriana ny faharetany,
toy ny an’i Jôba lehilahy masina.
Fa satria hatramin’ny fahazazany, no natahorany an’Andriamanitra,
sy nitandremany ny didiny mandrakariva,
dia tsy mba nanana alahelo tamin’Andriamanitra izy,
tamin’izany azon-doza tonga jamba izany;
fa naharitra tsy azo nohozongozonina tamin’ny fahatahorana an’Andriamanitra izy,
nisaotra Azy isan’andro nandritra ny andro niainany.
Toy ny nanebahan’ireo loham-pirenena an’i Jôba, lehilahy sambatra,
no nanarabian’ireo havana aman-tsakaizan’i Tôbia ny fitondran-tenany,
nataony hoe:

“Fa zary inona ity fanantenanao,
tamin’ny nanaovanao fiantrana sy nandevenanao ny maty?”

Nanarin’i Tôbia izy ireo, nataony hoe:

“Aza miteny toy izany fa zanaky ny olo-masina isika,
ka ilay fiainana tsy maintsy homen’Andriamanitra
an’izay tsy mitsoaka na oviana na oviana amin’ny firaiketam-po aminy
no antenaintsika.”

I Annà vadiny nandeha isan’andro, nanenon-damba,
ary izay mety ho azony, tamin’ny asan-tanany dia nentiny niverina hiveloman’izy ireo.
Toy izany no sendra nandraisan-dravehivavy zanak’osy,
ka nentiny tao an-trano.
Nony nandre ny fibarareok’ilay zanak’osy ny lahy, dia nanao hoe:

“Jereo, fandrao zanak’osy nangalarina izany,
ka avereno amin’ny tompony,
fa tsy mahazo mihinana na inona na inona avy amin’ny halatra isika,
na dia mikasikasika izany akory aza.”

Izay, dia novalian’ny vavy an-katezerana hoe:

“Miharihary fa foana tokoa ny fanantenanao;
izany no vokatry ny fiantranao?”

Izany sy ny toy izany no teny fikizahany azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 111, 1-2. 7bd-8. 9

Sambatra ny olona matahotra ny Tompo.

Sambatra ny olona matahotra ny Tompo,
sy mankasitraka fatratra ny didiny!
Ny taranany hahery eto an-tany;
ny taranjan’ny olo-marina tahina.

Ny fony mitombina matoky ny Tompo;
ny fony tsy matahotra fa mandry fehizay,
ny masony mibandrina ny rafilahiny.

Malala-tanana izy,
manome ny mahantra,
ny fahamarinany maharitra mandrakizay;
ny tandrony misandratra noho ny voninahitra.

Evanjely

Aleloia. Aleloia,

Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo;
tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 13-17)

Omeo an’i Sezara izay an’i Sezara, ary omeo an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany,
naniraka ny sasany tamin’ny Farisianina sy Herôdianina ireo mpanohitra an’i Jesoa
mba hamandrika Azy amin’ny teniny,
ka nony tonga ireo dia nanao taminy hoe:

“Ry Mpampianatra ô,
fantatray fa marina Ianao ka tsy mampaninona Anao ny olona,
satria tsy mba mizaha tavan’olona Ianao,
fa mampianatra ny lalan’Andriamanitra araka ny marina.
Moa mety va sa tsia ny mandoa hetra ho an’i Sezara:
handoa izahay sa tsy handoa?”

Fa fantatr’i Jesoa ny fihatsarambelatsihiny, ka hoy Izy taminy:

“Nahoana ianareo no maka fanahy Ahy?
Itondray denie iray Aho hozahako.”

Dia nitondrany iray Izy ka hoy Izy taminy:

“Sarin’iza, sy anaran’iza io?”

— Hoy iretsy hoe:

“An’i Sezara.”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Aloavy ho an’i Sezara àry izay an’i Sezara,
ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.”

Dia nigagan’izy ireo Izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Fanombohan’ny Bokin’i Tôbia (Tôb. 1, 1a. 2 ; 2, 1-9)

Andriamanitra no natahoran’i Tôbia noho ny mpanjaka.

I Tôbia dia avy amin’ny fokon’i Neftali
sy amin’ny tanànan’i Neftali anankiray.
Lasan-ko babo izy, tamin’ny andron’i Salmanazara, mpanjakan’ny Asirianina,
nefa na tany am-pahababoana tany aza izy,
dia tsy mba niala tamin’ny lalan’ny fahamarinana.
Taty aorian’izany, tonga ny anankiray amin’ny fetin’ny Tompo,
ary nanomanana sakafo lehibe tao an-tranon’i Tôbia,
ka hoy izy tamin’ilay zanany:

“Mandehana ary mitondrà mankaty olona vitsivitsy iray foko amintsika,
izay matahotra an’Andriamanitra,
hiara-misakafo amintsika.”

Dia lasa ilay zanany;
nony niverina izy, dia nilaza taminy fa misy zanak’i Israely anankiray,
novonoin’olona,
ka mitsitra foana ao an-dalambe ao.
Nitsangana niaraka tamin’izay i Tôbia,
niala tamin’ny latabatra, navelany teo ny sakafo,
tsy nihinana izy na dia kely aza;
nony tonga tany amin’ilay faty izy,
nalainy io, dia nentiny nafenina tao an-tranony,
haleviny amim-pahamalinana, rahefa maty ny masoandro.
Avy nanafina io izy vao nisakafo, tamin-kovitra aman-dranomaso,
fa tsaroany ilay tenin’ny Tompo
nolazainy tamin’ny vavan’i Amôsa mpaminany hoe:

“Hanjary fitolokoana amam-pisaonana ny andro fetinareo.”

Nony maty ny masoandro, dia nivoaka handevina ilay faty izy.
Nanome tsiny azy avokoa anefa ny olona manodidina azy, nanao hoe:

“Efa nodidiana hovonoina ho faty ianao noho izany ihany,
ary vao afaka tamin’izany fanamelohana ho faty izany ianao,
dia manomboka mandevina ny maty indray!”

Andriamanitra anefa no natahoran’i Tôbia noho ny mpanjaka,
ka nalainy ihany ny fatin’ireo novonoina,
nafeniny tao an-tranony, dia naleviny nony alina.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 111, 1-2. 3-4. 5-6.

Sambatra ny olona matahotra ny Tompo.

Sambatra ny olona matahotra ny Tompo,
sy mankasitraka fatratra ny didiny!
Ny taranany hahery eto an-tany;
ny taranjan’ny olo-marina tahina.

Fananana sy harena no ao an-tranony;
ny fahamarinany maharitra mandrakizay.
Ny olo-marina tsilovina raha maizina:
dia ireo izay mangoraka sy antra.

Ny tsara fanahy mahery mampisambotra;
ny lalany voalamina araka ny rariny;
tsia, tsy hirona izy mandrakizay!
Ny anaran’ny olo-marina ho mandrakizay.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny tenin’ny fahamarinana Andriamanitra
mba ho santatry ny zava-boaariny isika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 1-12)

Nosamborin’izy ireo ilay zanany malalany indrindra ka novonoiny, ary natsipiny any ivelan’ny tanim-boaloboka.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny fanoharana
tamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona nanao hoe:

“Nisy lehilahy anankiray namboly voaloboka,
ka namefy azy manodidina,
nandavaka tany hanaovana famiazana,
nanorina tilikambo tao,
ary nampanofa azy tamin’ny mpamboly voaloboka,
dia lasa nankany an-tany hafa.
Nony tonga ny fotoana,
dia naniraka ankizilahy anankiray ho any amin’ny mpamboly izy
mba handray ny vokatry ny tanim-boaloboka:
fa nosamborin’izy ireo ilay mpanompo,
ka sady nokapohiny no nampodìny maina.
Dia naniraka ankizilahy hafa ho any aminy indray izy,
fa io koa dia sady noratrainy ny lohany no nalany baràka.
Ary naniraka ankizilahy anankiray hafa koa izy, fa novonoiny;
ary nisy maro hafa koa,
fa ny sasany nokapohiny, ary ny sasany novonoiny.
Dia ny zanany lahitokana malalany indrindra no sisa tao aminy,
ka io no nirahiny tamin’ny farany, fa hoy izy:

‘Hanaja ny zanako izy.’

Kanjo ireto mpiasa nifampilaza hoe:

‘Inty ny mpandova; andeha hovonointsika izy,
dia ho lasantsika ny lova.’

Dia nosamboriny izy ka novonoiny,
ary natsipiny any ivelan’ny tanim-boaloboka.
Inona àry no hataon’ny tompon’ny tanim-boaloboka amin’izany?
Ho avy izy ka ny mpiasa haringany,
ary ny tanim-boalobony hafindrany amin’ny hafa.
Moa tsy mbola novakinareo va ny teny ao amin’ny Soratra Masina hoe:

‘Ny vato narian’ny mpanao trano no tonga vato fehizoro;
avy tamin’Andriamanitra izao ka mahagaga eo imasontsika?’

Ary nitady hisambotra Azy izy ireo,
satria fantany fa Izy ihany no lazainy amin’izany fanoharana izany,
saingy natahotra ny vahoaka izy;
koa nandao Azy, dia lasa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...