♦ Mitsidika ny faritanin'i Madagasikara ny mpanolotsaina jeneralin'ny Salezianin'i Don Bosco, misahana an'i Afrika sy i Madagasikara, P. Alphonse Owoudou... ♦ Nosokafana androany maraina ny andro ho an'ny fikaonan-doha marolafy tao amin'ny Seminera zokiny Paul VI, Antsiranana... ♦ Nanentana ny kristianina hivavaka ho an'ny raim-pianakaviana ny Papa François noho ny fankalazana ny fetin'i Masindahy Josefa...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Ezekiela Mpaminany (Ez. 37, 12-14)

Homeko anareo ny fanahiko dia ho velona ianareo.

Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra:

Indro Aho hanokatra ny fasanareo,
hampiakatra anareo avy ao am-pasanareo, ry vahoakako ô,
ary hitondra anareo ho eo amin’ny tanin’i Israely.
Ary dia ho fantatrareo fa ny Tompo Aho,
rehefa voasokatro ny fasanareo,
ary tafakatra avy ao am-pasanareo ianareo, ry vahoakako.
Hataoko ao anatinareo ny fanahiko,
dia ho velona ianareo,
sady homeko fitsaharana eo amin’ny taninareo
ka dia ho fantatrareo fa Izaho Tompo
dia milaza sy manatanteraka koa.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo (Sal. 129, 1-2. 3-4ab. 4d-6. 7-8)

Hatsaram-po sy fanavotana lehibe no ao amin’ny Tompo.

Anaty hantsana aho no miantso Anao:
Tompo ô, henoy ny feoko!
Aoka ny sofinao hitandrina
itony feoko mitoreo.

Raha mitsikilo heloka Ianao, ry Tompo,
Tompo ô, iza no hahatanty?
Kanefa ao aminao ny famelàna
mba hieken’ny olona Anao.

Koa manantena ny Tompo ny fanahiko,
miandry ny teniny aho;
miandry ny Tompo ny fanahiko
manoatra ny mpiambina miandry ny maraina.

Manoatra ny mpiambina miandry ny maraina,
i Israely aoka hiandry ny Tompo:
fa ny fitiavana no ao amin’ny Tompo:
ny fanavotana lehibe no ao aminy.
Eny, Izy no hanavotra an’i Israely
amin’ny helony rehetra.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm, 8, 8-11)

Ny Fanahin’Ilay nanangana an’i Jesoa ho velona no ao anatinareo.

Ry kristianina havana,
izay ao amin’ny nofo dia tsy mety ho sitrak’Andriamanitra.
Fa ianareo dia tsy ao amin’ny nofo,
fa ao amin’ny Fanahy,
raha mitoetra ao anatinareo koa ny Fanahin’Andriamanitra.
Raha misy tsy manana ny Fanahin’i Kristy,
dia tsy Azy izy;
fa raha ao anatinareo i Kristy,
na dia maty aza ny vatana noho ny fahotana,
dia miaina kosa ny fanahy noho ny fahamarinana.
Ary raha ny Fanahin’Izay nanangana an’i Jesoa ho velona
no mitoetra ao anatinareo,
dia Izay nanangana an’i Kristy Jesoa koa
no hamelona ny vatanareo mety maty,
noho ny Fanahiny Izay mitoetra ao anatinareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Dera sy haja ho Anao, ry Jesoa Tompo.

Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy, hanana ny fahazavan’ny fiainana.

Dera sy haja ho Anao, ry Jesoa Tompo.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 11, 1-45)

Izaho no fananganana sy fiainana.

Tamin’izany andro izany,
nisy lehilahy anankiray narary atao hoe i Lazara, avy any Betania,
vohitr’i Maria sy i Marta rahavaviny.
I Maria dia ilay vehivavy nanosotra diloilo manitra ny Tompo
sy namaoka ny tongony tamin’ny volon-dohany;
ary i Lazara anadahiny no narary.

Dia naniraka olona tany amin’i Jesoa ireo anabavin’i Lazara hilaza hoe:

“Tompo, marary ilay tianao”.

Nony ren’i Jesoa izany, dia hoy Izy:

“Aretina tsy ho fahafatesana ity,
fa ho voninahitr’Andriamanitra,
sy hahazoan’ny Zanak’Andriamanitra voninahitra.”

Ary tian’i Jesoa i Maria sy i Marta rahavaviny ary i Lazara.
Nefa nony reny hoe marary i Lazara,
dia mbola nitoetra indroa andro tamin’izay nitoerany ihany Izy.
Nony afaka izany vao hoy Izy tamin’ny mpianany:

“Andeha isika ho any Jodea indray”.

Ka hoy ny mpianany taminy:

“Raby ô, vao haingana teo no nitady hitora-bato Anao ny Jody,
ka dia hankany indray ve Ianao?”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Tsy roa ambin’ny folo ora va ny indray andro?
Ka ny mandeha antoandro tsy mba tafintohina,
satria mahita ny fahazavan’izao tontolo izao;
fa ny mandeha amin’ny alina no tafintohina,
satria tsy manam-pahazavana”.

Nony voalazany izany dia nampiany hoe:

“Matory i Lazara sakaizantsika,
fa ndeha hamoha azy Aho”.

Ka hoy ny mpianany:

“Raha matory izy, Tompoko,
dia ho sitrana”.

Ny nahafatesany no nolazain’i Jesoa,
nefa torimaso tsotra izao kosa
no nampoizin’izy ireo.
Izay i Jesoa vao nilaza tsotra tamin’izy ireo hoe:

“Maty i Lazara,
ary noho ianareo dia faly Aho satria tsy tao,
mba hinoanareo;
koa andeha isika hankany aminy”,

Dia hoy i Tômà izay atao hoe Didimo
tamin’ny mpianatra namany:

“Andeha koa isika mba hiara-maty aminy”.

Nony tonga tany i Jesoa,
dia hitany fa efa nilevina hefarana izy.
Ary i Betania dia tao akaikin’i Jerosalema
tokony ho dimy ambin’ny folo stady,
ka maro tamin’ny Jody no tonga tao amin’i Marta sy i Maria
mba hitsapa alahelo azy noho ny nahafatesan’ny anadahiny.
Vantany vao ren’i Marta fa hoe tamy i Jesoa,
dia nandeha nitsena Azy izy,
fa i Maria no nijanona tao an-trano.
Dia hoy i Marta tamin’i Jesoa:

“Raha taty Ianao, Tompoko,
dia tsy maty ny anadahiko.
Ary na dia izao aza, dia fantatro
fa na inona na inona hangatahinao amin’Andriamanitra,
dia homen’Andriamanitra Anao”.

Hoy i Jesoa taminy:

“Hitsangana ny anadahinao”.

Fa hoy i Marta taminy:

“Fantatro fa hitsangana izy
amin’ny farandro fitsanganan’ny maty”.

Hoy i Jesoa taminy:

“Izaho no fananganana sy fiainana;
izay mino Ahy, na dia maty aza,
dia ho velona indray;
ary izay rehetra velona ka mino Ahy
dia tsy ho faty mandrakizay.
Mino izany va ianao?”

Dia hoy izy:

“Eny, Tompoko,
mino aho fa Ianao no i Kristy Zanak’Andriamanitra velona,
Ilay hoe ho tonga amin’izao tontolo izao”.

Ary rehefa nilaza izany izy,
dia lasa niantso mangingina an’i Maria rahavaviny nanao hoe:

“Ao ny Tompo, ka miantso anao Izy”.

Vao nandre izany kosa i Maria
dia nitsangana niaraka tamin’izay,
ka nankao aminy.
Fa mbola tsy tonga tao an-tanàna i Jesoa,
fa mbola teo amin’izay nitsenan’i Marta Azy ihany.
Nony hitan’ny Jody izay tao amin’i Maria
tao an-trano sy nitsapa alahelo azy
fa nitsangana haingana izy ka nivoaka,
dia nanaraka azy izy ireo,
fa nihevitra hoe:

Lasa hitomany any amin’ny fasana izy.

I Maria kosa, nony tonga tao amin’izay nitoeran’i Jesoa ka nahita Azy,
dia niankohoka tamin’ny tongony sy nanao taminy hoe:

“Raha taty Ianao, Tompoko,
dia tsy maty ny anadahiko”.

Nony nahita azy nitomany i Jesoa
sy ireto Jody niara-nitomany taminy koa,
dia nandevy ny Fon’i Jesoa ary nientana iray ihany ny Tenany rehetra.
Ka hoy Izy:

“Aiza no nandevenanareo azy?”

Dia hoy ireo taminy:

“Andeha Ianao hizaha, Tompoko”.

Ary nitomany i Jesoa.
Dia hoy ny Jody:

“Akory ity haben’ny fitiavany azy!”

Fa hoy kosa ny sasany tamin’izy ireo:

“Tsy azony natao va re ny nisakana an-dralehilahy ity tsy ho faty,
nefa ny mason’ilay teraka jamba nampahiratiny?”

Dia niontana indray ny Fon’i Jesoa,
ary lasa Izy nankeo amin’ny fasana,
izay zohy norakofana vato.
Ary hoy Izy:

“Esory ny vato”.

Ka hoy i Marta anabavin’ny maty taminy:

“Efa maimbo izy, Tompoko,
fa efa hefarana izay”.

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Tsy efa voalazako taminao va
fa raha mino ianao,
dia hahita ny voninahitr’Andriamanitra?”

Dia noesorina ny vato,
ka niandrandra i Jesoa sy nanao hoe:

“Misaotra Anao Aho, Raiko,
satria efa nihaino Ahy Ianao.
Raha Izaho, dia fantatro
fa mihaino Ahy mandrakariva Ianao;
fa noho ireto vahoaka manodidina Ahy kosa no nilazako izany,
mba hinoany fa Ianao no naniraka Ahy”.

Rehefa nilaza izany Izy
dia niantso tamin’ny feo mahery hoe:

“Mivoaha, ry Lazara”.

Ka niaraka tamin’izay dia nivoaka ny maty,
ny tongotra aman-tanany nisy fehim-paty,
ary ny tavany nisarona lamba.
Dia hoy i Jesoa tamin’ny olona:

“Vahao izy ka avelao handeha”.

Ary maro tamin’ny Jody izay tonga tao amin’i Maria sy i Marta
sy nahita ny nataon’i Jesoa no nino Azy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Dera sy haja ho Anao, ry Jesoa Tompo.

Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo;
izay manaraka Ahy, hanana ny fahazavan’ny fiainana.

Dera sy haja ho Anao, ry Jesoa Tompo.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 11, 3-7. 17. 20-27. 33b-45)

Izaho no fananganana sy fiainana.

Tamin’izany andro izany,
Dia naniraka olona tany amin’i Jesoa ireo anabavin’i Lazara hilaza hoe:

“Tompo, marary ilay tianao”.

Nony ren’i Jesoa izany, dia hoy Izy:

“Aretina tsy ho fahafatesana ity,
fa ho voninahitr’Andriamanitra,
sy hahazoan’ny Zanak’Andriamanitra voninahitra.”

Ary tian’i Jesoa i Maria sy i Marta rahavaviny ary i Lazara.
Nefa nony reny hoe marary i Lazara,
dia mbola nitoetra indroa andro tamin’izay nitoerany ihany Izy.
Nony afaka izany vao hoy Izy tamin’ny mpianany:

“Andeha isika ho any Jodea indray”.

 

Nony tonga tany i Jesoa,
dia hitany fa efa nilevina hefarana izy.
Vantany vao ren’i Marta fa hoe tamy i Jesoa,
dia nandeha nitsena Azy izy,
fa i Maria no nijanona tao an-trano.
Dia hoy i Marta tamin’i Jesoa:

“Raha taty Ianao, Tompoko,
dia tsy maty ny anadahiko.
Ary na dia izao aza, dia fantatro
fa na inona na inona hangatahinao amin’Andriamanitra,
dia homen’Andriamanitra Anao”.

Hoy i Jesoa taminy:

“Hitsangana ny anadahinao”.

Fa hoy i Marta taminy:

“Fantatro fa hitsangana izy
amin’ny farandro fitsanganan’ny maty”.

Hoy i Jesoa taminy:

“Izaho no fananganana sy fiainana;
izay mino Ahy, na dia maty aza,
dia ho velona indray;
ary izay rehetra velona ka mino Ahy
dia tsy ho faty mandrakizay.
Mino izany va ianao?”

Dia hoy izy:

“Eny, Tompoko,
mino aho fa Ianao no i Kristy Zanak’Andriamanitra velona,
Ilay hoe ho tonga amin’izao tontolo izao”.

 

Nandevy ny Fon’i Jesoa ary nientana iray ihany ny Tenany rehetra.
Ka hoy Izy:

“Aiza no nandevenanareo azy?”

Dia hoy ireo taminy:

“Andeha Ianao hizaha, Tompoko”.

Ary nitomany i Jesoa.
Dia hoy ny Jody:

“Akory ity haben’ny fitiavany azy!”

Fa hoy kosa ny sasany tamin’izy ireo:

“Tsy azony natao va re ny nisakana an-dralehilahy ity tsy ho faty,
nefa ny mason’ilay teraka jamba nampahiratiny?”

Dia niontana indray ny Fon’i Jesoa,
ary lasa Izy nankeo amin’ny fasana,
izay zohy norakofana vato.
Ary hoy Izy:

“Esory ny vato”.

Ka hoy i Marta anabavin’ny maty taminy:

“Efa maimbo izy, Tompoko,
fa efa hefarana izay”.

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Tsy efa voalazako taminao va
fa raha mino ianao,
dia hahita ny voninahitr’Andriamanitra?”

Dia noesorina ny vato,
ka niandrandra i Jesoa sy nanao hoe:

“Misaotra Anao Aho, Raiko,
satria efa nihaino Ahy Ianao.
Raha Izaho, dia fantatro
fa mihaino Ahy mandrakariva Ianao;
fa noho ireto vahoaka manodidina Ahy kosa no nilazako izany,
mba hinoany fa Ianao no naniraka Ahy”.

Rehefa nilaza izany Izy
dia niantso tamin’ny feo mahery hoe:

“Mivoaha, ry Lazara”.

Ka niaraka tamin’izay dia nivoaka ny maty,
ny tongotra aman-tanany nisy fehim-paty,
ary ny tavany nisarona lamba.
Dia hoy i Jesoa tamin’ny olona:

“Vahao izy ka avelao handeha”.

Ary maro tamin’ny Jody izay tonga tao amin’i Maria sy i Marta
sy nahita ny nataon’i Jesoa no nino Azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Fanomezana ny hasin'ny fianakaviana no laharam-pahamehana ho an'ny Eglizy aty amin'ny Kaontinanta Afrika sy Madagasikara... ♦ Diosezy 18 no nandray anjara tamin'ny fihaonamben'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Fampiraisna ny mpino tany Mananjary... ♦ Tsy tokony hampisy sokajy hahazoana tombontsoa manokana ny fahasamihafan'ny asa fanompoana ao amin'ny Eglizy, hoy ny Papa François...

Ny filaminana dia ilaina tokoa na eo amin'ny fiaraha-monina samihafa na eo anivon'ny ankohonana. Isika tsirairay avy no mitambatra no zary ankohonana ary ny filaminan'ny tsirairay no antoky ny filaminan'ny ankohonana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'i jeneraly Ramakavelo Désiré, tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

♦ Feno folo taona katroka androany ny nahateo amin'ny Fiketrahana Masina ny Papa François. Nandefa hafatra firarian-tsoa sy fiarahabana ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Nankalaza ny fetin'i Marie Eugénie, mpanorina ny fikambanana Religieuses de l'Assomption, ny tao amin'ny Diôsezin'i Manajary, ny alahady 12 marsa 2023... ♦ “Omeo raho aho hosotroiko”. Io fangatahana nataon'i Jesoa tamin'ilay Samaritana io, no mampiseho fa mangetaheta ny fitiavan'ny olombelona i Jesoa, nefa ihany koa manasa antsika mba hikolokolo ny hetahetan'ny hafa...

Vakiteny voalohany

Boky voalohan’i Samoela (1 Sam. 16, 1b. 6-7. 10-13a)

Nohosorana ho Mpanjaka amin’i Israely i Davida.

Tamin’izany andro izany,
ny Tompo niteny tamin’i Samoela nanao hoe:

“Fenoy diloilo ny tandrokao,
dia mandehana fa irahiko ho any amin’i Jese any Betilehema ianao,
satria amin’ny zanany no nahitako ilay mpanjaka tiako”.

Nony tafiditra izy ireo
dia nahita an’i Eliaba i Samoela ka nanao hoe:

“Mby eto anatrehany tokoa ilay voahosotry ny Tompo”.

Fa hoy ny Tompo tamin’i Samoela:

“Aza ny tarehiny no jerenao,
na ny haavon’ny tsanganany,
fa efa natanilako io.
Tsy mba izay hitan’ny olombelona no izy;
ny olombelona mijery ny tarehy
fa ny Tompo kosa mijery ny fo”.

Nampandalovin’i Jese teo anatrehan’i Samoela koa
ireto fito mirahalahy tamin’ny zanany
ary hoy i Samoela tamin’i Jese:

“Tsy misy nofidin’ny Tompo amin’ireto”.

Ary hoy i Samoela tamin’i Jese:

“Ireo ihany va no zatovolahy rehetra?”

Dia hoy i Jese:

“Mbola misy ilay faralahy,
ka indro fa miandry ondry izy”.

Ka hoy i Samoela tamin’i Jese:

“Ampanalao izy,
fa tsy hipetraka hihinana isika
raha tsy efa tonga izy”.

Dia nampanalain’i Jese io.
Mavo mena ny volon’izy izay;
sady bary maso izy no tsara tarehy.

Ary hoy ny Tompo:

“Mitsangàna, hosory io,
fa io no izy”.

Dia noraisin’i Samoela ny tandroka misy diloilo,
ka nohosorany teo afovoan’ny rahalahiny io:
ary hatramin’izany andro izany
sy tamin’ny andro manaraka,
dia nidina tamin’i Davida ny fanahin’ny Tompo.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo (Sal. 22, 1-3a. 3b-4. 5. 6)

Ny Tompo miandry ahy: tsy orin’inoninona aho.

Ny Tompo miandry ahy tsy orin’inoninona aho,
fa ampiraotiny amin’ny vilo-maitso,
entiny amin’ny rano manala sasatra,
velombelominy noho ny Anarany;
tarihiny amin’ny lala-marina.

Na mamaky lohasaha maizina aza aho,
tsy misy loza atahorako:
satria ianao miaraka amiko
ireo tehinao mampatoky ahy.

Mandroso sakafo ho ahy Ianao
eo anoloan’ny rafiko:
ny loha andrarahanao ilo,
ny kapoaka ataonao safomorona.

Hasambarana sy fitiavana
no manjohy amin’ny fiainana tontolo;
ny tranon’ny Tompo no ho fonenako
amin’ny taona hifandimby.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 5, 8-14)

Mitsangàna ho velona, dia hanazava anao i Kristy.

Ry kristianina havana,
taloha ianareo no maizina,
fa ankehitriny efa mazava ao amin’ny Tompo,
ka mandehana toy ny zanaky ny mazava.
Ary ny vokatry ny mazava dia ny soa,
ny mety ary ny marina rehetra.
Fantaro izay ankasitrahin’Andriamanitra.
Aza mba mikambankambana amin’izay asan’ny maizina tsy mahavoka-tsoa,
fa vao mainka ambarao aza ny haratsian’ireny,
satria mahamenatra
na dia ny hilaza fotsiny ny ataon’izy ireny an-takona aza;
fa asehon’ny mazava avokoa ny zavatra rehetra,
rehefa voaambara ny haratsiany,
ary na inona na inona aseho,
dia tonga mazava koa.
Izany no nanoratana hoe:

Mifohaza ianao izay matory,
ary mitsangàna ho velona,
dia hanazava anao i Kristy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Dera sy haja ho Anao, ry Jesoa Tompo.

Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo;
izay manaraka Ahy, hanana ny fahazavan’ny fiainana.

Dera sy haja ho Anao, ry Jesoa Tompo.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 9, 1-41)

Nandeha izy, nanasa ny masony, ka niverina nahiratra.

Tamin’izany andro izany, nony nandalo i Jesoa
dia nahita lehilahy anankiray izay teraka jamba,
ka hoy ny mpianany nanontany Azy:

“Raby, iza moa no nanota,
io lehilahy io, sa ny ray aman-dreniny,
no teraka jamba izy?”

I Jesoa namaly hoe:

“Tsy izy no nanota, na ny rainy aman-dreniny,
fa mba hisehoan’ny asan’Andriamanitra eo aminy no antony.
Tsy maintsy manao ny asan’Izay naniraka Ahy Aho
raha mbola antoandro:
fa ho avy ny alina izay tsy azon’olona na iza na iza iasana.
Raha mbola amin’izao tontolo izao Aho,
dia fahazavan’izao tontolo izao”.

Nony voalazany izany,
dia nandrora tamin’ny tany Izy
ka nanao feta tamin’ny rorany,
nahosony ny mason’ilay jamba,
dia hoy Izy taminy:

“Mandehana manasa ny masonao
any amin’ny farihin’i Silôe”
(izany hoe, Iraka).

Dia nandeha nanasa izy ka niverina nahiratra.
Tamin’izay ny olona mifanakaiky trano aminy,
sy izay nahita azy nangataka teo aloha nanao hoe:

“Moa tsy ity ilay nipetraka nangataka?”

Dia hoy ny sasany:

“Izy io”.

Fa hoy kosa ny sasany:

“Tsia, fa olona mitovy aminy”.

Ary hoy kosa izy:

“Izaho no izy”.

Ka hoy izy ireo taminy:

“Nanao ahoana no nahiratan’ny masonao?”

Dia hoy izy:

“Ilay lehilahy atao hoe i Jesoa no nanao feta,
nahosony ny masoko, dia nanao tamiko hoe:

“Mandehana manasa ny masonao any amin’ny farihin’i Silôe”,

dia lasa aho nanasa, ka nahiratra”.

Ary hoy izy ireo taminy:

“Aiza izany Lehilahy izany?”

Novaliany hoe:

“Asa”.

Dia nentiny tany amin’ny Farisianina ilay jamba taloha,
fa andro sabata no nanaovan’i Jesoa feta
sy nampahiratany ny masony.
Nanontany azy indray àry ny Farisianina izay nahiratany,
ka hoy ny navaliny azy:

“Nasiany feta ny masoko,
dia nosasako, ka nahiratra aho”.

Tamin’izany ny sasany tamin’ny Farisianina nanao hoe:

“Tsy Andriamanitra no niavian’izany Lehilahy izany,
fa tsy mitandrina ny sabata Izy”.

Fa ny sasany kosa nanao hoe:

“Hataon’ny mpanota ahoana
no fahavita fahagagana toy izany?”

Koa nisara-kevitra izy ireo.
Dia hoy indray izy ireo tamin’ilay jamba:

“Mba ahoana kosa no filazanao Azy
fa nampahiratra ny masonao Izy?”

Ka hoy ralehilahy:

“Mpaminany Izy”.

Dia tsy nety nino ny Jody
fa jamba sy vao nahiratra izy,
ka nampiantsoiny aloha ny ray aman-drenin’ity nahiratra,
sy nanontaniany hoe:

“Ity va no zanakareo
izay lazainareo hoe teraka jamba?
Ka nanao ahoana àry no nahiratany izao?”

Dia namaly ny ray aman-dreniny ka nanao hoe:

“Fantatray fa zanakay ity sady teraka jamba;
fa tsy fantatray izay nahiratany izao,
ary tsy fantatray koa izay nampahiratra ny masony,
ka izy no anontanio fa efa lehibe izy:
izy ihany no aoka hilaza ny momba ny tenany”.

Ny ray aman-dreniny no nilaza izany,
dia noho izy natahotra ny Jody,
satria efa nifanaiky ny Jody
fa horoahina amin’ny sinagôga
izay hanaiky an’i Jesoa ho Kristy,
ka izany no nanaovan’ny ray aman-dreniny hoe:

“Izy no anontanio fa efa lebibe izy”.

Dia nantsoin’ireo indray
ilay lehilahy jamba taloha, ka nilazany hoe:

“Andriamanitra no omeo voninahitra;
fa raha iny Lehilahy iny,
dia fantatray fa mpanota”.

Ka hoy ny navaliny azy:

“Tsy fantatro na mpanota izy na tsia,
fa izao ihany no fantatro:
jamba aho taloha ary mahiratra aho ankehitriny”.

Dia hoy izy ireo taminy:

“Inona no nataony taminao?
Nanao ahoana sy ahoana avy
no nampahiratany ny masonao?”

Ka hoy ny navaliny azy ireo:

“Efa voalazako taminareo,
fa tsy nohenoinareo akory;
ka ahoana indray no itiavanareo handre?
Te-ho tonga mpianany koa va ianareo?”

Dia notevatevain’izy ireo izy sy nataony hoe:

“Ialahy no mpianany,
fa raha izahay kosa dia mpianatr’i Môizy.
I Môizy fantatray fa nitenenan’Andriamanitra,
fa iny kosa tsy fantatray akory izay niaviany”.

Namaly ralehilahy ka nanao hoe:

“Ity indray no mahagaga,
fa tsy fantatrareo izay niaviany,
nefa izy no nampahiratra ny masoko.
Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota;
fa izay manompo Azy sy manao ny sitra-pony no henoiny.
Na oviana na oviana tsy mbola nisy olona re
fa nampahiratra ny teraka jamba;
ka raha tsy avy amin’Andriamanitra izany Lehilahy izany,
dia tsy hahefa na inona na inona akory”.

Dia namaly ry zareo, ka nanao taminy hoe:

“Izay ialahy tena teraka tanatin’ny ota indray ve
no mampianatra anay!” sady noroahiny izy.

Ren’i Jesoa fa hoe noroahin-dry zareo izy,
ka nony hitany dia nilazany hoe:

“Mino ny Zanak’Andriamanitra va ianao?”

Namaly izy ka nanao hoe:

“Iza moa no izy, Tompoko, mba hinoako Azy?”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Efa hitanao Izy, ary izay miteny aminao no Izy”.

Ka hoy izy:

“Mino aho, Tompoko”;

sady niankohoka nitsaoka Azy izy.

Dia hoy i Jesoa:

“Fanavahana no nahatongavako amin’izao tontolo izao,
mba hahiratra izay tsy mahiratra,
ary ho tonga jamba izay mahiratra”.

Ren’ny Farisianina sasany teo izany,
ka hoy izy ireo taminy:

“Ary izahay ve mba jamba koa?”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Raha jamba ianareo,
dia tsy ho nanan-keloka;
fa noho ianareo ankehitriny manao hoe:
Mahiratra izahay,
dia tsy afaka ny helokareo”.

Izany àry ny tenin’ny Tompo. 

Evanjely

Dera sy haja ho Anao, ry Jesoa Tompo.

Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo;
izay manaraka Ahy, hanana ny fahazavan’ny fiainana.

Dera sy haja ho Anao, ry Jesoa Tompo.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 9, 1. 6-9. 13-17. 34-38)

Nandeha izy, nanasa ny masony, ka niverina nahiratra.

Tamin’izany andro izany, nony nandalo i Jesoa
dia nahita lehilahy anankiray izay teraka jamba,

Dia nandrora tamin’ny tany Izy
ka nanao feta tamin’ny rorany,
nahosony ny mason’ilay jamba,
dia hoy Izy taminy:

“Mandehana manasa ny masonao
any amin’ny farihin’i Silôe”
(izany hoe, Iraka).

Dia nandeha nanasa izy ka niverina nahiratra.
Tamin’izay ny olona mifanakaiky trano aminy,
sy izay nahita azy nangataka teo aloha nanao hoe:

“Moa tsy ity ilay nipetraka nangataka?”

Dia hoy ny sasany:

“Izy io”.

Fa hoy kosa ny sasany:

“Tsia, fa olona mitovy aminy”.

Ary hoy kosa izy:

“Izaho no izy”.

 

Dia nentiny tany amin’ny Farisianina ilay jamba taloha,
fa andro sabata no nanaovan’i Jesoa feta
sy nampahiratany ny masony.
Nanontany azy indray àry ny Farisianina izay nahiratany,
ka hoy ny navaliny azy:

“Nasiany feta ny masoko,
dia nosasako, ka nahiratra aho”.

Tamin’izany ny sasany tamin’ny Farisianina nanao hoe:

“Tsy Andriamanitra no niavian’izany Lehilahy izany,
fa tsy mitandrina ny sabata Izy”.

Fa ny sasany kosa nanao hoe:

“Hataon’ny mpanota ahoana
no fahavita fahagagana toy izany?”

Koa nisara-kevitra izy ireo.
Dia hoy indray izy ireo tamin’ilay jamba:

“Mba ahoana kosa no filazanao Azy
fa nampahiratra ny masonao Izy?”

Ka hoy ralehilahy:

“Mpaminany Izy”.

 

Dia namaly ry zareo, ka nanao taminy hoe:

“Izay ialahy tena teraka tanatin’ny ota indray ve
no mampianatra anay!” sady noroahiny izy.

Ren’i Jesoa fa hoe noroahin-dry zareo izy,
ka nony hitany dia nilazany hoe:

“Mino ny Zanak’Andriamanitra va ianao?”

Namaly izy ka nanao hoe:

“Iza moa no izy, Tompoko, mba hinoako Azy?”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Efa hitanao Izy, ary izay miteny aminao no Izy”.

Ka hoy izy:

“Mino aho, Tompoko”;

sady niankohoka nitsaoka Azy izy.

 

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Eksaody (Eks. 17, 3-7)

Omeo rano izahay, hosotroinay.

Tamin’izany andro izany dia, main’ny hetaheta ny vahoaka,
ka nimonomonona tamin’i Môizy nanao hoe:

“Ahoana no nampiakaranao anay hiala tany Ejipta,
hahafatin’ny hetaheta anay sy ny zanakay mbamin’ny bibinay?”

Dia nitaraina tamin’ny Tompo i Môizy nanao hoe:

“Inona no hataoko ho an’ity vahoaka ity,
fa kely foana sisa tsy hitorahany vato ahy?”

Ary hoy ny Tompo tamin’i Môizy:

“Mialohà ny vahoaka ka ento miaraka aminao ny loholon’i Israely,
ataovy an-tananao koa ny tehinao nikapohanao ny ony, dia mandehana.
Fa indro Aho hitsangana eo anoloanao ao amin’ny vatolampy izay any Hôreba;
hikapoka ny vatolampy ianao;
dia hivoaka ny rano ary hisotro ny vahoaka”.

Nataon’i Môizy teo anatrehan’ny loholon’i Israely izany,
ary nomeny anarana hoe: Masah sy Meribah io fitoerana io,
fa nila akisa ny zanak’i Israely, sy naka fanahy ny Tompo nanao hoe:

“Eto afovoantsika va ny Tompo sa tsia?”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo (Sal. 94, 1-2. 6-7. 8-9)

Enga anie ianareo ka hahaheno ny feony, ary tsy hanamafy ny fonareo.

Avia! Ndeha isika hihoby ny Tompo,
hankalaza ny Vatolampy famonjena antsika;
andeha hiseho anoloany amin-tsaotra,
hankalaza Azy amin’antsa.

Midira! Ndao hiankohoka sy hitsaoka,
handohalika anoloan’ny Tompo nanao antsika.
Fa Izy no Andriamanitsika; — isika kosa,
vahoaka andrasany, ondry eo an-tanany.
Enga anie ianareo anio
ka mba handre ny feony!

Aza manamafy fo toy ny tany an’efitra,
tamin’ny andro nifandirana sy nihatsiana,
raha naka fanahy Ahy ny razanareo,
na dia efa nahita ny asako aza.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 5, 1-2. 5-8)

Efa voarotsaka ao am-pontsika tamin’ny Fanahy Masina nomena antsika ny fitiavana.

Ry kristianina havana,
efa nohamarinina noho ny finoana isika,
ka mihavana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika,
izay ahazoantsika manatona amim-pinoana izao fahasoavana itoerantsika tsara izao,
sy mifaly amim-panantenana ny voninahitr’Andriamanitra.
Ary ny fanantenana tsy mba manodòka,
satria efa voarotsaka ao am-pontsika
tamin’ny Fanahy Masina nomena antsika ny fitiavan’Andriamanitra.
Fa fony mbola tsy nanan-kery isika,
dia maty tamin’ny fotoana voatendry i Kristy mba hamonjy ny ratsy fanahy.
Saika tsy misy manaiky ho faty hamonjy ny olo-marina;
ary angamba hisy ihany sahy maty hamonjy ny manao soa.
Fa izao kosa no nanehoan’Andriamanitra ny fitiavany antsika:
fony mbola mpanota isika no maty hamonjy antsika i Kristy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!

Ianao tokoa no Mpamonjy an’izao tontolo izao, ry Tompo,
ka omeo amin’izany rano izany re aho, mba tsy hangetaheta intsony.

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 4, 5-42)

Ny rano izay omeko dia ho tonga loharano miboiboika hatrany amin’ny fiainana mandrakizay.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa
tonga tany amin’ny tanànan’i Samaria anankiray atao hoe Sikara
akaikin’ny saha nomen’i Jakôba an’i Jôsefa zanany;
teo no nisy ny fantsakan’i Jakôba.
Ary sasatry ny dia nalehany i Jesoa
ka nipetraka tsotra izao teo amoron’ny fantsakana,
tokony ho tamin’ny ora fahenina.
Dia inty nisy vehivavy Samaritanina anankiray
tonga teo hantsaka rano,
ka hoy i Jesoa taminy:

“Mba omeo kely Aho hosotroiko”,

fa lasa nankany an-tanàna hividy hanina ny mpianany.

Dia hoy ilay vehivavy Samaritanina taminy:

“Nahoana Ianao no Jody
ka mangataka rano hosotroina amiko,
nefa aho vehivavy Samaritanina?”

(Fa tsy mifankahay moa ny Jody sy ny Samaritanina).

Namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:

“Raha fantatrao manko ny fanomezan’Andriamanitra
sy izay milaza aminao hoe: Mba omeo kely ho hosotroiko,
dia ianao indray aza no ho nangataka taminy,
ka homeny rano velona”.

Hoy ravehivavy taminy:

“Ianao, Tompoko, tsy manan-kanovozana,
ary ny fantsakana lalina:
ka aiza ange no hahazoanao izany rano velona izany?
Ianao angaha lehibe noho i Jakôba razantsika,
izay nahazoanay ity fantsakana ity sy nisotro teto
na ny tenany, na ny zanany mbamin’ny bibiny?”

Dia hoy i Jesoa namaly azy:

“Izay rehetra misotro amin’ity rano ity
mbola hangetaheta ihany;
fa izay hisotro amin’ny rano homeko azy
no tsy hangetaheta mandrakizay,
satria ny rano homeko azy,
dia ho tonga loharano miboiboika ao anatiny
hatrany amin’ny fiainana mandrakizay”.

Ka hoy ravehivavy taminy:

“Omeo amin’izany rano izany re aho, Tompoko,
mba tsy hangetaheta intsony, dia tsy hankaty hantsaka koa”.

Fa hoy i Jesoa taminy:

“Mandehana miantsoa ny vadinao, ka mankanesa aty”.

Ary hoy ravehivavy:

“Tsy manambady aho”.

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Marina ny filazanao hoe: tsy manambady aho,
fa efa nanambady indimy ianao,
ary tsy vadinao ilay itoeranao ankehitriny,
ka marina ny voalazanao”.

Dia hoy ravehivavy taminy:

“Tompoko, hitako fa Mpaminany Ianao.
Ny razanay nivavaka teo amin’io tendrombohitra io,
ary ianareo kosa milaza fa any Jerosalema no tsy maintsy ivavahana”.

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Ravehivavy, minoa Ahy fa tonga ny andro,
ka tsy amin’io tendrombohitra io na any Jerosalema aza
no hivavahanareo amin’ny Ray.
Ianareo mivavaka amin’izay tsy fantatrareo,
fa izahay no mivavaka amin’izay fantatray,
satria avy amin’ny Jody ny famonjena.
Fa ho avy ny andro, ary efa tonga sahady aza,
izay hivavahan’ny mpivavaka marina amin’ny Ray amin’ny fanahy sy fahamarinana,
fa ny mpivavaka aminy toy izany no tadiavin’ny Ray.
Andriamanitra dia fanahy,
ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy fahamarinana”.

Dia namaly ravehivavy ka nanao taminy hoe:

“Fantatro fa avy ny Mesia (izay atao hoe Kristy);
fa rehefa tonga Izy, dia hanambara amintsika ny zavatra rehetra”.

Hoy i Jesoa taminy:

“Izaho izay miresaka aminao izao no Izy”.

Tamin’izay dia tonga ny mpianany ka gaga, satria vehivavy no niresahany;
nefa tsy nisy nanao hoe:

“Inona no tadiavinao?”

na:

“Ahoana no iresahanao aminy?”

Ravehivavy kosa tamin’izay dia nandao ny sininy
ka lasa nankany an-tanàna nilaza tamin’ny olona hoe:

“Andeha ianareo hizaha izao Lehilahy izao,
fa nolazainy tamiko avokoa ny nataoko rehetra;
ka izao angaha no Kristy?”

Dia nivoaka avy tao an-tanàna ny olona hanatona an’i Jesoa.

Mbola tsy tonga ny olona dia nanasa Azy ny mpianany nanao hoe:

“Hano, Raby ô”.

Fa hoy Izy taminy:

“Izaho manan-kanin-kohanina izay tsy fantatrareo”.

Dia nifampilaza ny mpianany hoe:

“Nisy olona nanati-javatra hohaniny angaha?”

Fa hoy i Jesoa tamin’izy ireo:

“Ny haniko dia ny manao ny sitra-pon’Izay naniraka Ahy,
sy ny manatanteraka ny asany.
Moa tsy lazainareo fa mbola efa-bolana ny taom-pijinjana?
Kanefa lazaiko aminareo:
Atopazo ny masonareo, ka tazano ny eny an-tsaha,
fa efa manopy mena sahady ny vary ka efa ho fijinja.
Izay mijinja dia mandray karama,
ary mamory vokatra ho an’ny fiainana mandrakizay,
mba hiara-mifaly ny mpamafy sy ny mpijinja.
Fa amin’ity, marina ilay ohabolana hoe:
Hafa no mamafy, hafa no mijinja.
Nirahiko hijinja amin’izay tsy niasainareo ianareo;
fa olon-kafa no niasa, ka ianareo no nanohy ny asany”.

Maro ny Samaritanina tamin’izany tanàna izany no nino Azy,
noho ny tenin-dravehivavy nanao hoe:

“Nolazainy tamiko avokoa ny nataoko rehetra”.

Fa nony tonga teo aminy ny Samaritanina,
dia nangataka Azy hitoetra tao aminy,
ary nitoetra tao indroa andro Izy.
Ka vao mainka maro aza no nino Azy noho ny teny nataony,
sy nanao tamin-dravehivavy hoe:

“Tsy noho ny filazanao intsony no inoanay
fa ny tenanay no nandre,
ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy ny olona”.

Izany àry ny tenin’ny Tompo. 

Evanjely

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!

Ianao tokoa no Mpamonjy an’izao tontolo izao, ry Tompo,
ka omeo amin’izany rano izany re aho, mba tsy hangetaheta intsony.

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 4, 5-15. 19b-26. 39a. 40-42)

Ny rano izay omeko dia ho tonga loharano miboiboika hatrany amin’ny fiainana mandrakizay.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa
tonga tany amin’ny tanànan’i Samaria anankiray atao hoe Sikara
akaikin’ny saha nomen’i Jakôba an’i Jôsefa zanany;
teo no nisy ny fantsakan’i Jakôba.
Ary sasatry ny dia nalehany i Jesoa
ka nipetraka tsotra izao teo amoron’ny fantsakana,
tokony ho tamin’ny ora fahenina.
Dia inty nisy vehivavy Samaritanina anankiray
tonga teo hantsaka rano,
ka hoy i Jesoa taminy:

“Mba omeo kely Aho hosotroiko”,

fa lasa nankany an-tanàna hividy hanina ny mpianany.

Dia hoy ilay vehivavy Samaritanina taminy:

“Nahoana Ianao no Jody
ka mangataka rano hosotroina amiko,
nefa aho vehivavy Samaritanina?”

(Fa tsy mifankahay moa ny Jody sy ny Samaritanina).

Namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:

“Raha fantatrao manko ny fanomezan’Andriamanitra
sy izay milaza aminao hoe: Mba omeo kely ho hosotroiko,
dia ianao indray aza no ho nangataka taminy,
ka homeny rano velona”.

Hoy ravehivavy taminy:

“Ianao, Tompoko, tsy manan-kanovozana,
ary ny fantsakana lalina:
ka aiza ange no hahazoanao izany rano velona izany?
Ianao angaha lehibe noho i Jakôba razantsika,
izay nahazoanay ity fantsakana ity sy nisotro teto
na ny tenany, na ny zanany mbamin’ny bibiny?”

Dia hoy i Jesoa namaly azy:

“Izay rehetra misotro amin’ity rano ity
mbola hangetaheta ihany;
fa izay hisotro amin’ny rano homeko azy
no tsy hangetaheta mandrakizay,
satria ny rano homeko azy,
dia ho tonga loharano miboiboika ao anatiny
hatrany amin’ny fiainana mandrakizay”.

Ka hoy ravehivavy taminy:

“Omeo amin’izany rano izany re aho, Tompoko,
mba tsy hangetaheta intsony, dia tsy hankaty hantsaka koa”.

 

“Tompoko, hitako fa Mpaminany Ianao.
Ny razanay nivavaka teo amin’io tendrombohitra io,
ary ianareo kosa milaza fa any Jerosalema no tsy maintsy ivavahana”.

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Ravehivavy, minoa Ahy fa tonga ny andro,
ka tsy amin’io tendrombohitra io na any Jerosalema aza
no hivavahanareo amin’ny Ray.
Ianareo mivavaka amin’izay tsy fantatrareo,
fa izahay no mivavaka amin’izay fantatray,
satria avy amin’ny Jody ny famonjena.
Fa ho avy ny andro, ary efa tonga sahady aza,
izay hivavahan’ny mpivavaka marina amin’ny Ray amin’ny fanahy sy fahamarinana,
fa ny mpivavaka aminy toy izany no tadiavin’ny Ray.
Andriamanitra dia fanahy,
ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy fahamarinana”.

Dia namaly ravehivavy ka nanao taminy hoe:

“Fantatro fa avy ny Mesia (izay atao hoe Kristy);
fa rehefa tonga Izy, dia hanambara amintsika ny zavatra rehetra”.

Hoy i Jesoa taminy:

“Izaho izay miresaka aminao izao no Izy”.

 

Maro ny Samaritanina tamin’izany tanàna izany no nino Azy,

Fa nony tonga teo aminy ny Samaritanina,
dia nangataka Azy hitoetra tao aminy,
ary nitoetra tao indroa andro Izy.
Ka vao mainka maro aza no nino Azy noho ny teny nataony,
sy nanao tamin-dravehivavy hoe:

“Tsy noho ny filazanao intsony no inoanay
fa ny tenanay no nandre,
ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy ny olona”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Nifarana omaly alahady ny Sinaody kaontinantaly, izay notanterahana tany Addis-Abeba, Ethiopie. Fotoana niarahan-dia marina tokoa, nandinihana ny fiainan'ny Eglizy... ♦ Notsofin-drano sy natolotra tamin'ny fomba ôfisialy omaly, ny Birao Mpanatanteraka eo anivon'ny VDKT, ao amin'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Miaina ny finoana amin'ny fiainana andavanandro, io no fanentanana natao ho an'ny tanora ao amin'ny Secteur Androna, nandritra ny recollection amin'izao Karemy izao...

♦ Antsoina hiaina ny fanantenana feno hafaliana, miasa sy tia mamorona: io no lohateny ho an'ny Andro eran-tanin'ny MDMK-CVX, izay ankalazaina isaky ny 25 marsa... ♦ Hetsika fambolen-kazo izay tafiditra aoa anatin'ny fankalazana ny faha-150 taona nahaterahan'i Masimbavy Terezin'i Jesoa Zazakely, no entin'ireo avy eo anivon'ny AMLT hanombohana ny taom-pankalazana... ♦ Naneho ny alahelony tamin'ny fahafatesan'i Mgr David O'Connell, Eveka mpanampy tao Los Angeles, tamin'ny alalan'ny telegrama izay nosoratany ka nosoniavin'ny Kardinaly Pietro Parolin...

Tena ilaina ny filaminana satria miteraka filaminan-tsaina, filaminam-po, filaminam-panahy ; mba hitondra fiadanana sy fifaliana eo amin'ny tsirairay, eo amin'ny ankohonana, eo amin'ny fiaraha-monina, ary rehefa itarina dia hatrany amin'ny firenena...

♦ Taon-jobily dimy sosona no ankalazain'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ao anatin'ny efataona, manomboka amin'ity taona 2023 ity hatramin'ny taona 2026... ♦ Nanasa ny mpino rehetra ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus omaly, mba tsy hiady hevitra amin'ny demony... ♦ Nisy vokany ny fiarahan-dia nataon'ireo solontena avy amin'ny kaontinantan'i Azia, nandray anjara tamin'ny Sinaody Eglizy miara-dia, dingana kaontinantaly, hoy i Mgr Mario Grech...

Vakiteny voalohany

Boky Jenezy (Jen. 12, 1-4a)

I Abrama no voafidy ho Rain’ny vahoakan’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany,
Andriamanitra nanao tamin’i Abrama hoe:

“Mialà amin’ny taninao sy amin’ny fianakavianao
ary amin’ny tranon-drainao mba ho any amin’ny tany hasehoko anao.
Izaho hahatonga anao ho firenena lehibe sy hitso-drano anao,
ary hampanan-daza ny anaranao.
Ho tonga fanasoavana ianao:
ny manasoa anao hohasoaviko, ny manozona anao hozoniko,
ary aminao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany”.

Dia niainga i Abrama araka ny tenin’ny Tompo taminy,
ary niara-nandeha taminy koa i Lôta.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo (Sal. 32, 4-5. 18-19. 20 sy 22)

Ho aminay anie ny Hatsaram-ponao, ry Tompo, araka ny itokianay Anao!

Eny, marina ny tenin’ny Tompo,
ny asany rehetra mahatoky,
ny rariny sy ny hitsiny no tiany,
mameno ny tany ny fitiavany.

Izay matahotra ny Tompo no ahîny;
eny, izay miantehitra amin’ny fitiavany
hafahany amin’ny fahafatesana,
hovelominy amin’ny tao-mosarena.

Ilay Mpitahy, Mpiaro anay fifalifalian’ny fonay:
ny Anarany masina no tokinay.
Ny fitiavanao, ry Tompo ô,
ho aminay matoky Anao!

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’i Timôte (2 Tim. 1, 8b-10)

Ny Tompo no miantso sy manilo antsika.

Ry havako malala,
aoka ianao hiara-mijaly amiko noho ny Evanjely,
sy hiankina amin’ny herin’Andriamanitra,
izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin’ny fiantsoana masina,
tsy noho ny asantsika, fa araka ny fikasàny
sy ny fahasoavany izay nomeny antsika tao amin’i Kristy Jesoa,
talohan’ny taona rehetra, sy naharihary ankehitriny,
tamin’ny nisehoan’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika.
Ilay nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana
aman-tsy fahalòvana tamin’ny Evanjely.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

 

Evanjely

Dera anie ho Anao, ry Kristy, Mpanjakanay rehetra mitenena, Tompo ô, hamelona, hanazava.

Tao anatin’ny rahona mamimpiratra no re ny feon’ny Ray nanao hoe:
Ity no Zanako malalako: henoy Izy.

Dera anie ho Anao, ry Kristy, Mpanjakanay rehetra mitenena, Tompo ô, hamelona, hanazava.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 17, 1-9)

Ny Tavany namirapiratra tahaka ny masoandro.

Tamin’izany andro izany,
nalain’i Jesoa i Piera sy i Jakôba ary i Joany rahalahiny,
ka nentiny nitokana tany an-tendrombohitra avo.
Dia niova tarehy teo anatrehany Izy;
ka ny Tavany namirapiratra tahaka ny masoandro,
ny fitafiany tonga fotsy mangatsakatsaka tahaka ny fahazavana.
Ary indreo niseho tamin’izy ireo i Môizy sy i Elia niresaka tamin’i Jesoa.

Dia niteny i Piera nilaza tamin’i Jesoa hoe:

“Tompo, mahafinaritra ny mitoetra aty;
ka raha sitrakao, andeha hanao lay telo aty,
ny iray ho Anao, ny iray ho an’i Môizy, ary ny iray ho an’i Elia”.

Fa raha mbola niteny izy,
dia indro nisy rahona mazava nanarona azy ireo.
Ary injao nisy feo avy tamin’io rahona io nanao hoe:

“Ity no Zanako malalako, izay sitrako indrindra: henoy Izy”.

Nony nandre izany ny mpianatra,
dia lavo niankohoka sy natahotra indrindra.
Fa nanatona azy i Jesoa, dia nanohina azy,
ka nanao taminy hoe:

“Mitsangàna, fa aza matahotra”.

Nony niandrandra izy ireo,
dia tsy nahita olona afa-tsy i Jesoa irery.
Ary rehefa nidina avy tany an-tendrombohitra izy,
dia hoy i Jesoa nandrara azy ireo:

“Aza milaza na amin’iza na amin’iza izay vao hitanareo,
ambara-pitsangan’ny Zanak’Olona ho velona”.

Izany àry ny tenin’ny Tompo. 

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...