♦ Nanatontosa ny atrik'asa fandravonana ny angonan-kevitra ho an'ny Sinaody "Eglizy miara-dia", dingana kaontinantaly ireo solontenan'i Madagasikara, ny 15 ka hatramin'ny 19 febroary 2023... ♦ Nosokafana ny alahady 19 febroary 2023 ny Aumônerie Catholique Universitaire ao amin'ny Diôsezin'Ambositra... ♦ Sorona Masina tamin'ny fombam-pivavahana bizantinina, notarihin'ny Sekreteram-panjakana misahana ny fifandraisana amin'ny firenen-kafa ao Vatican, Mgr Paul Gallagher, no nanamarihan'ireo mpino okreniana ny tsingiren-taona voalohan'ny adin'n'i Russie sy Ukraine, ny talata 20 febroary 2023...
Ny fahatsiarovana ny maha olom-pirenena vanona dia mitondra fahatsaram-piainana sy fivoarana ary fandrosoana ao anatin'ny filaminana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i jeneraly Ramakavelo Désiré, tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Ny fiarahan-dian'ny Eglizy sy ao amin'ny Eglizy no nivoitra nandritra ny "Symposium" ny 17 sy 18 febroary tao amin'ny théologat Faliarivo... ♦ Napetraka araka ny fomban'ny Eglizy ny 19 febroary 2023 ny filohan'ny Antilin'i Madagasikara tao amin'ny Diosezin'i Mahajanga... ♦ Fanamby maharitra amin'izao vaninandro iainantsika izao ny teknôlojia vaovao, hoy ny Papa François, tamin'ireo mpikambana ao amin'ny Akademia pontifikaly momba ny aina...
Boky Jenezy (Jen. 2, 7-9 ; 3, 1-7)
Vovo-tany no nanaovan’ny Tompo Andriamanitra ny olombelona,
dia nofofoniny fofon’aina mahavelona ny vavorony,
ka tonga zava-manana aina ny olona.
Ary ny Tompo Andriamanitra nanao saha tany Edena, tany atsinanana,
ka napetrany tao ny olona izay noforoniny.
Ary nampanirìn’ny Tompo Andriamanitra tamin’ny tany,
izao hazo rehetra mahate hijery sady fihinana isan-karazany izao
sy ny hazon’ny aina tao afovoan’ny saha,
ary ny hazon’ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy.
Ny bibilava no fetsy indrindra amin’ny biby rehetra eny an-tsaha
izay nataon’ny Tompo Andriamanitra.
Hoy izy tamin-dravehivavy:
“Hay va re Andriamanitra nanao hoe:
Aza mihinana amin’ny hazo rehetra amin’ny saha ianareo?”
Hoy ny navalin-dravehivavy ny bibilava:
“Mihinana amin’ny voan’ny hazo amin’ny saha izahay;
fa ny voan’ny hazo eo afovoan’ny saha no nanaovan’Andriamanitra taminay hoe:
‘Aza mihinana amin’izany ary aza mikasika izany akory, fandrao maty ianareo’”.
Dia hoy ny bibilava tamin-dravehivavy:
“Tsia, tsy ho faty akory ianareo;
fa fantatr’Andriamanitra fa amin’izay andro hihinananareo izany,
dia hisokatra ny masonareo, ka ho tahaka an’Andriamanitra ianareo,
mahalala ny tsara sy ny ratsy”.
Ary hitan-dravehivavy fa ny voan’ilay hazo dia fihinana,
mahate hijery sy mendrika hoirìna mba hahazoana fahiratan-tsaina;
nioty tamin’ny voany izy,
dia nihinana ary nomeny koa ny vadiny izay niaraka taminy, ary nihinana izy.
Nisokatra ny mason’izy mivady, ary fantany fa nitanjaka izy;
ka nanjaitra ravin’aviavy izy ireo nataony sikina.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 50, 3-4. 5-6a. 12-13. 14 sy 17)
Iantrao aho, ry Andriamanitra ô, fa tsara fo Ianao;
koseho re ny heloko, fa be indrafo Ianao.
Sasao tanteraka amin’ny otako aho,
diovy tokoa amin’ny hadisoako.
Eny, miaiky heloka aho:
tsaroako lalandava ny otako.
Ianao irery tokoa no nanotako;
ny ratsy imasonao no nataoko.
Amoròny fo madio aho, ry Andriamanitra ô,
fanahy vaovao araikitra ato anatiko.
Aza esorina anoloanao aho;
ny Fanahinao Masina aza alàna amiko.
Avereno amiko ny hafalian’ny voavonjy;
fanahy mazoto ankaherezana ahy.
Tompo ô, sokafy ny molotro,
dia hidera anao ny vavako.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 5, 12-19)
Ry kristianina havana,
izao tontolo izao no nidiran’ny fahotana tamin’ny olona iray
sy nidiran’ny fahafatesana noho ny fahotana,
ka nifindra tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana,
satria nanota avokoa izy rehetra:
fa nisy ota ihany tamin’izao tontolo izao na talohan’ny Lalàna aza,
saingy tsy tanana hisy saziny ny ota raha tsy misy lalàna.
Nanjaka ihany anefa ny fahafatesana hatramin’i Adama ka hatramin’i Môizy,
na dia tamin’izay tsy nanao fahotana toraka ny fandikana nataon’i Adama aza;
ary i Adama dia tandindon’ilay Adama ho avy.
Ary tsy mba tahaka ny fahadisoana ny fanomezam-pahasoavana;
fa raha ny fahadisoan’ny anankiray aza nahafatesan’ny olona rehetra,
mainka fa ny fahasoavan’ny Olona iray, dia i Jesoa Kristy,
no nandraisan’ny olona rehetra bebe kokoa ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanomezana.
Ary tsy mba tahaka izay tonga noho ny anankiray nanota ny fanomezana;
satria noho ny ota anankiray no nisian’ny fitsarana ho fanamelohana;
fa noho ny fahadisoana maro kosa no nisian’ny fahasoavana ho fanamarinana.
Ary raha ny fahadisoan’ny anankiray aza nanjakan’ny fahafatesana
noho ny nataon’io anankiray io,
mainka fa ny nataon’ny anankiray, dia i Jesoa Kristy
no hanjakan’izay mahazo ny haben’ny fahasoavana
amam-panomezam-pahamarinana amin’ny fiainana.
Koa tahaka ny nahatongavan’ny fanamelohana ho an’ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray
no nahatongavan’ny fahamarinana ahazoam-piainana ho an’ny olona rehetra kosa
noho ny fahamarinana iray.
Fa tahaka ny nahatongavan’ny maro ho mpanota noho ny tsy naneken’ny olona iray
no hahatongavan’ny maro ho marina kosa noho ny naneken’ny Olona iray.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 5, 17-19)
Ry kristianina havana,
izao tontolo izao no nidiran’ny fahotana tamin’ny olona iray
sy nidiran’ny fahafatesana noho ny fahotana,
ka nifindra tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana,
satria nanota avokoa izy rehetra:
Ary raha ny fahadisoan’ny anankiray aza nanjakan’ny fahafatesana
noho ny nataon’io anankiray io,
mainka fa ny nataon’ny anankiray, dia i Jesoa Kristy
no hanjakan’izay mahazo ny haben’ny fahasoavana
amam-panomezam-pahamarinana amin’ny fiainana.
Koa tahaka ny nahatongavan’ny fanamelohana ho an’ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray
no nahatongavan’ny fahamarinana ahazoam-piainana ho an’ny olona rehetra kosa
noho ny fahamarinana iray.
Fa tahaka ny nahatongavan’ny maro ho mpanota noho ny tsy naneken’ny olona iray
no hahatongavan’ny maro ho marina kosa noho ny naneken’ny Olona iray.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Voninahitra anie ho Anao, ry Kristy tenin’Andriamanitra!
Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona,
fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra.
Voninahitra anie ho Anao, ry Kristy tenin’Andriamanitra!
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 4, 1-11)
Tamin’izany andro izany,
dia nentin’ny Fanahy nankany an’efitra i Jesoa mba halain’ny devoly fanahy;
ary nifady hanina efapolo andro sy efapolo alina Izy,
ka noana nony afaka izany.
Dia nanatona ny mpaka fanahy ka nanao taminy hoe:
“Raha Zanak’Andriamanitra Ianao,
ataovy tonga mofo ireto vato ireto”.
Fa namaly i Jesoa ka nanao hoe:
“Efa voasoratra hoe:
Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona,
fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra”.
Tamin’izay dia nitondra Azy nankany amin’ny tanàna masina ny devoly
ka nametraka Azy teo an-tampon’ny Tempoly, dia nanao taminy hoe:
“Raha Zanak’Andriamanitra Ianao,
mianjerà any ambany any,
fa efa voasoratra hoe: Ny Anjeliny no nametrahany Anao,
ary izy ireo hitondra Anao eo an-tanany
fandrao tafintohina amin’ny vato ny tongotrao”.
Fa hoy i Jesoa taminy:
“Efa voasoratra koa fa:
Tsy haka Fanahy ny Tompo Andriamanitrao ianao”.
Dia nentin’ny devoly nankany ambonin’ny tendrombohitra avo dia avo indray Izy,
ka nasehony Azy ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao mbamin’ny voninahiny,
ary hoy izy taminy:
“Homeko Anao izao rehetra izao,
raha miankohoka hivavaka amiko Ianao”.
Fa izao no navalin’i Jesoa azy:
“Mandehana, ry Satana,
fa efa voasoratra hoe:
Ny Tompo Andriamanitrao no hivavahanao,
ary Izy irery ihany no hotompoinao”.
Tamin’izay dia nandao Azy ny devoly
ary indreo nisy Anjely tonga teo aminy ka nanompo Azy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Nanao fanentanana ny hijerena manokana ny fiainam-bahoaka, ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, nandritra ny fametrahana araka ny fomban'ny Fiangonana an'i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, tany amin'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Nodimandry teo amin'ny faha-56 taonany, i Mompera Ramarosandratana Ignace, avy ao amin'ny fikambanana Salezianina Don Bosco, androany zoma 17 febroary 2023... ♦ Ny dian'ny karemy sy ny Sinaody dia mikendry fivoan-tarehy, io no hafatry ny Papa François, amin'izao karemy hiatomboka ny 22 febroary 2023 izao...
Manova zavatra sy manatsara fiaraha-monina ny fitiavana sy ny fifanajana. Entanina ny rehetra hanao ezaka hiaina sy hametraka fitiavana ao am-po, hampirindra ny fiaraha-monina. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'i jeneraly Ramakavelo Désiré, tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Bokin'i Siraka (Sir. 2, 1-11)
Anaka, raha mandroso hanompo ny Tompo ianao,
omano ho amin’ny fizahan-toetra ny fanahinao.
Ahitsio ny fonao, ka mahareta,
ary aza mikoropaka foana amin’ny andron’ny fahoriana.
Miraiketa amin’Andriamanitra ianao, ka aza misaraka aminy,
mba hitomboanao ho amin’izay hiafaranao.
Ekeo avokoa izay manjo anao,
ary mandefera amin’ny fifandimbiasan’ny fietrenao.
Fa ny volamena sy ny volafotsy aofana amin’ny afo;
ary ny olona ankasitrahan’Andriamanitra kosa,
amin’ny memin’ny fietrena.
Matokia an’Andriamanitra ary Izy hanarina anao;
mizora amin’ny lala-mahitsy ary manantenà Azy.
Miandrasa ny famindram-pony, ianareo matahotra ny Tompo,
ary aza mivily lalana, fandrao dia levona ianareo.
Matokia Azy, ianareo matahotra ny Tompo,
dia tsy ho very valisoa ianareo.
Manantenà, ianareo matahotra ny Tompo,
ny hasambarana, ny hafaliana mandrakizay sy ny famindram-po.
Diniho ange ny taranaka fahagola, ka fantaro;
iza no nanantena ny Tompo,
ka nahazo henatra na oviana na oviana?
Zovy no naharitra tsy niala tamin’ny fahatahorana Azy,
ka mba nilaozany?
Iza no niantso Azy, ka latsa no hany azony?
Fa miantra sy mamindra fo ny Tompo,
ary mamela heloka sy mamonjy amin’ny andro mahory Izy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 36, 3-4. 18-19. 27-28. 39-40)
Miantehera amin’ny Tompo; manaova ny tsara;
monena amin’ny tany, miraota amin-toky.
Eny, ny Tompo no iravoy:
dia homeny anao izay irin’ny fonao.
Ny andron’ny madio fantatry ny Tompo;
ny lovan’ireny ho mandrakizay.
Tsy ho maina izy raha mihantona ny ando,
ary ho voky amin’ny tao-mosarena.
Halaviro ny ratsy, ataovy ny tsara,
raha tahiny te-haharitra mandrakizay.
Fa ny Tompo dia tia ny rariny,
ka tsy mandao ny mpivavaka aminy.
Ny olo-meloka ho fongotra mandrakizay;
ny taranaky ny olon-dratsy ho fompotra.
Ny famonjena ny olo-marina dia avy amin’ny Tompo:
fa izy no mandany amin’ny andro fahoriana.
Ny Tompo mitahy sy manafaka azy, manafaka azy amin’ny ratsy fanahy.
Eny, Izy no mamonjy azy noho izy ireo mifefy aminy.
Aleloia. Aleloia.
Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Tompontsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 29-36)
Tamin’izany andro izany,
namaky an’i Galilea i Jesoa sy ny mpianany,
ary tsy tian’i Jesoa ho fantatr’olona izany,
fa nampianatra ny mpianany Izy ary nanao taminy hoe:
“Hatolotra eo an-tanan’ny olombelona ny Zanak’Olona, dia hovonoiny,
fa hitsangan-ko velona Izy raha afaka hateloana aorian’ny hahafatesany.”
Tsy fantatr’izy ireo anefa izany teny izany,
sady tsy sahiny nanontaniana Azy koa.
Dia tonga tany Kafarnaôma izy ireo, ary nony mby tao an-trano,
dia nanontany ny mpianany i Jesoa nanao hoe:
“Inona izany niadianareo hevitra tany an-dalana izany?”
Fa tsy niteny tsy nivolana izy,
satria ny amin’izay ho lehibe indrindra amin’izy rehetra
no niadiany hevitra teny an-dalana.
Dia nipetraka Izy ary niantso ny roa ambin’ny folo lahy
ka nanao taminy hoe:
“Izay te-ho voalohany no ho farany indrindra
sy ho mpanompon’ny olona rehetra.”
Ary nandray zaza anankiray Izy, napetrany teo afovoany; sy nofihininy,
ary hoy Izy tamin’ny mpianany hoe:
“Na iza na iza handray anankiray amin’ny zazakely toy itony
amin’ny Anarako,
dia handray Ahy,
ary izay mandray Ahy,
dia tsy mandray Ahy,
fa Izay naniraka Ahy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Siràka (Sir. 1, 1-10))
Ny fahendrena rehetra dia avy amin’ny Tompo; ao aminy mandrakizay izy.
Iza no mahisa ny fasika amin’ny ranomasina,
ny fiteten’ny ranonorana, ary ny andro efa lasa?
Zovy no mahatakatra ny haavon’ny lanitra sy ny haben’ny tany,
sy ny halalin’ny hantsan’ny fahendrena?
Voaary talohan’ny zavatra rehetra ny fahendrena,
ary ny fahazavan’ny saina hatramin’ny mandrakizay.
Ny loharanon’ny fahendrena
dia ny tenin’Andriamanitra any an-tampon’ny lanitra,
ary ny lalàny dia ny lalàna mandrakizay.
Iza no nanambarana ny foto-pahendrena?
Zovy no nahalala ny heviny lalina?
Iza no nilazana sy nanehoana ny fahalalana ny fahendrena,
ary zovy no mahazo an-tsaina ny hasarobidin’ny lalany?
Iray ihany no hendry, hany atahorana indrindra,
mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany, dia ny Tompo.
Izy no nahary azy;
nahita azy Izy ka nampahalala azy;
nandrotsaka azy tamin’ny asany rehetra Izy,
sy amin’ny nofo rehetra,
araka ny ambaratongam-panomezany.
Notolorany be izay tia Azy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 92, 1ab. 1d-2. 5)
Manjaka ny Tompo, mitafy fiandrianana!
Ny Tompo mitafy sy misikina hery.
Izao rehetra izao nataony mafy orina, ka tsy mba hihontsona!
Mijoro hatramin’ny fiandohana ny fiketrahanao!
Efa teo hatramin’ny mandrakizay Ianao.
Eny, mafy orina hatrizay ny fiketrahanao
ary ireo masina ao an-tranonao, ry Tompo,
midera Anao hatramin’ny taona mandrakizay.
Aleloia. Aleloia.
I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana amin’ny Evanjely.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 13-28)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nidina avy eny an-tendrombohitra ary nankeo amin’ny mpianany,
dia nahita vahoaka betsaka nanodidina azy,
sy mpanora-dalàna niady hevitra taminy.
Gaga ny olona rehetra nony nahita an’i Jesoa,
ka nidodododo hiarahaba Azy niaraka tamin’izay.
Dia nanontany azy ireo Izy nanao hoe:
“Ny amin’ny inona no iadianareo hevitra amin’ireto?”
Ka novalian’ny anankiray tamin’ny vahoaka hoe:
“Ry Mpampianatra ô,
nitondra ny zanako lahy azon’ny demony moana
nankaty aminao aho;
fa na aiza na aiza ahazoany azy dia sady akapokapony izy
no mandoa vory sy mikitro-nify, ka efa mihamalazolazo ery
ary efa nangataka ny mpianatrao handroaka azy aho,
fa tsy nahomby izy ireo.”
Dia niteny i Jesoa nanao hoe:
“Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo?
mandra-pahoviana no handeferako aminareo?
Ento aty amiko izy.”
Dia nentiny nankeo aminy izy, ary vantany vao nahita Azy ny demony,
dia nampifanintontsintona ny zaza ka lavo nitsinkasina sady nandoa vory.
Dia nanontany ny rain-drazazalahy i Jesoa nanao hoe:
“Hoatrinona izay no nahatongavan’izao taminy?”
ka novaliany hoe:
“Hatry ny fony izy mbola kely;
ary matetika izy no nazeran’ny demony tamin’ny afo
sy tany anaty rano mba hahafaty azy;
ka raha mba misy hainao re, mamindrà fo aminay,
ary vonjeo izahay!”
Dia hoy i Jesoa taminy:
“Raha hainao ny mino,
tsy misy tsy azo atao ho an’izay mino.”
Niaraka tamin’izay dia niantso mafy ny rain-drazazalahy
no nanao an-dranomaso hoe:
“Mino aho, Tompoko,
fa vonjeo re ity tsy finoako.”
Ary nony nahita ny vahoaka nidodododo nanatona Azy i Jesoa,
dia niteny mafy ny fanahy maloto Izy nanao hoe:
“Ry fanahy marenina sy moana,
Izaho mandidy anao, mivoaha amin’io zaza io,
ka aza miditra aminy intsony.”
Dia sady ninananana ny demony
no nampifanintontsintona azy mafy vao niala taminy,
ka efa toy ny maty ilay zazalahy,
ary efa nataon’ny maro hoe maty aza.
Fa noraisin’i Jesoa tamin’ny tanany izy,
dia nareniny, ka nitsangana.
Nony tonga tany an-trano Izy,
dia nanontanian’ny mpianany mangingina hoe:
“Nahoana no tsy naharoaka azy izahay?”
Ka hoy Izy taminy:
“Tsy azo roahina afa-tsy amin’ny fivavahana
sy ny fifadian-kanina izany karazan-demony izany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Levitika (Lev. 19, 1-2. 17-18)
Niteny tamin’i Môizy ny Tompo nanao hoe:
“Mitenena amin’ny fiangonan’i Israely rehetra,
lazao aminy hoe:Aoka ho masina ianareo, satria masina Aho Andriamanitrareo.
Aza mankahala ny namanao ao am-ponao, fa mananara ny namanao,
mba tsy hahazoanao heloka noho ny aminy.
Aza mamaly ratsy, na manao an-dolom-po amin’ny zanaky ny firenenao.
Fa tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.
Izaho no Tompo Andriamanitrao.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 102, 1-2. 3-4. 8 sy 10. 12-13)
Isaory ny Tompo, ry fanahiko;
ny Anarany masina, ry ato anatiko rehetra!
Isaory ny Tompo, ry fanahiko:
ny soa avy aminy aza misy hadinoina.
Izy ilay mamela ny helokao rehetra,
sy manasitrana ny aretinao rehetra,
manavotra ny ainao amin’ny hady,
manototra fitiavana sy indrafo anao.
Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo,
tsy malaky tezitra ary be fitiavana.
Tsy araka ny otantsika no ataony antsika,
na araka ny helotsika no avaliny antsika.
Tahaka ny atsinanana lavitry ny andrefana,
ny hadisoantsika halaviriny amintsika.
Tahaka ny ray mangoraka ny zanany,
ny Tompo mangoraka an’izay matahotra Azy.
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 3, 16-23)
Ry kristianina havana,
tsy fantatrareo va fa tempolin’Andriamanitra ianareo,
ka mitoetra ao anatinareo ny Fanahin’Andriamanitra?
Koa izay mandrava ny tempolin’Andriamanitra,
dia mba horavan’Andriamanitra kosa;
satria masina ny tempolin’Andriamanitra, dia ianareo izany.
Aza misy mamita-tena;
fa raha misy aminareo manao ny tenany ho hendry amin’izao tontolo izao,
dia aoka ho adala izy mba ho hendry.
Satria ny fahendren’izao tontolo izao,
dia fahadalana eo anatrehan’Andriamanitra,
araka ny voasoratra hoe:
Ny hafetsen’ny hendry no hamandrihako azy;
ary koa hoe:
Fantatry ny Tompo ny hevitry ny hendry,
ary fantany fa zava-poana izany.
Koa aza misy manao olona ho reharehany, fa anareo ny zavatra rehetra,
na i Paoly, na i Apôlô, na i Sefasy, na izao tontolo izao,
na fiainana na fahafatesana, na ny zavatra ankehitriny,
na ny zavatra ho avy: anareo avokoa izany rehetra izany;
ianareo kosa an’i Kristy, ary i Kristy an’Andriamanitra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Raha misy tia Ahy, hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko;
ary hankao aminy Izahay, ka honina ao aminy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 38-48)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Efa renareo fa voalaza hoe:
Maso efai-maso, nify efai-nify.
Fa Izaho kosa milaza aminareo tsy hamaly ratsy akory;
fa raha misy mamely tehamaina ny takolakao ankavanana,
dia atolory azy koa ny ilany;
ary raha misy te-hiady aminao mba hahazoany ny akanjonao,
dia afoizo ho azy koa ny lambanao;
ary raha misy manery anao hiaraka aminy arivo dingana,
miaraha aminy roa arivo.
Omeo izay mangataka aminao,
ary aza ilaoza-mihataka izay te-hisambotra aminao.
Efa renareo fa voalaza hoe:Ho tia ny namanao ianao ary hankahala ny fahavalonao.
Fa Izaho kosa milaza aminareo:
Tiavo ny fahavalonareo, manaova soa amin’izay mankahala anareo,
ary mivavaha ho an’izay manenjika sy manendrikendrika anareo;
mba ho zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo,
dia Ilay mampiposaka ny masoandrony amin’ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy,
ary mandatsaka ranon’orana amin’ny marina sy ny tsy marina.
Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valisoa ho azonareo?
Moa va na dia ny poblikanina aza tsy manao izany koa?
Ary raha ny havanareo ihany no arahabainareo, inona no mihoatra amin’ny ataonareo?
Moa na dia ny Jentily aza tsy mba manao izany ihany koa?
Koa aoka ho lavorary ianareo tahaka ny fahalavorarian’ny Rainareo izay any an-danitra”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Nanentana ny kristianina rehetra mba hitandro ny fihavanana sy ny fiandraisana eo amintsika samy isika sy ny fifandraisana amin'Andriamanitra, i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz nandritra ny fametrahana azy tamin'ny fomban'ny Fiangonana. ho evekan'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Anisan'ny nanamarika ny andro natokana hivavahana ho an'ny marary, izay marihana isaky ny 11 febroary, ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Ny fanazavana ny tenin'i Jesoa hoe : “Tsy tonga handrava ny lalana, aho, fa hanatanteraka”, no fampianarana nentin'ny Papa François nandritra ny vavaka Angelus omaly...
♦ Notsenaina tao Andriba, vavahadin'ny diôsezin'i Mahajanga, ny alarobia maraina teo i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz... ♦ Nanitatra ny misôna any amin'ny diôsezin'i Fanoarivo Atsinanana, ny fikambanana Misiôneran'ny Fianakaviana Masina, eto Madagasikara... ♦ Nanentana ireo mpitsabo misehatra anatin'ny pastôralin'ny fahasalamana eo anivon'ny diôsezin'i Rôma, ny Papa François, mba hahaizan'izy ireo mihaino ny fijaliana mangina an'ireo marary tsy misy mpikarakara, anaty fahasahiranana ara-bola sy ara-môraly...
Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 11, 1-7)
Ry kristianina havana,
ny finoana no santatry ny zavatra antenaina,
sy porofon’ny zavatra tsy hita.
Nanam-pinoana ny Ntaolo ka izany no nahatsara laza azy.
Ny finoana no ahafantarantsika fa ny Tenin’Andriamanitra
no namoronana izao tontolo izao,
fa tsy mba zavatra hita no nanaovana izao zava-miseho izao.
Ny finoana no nanoloran’i Abela tamin’Andriamanitra
sorona tsaratsara kokoa noho ny an’i Kaina,
sy nilazana azy hoe marina,
fa nankatoavin’Andriamanitra ny fanatitra nataony;
ary noho izany ihany koa, na dia maty aza izy,
dia mbola miteny ihany.
Ny finoana no namindrana an’i Enôka tsy hiharan’ny fahafatesana,
ka tsy hita intsony izy fa nafindran’Andriamanitra,
ary talohan’ny namindrana azy dia voalaza
fa nankasitrahan’Andriamanitra izy.
Raha tsy misy finoana, dia tsy misy ahazoana sitraka amin’Andriamanitra koa:
satria izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy hino fa misy Izy,
sady mamaly soa izay mitady Azy.
Ny finoana no nandrafetan’i Nôe ny sambo fiara hamonjena ny fianakaviany,
fa natahotra izy nony efa nilazan’Andriamanitra ny zavatra mbola tsy hita;
ary izany no nanamelohany an’izao tontolo izao
sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana izay azo amin’ny finoana.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 144, 2-3. 4-5. 10-11)
Misaotra Anao isan’andro aho,
sy midera ny Anaranao mandrakizay!
Lehibe ny Tompo ary mendri-dera fatratra;
tsy azo takarina ny halehibeny!
Ny taranaka mifampigaga ny zava-bitanao,
sy mankalaza ny asanao mahery,
manambara ny harevaky ny voninahitrao,
mitantara ny asanao mahagaga.
Tompo ô, midera Anao ny asanao rehetra!
Misaotra Anao ny mpivavaka aminao!
Miresaka ny voninahitry ny fanjakanao izy ireo,
sy miteny ny asanao mahery.
Aleloia. Aleloia.
Asehoy ny mpanomponao ny tavanao, ry Tompo,
ary ampianaro ahy ny Fitsaranao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 1-12)
Tamin’izany andro izany,
nalain’i Jesoa i Piera sy i Jakôba ary i Joany
ka nentiny nitokana tany an-tendrombohitra avo anankiray,
dia niova tarehy teo anatrehany Izy.
Tonga nanjelajelatra sady fotsy hoatry ny oram-panala ny fitafiany,
ka tsy misy mpamotsy lamba mahafotsy toy izany ety an-tany.
Ary niseho tamin’izy ireo i Elia sy i Môizy,
sady niresaka tamin’i Jesoa.
Dia niteny i Piera ka nanao tamin’i Jesoa hoe:
“Raby ô, mahafinaritra ny mitoetra aty;
aoka hanao lay telo izahay, ny iray ho Anao,
ny iray ho an’i Môizy, ary ny iray ho an’i Elia.”
Fa tsy fantany izay nolazainy,
satria raiki-tahotra loatra izy ireo.
Tamin’izay dia nisy rahona nanarona azy;
ary nisy feo avy tao amin’io rahona io nanao hoe:
“Ity no Zanako malalako indrindra, henoy Izy.”
Niaraka tamin’izay dia nijerijery manodidina izy ireo,
nefa tsy nahita olona intsony, fa i Jesoa irery sisa teo aminy.
Nony nidina avy tany an-tendrombohitra izy ireo,
dia norarany tsy hilazalaza amin’olona ny zavatra vao hitany,
mandra-pitsangan’ny Zanak’Olona ho velona.
Dia notanany tao am-pony izany zavatra izany,
sady mifampaka saina izy ny amin’izay hevitr’izany hoe mitsangan-ko velona.
Ary nanontany Azy izy ireo nanao hoe:
“Ahoana àry no ilazan’ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna
fa tsy maintsy ho avy aloha i Elia?”
Dia hoy i Jesoa hoe:
“Tsy maintsy ho avy aloha i Elia sy hanavao ny zavatra rehetra;
fa ahoana kosa no nanoratana ny amin’ny Zanak’Olona
fa tokony hijaly mafy Izy sy hotevatevaina izaitsizy?
Ary lazaiko aminareo fa efa tonga sahady i Elia,
sady nataon’ny olona taminy izay sitraky ny fony,
araka ny nanoratana azy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco