Ny maha olom-pirenena dia ny fifanajàna, ny filaminana, izay vokatry ny fiainana ny fahamarinana, ary ireo telo ireo dia mifaningotra. Mba hisian'ny fitohizan'ny fitantanana sy ny fitondrana ny firenena dia ilaina ny fifanajana, indrindra eo amin'ny fifampitondran'ny olom-boatendry sy ny olom-boafidy ary ny teknisiana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
♦ Mankahery ny tanora tsy ho ketraka amin'ny famailana ny antson'Andriamanitra, i Mgr Rosario Vella, Filohan'ny Vaomieran'ny Eveka ho an'ny Fiaraha-miasa Misionera... ♦ Natao veloma farany tao amin'ny Katedraly Maria Manjaka Morondava, i Fr. Tokiniaina Olivier Cyrille... ♦ Miisa 36 ireo Gardes Suisses vaovao nanao fianihanana, noraisin'ny Papa François ny 6 mey 2022...
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Efa renareo fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe: ‘Aza mijangajanga?’ Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra hijery vehivavy ka maniry azy, dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady. Koa raha ny masonao ankavanana no manafintohina anao, dia esory izy ka ario lavitra anao, fa aleo zavatra iray amin’ny tenanao no very toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin’ny gehen’afo. Ary raha ny tananao ankavanana no manafintohina anao, dia tapaho ka ario lavitra anao, fa aleo rantsam-batana iray amin’ny tenanao no very toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin’ny gehen’afo.
Ary efa voalaza koa hoe: ‘Na iza na iza hisaotra ny vadiny, aoka hanome azy ny taratasy fisaorana.’ Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra misao-bady, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, dia mampijangajanga azy; ary izay manambady ny voasaotra dia mijangajanga."
Tamin’izany andro izany i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany hoe: “Raha tia Ahy ianareo dia hitandrina ny didiko. Ary Izaho kosa hangataka amin’ny Ray, ka homeny Mpanafaka alahelo hafa ianareo, mba hitoetra ao aminareo mandrakizay. Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy. Fa izay tsy tia Ahy kosa, dia tsy mba mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo dia tsy Ahy, fa an’ny Ray Izay naniraka Ahy. Voalazako taminareo izany, raha mbola mitoetra eto aminareo Aho. Fa ny Mpanafaka alahelo, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny Anarako, no hampianatra anareo ny zavatra rehetra, sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo.
Ny fahavanonana dia manosika ny olona hanao zavatra tsara, milamina, mirindra mba hiteraka vokatra tsara. Ny fampandrosoana dia tsy feno ary mety tsy hisy mihitsy raha toa ka tsy eo ny "fahavanonana". Ny fifankahalana, ny risoriso, ny tsy fifampitokisana dia sakafo ratsy omentsika ny fo ary taratry ny tsy fisian'ny fahavanonana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
♦ Ny fahadiovana dia isan'ny endriky ny fahavanonana ary maha tompon'andraikitra... ♦ Tany manan-karena fa tsy tokony ho firenena mahantra i Madagasikara...
♦ Miantso ny kristianina hijoro ho vavolombelon'ny herin'i Kristy nitsangan-ko velona i Mgr Marie Fabie Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... ♦ Fanehoam-pitiavana ny fankalazana ny Paka, ka adidin'ny kristianina ny manompo ny hafa, hoy ny Kardinaly Tsarahazana Désiré, Arsevekan'i Toamasina... ♦ Nanao antso hampanjariana ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana ny Papa François, tamin'ny "Urbi et Orbi", ny alahadin'ny Paka 17 aprily 2022...
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Lazaiko marina aminareo fa hitomany sy higogogogo ianareo, ary hifaly izao tontolo izao; halahelo ianareo, fa hody hafaliana ny alahelonareo. Ory ny vehivavy raha miteraka, satria tonga ny fotoany; nefa tsy tsaroany intsony ny fahoriany rahefa teraka izy, noho ny hafaliany fa hoe misy olona teraka amin’izao tontolo izao. Manana alahelo koa ianareo ankehitriny, nefa ho hitako indray ianareo, ka ho faly ny fonareo, ary tsy hisy olona hanesotra ny hafalianareo. Amin’izany andro izany, dia tsy hanontany Ahy na inona na inona intsony ianareo."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niseho tamin’ny mpianany, ary niteny tamin’izy ireo nanao hoe: "Araka ny voasoratra, dia tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona amin’ny andro fahatelo, ary tsy maintsy torîna amin’ny firenen-drehetra, miantomboka amin’i Jerosalema ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ny Anarany. Ianareo no vavolombelon’izany. Ary Izaho kosa haniraka aminareo Ilay nampanantenain’ny Raiko; fa mitoera ao an-tanàna ianareo mandra-pandrainareo ny hery avy any ambony". Dia nentiny nivoaka ny tanàna hatrany Betania izy ireo, ary nanandratra ny tanany Izy, ka nitso-drano azy. Raha mbola nitso-drano azy Izy, dia nisaraka taminy, ka nakarina ho any an-danitra. Iretsy kosa, rehefa avy nitsaoka Azy, dia niverina tany Jerosalema tamin-kafaliana lehibe, ary tao anatin’ny Tempoly mandrakaniva izy ireo, nidera sy nisaotra an’Andriamanitra.
Tamin’izany andro izany i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany hoe: "Raha misy tia Ahy dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy. Fa izay tsy tia Ahy kosa, dia tsy mba mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo, dia tsy Ahy, fa an’ny Ray izay naniraka Ahy. Voalazako taminareo izany, raha mbola mitoetra eto aminareo Aho. Fa ny Mpanafaka alahelo, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny Anarako, no hampianatra anareo ny zavatra rehetra, sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo. Fiadanana no avelako aminareo, ny fiadanako no omeko anareo, tsy mba tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no omeko anareo. Aoka tsy hitebiteby na hatahotra ny fonareo. Efa renareo fa izao no voalazako taminareo: Handeha Aho, nefa mbola hiverina ho aty aminareo. Raha tia Ahy ianareo, dia ho faly tokoa amin’izao handehanako ho any amin’ny Ray izao, satria lehibe noho Izaho ny Ray. Ary Izaho no milaza izany aminareo dieny ankehitriny mbola tsy tonga izany, dia ny mba hinoanareo rehefa tonga izany".
Ny fahavanonana sy ny maha olom-pirenena no hitondra fampandrosoana sy fahatsaram-piainana. Ny fanajana ny maha-Malagasy ihany koa dia hamerina amin'ny laoniny ny fahatsaram-piainana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
♦ Ireo olona tsy mandeha manaho ny safidiny amin'ny andron'ny fifidianana no tokony hahazo tsiny fa tsy ny fanjakàna sy ny mpikarakara, zo izany ary izay no maha olom-pirenena... ♦ Ara-tantara dia efa ela no nisy olona teto Madagasikara fa tantara iniana disoina ny hilazana fa mpiavy ny malagasy... Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco