♦ Manatanteraka ny fivoriam-be fanaony ny Secteur Avaratra ao amin'ny Diôsezin'Antsiranana. Dinika momba ny Sinaody no mibahan-toerana amin'izany... ♦ Nifantoka tamin'ny hevitra sy ny lanjan'ny fahanterana ny katesizin'ny Papa François, nanomboka ny alarobia 23 febroary 2022... ♦ Nanao antso avo ho amin'ny fifampiraharahana eo amin'i Rosia sy Ukraine ny Kardinaly Pietro Parolin, Sekreteram-panjakana ao amin'ny Fiketrahana Masina...
Tamin’izany andro izany i Jesoa dia nitondra an’i Piera sy i Jakôba ary i Joany ka niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka. Raha mbola nivavaka Izy, dia niova toetra ny Tarehiny sady tonga fotsy manjopiaka ny fitafiany. Ary indro nisy roa lahy niresaka taminy, dia i Môizy sy i Elia, izay niseho tamim-boninahitra sy nilaza ny hahalasanany izay tsy maintsy ho tanteraka any Jerosalema. Navesatry ny tory ny mason’i Piera sy ny namany, nefa nahari-tory ihany izy, dia nahita ny voninahitr’i Jesoa mbamin’izy roa lahy teo aminy. Ary tamin’izy roa lahy nihataka, dia hoy i Piera tamin’i Jesoa: "Ry Mpampianatra ô, mahafinaritra ny mitoetra aty, ka andeha hanangana lay telo eto, ny iray ho Anao, ny iray ho an’i Môizy, ary ny iray ho an’i Elia"; tsy fantany anefa izay nolazainy. Raha mbola niteny izany izy, dia nisy rahona nanarona azy ireo, ka natahotra izy telo lahy tamin’ny nidirany tao anatin’ny rahona. Ary nisy feo avy tao amin’ny rahona nanao hoe: "Ity no Zanako malalako, henoy Izy". Ilay niteny iny ny feo, dia i Jesoa irery ihany no hita. Ary nangina ireo mpianany ka tsy nilazalaza na tamin’iza na tamin’iza tamin’izany andro izany izay zavatra hitany teo.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Rahefa ho avy amim-boninahitra ny Zanak’Olona otronin’ny Anjely rehetra, dia hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny Izy; ho vory eo anatrehany ny firenena rehetra ary Izy hanavaka azy tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy; ny ondry moa hataony eo ankavanany, ary ny osy kosa eo ankaviany. Amin’izay ny Mpanjaka dia hilaza amin’izay eo an-kavanany hoe: ‘Avia ianareo, ry nosoavin’ny Raiko, handova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nahariana izao tontolo izao. Fa noana Aho, nomenareo hanina; nangetaheta Aho, nomenareo hosotroina; nivahiny Aho, nampiantranoinareo; tsy nitafy Aho, notafianareo; narary Aho, novangianareo; tany an-tranomaizina Aho, notsidihinareo.’ Ary dia hamaly Azy ny marina ka hanao hoe: ‘Tompo, oviana no hitanay noana Ianao ka nomenay hanina; nangetaheta ka nomenay hosotroina? Oviana no hitanay nivahiny Ianao ka nampiantranoinay, na tsy nitafy ka notafianay? Oviana no hitanay narary Ianao na tany an-tranomaizina ka novangianay?’ Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao hoe: ‘Lazaiko marina aminareo fa isaky ny nanao izany tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto ianareo, dia nanao izany tamiko. Ary dia hiteny amin’ireo eo ankaviany kosa indray Izy ka hanao hoe: ‘Mialà amiko ianareo, ry voaozona, mba ho any amin’ny afo mandrakizay izay voavoatra ho an’ny demony sy ny anjeliny. Fa noana Aho, tsy nomenareo hanina; nangetaheta Aho, tsy nomenareo hosotroina; nivahiny Aho, tsy nampiantranoinareo; tsy nitafy Aho, tsy notafianareo; narary Aho sy tany an-tranomaizina, tsy novangianareo.’ Dia hamaly Azy koa ireo hanao hoe: ‘Tompo, oviana no hitanay noana Ianao, na nangetaheta, na nivahiny, na tsy nitafy, na narary na tany an-tranomaizina ka tsy namonjy Anao izahay?’ Fa hovaliany hoe: ‘Lazaiko marina aminareo fa isaky ny tsy nanao izany tamin’ny anankiray amin’ireto kely indrindra ireto ianareo, dia tsy nanao izany tamiko koa.’ Dia ho any amin’ny fijaliana mandrakizay ireo, fa ny marina kosa, ho any amin’ny fiainana mandrakizay."
Tamin’izany andro izany i Jesoa dia feno ny Fanahy Masina ary niverina avy tany Jordany ka nentin’ny Fanahy tany an’efitra efapolo andro, sady nalain’ny devoly fanahy Izy, no tsy nihinana na inona na inona nandritra izany andro izany; ka noana nony tapitra izany. Dia hoy ny devoly taminy: "Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, asaovy tonga mofo io vato io". Fa hoy i Jesoa taminy: "Efa voasoratra hoe: Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra avy amin’Andriamanitra".
Dia nentin’ny devoly niakatra tany amin’ny tendrombohitra avo anankiray Izy, ka nanehoany indray mipy maso ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao, ary hoy izy taminy: "Homeko Anao avokoa izao fanapahana rehetra izao sy ny voninahiny, satria nomena ahy ka mba omeko izay tiako kosa. Koa izao àry: raha mitsaoka ahy Ianao, dia ho Anao avokoa izy". Fa izao no navalin’i Jesoa azy: "Efa voasoratra hoe: Ny Tompo Andriamanitrao no hivavahanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao".
Dia nentiny tany Jerosalema indray Izy, ka napetrany teo an-tampon’ny Tempoly, ary nilazany hoe: "Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, mianjerà any ambany any; fa efa voasoratra hoe: Nomeny didy hiambina Anao ny Anjeliny, ary hitondra Anao eo an-tanany izy ireo fandrao tafintohina amin’ny vato ny tongotrao". Fa namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: "Efa voasoratra hoe: "Tsy haka fanahy ny Tompo Andriamanitrao ianao". Nony tapitra nanao izao fakam-panahy Azy rehetra izao ny devoly, dia nandao Azy aloha mandra-piavin’ny fotoana indray.
♦ Nandefa telegrama ho fiombonam-po sy fankaherezana ny vahoaka Malagasy, ny Papa François... ♦ Atolotr'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Finvondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ny vavaka iombonana ho an'ny JMJ Mafa faha-10... ♦ Nihaona tamin'ny Papa François ny Filohan'ny Repoblika Zambiana, Hakainde Hichilema...
♦ Hofaranana amin'ny 31 jolay 2022 ny Sinaody nasionaly eto Madagasikara, fanomanana ny Sinaodin'ny Eveka... ♦ Ilaina ny fahaiza-mihaino sy ny firaisan-tsaina, manoloana ny fiovan'ny toe-tsaina sy ny fitondran-tena, vokatry ny Covid-19... ♦ Natokan'ny Papa François ho taona masina hanamarihana ny fahateraham-baovao ny taona 2025...
Tamin’izany andro izany i Jesoa nanao fanoharana tamin’ny mpianany hoe: "Moa ny jamba mahatari-dalana ny jamba va? Moa tsy hiara-mianjera any an-kady va izy roa? Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra, fa izay mpianatra tapi-pianarana no hoatra ny mpampianatra azy ihany. Nahoana no ny sombim-bozaka amin’ny mason’ny rahalahinao jerenao, nefa ny sakamandimby ao amin’ny masonao tsy hitanao? Ary hataonao ahoana no filaza amin’ny rahalahinao hoe: ‘Ry rahalahy, aoka hoesoriko ny sombim-bozaka amin’ny masonao’, nefa ny sakamandimby ao amin’ny masonao aza tsy hitanao? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny sakamandimby amin’ny masonao, izay vao ho hitanao ny hanesoranao ny sombim-bozaka amin’ny mason’ny rahalahinao. Fa tsy misy hazo tsara mamoa voa ratsy, na hazo ratsy mamoa voa tsara. Fa samy fantatra amin’ny voany avy ny hazo rehetra; fa tsy misy mioty aviavy amin’ny tsilo, na voaloboka amin’ny voaroitsilo. Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin’ny rakitra tsaran’ny fony; ary ny olona ratsy fanahy kosa mamoaka ny ratsy avy amin’ny rakitra ratsin’ny fony; fa ny be ao am-pony no itenenan’ny vavany."
Tamin’izany andro izany, nisy nitondra zazakely maromaro mba hametrahan’i Jesoa tanana, nefa notenenin’ny mpianatra mafy ireo nitondra; ka tezitra i Jesoa nony nahita izany sady nanao taminy hoe: "Avelao hanatona Ahy ny zaza, fa aza raranareo, satria ny toa azy no hanana ny Fanjakan’Andriamanitra. Lazaiko marina aminareo, fa na iza na iza tsy handray ny Fanjakan’Andriamanitra tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra any." Dia nofihininy izy ireo, sy nametrahany tanana, ary notsofiny rano.
Tamin’izany andro izany: Niala teo i Jesoa dia tonga tany amin’ny sisin-tanin’i Jodea, an-dafin’i Jordany; ary nivory teo aminy indray ny vahoaka, ka nampianariny indray araka ny fanaony. Dia nanatona Azy ny Farisianina mba haka fanahy Azy ka nanontany hoe: "Mahazo misao-bady va ny lehilahy?" Ary izao no navaliny azy ireo: "Ahoana no nandidian’i Môizy anareo?" Dia hoy Izy: "Nomen’i Môizy lalana hanao taratasy fisaoram-bady sy hisao-bady ny lehilahy." Fa hoy kosa i Jesoa: "Ny hamafin’ny fonareo no nanoratany izany didy izany ho anareo. Fa tamin’ny niandohan’izao tontolo izao, dia lehilahy iray sy vehivavy iray ihany no nataon’Andriamanitra; noho izany dia handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy, ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray izy roroa; koa tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany. Koa ao ka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin’olombelona." Nony mby tao an-trano, dia nanontany Azy ny amin’izany indray ny mpianany, ka hoy Izy taminy: "Na iza na iza misaotra ny vadiny ka mampakatra vehivavy hafa dia mijangajanga mandika ny lalàm-panambadiana; ary raha ny vavy koa no misaotra ny lahy ka manambady hafa, dia mijangajanga.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Na iza na iza hanome rano eran’ny kapoaka anareo amin’ny anarako, satria an’i Kristy ianareo, dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho very valisoa izy. Ary na iza na iza hanafintohina ny anankiray amin’ireny madinika mino Ahy ireny, dia tsaratsara kokoa ho azy ny hanantonana vato fikosohan-dafarinina amin’ny vozony, ka havarina any anaty ranomasina izy. Raha ny tananao no manafintohina anao, tapaho izy; fa aleo kilemaina miditra any amin’ny fiainana ianao, toy izay manan-tanan-droa havarina any amin’ny gehena, dia any amin’ny afo tsy azo vonoina, izay misy olitra tsy mety maty sy afo tsy maty mandrakizay. Ary raha ny tongotrao no manafintohina anao; tapaho izy, fa aleo tapa-tongotra an’ila miditra any amin’ny fiainana ianao, toy izay manana tongotra roa havarina any amin’ny gehen’afo tsy azo vonoina, izay misy olitra tsy mety maty sy afo tsy maty mandrakizay. Raha ny masonao no manafintohina anao esory izy, fa aleo toka-maso miditra any amin’ny fanjakan’Andriamanitra ianao, toy izay mana-maso roa havarina any amin’ny gehen’afo, izay tsy mety maty ny olitr’izy ireo ary tsy azo vonoina ny afo. Fa izy rehetra any hosiraina amin’ny afo, toy ny sorona rehetra siraina amin’ny sira. Tsara ny fanasina: fa rahefa lefy izy, inona no hampodianareo ny tsirony? Tano tsara ny sira aminareo, ka mihavàna ianareo."
Tamin’izany andro izany, niteny tamin’i Jesoa i Joany nanao hoe: "Mpampianatra ô, nahita olona anankiray nandroaka demony amin’ny Anaranao izahay; nefa tsy namantsika ka noraranay." Fa hoy i Jesoa: "Aza raranareo izy; fa tsy misy olona hanao fahagagana amin’ny Anarako ka hanaratsy Ahy vetivety foana. Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nidina avy eny an-tendrombohitra ary nankeo amin’ny mpianany, dia nahita vahoaka betsaka nanodidina azy, sy mpanora-dalàna niady hevitra taminy. Gaga ny olona rehetra nony nahita an’i Jesoa, ka nidodododo hiarahaba Azy niaraka tamin’izay. Dia nanontany azy ireo Izy nanao hoe: "Ny amin’ny inona no iadianareo hevitra amin’ireto?" Ka novalian’ny anankiray tamin’ny vahoaka hoe: "Ry Mpampianatra ô, nitondra ny zanako lahy azon’ny demony moana nankaty aminao aho; fa na aiza na aiza ahazoany azy dia sady akapokapony izy no mandoa vory sy mikitro-nify, ka efa mihamalazolazo erý ary efa nangataka ny mpianatrao handroaka azy aho, fa tsy nahomby izy ireo." Dia niteny i Jesoa nanao hoe: "Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento atý amiko izy." Dia nentiny nankeo aminy izy, ary vantany vao nahita Azy ny demony, dia nampifanintontsintona ny zaza ka lavo nitsinkasina sady nandoa vory. Dia nanontany ny rain-drazazalahy i Jesoa nanao hoe: "Hoatrinona izay no nahatongavan’izao taminy?" ka novaliany hoe: "Hatry ny fony izy mbola kely; ary matetika izy no nazeran’ny demony tamin’ny afo sy tany anaty rano mba hahafaty azy; ka raha mba misy hainao re, mamindrà fo aminay, ary vonjeo izahay!" Dia hoy i Jesoa taminy: "Raha hainao ny mino, tsy misy tsy azo atao ho an’izay mino." Niaraka tamin’izay dia niantso mafy ny rain-drazazalahy no nanao an-dranomaso hoe: "Mino aho, Tompoko, fa vonjeo re itý tsy finoako." Ary nony nahita ny vahoaka nidodododo nanatona Azy i Jesoa, dia niteny mafy ny fanahy maloto Izy nanao hoe: "Ry fanahy marenina sy moana, Izaho mandidy anao, mivoaha amin’io zaza io, ka aza miditra aminy intsony." Dia sady ninananana ny demony no nampifanintontsintona azy mafy vao niala taminy, ka efa toy ny maty ilay zazalahy, ary efa nataon’ny maro hoe maty aza. Fa noraisin’i Jesoa tamin’ny tanany izy, dia nareniny, ka nitsangana. Nony tonga tany an-trano Izy, dia nanontanian’ny mpianany mangingina hoe: "Nahoana no tsy naharoaka azy izahay?" Ka hoy Izy taminy: "Tsy azo roahina afa-tsy amin’ny fivavahana sy ny fifadian-kanina izany karazan-demony izany."
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco