Tamin’izany andro izany, i Jesoa niondrana tamin’ny sambo kely ka narahin’ny mpianany. Dia indro nisy tafio-drivotra mafy tamin’ny ranomasina, ka efa safotry ny onjan-drano ny sambo kely, ary Izy anefa natory. Dia nanatona Azy ny mpianany, ka namoha Azy nanao hoe: "Tompoko, vonjeo izahay, fa maty." Ary hoy i Jesoa taminy: "Nahoana no saro-tahotra ianareo, ry kely finoana?" Dia niarina Izy, nandidy ny rivotra sy ny ranomasina, ka tonga tony dia tony ny andro. Ary gaga ny olona, ka nanao hoe: "Iza io Lehilahy io no manaiky Azy ny rivotra sy ny ranomasina?"
Nony efa antomotra ny andro tsy maintsy hanalana an’i Jesoa, dia nanapa-kevitra hankany Jerosalema Izy, ka nandefa iraka hialoha Azy. Dia nandeha ireo ka niditra tao amin’ny tanàna anankiray tany amin’ny Samaritanina, mba hanomana ny fandraisana Azy; fa tsy nisy nandray Azy ny olona, satria olona hankany Jerosalema no fijeriny Azy. Nony nahita izany i Jakôba sy i Joany mpianany dia nanao hoe: "Tompoko, tianao va raha asainay ilatsahan’ny afo avy any an-danitra izy handevona azy?" Fa nitodika Izy ka nananatra azy mafy hoe: "Tsy fantatrareo mantsy izay tokony ho fanahinareo. Ny Zanak’Olona anie tsy tonga hamery ny olona fa hamonjy azy". Dia nankany amin’ny vohitra hafa izy ireo. Raha mbola teny an-dalana izy ireo, dia nisy olona anankiray nilaza taminy hoe: "Hanaraka Anao aho, na aiza na aiza halehanao". Fa hoy i Jesoa taminy: "Ny amboadia manan-davaka, ary ny voro-manidina manana akany; fa ny Zanak’Olona tsy mba manana izay hampandriany ny lohany". Ary hoy Izy tamin’ny anankiray hafa: "Manaraha Ahy". Dia izao no navalin’io: "Aoka aloha, Tompoko, handevina ny raiko aho". Fa hoy i Jesoa taminy: "Avelao ny maty handevina ny maty ao aminy, fa ianao kosa mandehana mitory ny Fanjakan’Andriamanitra". Dia nisy iray hafa koa nanao taminy hoe: "Hanaraka Anao aho, Tompoko, fa aoka aloha hanao veloma ny ao an-tranoko aho". Fa hoy i Jesoa taminy: "Rehefa mety ho mpitana angadin’omby miherika, dia tsy sahaza ny Fanjakan’Andriamanitra".
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao ity fanoharana ity tamin’ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna nanao hoe: "Iza moa aminareo no manana ondry zato ka very ny anankiray no tsy handao ny sivy amby sivifolo any an’efitra, ka handeha hitady ilay very mandra-pahitany azy? Ary rehefa hitany dia ataony eo an-tsorony an-kafaliana, ka nony tonga any an-tranony izy, dia mamory ny sakaizany sy ny olo-mifanakaiky aminy ary manao amin’ireo hoe: ‘Miaraha mifaly amiko, fa efa hitako ny ondriko very’. Lazaiko aminareo, fa toy izany koa, hisy hafaliana lehibe kokoa any an-danitra amin’ny mpanota iray mibebaka, noho ny amin’ny olo-marina sivy amby sivifolo tsy mila fibebahana".
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompo, Tompo, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra fa izay manao ny sitra-pon’ny Raiko izay any an-danitra, izy ihany no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra. Amin’izany andro izany, maro no hanao amiko hoe: Tompo, Tompo, moa tsy naminany tamin’ny Anaranao va izahay? ary moa tsy nandroaka demony tamin’ny Anaranao va izahay? moa tsy efa nanao fahagagana tamin’ny Anaranao va izahay? Ary amin’izany dia holazaiko miharihary aminy hoe: Tsy fantatro akory ianareo na oviana na oviana; mialà amiko ianareo mpanao ratsy. Koa amin’izany, na zovy na zovy mandre izao teniko izao ka mitandrina azy, dia hoharina amin’ny lehilahy hendry izay nanorina ny tranony teo ambony vatolampy; ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, nefa tsy nianjera izy, fa niorina teo ambonin’ny vatolampy. Ary na zovy na zovy mandre izao teniko izao, ka tsy mitandrina azy, dia hanahaka ny lehilahy adala nanorina ny tranony teo ambony fasika; ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, dia nianjera izy ka loza ny faharavany."
Ary nony efa vitan’i Jesoa izany teny izany, dia gaga ny vahoaka tamin’ny fampianarany, satria nampianatra toy ny manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna teo aminy sy ny Farisianina.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra sady nanasitrana ny marary. Efa ho hariva ny andro ka nanatona Azy ny roa ambin’ny folo lahy nanao taminy hoe: "Ravao ny vahoaka handeha hitady fandriana sy hanina any amin’ny vohitra sy ny saha manodidina, fa aty an’efitra isika izao". Fa hoy Izy taminy: "Omeonareo hanina izy". Dia namaly ireo nanao hoe: "Tsy manana afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa izahay, raha tsy hoe handeha hividy angaha izahay, mba hisy hohanin’ireo vahoaka be ireo". Fa tokony ho dimy arivo lahy izy ireo. Dia hoy Izy tamin’ny mpianany: "Asaovy mipetraka mitsitokotoko dimampolo avy ny olona". Dia nataony izany, ka nasainy nipetraka daholo izy ireo. Tamin’izay, noraisin’i Jesoa ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nitso-drano azy, ary novakiny sy nozarainy tamin’ny mpianany, mba harosony eo anoloan’ny vahoaka. Dia nihinana izy rehetra ka voky. Dia nentina ny sombintsombiny sisa tsy lany ka nahafeno sobika roa ambin’ny folo.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany nanao hoe: "Efa renareo koa fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe: ‘Aza mianiana tsy tò, fa efao amin’ny Tompo ny fianiananao.’ Fa Izaho kosa milaza aminareo tsy hianiana akory, na amin’ny lanitra, fa seza fiandrianan’Andriamanitra izy; na amin’ny tany, fa fandiavan’ny tongony izy; na amin’i Jerosalema, fa tanànan’ny mpanjaka lehibe izy; na amin’ny lohanao, fa tsy mahay mahafotsy na mahamainty na dia singam-bolo iray akory aza ianao. Fa aoka ny teninareo ho eny, dia eny; tsia, dia tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin’ilay Ratsy."
♦ Fanamby lehibe ho an'ny Diôsezin'i Moramanga ny fanatonana ny vahoaka amin'ny fanatanterahana ny Sinaody... ♦ Notsofin-drano tamin'ny sabotsy 21 mey 2022 ny "podium" ao Soavimbahoaka, ho fahatsiarovana an'i Fr. Raphaël-Louis Rafiringa... ♦ Marihana ny 22 hatramin'ny 29 mey 2022 ny fahafito taonan'ny Ansiklika "Laudato Si'", nosoratan'ny Papa François...
♦ Lalana sy fitaovana entin'ny pretra manamasin-tena ny fiofanana maharitra, io no nivoitra tamin'ny fihaonan'ireo tompon'andraikitry ny fanofanana maharitra ny pretra, teny Ambatoroka ny 18 sy 19 mey 2022... ♦ Nomarihana ny 18 mey 2022 ny fankalazana ny faha-42 taonan'ny Sekoly Venance Manifatra (SEVEMA), ao amin'ny Diôsezin'Ambanja... ♦ Nivahiny nandritra ny telo andro tany Ukraine i Mgr Paul Gallagher, Sekreteram-panjakana misahana ny fifandraisana amin'ny firenen-kafa ao amin'ny Fiketrahana Masina...
Ilaina ny fahafantarana ny tantaram-pirenena mba hisian'ny fahatsaram-piainana, na eo amin'ny ankohonana io, na eo amin'ny fiaraha-monina, na eo amin'ny firenena... Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Ilaina ny fahafantarana ny tantaram-pirenena fa na ny tantara maneran-tany ihany koa dia torak'izay, satria isika dia efa miaina ao anatin'ny fanatontoloana... Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
♦ Samy nankalaza Eokaristia Masina ho fisaorana an'Andriamanitra ny mpanara-dia an'i Fr. Charles de Foucauld sy P. Guistino Russolillo, ary i Sr. Marie de Jésus, eto Madagasikara, noho izy ireo nasandratra ho Olomasina... ♦ Notanterahana tao Toamasina ny 15 mey 2022 ny andro nasiônalin'ny TAMPIKRI... ♦ Nosokafana ny 15 mey 2022 ny jobily faha-100 taonan'ny batemy voalohany tao amin'ny EKAR Masindahy Louis, Manakara, Vohipeno...
♦ Nitsidika ny VDKT Tsiroanomandidy ny Vovonam-pirenena Katôlikan'ny Tanora, hanamafy ny fanentanana amin'ny fandraisana anjara amin'ny JMJ Mada X... ♦ Tontosa ny 7 mey 2022, ny fankalazana ny faha-100 taonan'ny Sekoly Katôlika Victoire Rasoamanarivo, ao Mananjary... ♦ Nanao filan-kevitra nasiônaly tsy ara-potoana ny Vovonam-pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco