♦ Nahazo vola maherin'ny 2 tapitrisa dolara avy amin'ny Vondrona Afrikana sy ny Banky Afrikana ho an'ny Fampandrosoana, hanampiana ny mponina any atsimo ho afaka hiatrika ny haintany, ny fitondram-panjakana Malagasy... ♦ Hanafoana tanteraka ny délestage matetika eto Madagasikara sy hamporisika ireo mpampiasa vola eto amintsika ny fahavitan'ilay tetik'asa goavana "Autoroute de l'électricité PRIRTIME I"...
Alatsinainy 06 jolay 2020 — Herinandro faha-14 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 18-26 — Ny teninao, ry Tompo dia fanahy sy fiainana. Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.
Alahady 05 jolay 2020 — Alahady faha-14 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 25-30 — Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin'ny madinika ny tsiambaratelon'ny Fanjakanao.
Ny fisian'ny tsimok'aretina sy ny fiparitahany no nametrahana ny hamehana ara-pahasalamana, izay tsy maintsy hanajana ireo fepetra farafahakeliny : ny fijanonana an-trano, ny fanaovana aro-vava sy aro-orona, ny fanasana tànana matetika amin'ny rano sy savony ary ireo "gel hydroalcoolique", ny fanajana ny elanelana iray metatra, ny famendrahana fanafody matetika amin'ny toerana isan-tsokajiny. Na dia miteraka sakana ara-tsaina aza izany dia atrehana am-pitoniana sy am-pitandremana, mba hahazoana fahasalamana .
Ny fahaizana mifandray amin'ny hafa, dia misy fiantraikany aminao bebe kokoa. (01-07-2020)
02 jolay — I Martinien sy i Procès dia martiry romanina tamin’ny taonjato voalohany. Nalevina tao amin’ny fasana Damase tao amin’ny via Aurelia izy ireo. Araka ny lovan-tsofina dia izy ireo no mpiandry fonja nampijaly an'i Pierre sy i Paul tao am-ponja tao Tullianum.
♦ Hamafisina ny ezaka ho entina miatrika ny valan'aretina sy ny fiantraikany eto amin'ny firenena... ♦ Mampihatra ny fihibohana hisakanana ny fihitaran'ny valan'aretina Coronavirus ny any amin'ny distrikan'i Vohipeno, manomboka androany... ♦ Very olomanga ny tontolon'ny pôlitika eto Madagasikara. Nodimandry teo amin'ny faha-82 taonany omaly ny Praiminisitra teo aloha Dokotera Rakotovahiny Emmanuël...
♦ Niampy roa indray ny olona matin'ny Coronavirus eto Madagasikara. Nitombo 89 ihany koa ny tranga vaovao... ♦ Nampahafantarina omaly ny fanombohana ny essai clinique momba ny fitsaboana ny aretina Covid-19... ♦ Nolanian'ny Solombavambahoaka tetsy amin'ny CCI Ivato ny lalana mifehy ny tontolon'ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara...
♦ Nisy olona roa indray namoy ny ainy vokatry ny valan'aretina Coronavirus... ♦ Firenena voalohany aty Afrika, nanolotra fomba fitsaboana ny aretina avy amin'ny Covid-19, ka hanao ny essai clinique i Madagasikara... ♦ Misy toerana dimy karazana ao amin'ny CMC-19 na ilay ivon-toerana fitsaboana ny Covid-19 eny amin'ny Tanana Voara Andohatapenaka...
01 jolay — Teraka tao Homécourt tao Marnes i Masindahy Thierry, ary maty tao Reims ny taona 533. Zanaka tompomenakely sady jiolahy mpandroba an-dalambe antsoina hoe Marcard izy. Tamin’ny andro nanaovana ny mariaziny no nahatsapany ny fiantsoan’Andriamanitra azy mba hiroso amin’ny fiainan’ny mpitoka-monina.
♦ Isan'ny seha-pihariana mampiditra vola vahiny betsaka ho an'i Madagasikara ny fitrandrahana lohamenaka. Nifampidinika tamin'ny Ministry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy ny ekipan'ny Vondrona GEHEM... Nanomboka ny alatsinaina lasa teo ka hatramin'ny rahampitso alakamisy dia manam-boninahitra miisa 84 no miatrika adina am-bava eny anivon'ny Ministeran'ny Fiarovam-pirenena eny Ampahibe...
♦ Ny tranga vaovaon'ny olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus, 75 amin'ireo 76 voamarina omaly dia avy eto Antananarivo avokoa. 28 no sitrana soa aman-tsara. Nihena enina kosa ireo marary mafy... ♦ Andriamatoa Benaivo Andrianaly Narcisse no voafidin'ny Solombavambahoaka hisolo tena azy ireo eo anivon'ny CENI...
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco