Hatsarana ny fanabeazana dia mila mametraka tontolo misy fifampitokisana, atao mazava ny lalana haleha, maneho fandrisiana ny olona tarihana. Misy fepetra avy amin'ilay olona mpitarika mba ahafahany mandresilahatra ny olona entiny. Ny mpitarika dia tokony hanana fahamatorana, saina misokatra, fahaizana miara-miaina amin'ny olona, fahaizana mankasitraka, atao mifanahaka amin'ny fihetsika ny hafatra tiana hampitaina... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

♦ Seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato : Fanambin'ny Filohan'ny Repoblika ny hampihena na hanafoana tanteraka ny kolikoly eny amin'ny fadin-tseranana... ♦ Azo atao ny misoroka ny fandanindaniam-poana ny volam-panjakàna amin'ny alalan'ny fanaraha-maso ireo fampiasam- bolam-panjakàna hoy ny tale jeneralin'ny Sampandraharaha misahana ny fitsirihana ara-bola... ♦ Filohan'ny fikambanan'ny mpianatra eny amin'ny Université Antananarivo : Nanao fanambarana nanatsikafona ireo olana maro misy eny anivon'ny anjerimanontolo... ♦ Teratany Irakiana miisa 10 nigadra tao amin'ny fonjan'i Al Hout ao Nassiriya no novonoina nahaton'ny fitondram-panjakàna tany an-toerana tamin'ny tady...

Ny vavaka dia misy fizotrany eo amin'ny fomba fanehoana azy. Hoy i Jesoa : mangataha dia homena ianareo ; fa izay rehetra mangataka no mahazo. Tahaka ny miteny Izy hoe mangataha amin'ny vavaka fa izay mivavaka dia mahazo foana na inona na inona antony. Ratsy fangataka ny olona iray rehefa ny filàny sy ny tenany fotsiny no ataony ivon'ny fangatahany, izany hoe filan-dratsy fotsiny no tiany ho azo... Katesizy momba ny vavak'i Davida, iarahana amin'i P. Sylvain Rafaralahimboa.

♦ Nidina teny amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny tolak'andro teo. Nilokaloka ireo tompon'andraikitra voakasika mivantana fa hanatanteraka ny fanatsarana ilaina hanafoanana ny kolikoly... ♦ Tsy misy miova ny fepetra hisitrahana ireo trano anatin'ny fandaharan'asan'ny fanjakana Malagasy, napetraka amin'ny faritra samihafa eto amin'ny nosy... ♦ Naotolotra ny fampanoavana androany ny raharaha Miah Raveloson, ilay tovovavy maty voadonan'ny fiara teny Nanisana ny 17 jolay. Ny tovolahy sakaizany ihany no nahavanona ny famonoana...

3 aogositra 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahafito ambin'ny folo Mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalànao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 14, 1-12)

2 aogositra 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra fahafito ambin'ny folo Mandavantaona — Mitenena Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao: Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 54-58)

1 aogositra 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahafito ambin'ny folo Mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 47-53)

31 jolay 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahafito ambin'ny folo Mandavantaona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 44-46)

30 jolay 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahafito ambin'ny folo Mandavantaona — Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny fahamarinana ny Ray; mba ho santatry ny zava-boaariny isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 36-43)

♦ Tsy tokony hiandrasana Governemanta vaovao ny famaritana ny datin'ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina hoy ny antoko VHT, araka ny nambaran'ny filoha nasiônaliny... ♦ Milaza ny hidina ifotony etsy amin'ny seranam-piaranamanidina iraisam-pirenena Ivato anio tolak'andro ny filoham-pirenena. Fidinana ifotony, taorian'ny fitarainan'ny maro, izay niparitaka be tamin'ny tambajotran-tserasera... ♦ Mbola tsy nidina ny vidin'ny lafarinina eny an-tsena na teo aza ilay toromarika nomen'ny Ministeran'ny varotra. Tokony mametram-pialàna izay tompon'andraikitra tsy mahavita ny asa hoy ny MCI... ♦ Niroso tamin'ny fampiharana sazy ara-toe-karena ho an'i Russie ihany koa ny fitondràna Ukraine...

29 jolay 2024 — Masimbavy Marta — Fahatsiarovana — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 11, 19-27)

28 jolay 2024 — Alahady Tsotra fahafito ambin'ny folo Mandavantaona — Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy, amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra ary voninahitra anie any amin’ny Avo indrindra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 1-15)

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...