Ny "Sôvaramita" dia lahabolana teraka tamin'ny alalan'ny hai-famoronana, teraka ny taona 2013 ; voambola roa no mandrafitra ny teny hoe "Sôvaramita" dia ny "Sôva" sy ny "Kidaombaramita". Ity farany moa no nakàna ampahanteny "Ramita". Ny Sôvaramita dia manana endrika pôezia, sy fifanosonan'ny literatiora moderina sy ny nentim-paharazana. Ny mpanoratra sady Pôeta L. Niry Andriamora ary Raphi no namorona azy ity. Naka tahaka ny fomba ny sôva amin'ilay mitanisanisa, ary tsy maintsy mingadona kidaombaramita...
♦ Anisan'ireo 33 olona hiakatra fitsarana momba ny raharaha Boeing 777, ny ministry ny fitanterana teo aloha sy ny Jeneraly Richard Ravalomanana. Raharaha-pitsaràna hatao eny amin'ny PAC 67 Ha, anio... ♦ Mangataka fanadihadiana parlemantera hivoahan'ny marina momba ny raharaha Boeing 777 ny Tale Jeneralin'ny ACM. Nanatitra antontan-taratasy 700 pejy, teny amin'ny Antenimieram-pirenena izy, omaly... ♦ Tafakatra 45 ireo matin'ny valanaretina any Ifanadiana. Efa nisy ny fandraisana an-tànana ireo marary an-jatony, raha ny tatitry ny solombavambahoaka voafidy tany an-toerana, omaly...
♦ Hiakatra fitsaràna eny amin'ny PAC 67Ha rahampitso ny raharaha Boeing 777 ka miisa 33 ireo olona voasaringotra amin'izany... ♦ Niala teto Madagasikara hihazo an'i New York, hanatrika ny fivoriana faha-81 an'ny Fihaonamben'ny Firenena Mikambana ny Delegasiôna malagasy tarihin'ny Filohan'ny Fanavaozana, ny Kôlônely Michaël Randrianirina... ♦ Efa nisy ny fandraisana an-tanana ireo mararin'ny valanaretina miparitaka any amin'ny Distrikan'i Ifanadiana, indrindra ny ao amin'ny Kaominina Ampasinambo... ♦ Nohamafisin'ny ao Pékin, androany, ny hivahinihanan'ny filoha sinoa Xi Jinping any Etats-Unis amin'ity herinandro ity...
♦ Mankalaza ny faha-herintaonan'ny tolona natao ny volana septambra 2025, hisian'ny fiovàna eto amin'ny firenena ireo mpitolona nandray anjara. Tsy hita taratra ny fiovana herintaona aty aoriana hoy ny Solombavambahoaka Rajerison Antoine... ♦ Hiompana amin'ny Fambolena sy ny Angovo ary ny fikarohana sy ny teknôlôjia ny fiaraha-miasa eo amin'i Madagasikara sy Chine hoy ny Praiminisitra raha nigadona an-tanindrazana avy... ♦ Nanolotra soson-kevitra ho an'ireo olona very asa teny amin'ny fasan'ny karàna noho ny famindràna ny tobim-piantsonana ho eny Amoronankona ny Filohan'ny Fanavaozana...
.../… Niteraka fifandroritan-kevitra samy nanana ny azy teto amintsika ilay didim-panjakàna 2026-2100 nivoaka ny 31 Aogositra 2026 teo momba ny fampiharana ny fandaharam-pibeazana vaovao. Toa ny sosoa notapohan-drano tokoa mantsy ireo tompon’andraikitry ny fampianarana amin’ny sekoly tsy miankina, fa tsy maintsy ampiharina amin’ity taom-pianarana ity izy io. Isan’izany ny fanafoanana ny Sokajy A Une, A 2, ny C sy D ho an’ny fanadinam-panjakàna bakalorea. Foana ihany koa ny sokajy A sy B ho an'ny fanadinana BEPC. Notapahana koa fa hisy amin’izay ny taranja anglisy ho an'ireo kilonga miatrika ny fanadinana CEPE manaraka eo...
• Natomboka androany teny amin'ny Lapan'ny Fanatanjahantena sy Kolontsaina Mahamasina, ny hetsika fanamarihana ny “Tsiahin'ny tolona 2025”, notarihin'izy telo mianadahy tao amin'ny Fikambanana Tsy manaiky lembenana... • Tsy mandà ny fanatsarana na ny fanovana ny fandaharam-pibeazana, Andriamatoa Manoro Régis, efa Minisitry ny Fanabeazam-pirenena teo aloha, saingy ny fomba entina manatanteraka izany no tsy mety, ary tsy tokony hirotorotoana fa ilana fifampidinihana lalina izany... • Efa vonona tanteraka amin'ny seho an-tsehatra holalaovin'izy ireo eny amin'ny CC ESCA Antanimena rahampitso tolakandro, ny mpiasan'ny Radio Don Bosco...
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Isany olana goavana sedrain’ny tantsaha eto Madagasikara ny tsy fahitana ny lalambarotra amin’ny vokatr’izy ireo. Sehatra nampifandraisana ny tantsaha mpamokatra sy ny orinasa mpanodina ny vokatra, ary nikatsahana lalambarotra vaovao hoan’ny mpamokatra ny tsenabe iraisampirenena momba ny Fambolena na FIA andiany faha valo, nampiarahina tamin’ny festivala iraisampirenena momba ny sakafo andiany faharoa...
Ny sosona ôzônina dia manana anjara lehibe amin’ny fiarovana ny tany amin’ireo taratra ultraviolet (UV) mampidi-doza avy amin’ny Masoandro. Ny fahasimban’io sosona io dia mety hampitombo ny fiparitahan’ireo taratra ireo sy hisy fiantraikany amin’ny fahasalaman’ny olombelona. Noho izany, ilaina ny fahafantarana ireo loza mety hateraky ny fahasimban’io singa io sy ny fandraisana fepetra tsotra mba hiarovana ny fahasalaman’ny tsirairay sy ny fianakaviana. Mifototra indrindra amin’izany ity fandaharana ity...
♦ Efa vonona amin'ny seho an-tsehatra holalaovina eny amin'ny CC ESCA Antanimena, rahampitso tolakandro ny ekipan'ny Radio Don Bosco... ♦ Nilaza hikarakara hetsika manokana hahatsiarovana ny tolona 2025 ireo mpianatra avy eny Ankatso sy Vontovorona. Izy ireo izay nanamafy fa mpandray anjara fototra tamin'izany tolona izany... ♦ Efa manomboka miditra amin'ny ady sy ny fampihenana ny fako plastiques i Madagasikara... ♦ Tsy araka ny fandaharam-potoana noheverin'ny ao amin'ny Lapan'i Elysée hotanterahana, ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon-XIV, mandritry ny fitsidihana Apôstôlika ataony any Frantsa...
♦ Hisy anio ny hetsika hataon'ny "Tsy manaiky lembenana" eny amin'ny lapan'ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina. Tsiahin'ny tolona 2025... ♦ Niteraka resabe ary tsy nijanona teo amin'ireo mpitia baolina kitra ihany ny anarana iray amin'ireo mpilalao 25 mirahalahy handrafitra ny Barean'i Madagasikara... ♦ Misy valan'aretina tsy mbola fantatra anarana izay mamely ny olona ao amin'ny Kaominina telo anatin'ny Distrikan'i Ifanadiana, ankehitriny... ♦ Sahiran-tsaina amin'ny fahitàna fatim-behivavy misesisesy izay novonoina tamin'ny fomba feno habibiana ny ao Afrika-Atsimo...
♦ Tsy mety intsony ny rafitra Fanjakàna Tokana misy amin'izao fotoana izao hoy ny antoko SFDM fa mila hirosoana amin'izay ny Fanjakàna Isam-paritra. Iray ihany ny filoham-pirenena hoy Andriamatoa Beanjara Paul ary ny Governora no mitantana ny Faritra tsirairay... ♦ Mandray anjara amin'ny fihaonambe iraisam-pirenena faha-4 any UNESCO momba ny Etikan'ny Saina Voatran'olombelona ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Haitao Ara-kajy Mirindra, ny Paositra ary ny Fifandraisan-davitra... ♦ Maherin'ny 4.780.000 ny olona voasoratra anarana biômetrika nandritry ny hetsika andiany voalohany...
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco