Ny ho avy dia tsy zavatra andrasantsika fotsiny fa zavatra amboarintsika tsikelikely amin’ny zavatra ataontsika androany. Ny hoe tsy miandry fa mamorona dia tsy midika hoe mila mahavita zavatra lehibe avy hatrany fa mety ho fanombohana kely, mety ho fianarana zavatra vaovao, mety ho fizarana fahaizana, mety ho fanampiana olona iray, mety ho hevitra iray izay mbola kely androany, fa mety hitombo rahampitso. Afaka manomboka amin’ny fampiasana ny fahaizako hanampiana olona iray aho. Mety ho fizarana fahalalana, fampianarana zavatra haiko, fanampiana olona iray hanomboka tetikasa, na famoronana serivisy kely mamaha olana iray...
♦ Fakàna lesona ho an'ny mpitondra hoy Andriamatoa Navony Lenoble Pierre, ny zava-nisy tamin'ny taon-dasa hoy izy... ♦ Nodimandry i Kira Michel, fantatra amin'ny hoe " Maître Kira" izay kintan'ny baolina kitra teto Madagasikara... ♦ Tsy tokony hijanona amin'ny fanamiana Malagasy fotsiny ihany ny fanomezan-danja ny maha-Malagasy isaky ny zoma fa tsara raha hitarina amin'ny lafiny hafa, hoy Sy Ratolojanahary... ♦ Higadona afaka ora vitsivitsy any France, hanatanteraka famangiana apôstôlika ho an'io firenena io ny Papa Léon-XIV...
♦ Hotanterahina ao anatin'ny andro tsy fiasana ihany ny tsiahy ny tolona 2025, anio zoma 25 septambra 2026... ♦ Tsy tokony hisy ireo hitompon-teny fatratra ho tompon'ny tolona 2025, hoy i Soja Fulgence filohan'ny fikambanan'ireo olona manana toe-tena varira eto Madagasikara... ♦ Hiroso amin'ny fanavaozana ny fifanarahana fanafarana solika eto Madagasikara ny Fanjakàna. Hihatra manomboka amin'ny volana janoary 2027... ♦ Pretra iray maty ary olona efatra hafa naratra, vokatry ny tsatok'antsy nataona teratany Okraniana iray, 31 taona, tany amin'ny faritra iray any Pologne...
♦ Nampikorontana ny rehetra ny momba ny andro rahampitso, izay hahatsiarovana ny hetsika 25 septambra 2025. Niova andro tsy fiasàna nefa handraisan-karama ihany ny rahampitso, taorian'ny vaovao samihafa mifamahofao... ♦ Nandray fitenenana teo amin'ny Pilpiotran'ny Firenena Mikambana ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika ny tolak'andro teo. Nataony tamin'ny teny Malagasy ranoray ny lahateniny... ♦ Misy indrokely ny resaka fidiovana sy fahadiovana eny amin'ny toby fiantsonana vaovao eny Amoronankona. Mitaraina ireo mpandeha mpampiasa ny toerana amin'ny tsy fahampian'ny trano fivoahana...
♦ .Tokony efa miova amin'izay ny fomba fifandraisan'ny mpamatsy vola sy ny Fanjakàna Malagasy ankehitriny hoy ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana. Kely ny vola ampiasain'izy ireo noho ny tsy fahatokisana ny Malagasy tany aloha tany.. ♦ Vitsy ireo kaominina eto Madagasikara no afaka nampijoro ny Rafitra Ifotony Fikaonandoha takian'ny lalàna. Nanao tombana momba izany ny firaisamonim-pirenena MSIS Tatao... ♦ Mivoatra mamokatra mitodika amin'ny tsena ankehitriny ny kaoperativa Tambatra any Andapa Faritra Sava noho ny tohana nataon'ny fandaharan'asa Asa Avotra Mirindra...
Ny faharanitan-tsaina dia olona mety ho tompon-toerana fotsiny ; ny olona manana rafi-tsaina no tompon'andraikitra, ireo anefa dia afaka mifameno. Ny fanabeazana dia fanomanana olona ho tompon'andraikitra izay mitereka vokatra tsara izay tena fahavanonana ; fa ny fitaizana kosa dia fampitàna fahalalana ho tonga fahaizana mba hatonga azy hahazo asa na toerana. Eo amin'ny 15 taona eo no fametrahana rafi-tsaina ao amin'ny olona iray. 11 hatramin'ny faha-15 taona no misokatra ny maha izay ny olona iray, koa eo no tena ilàna fifankahazoana sy fifampiresahana, ary hamantarana ny safidy sy talenta ao amin'ny zanaka... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...
♦ Fisandohana andraikitra no nataon'ireo mitonona ho solontenan'ny KFIM kanefa tsy manana fanomezam-pahefana araka ny nambaran'ny Filoha nasiônaliny Elia Rabevahiny. Tsy nisy fiovana ny birao nasionalin'ny KFIM... ♦ Mbola tsy mandray ny asany 10 volana taorian'ny nandraisana azy ho mpiasam-panjakàna ireo tanora nisitraka izany eo anivon'ny minisiteran'ny fampianarana teknika sy fanofanana arak'asa... ♦ Nahazo fitaovana avy amin'ny INBAR sy ny fiaraha-miasa Sinoa ireo mpanao asa tanana vita amin'ny volobe mivondrona ao amin'ny AFIMA eny Ambilanibe-Andavamamba, Antananarivo, entina hiantsehatra amin'ny tsena...
♦ Nanamafy androany Andriamatoa Elia Rabevahiny fa tsy miova ny birao nasiônalin'ny KFIM ary mpisandoka izay mitonona ho filoha nasiônaly vaovao... ♦ Nanatanteraka hetsika teny Ampefiloha, androany, ireo tanora 590 voaray ho mpiasam-panjakàna teo anivon'ny minisiteran'ny fampianarana taknika izay tsy mbola miasa na dia efa nahavita fifanarahana arak'asa aza... ♦ Efa potika tanteraka ka tena mila vahaolana maika i Madagasikara hoy ny mpahay toe-karena Pr Freddie Mahazoasy... ♦ Tsy nahafaly ny praiminisitra israeliana Beniamine Netanyahy ny lahateny nataon'ny filoha Frantsay Emmanuel Macron tamin'ny fivoriamben'ny N.U...
♦ Nitondra ny teny fisaorana ho an'ireo rehetra nanampy sy nanohana ny Radio Don Bosco tamin'ny fanatanterahana ilay tantara an-tsehatra "Ratsy fototra" natao teny amin'ny CC ESCA Antanimena ny sabotsy 19 septambra teo ny talen'ny RDB... ♦ Andray fitenenana voalohany mandritry ilay fivoriana avo lenta faha-81 ny firenena mikambana any New York rahampitso alakamisy 24 septambra ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika ny Kôlônely Randrianirina Michaël... ♦ Voamarina fa tazomoka, tazo mahery ary kitrotro ilay aretina niparitaka ary nahafaty olona 37 tany amin'ny Distrika Ifanadiana ; ho fehezina anatin'ny taba-bolana ny aretina...
♦ Nahemotra amin'ny 27 ôktobra indray ny fihainoan'ny tendrom-pitsaràna miady amin'ny kolikoly Antananarivo ireo voasaringotra tamin'ilay raharaha Boeing 777 izay tokony notanterahina omaly talata 22 septambra... ♦ Andro tsy hiasana fa handraisan-karama manerana ny tanin'ny repoblikan'i Madagasikara ny zoma 25 septambra fanamarihana ny faha heritaona nisian'ny hetsi-bahoaka tamin'ny taona 2025... ♦ Tokony efa ho afaka handray ny lalao hiaonan'i Barea sy Nigéria amin'ny fifanitsanan'ny CAN 2027 amin'ny volana MARSA ny kianjan'i Mahamasina hoy ny Filohan'ny FMF...
♦ Tsy nomen'ny Fitsaràna Misahana ny Ady amin'ny Kolikoly fahafahana vonjy maika ny Ministry ny Fitanterana teo aloha Ramonjavelo Valérie. Mihemotra ny 27 ôktobra izao indray ny fitsaràna momba ilay raharaha Boeing 777... ♦ Tsy tokony hijanona ho mpijery fotsiny amin'ny raharaham-pirenena eto Madagasikara ny olom-pirenena. Izay no nambaran'ny Vovonana Tantana androany... ♦ Mila mandray andraikitra manoloana ny fahasimban'ny tontolo iainana ny Malagasy tanora hoy ny ao amin'ny Vovonana Aika. Tandindonin-doza mantsy ny firenentsika ankehitriny hoy izy ireo...
♦ Manentana ny kristianina hirotsaka an-tsehatra sy hijoro amin'ny marina amin'ny raharaham-pirenena ny Evekan'Antsirabe. Nambarany fa tsy tokony hitazam-potsiny ny kristianina... ♦ Olom-panjakàna ambony 7.000 isa no tsy mbola nahavita fanambaram-panànana teny amin'ny bianco hatramin'izao. Hiroso amin'ny fanasaziana ny Birao Mahaleontena Iadiana amin'ny Kolikoly, amin'ny taona 2027... ♦ Mandroso ny asa fanatsarana ny fanarian-drano ao Antananarivo anatin'ny tetik'asa PIAA andiany faharoa. Efa any amin'ny 25% ka hatrany amin'ny 33% amin'ny asa no vita ho an'ireo asa roa efa mandeha...
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco