Toa ny olona sembana ary manana olana eo amin'ny fiainany izay tsy miaina ny fitiavana izay endrik'Andriamanitra ao amin'ny olombelona. Ny fitiavana dia azo adika ho hery anaty. Ny fampitahorana sy fanapepoana no mahatonga ny tsy fahatokisan-tena sy ny tsy fivelarana ; mba ho tena fanabeazana mahomby dia ilay ny teny famporisihana, lavitry ny fampitahana amin'ny hafa. Manampy amin'ny fanehoana fitiavana ny fifampiresahana, fifanankalozan-kevitra ary ny teny famporisihana, indrindra ny fanokanana fotoana ho an'ny ankohonana... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...

♦ An-jatony ireo tra-boina vokatry ny doro ala ao amin'ny distrikan'Antsiranana-II. Manodidina ny 50 ny trano rava. Nisesisesy ny doro ala tao anatin'io distrika io... ♦ Nomarihana omaly ny andro iraisam-pirenena hiarovana ny sosona ôzôna. Mbola mampiasa ny entona manimba ny sosona mangeja hafanana ny 70% maherin'ny orinasa eto Madagasikara... ♦ Manentana ny olom-pirenena handray anjara amin'ny fanoratana anarana biômetrika amin'izao andiany faharoa izao ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Rakotonandrasana Velonjara Tiaray. Fisoratana anarana nanomboka omaly hatramin'ny volana jolay 2027...

♦ Ny 70 hatramin'ny 80% amin'ny orinasa eto Madagasikara dia mbola mampiasa ny entona izay manimba ny sosona ôzôna avokoa. Isany fantatra izany nandritry ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho fiarovana ny io sosona io teny Antsakaviro... ♦ Nanamarika ny androm-pirenena ho an'ny fahiziny isika teto Madagasikara androany. Lohahevitra novoizina tamin'ity taona ity : Ny fahiziko, manaraka ahy, na aiza na aiza... ♦ Misy fikambanana sy olona mitonona ho mpanohana ny fitondrana, anefa manenjika ny fikambanana vovonan'ny fihavaozan'i Madagasikara, hoy ny mpikambana ao amin'ny birao nasiônaly...

♦ Mametraka ny fototry ny tondro-zotra hiarovana ireo mpisintona lakolosy sy vavolombelona mitoroka ny kolikoly miaraka amin'ireo firenena aty amin'ny ranomasimbe indiana i Madagasikara... ♦ Anatin'ny famoriana ireo sampandraharaha voakasika rehetra amin'ny fiomanana amin'ny fiatrehana ny El-Nino sy ny taom-pahavaratra 2026-2027 ankehitriny ny eo anivon'ny BNGRC... ♦ Olona miisa 18 saika hiondrana an-tsambo antsokosoko no tra-tehaky ny miaramila tantsambon'ny détachement Naval tao Nosy Be Hell Ville... ♦ Nanapa-kevitra ny hanitatra ny toerana misy ny fitehirizana ireo antotan-kevitra sy famakiamboky ao Vatican ny Papa Léon-XIV...

Ny herisetra ao an-tsekoly dia matetika mitranga, maro anefa ireo tsy mahalala ireo voasokajy ho herisetra. Ny herisetra dia tranga misy avy ety ivelany miantefa amin'ny olona iray ka mitondra fijaliana sy fanaintainana, ao anaty indrindra indrindra. Ny herisetra araka izany dia misy karazany maro : ara-batana, ara-moraly. Mety hiteraka ratra anaty sy ao am-po, mampihorohoro ny saina. Tsy mahakasika irery ny mpianatra ny herisetra ao an-tsekoly fa mahakasika ireo voaresaka manodidina ny telozoram-panabeazana... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

♦ Tsy mihemotra amin'ny fanapahan-keviny ny amin'ny famindràna ny toby fiantsonana ho eny Amoronankona ny fitondram-panjakàna, manomboka anio ny fiaingana sy ny fahatongavan'ny mpandeha eny an-toerana... ♦ Tombony ho an'i Madagasikara ny fananana ny tahirim-bolam-pirenena fiatrehana ny loza voajanahary, firenena afrikana miisa 4 no tonga maka traik'efa momba ny fitantanana ny loza eto Madagasikara... ♦ Hiatra avy hatrany amin'ity taom-pianarana vaovao 2026-2027 ity ny fanovàna ho an'ny fanadinam-panjakàna BEPC, izay tsy hisian'ny sokajy A sy B hisafidianana intsony, fa tsy maintsy iadinana ny taranja anglisy...

• Nisy androany ireo nanatanteraka hetsika nanoherana ny fialany eny amin'ny Fasan'ny Karana. Tsy hilefitra anefa ny fanjakana, hoy ny Minisitry ny Fitaterana... • Nesorina tsy ho Ben'ny Tanana ao amin'ny Kaominina Ambanivohitra Ambatoboeny, ny Ben'ny Tanana am-perinasa. Antsojay politika no andikan'ity Ben'ny Tanana nalana tamin'ny toerany ity, izao raharaha izao... • Hisy fivoana, manomboka amin'ity taom-pianarana vaovao 2026-2027 ity, ny fanadinana BEPC ka foana ny sokajy A sy B...

♦ Tapaka ny lalam-pirenena faha-7, eny Ambatofotsy ny antoandro teo, noho ny fitokonan'ireo mpitatitra eny amin'ny Fasan'ny Karàna. Nobahanan'izy ireo ny fifamoivoizana miditra an'Antananarivo... ♦ Tokony mbola hitohy amin'ny dinika pôlitika iadian-kevitra momba ny fanorenana ilay fakan-kevitra teny Iavoloha hoy ny antoko V.H.T... ♦ Nampidirina am-ponja vonjimaika eny Antanimora ilay mpamily taxi-be zotra 186 nifaoka olona teny amin'ny Tonelina Ambohidahy. Niakatra fitsaràna omaly momba ity raharaha ity izy, omaly... ♦ Miha-lany ireo tahirin'ny fitaovam-piadian'ny Amerikana noho ny ady ataon'i Etazonia any Iran...

Etoana dia ireo mety ho hafatra napetraky ny olona iray mialohan'ny hafatesany no tiana resahina eto. Ny hafatra dia teny napetra amin'olona hafa, teny am-bava na an-tsoratra, mety hisy vavolombelona na tsia. Ny teny dia manana ny hasiny, torak'izany koa ny fanahy, izay velona foana na maty aza ny vatana. Ny isa telo dia isa masina ary metitika misy amin'ireo tranga samihafa, toy ny hoe "maty in-telo ilay fiara" rehefa nitondrana razana iray amin'ny toerana izay mifanohitra amin'ny hafatry ny maty. Mety hiteraka loza ny tsy fanatanterahana ny hafatry ny maty anefa mety ho fifandrifin-javatra ihany koa...

♦ .Paik'ady manokana no nahitàna ilay volamena 6 kilao tsy ara-dalàna saika haondrana, tratra tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ny alahady. Misy mpiasan'ny fadintseranana tafiditra tamin'ity raharaha ity.. ♦ Tapitra anio ny 7 andro nomena ireo mpitatitra eny amin'ny Fasan'ny karàna hifindràna eny Amoronankona. Mbola niziriziry tsy hiala eny an-toerana izy ireo, ka mbola nanao fitokonana omaly... ♦ Olona maromaro no niharan'ny herisetra, noho ny resaka ady tany tao amin'ny kaominina Ambatomanjaka, distrika Miarinarivo. Nikorontana ny fiaraha-monina vokatry ny didim-pitsaràna nivoaka...

• Paikady sy fiaraha-miasan'ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika sy ny Fadintseranana Malagasy no nahatratrarana ilay vehivavy nitondra volamena tsy ara-dalana, milanja manodidina ny 6 kg, testy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato omaly alahady... • Voaloan'ny orinasa MAMA tao anatin'ny telo volana, ny trosa izay hetra an'ny fanjakana. Voaloa ihany koa ny onitra ho an'ireo mpitatitra sy olon-tsotra niaram-boina miisa 114, izay mitentina miliara maromaro... • Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy teny amin'ny hopitaly HJRA Ampefiloha androany, ny hetsika Herinandro ho an'ny fanomezan-dra, ataon'ny Polism-pirenena...

• Nankalazaina omlay alahady ny Jobily faha-25 naha Eveka sy ny faha-40 taona naha Pretra an'i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, Evekan'i Mahajanga... • Hanatanteraka fampiofanana ho an'ireo handimby toerana ny Birao Nasionaly, ny avy eo anivon'ny MDMK/CVX, amin'ity volana septambra ity... • Relijiozy Seleziana Don Bosco miisa 15 no manaraka fiofanana any Roma, hanao misionera...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...