• Naharafitra volavolan-dalampanorenana mifototra amin'ny faritany mizaka tena, azo ampiharina amin'ny Repoblika faha-5 ho avy eo, ny Fikambanana Lonak'i Madagasikara… • Notapahan'ny Fanjakana Malagasy ny fifanarahana teo amin'ny orinasa JIRAMA sy ny ENELEC, momba ny famatsiana herinaratra azo avy amin'ny solika mavesatra any Toamasina… • Manodidina ny 50 isan'andro ny tranga voamarina fa mitondra ny tsimokaretina VIH/SIDA eto Madagasikara, nanomboka ny volana janoary 2026, raha ny antontan'isa ofisialy navoakan'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka…

• Hotanterahana ny alahady ho avy izao ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, notendren'ny Papa Léon XIV, ho Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina… •“Inoy izay vakianao, ampianaro izao inoinao, arahao izay ampianarinao”, io no lohahevitra hifanentanana sy hifampizarana mandritra ny fihaonamben'ny pretra diosezanina, hotanterahana ny 12 hatramin'ny 16 novambra 2026 any amin'ny Diosezin'Antsirabe… • Ny asa no fon'ny toekarena, hoy ny Ray masina, nandritra ny Audience générale, ny alarobia lasa teo…

Mbola malala ny tsena ho an'ny lalam-pihariana tantely hoy ny réseau Soa. Mbola tsy ampy betsaka ny vokatra tantely tsara kalitao, raha ny eto Madagasikara ka manentana ny tantsaha hiantsehatra amin'izany ny ao amin'ny Gasy Miel. Afaka manomboka amin'ny renivola 30.000Ar ny olona te hisehatra amin'ity fihariana ity, mila ezaka ny fanombohana fa ny fanohizana azy dia miandalana ary mora. Sehatra azo hivelarana ny varotra iraisam-pirenena satria mahatratra 30 - 40 taonina isan-taona ny vokatra tantely haondran'i Madagasikara any ivelany....

• Mizarazara ny hevitry ny mpanao politika manoloana ny hevitry ny HCC, nianga tamin'ny fangatahan'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika… • Napetraky ny Ofisin'ny Rovan'i Madagasikara ho andro fisaonana ho fahatsiarovana ny faha-31 taona naha may ny teny Anaty Rova ny androany zoma… • Miezaka mitarika sy mandresy lahatra amin'ny fanarahan-dalàna eto amin'ny firenena ny Tanora sy Olompirenana Manova sy Manavao…

• Namoaka didy savaravina mba hanokafana fanadihadiana fanampiny amin'ilay raharaha fandefasana an-tsokosoko, tany Iran, ireo Boeing 777 miisa dimy, ny PAC Antananarivo… • Nanamafy ny fahavononany amin'ny fitarihana ny Fikaonandoham-pirenena ny FFKM. Mitohy ny fampiofanana ireo mpitarika… • Tsy niverina tamin'ny fanapahan-keviny ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Tsy ho afaka hiverina hivarotra manamorona ny farihin'i Behoririka intsony ireo mpivarotra nesorina teny an-toerana…

• Nanamafy ny fahavononany ny FFKM amin'ny fitarihana ny Fikaonandoham-pirenena. Ezahana ny hanajana ny tetiandro napetraka, amin'ny fanatanterahana ny dinika, hoy ny tompon'andraikitra… • Tsy afaka hivarotra eny amin'ny farihin'i Behoririka intsony ireo mpivarotra nesorina teny an-toerana. Haverina amin'ny endriny taloha ny farihy, hoy ny avy amin'ny Kaominina Antananarivo androany… • Navoaka androany ny lisitr'ireo mpilalao mandrafitra ny Barea, ho an'ny lalao manaraka amin'ny fifanintsanan'ny CAN 2027…

Ny herisetra dia miseho amin’ny endrika maro, toy ny herisetra ara-batana, ara-moraly, ara-nofo, ara-toekarena… Maro ny antony mampirongatra izany, an'isany ny kolontsaina sy ny fomba fijery raiki-tampisaka ary ny tsy fahampian’ny fanabeazana ara-moraly, ka ilaina ny mihaino sy manampy ireo niharam-boina mba hanarenana ny ratra ara-tsaina sy ara-tsosialy mianjady aminy. Manana andraikitra lehibe ny Fiangonana amin’ny fametrahana rafitra fiarovana, fanofanana ireo mpisehatra, fiaraha-miasa amin’ny Fanjakana sy ny ONG... Fandaharana "Fibeazana Miaina sy Mitia", iarahana amin'ny Centre Arrupe Madagascar...

♦ Tsy tena nitolona tamin'ny taon-dasa ireo milaza azy ho mpitarika ny Gen-Z pour la Refondation hoy ireo andiana tanora ao anatin'ny "Génération mpitolona 2025". Misy olona ambadika ireo ao anatin'ny Gen-Z ireo araka ny tafa ho an'ny mpanao gazety nataon'ireo tanora ireo... ♦ Manahirana ny sehatry ny fandraharahana madinika sy salatsalany eto Madagasikara. Fanambarana nataon'ny filohan'ny vondron'ireo vehivavy mpandraharaha GFEM, Ramatoa Fanja Razakaboana... ♦ Nahiditra am-ponja vonjimaika ny olona 17 voakasika tamin'ilay raharaha halatra gazoil nitranga tao Morafeno-Antsiranana ny 19 oktobra lasa teo...

Ny volana OKTOBRA dia azo ambara ho volan'ny fandresena sy fandraisan'andraikitra ho an'ny Tafika Malagasy sy ny Foloalindahy. Ny 31 oktobra 1991 no nivoahan'ny fifanarahana Panorama, vokatry ny fifampidinihina naharitra hateloana, tantara tsara hisintonana lesoa izany ; niavaka ity fifanarahana ity satria nahafahana nanaja ny Lalam-panorenana, faharoa namaly ny hetahetam-bahoaka ary fahatelo dia nahafahana nanomana fifidianana filoham-pirenena, zava-dehibe ny fiaraha-mitantana. Nanana anjara toerana lehibe hatrany ny Tafika Malagasy ho an'ny firenena sy ny politikam-pitantanana... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...

♦ Hoamasinina ho Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina amin'ny alahady 8 novambra izao Mgr Mariusz Kaspersky. Efa vonona handray izany ny ao Toamasina... ♦ Azo tanterahana mialohan'ny fifidianana filoham-pirenena ny fitsapan-kevi-bahoaka momba ny fanovàna ny Lalam-panorenana. Hevitra navoaky ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana taorian'ny fangatahan'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika... ♦ Nanazava ny momba ilay 10 tapitrisa Ariary avy amin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny filoha nasiônalin'ny antoko PSD. Fanapotehanna azy ara-pôlitika ny feo ahely momba izany hoy Ramatoa Eliana Bezaza...

• Nahazo tohana avy amin'ny fitondram-panjakana ny Oniversiten'Antananarivo. Teo ny fiarabe “Foton” miisa dimy, navaozina ihany koa ny fotodrafitrasa ara-panatanjahantena… • Ireo làlana izay sokajiana ho tena lalan-dràn'ny firenena iankinan'ny toekarena, toy ny lalam-pirenena, no tena mila vitaina maika amin'izao fotoana izao, hoy ny Minisitry ny Asa Vaventy… • Mitaky ny fandravana sy ny fanavaozana ny Andrim-panjakana izay be kolikoly ny VPHM, na ny Vondrona Politika Hafa Miray, mba hamahana ny krizy politika eto Madagasikara…

♦ Nankatoavina nandritry ny filan-kevitry ny minisitra omaly ny fangatahana fanafoanana ny trosa sy sara izay mifandraika amin'ny transport par cable, teo koa ny fangatahana handroso ho herinandro iray ny daty hanombohan'ny fotoam-panadinana bakalôrea 2027... ♦ Hamoraina ny fifandraisana amin'ny sampandraharaham-panjakana indrindra rehefa manantona biraom-panjakana amin'ny fampiasana ny teny Malagasy... ♦ Nidoboka am-ponja eny Tsiafahy ny tompon'antoka sy ireo mpiray tsikombakomba tamin'ilay raharaha fanafihana mitam-piadiana nahafatesana olona tao amin'ny tsenan'Anosibe ny 14 oktobra...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 novambra 2026

• Mahaiza miaina amim-pilaminana ary samia manao tsara ny asany. Io no hafatra nanentanan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara ny mpino rehetra, taorian'ny Fivoriambe izay notanterahin'izy ireo teto Antananarivo… • Nifarana omaly ny Fihaonamben'ny Pretra Diosezanina, izay notanterahana tany amin'ny Diosezin'Antsirabe. Pretra 1126 no niatrika izany… • Làlana iray itomboana ny aretina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...