Tsy hanao be lazao na hanao laza masaka ny Arofanina anio, fa hanompana ny matoan-dahatsorany amin’ny trangam-piarahamonina izay tena mampikaikaika ny maro. Misy ve ny fandriam-pahalemana eto Madagasikara? Samy manana ny hamaritany izany ny tsirairay na dia iaraha-mahalala sy tsy mila omena aza ny valiny.

• Tsy hisy fiantraikany mivantana amin'ny toetry ny andro eto Madagasikara intsony ilay rivodoza Jude. Olona iray no maty ary iray hafa naratra, vokatry ny fandalovan'ity rivodoza ity, ny faran'ny herinandro teo... • Manan-jo tanteraka handray fepetra ny mpitondra fanjakana manolona ny aretina vokatry ny fahasimban'ny sakafo tany Mahajanga, nandritra ny andron'ny 8 marsa teo, hoy ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy... • Mangataka ny hanaovana ny skotisma ho fikambanana ara-panjakana ny Firaisamben'ny Skotisma Malagasy...

• Tao amin'ny Kaominina Ankilibao, Distrikan'Ampanihy no nisy ny foiben'ilay rivodoza Jude, tamin'ny 9 ora maraina teo. Nihena ny heriny ka 90 km/ora ny rivotra miaraka aminy. Tombanana hivoaka an-dranomasina any Tolagnaro ny takariva i Jude... • Fandoavana ny vatsim-pianaran'ny mpianatra eny amin'ny oniversite : Tsy hisy fahatarana intsony ary tsy hisy fiantraikany amin'ny vola horaisin'ny mpianatra ny fampiasana ilay rindram-baiko EDUTIC, hoy ny Minisitra Chaminah Loulla... • Fifandraisan'i Madagasikara amin'i Comores : Naverin'i Comores amintsika ireo bolongam-bolamena 28, tra-tehaka tao amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Prince Saïd Ibrahim, ny volana desambara 2021...

• Niditra an-tanety tany amin'ny 70 km avarata atsinanan'i Itampolo ny ivon'ilay rivodoza Jude, tamin'ny 1 ora maraina teo. Hamakivaky ny tapany atsimo izy ary hivoaka an-dranomasina any Tolagnaro ny takariva... • Marihina anio 15 marsa ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Fiarovana ny Zon'ny mpanjifa. Any Antsirabe ny ivon'ny fankalazana, ho antsika eto Madagasikara, izay karakarain'ny Minisiteran'ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra... • Fivoriamben'ny COI : Efa vonona ireo pitsopitsony handraisan'i Madagasikara ny adiany faha-5, ny 23 sy 24 avrily 2025...

• Tany amin'ny 150 km andrefana somary atsimo andrefan'i Toliara no nisy ny foiben'ilay rivodoza Jude, tamin'ny 3 ora tolakandro teo... • Efa vonona avokoa ireo pitsopitsony rehetra ilaina amin'ny fanomanana sy ny toerana handraisana ireo delegasiona amin'ny fivoriamben'ny COI andiany faha-5, izay hatao eto amintsika ny 23 sy 24 avrily 2025... • Manamafy ny fiaraha-miasa momba ny ady atao amin'ny kolikoly ny Birao Mahaleotena Iadiana amin'ny Kolikoly, na ny BIANCO, sy ny Sampan-draharaha misahana ny Fanagiazana ny Fananana azo tamin'ny fomba tsy ara-dalana, na ny ARAI...

• Manentana ny kristianina rehetra hanankina an'i Madagasikara amin'ny Fo Masin'i Jesoa, ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, amin'izao taon-jobily izao... • 12 taona katroka ny 13 marsa 2025, ny nahateo amin'ny Fiketrahana Masina ny Papa François... • Nanao antso avo amin'ny fampitomboana ny andraikitry ny vehivavy amin'ny fitandroana ny fandriam-pahalemana ny Vatica, ny alarobia 12 marsa 2025...

• Tany amin'ny 260 km andrefan'i Toliara no nisy ny foiben'ilay rivodoza Jude, tamin'ny 9 ora maraina teo. Tombanana hiditra an-tanety eo anelanelan'i Toliara I sy Androka Ampanihy anio alina na rahampitso vao maraina be, amin'ny tanjaka “Cyclone Tropical” izy... • Tsy hisy ny fanalavam-potoana fa tsy maintsy hajaina ny fe-potoana farany fisoratana anarana ho an'ireo mpiadina Bakalorea, dia ny 25 avrily 2025 amin'ny 6 ora hariva... • Miisa 800 ireo olona nisitraka ny tolotra maimaimpoana kopia sy kara-panondrom-pirenena tao amin'ny Kaominina Ambanivohitra Ambohibary, Distrikan'i Moramanga...

• Nitombo hery ka lasa “Forte Tempête Tropicale” ilay rivodoza Jude. Tany amin'ny 355 km andrefana somary avaratra andrefan'i Toliara no nisy ny foibeny tamin'ny 4 ora maraina... • Tsy maintsy hisy, fa tsy araka ny resaka mandeha ny isany, ireo trano horavana amin'ilay tetikasa Rocade mankety Ivato... • Hotanterahana anio ny fandevenana an'i Julien Rakotonarivo. Izy izay fantatra tamin'ny fiarovana sy ny fampiroboroboana ny lova ara-kolontsaina...

• Tombanana hiditra an-tanety rahampitso alina na ny sabotsy maraina, ilay rivodoza Jude. Any amin'ny Distrikan'i Toliara Voalohany sy Faharoa izy no hikasika an'i Madagasikara... • Tsy mbola nisy fehin-kevitra tena nifanarahana tamin'ny fihaonan'ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Tanana Vaovao sy ireo mponin'i Ivato voakasiky ny fanitaran-dalana... • Vao mainka mihasimba ny Lalam-pirenena faharoa, izay lalan-dran'ny toe-karena malagasy amin'izao. Efa potika indray izay efa namboarina kely teo aloha, hoy ny fanazavan'ireo mpampiasa ny RN2...

Ny fiarahan-dalana dia fifanatonan'ny olona na vondron'olona maromaro mba hiombona amina tanjona iray. Ny fiombonana indray dia fototra iray mampisy fahombiazana ao anatin'ny fiarahan-dalana. Ho an'ny fiainan'ny mpivady manokana dia mifanindran-dalana ny fiarahan-dalana sy ny fiombonana, rehefa miditra tanteraka amin'ny fiainan'ny andaniny ny ankilany. Mpiara-miombona antoka mitovy lenta ny mpivady, ary mifameno sy mifampiankina amin'ny ezaka hahatongavana amin'ny tanjona iombonana.

• Nitombo hery ka lasa rivodoza indray i Jude. Tombanana hiditra ao amin'ny Distrikan'i Toliara voalohany sy faharoa, amin'ny tanjaka “Forte Tempête Tropicale” izy rahampitso... • Tsy nifarana tao anatin'ny fivoriambe fankatoavana ny teti-bola, fa mbola nitohy teo ivelan'ny lapa nivoriana ny tsy fitoviam-pijery eo amin'ireo samy milaza ho mpanohitra ao amin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra... • Namoaka fanambarana ny sendikà SECES Sampana Antananarivo, eo anatrehan'ny fifidianana isan-tsokajiny, tanterahana eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo...

• Mbola mampisalasala ny fampiharana ny lalana vaovao mifehy ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Fanabeazana sy ny Fampianarana Katolika... • Mijoro manohitra ny fikasan'ny orinasa iray hitrandraka “Terres rares” any amin'ny tangoronosy Ampasindava, Distrikan'Ambanja, ireo vondron'olona ifotony sy ny fiarahamonim-pirenena... • Mpilalao vaovao miisa dimy no nantsoin'ny mpanazatra Corentin Martins, handrafitra ny Ekipam-pirenena Malagasy Barea...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...