• Vaky androany vao maraim-be ny fefilohan'i Sisaony eny Ambohidava, Kaominina Ampitatafika. Mety ho anton'izany ny fiakaran'ny rano mihoatra ny fetra farany eny amin'ity renirano ity, nanomboka omaly... • Hanao antso tolo-bidy ho an'ireo mpisehatra vonona ho “Comptoir de l'Or” ny Minisiteran'ny Harena ankibon'ny tany sy ny Banky Foiben'i Madagasikara... • Nihaona tamin'ny Minisitra mpiahy ny solontenan'ireo mpiasan'ny fahasalamana. Noresahana ny famahana ireo olana nahatonga hetsika fikasana hampiato ny asa eny amin'ny hopitaly, ny herinandro teo...
‘Ndao mba hiresaka baolina indray isika anio! Tsy dia ilay baolina dakana ambony kianja iny loatra fa ilay ekipam-pirenentsika no tian’ny Arofanina hisarihana ny saintsika eto, dia ny Barea izany. Ny Barea, ilay ekipa mahavita mampitovy hevitra ny Malagasy rehetra, anatin’ny fisamatsamahana entin’ny rivotra sosialy sy politika ankehitriny.
• Miato ny fampianarana eny amin'ny Disitrika Atsimondrano anio alatsinainy. Anton'izany ny fiakaran'ny rano, izay namoahana filazana loza miloko mena, nanomboka omaly... • Nipoapoaka ny baomba mandatsa-dranomaso tao Toliara omaly. Nisy ny naratra tamin'ny fidirana an-tsehatry ny mpitandro ny filaminana, nanaparitaka ireo andian'olona manohitra ny Base Tuléar... • Fahazoan-dalana maromaro, hitrandraka harena ankibon'ny tany, no nofoanana. Nisy koa anefa ny famoahana fahazoan-dalana hitrandraka sy hikaroka. Manazava izany ny Minisitra tompon'andraikitra...
• Manahy ny hidiran'ny mpandraharaha tsy miankina hanana petra-bola eo anivon'ny orinasa Jirama, ny Sendikan'ny SMARM. Manosika azy ireo ho amin'izany fanahiana izany izay tapaky ny Filankevitry ny Minisitra tany Mahajanga... • Tsy tanteraka ny hetsiky ny Paramed eto Antananarivo, nanehoana fiombonam-po amin'ireo namany maty sy nisedra olana teo am-panatanterahana ny asany. Voasakana tsy hiditra ny Hopitaly HJRA izy ireo androany... • Tsy mbola ampy hitsarana ny mpanazatra Corentin Martins ny lalaon'ny Barea omaly, hoy i Maître Titi Rasoanaivo. Nambarany anefa fa nisy fiovana kosa ny ekipam-pirenena...
Rehefa ao anaty tsy fahasalamana dia vao mainka toa mavesatra sy sarotra kokoa noho ny andavanandro ireo olana efa tandra vadin-koditra amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona. Manoloana izany indrindra anefa no tsy maintsy hanamafisana ny finoana sy ny fanantenana, ary iainana ny faharetana. Ireo finoana, fanantenana sy faharetana ireo no entin’ny Vaomieran’ny Eveka momba ny Fahasalamana, hankaherezana ireo rehetra misehatra eo amin’ny tontolon’ny fahasalamana : dia ny marary, ny mpitsabo, ny mpikarakara ary ny havan’ny marary, mandritra ny fankalazana ny Jobilin'ny Marary...
• Misy 20 mahery ireo endrika kolikoly mety mitranga amin'ny fanomezana tsenam-baro-panjakana eto amintsika, hoy ny Fahefam-panjakana mandrindra ny tsenam-baro-panjakana na ny ARMP... • Tonga manatanteraka iraka manokana eto amintsika ny Minisitra Delege eo anivon'ny Minisitera Eoropeanina misahana ny Raharaham-bahiny an'ny Francophonie sy ireo mpiara-miasa iraisam-pirenena, Andriamatoa Thani Mohamed Soihili... • Baobab nains, miisa 188 no sarona tany Mahajanga, raha 840 kosa no tra-tehaka tany Antsohihy. Saika hahondra an-tsokosoko avokoa izy ireo...
Mbola mampiasa harina fandrehitra sy kitay amin’ny fahandroana sakafo ny 90% ny tokantrano malagasy eto amintsika. Mihazakazaka vokatr’izany ny velaran’ala ringana eto amintsika.
• Laharana voalohany vonjimaika ao amin'ny Vondrona 1 misy azy ny ekipam-pirenena Barea, tao aorian'ny lalao nifandonany tamin'i Centrafrique omaly. 4 sy 1 no isa nibatan'ny ekipam-pirenena malagasy ny fandresena... • Hanatanteraka hetsika ho firaisam-po ny Paramed manerana ny nosy anio alakamisy 20 marsa. Tsy hisy ny asa ataon'izy ireo eny anivon'ny CSB sy ny hopitaly, ankoatra ny fiandrasan-draharaha... • Belo Tsiribihina - Morondava : Nitrangana loza an-dranomasina namoizana ain'olona efatra ka ny roa olon-dehibe ary ankizy ny roa hafa. Mpandeha miisa 8 no mbola karohana...
• Baolina kitra : tanterahana any Maroc ny fihaonana eo amin'i Madagasikara sy i Centre Afrique. Vonona hibata fandresena ny mpilalao tarihan'ny mpanazatra Corentin Martins... • Tokony hampiarina amin'izay ny lalana manoloana ny fanalam-baraka sy ny fanaratsiana amin'ny tambajotran-tserasera. Fanambaran'ny Minisitry ny Kolontsaina sy ny Serasera, Mara Volamiranty Dona... • Very fanahy mbola velona ireo tantsaha mpamboly ao amin'ny Fokontany Ankarenana sy Amboangivy ao amin'ny Kaominina Ambohimasina, Distrikan'Arivonimamo, noho ny fisian'ny fitrandrahana volamena eo anelanelan'ireo fokontany roa ireo. Potika ny fambolem-bary, toa izany koa ny tohadrano...
• Efa eny am-pelatanan'ny Governemanta ny soso-kevitra naroson'ny CENI amin'ny tetiandro hanatanterahana ny fifidianana ben'ny tanana sy mpanolotsaina, ho an'ireo kaominina nodidian'ny Fitsarana averina... • Very an-javony fotsiny ny hery fanoherana teto Madagasikara, tao anatin'ny taona maromaro izao, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena Paul Rabary... • Hiatrika fitsapana voalohany amin'ny fitantanana ny Barean'i Madagasikara anio, ny mpanazatra Corentin Martins...
• Efa eny amin'ny Fokontany ny lisi-pifidianana ao anatin'izao fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana na ny RALE izao, ka manana 20 andro ny olom-pirenena hanamarinana ny anarany... • Hanokana ny rahampitso ho andro hanehoana ny firaisamonin'izy ireo ny sendikan'ny Paramed SISFM, ka eny amin'ny Hopitaly HJRA no hifamotoana ireo Paramed, ho an'ny eto Antananarivo... • Hetsika maro no entina hanamarihana ny faha-78 taonan'ny tolom-panafahana 1947, ka homem-boninahitra amin'izany ireo bekotro maro olatra miisa 233 mbola velona aina...
• Manana roapolo andro hanamarina ny anarany ao anatin'ny lisi-pifidianana ny olom-pirenena. Efa nalefa eny amin'ny Fokontany avokoa ny lisi-pifidianana avy nohamarinin'ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana eny anivon'ny Distrika... • Hanomboka amin'ny zoma 21 marsa 2025 ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny fankalazana ny faha-78 taona nisian'ny tolo-panafahana 1947. Lohahevitry ny fankalazana amin'ity taona ity ny hoe : “Tolo-panafahana : fanilo miampita ho an'ny taranaka”... • Hanokana andro iray hanehoana ny firaisamonin'izy ireo ny sendikan'ny Paramed SISFM. Hetsika hatao ny alakamisy 20 marsa 2025. Fotoana hisaonana ireo rasazy maty...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco