Ny tsy fananan'asa dia isan'ireo antony mahabetsaka ny olona mandray zava-mahadomelina, io no mahatonga ny olona ho very fanantenana ka mitady zavatra hanandaniany andro, eo koa ny fanandrakandramana izay lasa fiankinan-doha. Ny fahatsapan'ny olona fa voailikilika izy dia mandrisika ny olona handray zava-mahadomelina, heveriny ho vahaolana afahany mahazo toerana eo amin'ny fiaraha-monina io fomba io... Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy. 

8 febroary 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahadimy Mandavantaona — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 24-30)

Vakiteny voalohany

Boky voalohan’ny Mpanjaka (1 Mpanj. 11, 4-13)

Satria ianao tsy nitandrina ny fanekeko, dia hotsoahako eo an-tananao ny fanjakako, nefa hamelako foko iray ihany ny zanakao noho ny amin’i Davida.

Tamin’ny fahanteran’i Salômôna,
dia natongilan’ny vadiny ho amin’ny andriamani-kafa ny fony,
ka tsy mba an’ny Andriamanitra Tompony manontolo,
toy ny fon’i Davida rainy, ny fony,
fa nanaraka an’i Astarte andriamani-bavin’ny Sidônianina i Salômôna,
sy an’i Melkôma, fahavetavetan’ny Amônita.
Koa nanao izay ratsy teo imason’ny Tompo i Salômôna,
fa tsy mba manaraka an-tsakany sy an-davany ny Tompo tahaka an’i Davida rainy.

Tamin’izany nanorina fitoerana avo i Salômôna
teo amin’ny tendrombohitra tandrifin’i Jerosalema,
ho an’i Kamosa fahavetavetan’i Môaba,
sy ho an’i Molaoka, fahavetavetan’ny taranak’i Amôna.
Nanao toy izany koa izy ho an’ny vadiny hafa firenena rehetra,
izay nandoro zava-manitra sy nanatitra sorona ho an’ny andriamanitr’izy ireo.
Dia tezitra tamin’i Salômôna ny Tompo noho ny nivilian’ny fony
niala tamin’ny Tompo Andriamanitr’i Israely izay efa niseho taminy indroa,
sady efa nandrara azy ny amin’izany, mba tsy hanarahany andriamani-kafa,
nefa tsy nitandrina ny didin’ny Tompo izy.
Ka hoy ny Tompo tamin’i Salômôna:

“Noho izao fitondran-tenanao izao,
ka tsy mba nitandrina ny fanekeko sy ny lalàko izay nandidiako anao ianao,
dia hotsoahako marina tokoa eo an-tananao ny fanjakana, ka omeko ny mpanomponao.
Tsy hataoko amin’ny andronao anefa izany,
noho ny amin’i Davida rainao fa rahefa mby amin’ny zanakao vao hendahako aminy izy.
Ary tsy dia ny fanjakana manontolo koa aza no hoendahako,
fa hamelako foko iray ihany ny zanakao, noho ny amin’i Davida mpanompoko,
sy noho ny amin’i Jerosalema izay voafidiko.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 105, 3-4. 35-36. 37 sy 40

Tsarovy izahay, ry Tompo, izay tia ny vahoakanao.

Sambatra izay mitandrina ny rariny,
sy manao ny hitsiny amin’ny fotoan-drehetra!
Tsarovy izahay, ry Tompo, izay tia ny vahoakanao!
Vangio amin’ny famonjenao izahay.

Niharo tamin’ireo firenena izy,
sady nianatra ny fanaony.
Ny sampin’izy ireo notompoiny,
ka tonga fandrika ho azy.

Nosoroniny ho an-dolo
ny zanany lahy aman-janany vavy.
Koa nirehetan’ny haviniran’ny Tompo ny Vahoakany,
tonga halany mainty ny Lovany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 24-30)

Ny amboa kely koa mba mihinana ny sombintsombin’ny mofon-jaza ao ambany latabatra ihany.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa, dia nankany amin’ny faritanin’i Tira sy Sidôna,
ary niditra tao an-trano anankiray,
fa tsy te-ho fantatr’olona, nefa tsy nahazo niery.
Fa vetivety foana dia nisy vehivavy anankiray
nanan-janakavavy azon’ny fanahy maloto nandre izany,
ka tonga niankohoka tamin’ny tongony.
Jentily avy amin’ny firenena Sirôfenisa ravehivavy,
ary ny nangatahiny taminy dia ny handroahany ny demony amin’ny zanany vavy.
Fa hoy Izy taminy:

“Aoka ho voky aloha ny zanaka;
fa tsy mety raha alaina ny mofon-jaza ka atsipy ny amboa.”

Dia namaly ravehivavy ka nanao taminy hoe:

“Marina izany, Tompoko,
kanefa ny amboa kely koa mba mihinana ny sombintsombin’ny mofon-jaza
ao ambany latabatra ihany.”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Mandehana, fa noho izany teny izany,
dia efa niala tamin’ny zanakao vavy ny demony.”

Nony tonga tany an-tranony izy,
dia nahita ny zanany vavy nandry teo am-parafara
fa efa nialan’ny demony.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Ny tanora dia ireo sokajin'olona eo ampanomanana ny fiainan'ny sy ny ho aviny, izany hoe ireo eo anelanelan'ny salan-taonan'ny ankizy sy ny olon-dehibe. Ny olon-dehibe dia 20 taona mahery ara-batana, mahaleo tena efa manana ny asany, matotra, manana ankohonana. Ny fanambin'ny vaninandro ankehitriny, ho an'ny tanora dia ny fanampiana ny fianakaviana amin'ny asa fanao, miezaka ny hanana fitondran-tena matotra, sahy hiatrika ny ho avy. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ny biby teo amin'ny tontolom-piaraha-monina Malagasy dia nampiasaina ho sakafo, nampiasaina tamin'ny famokarana, fanafody, alafaditra, natao sorona. Manomboka amin'ny fahaterahana hatramin'ny fahafatesan'ny olona iray dia misy hatrany ny fampiasana biby mba ho fampodiana aina, fiarovana amin'ny loza... Isan'ireo biby heverina manana ny hasiny ny akoho, ondry, osy, omby, bibilava, voay, fanano, amalom-bandana... Ny bibin-dRamahavaly dia sampy, nampiasaina ho mpitari-tafika, sy mpitsapa entan'Andriana tamin'ny andron'i Radama-I... 

♦ Filazam-baovao natokana ahatsiarovana an'i LALAINA NALINJARA... ♦ Nandefa taratasy fiaraha-miory amin'ny Fianakavian'i LALAINA NALINJARA sy ny mpiara-miasa eto anivon'ny radio Don Bosco ny Evekan'i Morondava... ♦ Mpiofana andian'ny faharoa tamin'ireo mpiasa Nampiodina ny radio Don Bosco, olona tsotra ary nahay nifandray tamin'ny mpiofana namany i LALAINA NALINJARA, mitatitra ny tsiaro i Harimalala Cyrille... ♦ Hoy ny mpiara-miasa : mandria amim-piadanana LALAINA NALINJARA...

♦ Tamberin'ireo vaovao natolotr'i LALAINA NALINJARA farany teto anivon'ny onjam-peo Radio Don Bosco... ♦ Fandraisam-peo mahakasika ny fiaraha-miasa tamin'i LALAINA NALINJARA : Olon'ny fifandraisana, tsotra, mahitsy rehefa miresaka, tia manampy ny hafa... ♦ LALAINA NALINJARA : Mpanao gazety mpikambana tao amin'ny vondron'ny mpanao gazety matihanina, amin'ny asa sy ny fampananan'asa na RJSET,  niara-niasa amin'ny Birao Iraisam-pirenena momba ny asa na ny BIT...

Mbola hamoa izy amin'ny fahanterany ; andian-teny miteraka fanantenana ho an'ny tanora sy ireo miara-miaina amin'ny zokiolona... Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy. 

♦ Feno folo taona katroka ny naha Arsevekan’Antsiranana an’i Mgr Benjamin Marc Ramaroson… ♦ Notanterahana tamin’ny sabotsy 03 febroary 2024 teny amin’ny ISTS Mandrimena, ny fankalazana ny Andron’ny Olom-boatokana, teto amin’ny Diosezin’Antananarivo… ♦ Ny fiovana sy ny fibebahana no tena maha kristianina, hoy ny Papa François, tamin’ny vavaka Angélus, omaly… ♦ Nivavaka ho an’ireo maty noho ny doro tanety tany Chili, ny Papa François…

♦ Vaovao manokana, mitatitra ny fodiamandrin'ny Mpanao Gazety LALAINA NALINJARA, nikatroka tamin'ny sampana fampahalalam-baovao teto anivon'ny Radio Don Bosco... ♦ Naneho sy nitondra ny teny fampiononana sy fiaraha-miory noho izao voina izao ny teo anivon'ny Ministeran'ny Kolontsaina sy ny serasera.... ♦ Maro ireo mpiara-miasa tamin'ny sehatra fanaovan-gazety sy ny lafiny serasera no nahatsiahy ny fiarahana tamin'i LALALINA NALINJARA...

Mirongatra ny fandraisan'ny tanora na ny olon-dehibe ny zava-mahadomelina ankehitriny. Tanjontsika ny hanampy ny tanora sy ny ray aman-dreny hisorohana ny fandraisana zava-mahadomelina. Maro ny antony mandrisika ny olona handray zava-mahadomelina, isan'ireny ny fitadiavana fahafinaretana, fanalana tahotra... Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy. 

Ny zava-mahadomelina dia miteraka fiovana eo amin'ny toe-batana na ny psikôlôjia ny zava-manan'aina mandray azy ; betsaka ny endrika handraisana ny zava-mahadomelina, izy mety tsindrona, fohana, tsakoina, atao an-tsoson-koditra. Misy voka-dratsiny ny zava-mahadomelina isan'izany ny fahasimban'ny taova maro, manimba ny saina sy ny maha-izy ny olona. Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy. 

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...