Taratasy voalohan’i Masindahy Piera Apôstôly (1 Pier. 1, 18-25)
Ry kristianina havana, fantatrareo fa ny nanavotana anareo
ho afaka tamin’ny fitondran-tena adala nentim-paharazana,
dia tsy zavatra mety simba toy ny volamena na ny volafotsy,
fa ny Ra sarobidin’i Kristy, Ilay Zanak’ondry tsy manan-tsiny aman-kilema,
dia Ilay talohan’ny nahariana an’izao tontolo izao no efa voatendry,
fa tamin’izao andro farany izao vao naseho, noho ny aminareo.
Tamin’ny alalany no nahazoanareo finoana an’Andriamanitra
izay nanangana Azy ho velona, sy nanome voninahitra Azy,
ka zary fanantenana an’Andriamanitra koa ny finoanareo.
Noho ianareo efa nandio ny fonareo tamin’ny fanarahana ny fahamarinana,
sy efa nilatsa-tenany tamin’izany hanaraka ny fitiavana marina ny rahalahy,
dia mifankatiava fatratra amin’ny fo tokoa;
fa efa nateraka indray ianareo,
tsy amin’ny voa mety lò, fa amin’ny voa tsy mety lò,
dia ny tenin’Andriamanitra izay velona sy maharitra mandrakizay.
“Fa ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra,
ary ny voninahiny rehetra dia toy ny vonin’ny ahitra:
nony maina ny ahitra, dia mihintsana ny voniny;
fa ny tenin’Andriamanitra kosa dia maharitra mandrakizay.”
Ary izany no tenin’ny Evanjely izay notorìna taminareo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 147, 12-13. 14-15. 19-20
Ry Jerosalema aoka ianao hiantsa,
derao Andriamanitra, ry Siôna.
Ilay manamafy ny vavahady,
miahy ireo ankizy ao anatinao.
Miantoka anao handry fehizay,
manetsaka anao mena-bary kanto.
Mandefa ny didiny ho etý an-tany,
dia teny miriotra tsy hay tohaina.
Nametraka ny hafany ho an’i Jakôba,
ny didy aman-tsatany ho an’i Israely.
Tsy misy olon-kafa nomeny izany:
ny satany manko nafeniny azy.
Aleloia. Aleloia.
Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 32-45)
Tamin’izany andro izany,
nony teny an-dalana ho any Jerosalema ny mpianatra, dia i Jesoa no loha lalana,
ka sady gaga ny mpianany no natahotra teny am-panarahana Azy.
Dia nalainy indray ny roa ambin’ny folo lahy ka nilazany ny hanjò Azy:
“Indro fa miakatra ho any Jerosalema isika,
ary ny Zanak’Olona dia hatolotra amin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna,
ary hohelohina ho faty ka hatolony amin’ny jentily;
dia hoesoiny, hororany, hokapohiny, ary hovonoiny,
fa hitsangana indray amin’ny andro fahatelo.”
Ary nanatona Azy i Jakôba sy i Joany zanak’i Zebede ka nanao hoe:
“Ry Mpampianatra ô,
tianay mba hataonao aminay izay hangatahanay aminao.”
Ary hoy Izy:
“Inona no tianareo hataoko aminareo?”
Dia hoy ireo:
“Aoka ny anankiray aminay mba hipetraka eo ankavananao,
ary ny anankiray eo ankavianao any amin’ny voninahitrao.”
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Tsy fantatrareo izay angatahinareo;
moa mahasotro ny kapoaka izay hosotroiko va ianareo,
na mahazaka ny batemy izay hanaovana batemy Ahy?”
Hoy ireo taminy:
“Zakanay.”
Fa hoy kosa i Jesoa:
“Raha ny kapoaka hosotroiko, dia hosotroinareo ihany tokoa,
ary ny batemy hanaovana batemy Ahy dia hanaovana batemy anareo ihany koa;
fa raha ny hipetraka eo ankavanako sy ny ankaviako kosa
dia tsy ahy ny hanome izany,
fa ho an’izay nanamboarana azy ihany izany.”
Nony nandre izany izy folo lahy dia tezitra tamin’i Jakôba sy i Joany;
fa nantsoin’i Jesoa izy ireo ka nilazany hoe:
“Fantatrareo fa amin’ny fanjakan’izao tontolo izao,
dia ny mpifehy no mitsangana ho tompo mandidy,
ary ny lehibe no miseho ho mpifehy manam-pahefana.
Fa aminareo kosa tsy mba tahaka izany;
fa izay te-ho lehibe indrindra no aoka ho mpanompo anareo,
ary izay te-ho ambony indrindra eo aminareo no aoka ho mpanomponareo rehetra.
Fa ny Zanak’Olona tsy mba tonga hotompoina fa mba hanompo,
ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Manentana ny olom-pirenena hanefa ny adidiny amin'ny fifidianana solombavambahoaka hatao ny 29 mey izao ny eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo. Nandritra ny fankalazana ny alahadin'ny Trinité Masina omaly no nanambaran'ny Vikera Jeneraly Mompera Randrianifahanana Mamiarisoa Modeste izany... ♦ Miantso ny olom-pirenena hanefa ny adidiny hifidy koa ny SAFIDY. Nisy ny hetsika nataon'izy ireo ny sabotsy lasa teo... ♦ Mahatsikaritra fadikan-dalàna nandritra ny fampielezan-kevitra ny KMF/Cnoe. Tsy mety hoy izy ireo ny fiandaniana amin'ny vondron'antoko...
♦ Tsy hitondra vahaolana ho an'ny firenena ny fifampiresahana amin'ny sadec hoy ny MFM... ♦ Mandray anjara mavitrika amin'ny fanaraha-maso ny fifidianana ny SAFIDY... ♦ Manohana ny tanora mpandraharaha ny orinasa Ambatovy... ♦ Mitokona ireo mpiasa mivondrona ao amin'ny sendika mpanara-maso ny sidina sy ny habakabaka any Frantsa... ♦ Mpianatra miisa 16 manohana ny vahoaka Palestiniana amin'ny ady hifanandrinany amin'i Israël, mivondrona ao amin'ny fikambanana OA 4P no voasambotra ny alakamisy teo...
Alahady fankalazana ny Trinite Masina : Antsoin'Andriamanitra hiray fianakaviana aminy isika ; Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina, Andriamanitra Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy. Tian'ny Eglizy hamafisina amin'izao fankalazana izao ny Misterin'ny Trinite Masina. Hoy Md Anthanase : Raha Andriamanitra takitry ny sain'olombelona dia tsy Andriamanitra marina ; hoy Md Tertullien : ny Trinite dia avy amin'ny teny roa "Tri" sy "Unité" izany hoe telo fa iray. Mila mpampianatra katesizy ny Eglizy, mila vavolombelona hampivelatra ny finoana. Andrasana amintsika Kristiana ny hitovizantsika amin'ny Andriamanitra ray, Zanaka, Fanahy Masina : mifameno, mifankatia...
♦ Nidina 39% ny tahan'ny tsy fanjarian-tsakafo mahazo ny zaza any amin'ireo faritra telo niasan'ny tetik'asa PASAN SAHAZA... ♦ Maro ireo herisetra sy tranga tsy fanarahan-dalàna amin'izao fotoanan'ny fampielezan-kevitra izao hoy ny antoko MFM... ♦ Hanamafy ny hetsika fampahafantarana sy fanabeazana mahakasika ny fifidianana solombavambahoaka ny 29 mey izao ny SAFIDY. Hisy hetsika anio manerana ny faritra 23.... ♦ Any Nouvelle Calédonie dia nisy olona iray maty omaly, vokatry ny tifitry ny pôlisy tany DAMBEA, faritra avaratr'i Noumea renivohitra... ♦ Takalonaina telo notanan'ny HAMAS no hita faty tany amin'ny tonelina, tany Jabalia any amin'ny faritra avaratr'i Gaza
♦ Nidina 39% ny tahan'ny tsy fanjarian-tsakafo mahazo ny zaza any amin'ireo faritra telo niasan'ny tetik'asa PASAN SAHAZA... ♦ Maro ireo herisetra sy tranga tsy fanarahan-dalàna amin'izao fotoanan'ny fampielezan-kevitra izao hoy ny antoko MFM... ♦ Hanamafy ny hetsika fampahafantarana sy fanabeazana mahakasika ny fifidianana solombavambahoaka ny 29 mey izao ny SAFIDY. Hisy hetsika anio manerana ny faritra 23.... ♦ Any Nouvelle Calédonie dia nisy olona iray maty omaly, vokatry ny tifitry ny pôlisy tany DAMBEA, faritra avaratr'i Noumea renivohitra... ♦ Takalonaina telo notanan'ny HAMAS no hita faty tany amin'ny tonelina, tany Jabalia any amin'ny faritra avaratr'i Gaza
♦ Tanjona tamin'ny atrikasa natao teny amin'ny Carlton Anosy, ny fampahafantarana ny fivoaran'ny fikarohana momba ny kankana amin'ny fanatsarana ny nofontany sy ny fampitomboana ny vokatra... ♦ Nampahafantarina tamin'ny fomba ôfisialy androany teny Antaninarenina ny fitaovana entina manamafy ny haitondra ara-tontolo iainana, sy antontan-kevitra ara-tontolo iainana samihafa... ♦ Efa manomboka mahasarika ny Malagasy ny fanolorana fanomezana ho an'ny reny rehefa fetiny, hita taratra izany amin'ny tsenabe mahakasika ny kojakoja sy fitaovana ary fanomezana, amin'izao fetin'ny reny izao...
♦ Tontosa ny alahadin'ny Pantekôty lasa teo, ny faha-50 taonan'ny Fihavaozana Karismatika Katôlika Fiombonana eto Madagasikara... ♦ Hotanterahana any Rôma, ny sabotsy sy alahady ho avy izao, ny Andro Maneran-tany voalohany ho an'ny Ankizy... ♦ Nankatoavin'ny Papa François omaly ireo Décrets hirosoana amin'ny fanandratana ho olomasina an'i Carlo Acutis sy i Mompera Joseph Alamano, ary ny Vondrona Fransiskanina iray, martiry tany Damas tamin'ny taona 1860...
Taratasy voalohan’i Masindahy Piera Apôstôly (1 Pier. 1, 10-16)
Ry kristianina havana,
raha ny amin’ny famonjena ny fanahy
dia zavatra nokatsahiny sy nokarohin’ny mpaminany
izay naminany ny fahasoavana voatendry ho anareo.
Nohadihadìn’izy ireo izay andro sy toe-javatra nambaran’ny Fanahin’i Kristy izay tao anatiny,
ka nampahafantatra azy rahateo ny fijaliana hanjò an’i Kristy
sy ny voninahitra hanaraka izany.
Ary nambara tamin’izy ireo fa izany no nomena horaharahainy
dia tsy mba ho azy ireo fa ho anareo;
ary ireo olona nitory ny Evanjely taminareo ankehitriny,
tamin’ny Fanahy Masina nirahina avy any an-danitra,
no nampandre anareo izany zavatra izany, izay irìn’ny Anjely hojerena.
Koa amin’izany,
sikino ny andilam-panahinareo, ka mahonòna tena,
ary aoka ny fahasoavana izay hatolotra anareo amin’ny hisehoan’i Jesoa Kristy
no halehan’ny fanantenanareo rehetra.
Aoka ho zanaka manaiky ianareo,
ka tsy hanaraka ny filan-dratsinareo intsony,
toy ny nataonareo fahiny tamin’ny andron’ny tsy fahalalanareo;
fa araka ny fahamasinan’Ilay niantso anareo no aoka ho fahamasinanareo koa,
amin’ny fitondran-tenanareo rehetra, araka ny voasoratra hoe:
Aoka ho masina ianareo, satria masina Aho.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 97, 1. 2-3ab. 3d-4
Ihirao antsavao ny Tompo,
fa mahagaga ny zava-bitany!
Fa ny tanany no namonjy,
nanampy Azy ny herin-tsandriny!
Ka dia hitan’ny firenena
ny famonjeny amam-pahamarinany!
Mba tsarovy, ry Israely,
ilay fitiavany tsy mivadika.
He! zahao e, ry vazan-zany,
izato vonjin’Andriamanitra!
O ry tany, derao ny Tompo
ka mientàna amin-karavoana!
Aleloia. Aleloia.
Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 28-31)
Tamin’izany andro izany,
i Piera nanao tamin’i Jesoa hoe:
“Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao.”
Dia hoy ny navalin’i Jesoa azy:
“Lazaiko marina aminareo fa tsy misy olona mahafoy trano,
na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany
noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely,
ka tsy hahazo zato heny ankehitriny amin’itý fiainana itý,
dia trano, rahalahy, anabavy, reny, zanaka, tany,
na dia ao anatin’ny fanenjehana aza,
ary ny fiainana mandrakizay any amin’ny ho avy.
Fa maro amin’izay farany no ho voalohany,
ary amin’izay voalohany no ho farany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasy voalohany nosoratan’i Masindahy Piera Apôstôly (1 Pier. 1, 3-9)
Hisaorana anie Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika,
izay niteraka antsika indray, araka ny haben’ny famindram-pony,
noho ny fitsanganan’i Jesoa Kristy ho velona,
ho amin’ny fanantenana velona,
hahazo ny lova tsy mety simba, tsy misy pentina, tsy mety levona,
izay voatahiry ho anareo any an-danitra,
dia ianareo izay arovan’ny herin’Andriamanitra amin’ny finoana ho an’ny famonjena,
izay efa vonon-kaseho amin’ny andro farany.
Ny fiheverana an’izany no iravoravoanareo
nefa mbola tsy maintsy hampahorin’ny fitsapana samihafa vetivety ihany ianareo,
ka rahefa voazaha toetra ny finoanareo izay ambony lavitra noho ny volamena
(io anefa dia mba zahan-toetra amin’ny afo ihany na dia zavatra mety simba aza),
dia ho hita fa manjary dera sy voninahitra ary haja izany,
amin’ny andro isehoan’i Jesoa Kristy.
Tia Azy ianareo,
na dia mbola tsy nahita Azy na oviana na oviana aza;
mino Azy ianareo
na dia mbola tsy mibanjina Azy aza izao;
izany no iontanan’ny fonareo amin’ny hafaliana tsy azo lazaina sy be voninahitra,
sady matoky ianareo fa hahazo ny antenain’ny finoanareo,
dia ny famonjena ny fanahinareo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 110, 1-2. 5-6. 9-10d
Deraiko amin’ny foko tontolo ny Tompo,
anatrehan’ireo olo-marina,
ao anivon’ny Fiangonam-beny.
Lehibe manko ny asan’ny Tompo.
Mitsimbina, eny, miantra ny Tompo,
ka omeny sakafo ny olona,
dia ireo olona mino ny Tompo
nananganany ilay fanekena.
Nasehony koa ny herin’ny Tompo,
anatrehan’ireo izay voafidy.
Ka ny lova omeny azy ireo
dia ny lovan’ireo firenena.
Nandray famonjena ny olom-boafidy,
fanekem-baovao no iorenany
ka mijoro ho mandrakizay.
Eny, masina manko ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampihiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 17-27)
Tamin’izany andro izany, nony nivoaka handeha i Jesoa,
dia nisy lehilahy nidodododo nandohalika teo anatrehany
ka nanontany Azy hoe:
“Ry Mpampianatra tsara ô,
inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?”
ary hoy i Jesoa taminy:
“Nahoana no ataonao hoe tsara Aho?
Tsy misy tsara afa-tsy Andriamanitra irery.
Fantatrao ny didy hoe:
Aza mijangajanga;
aza mamono olona;
aza mangalatra;
aza mety ho vavolombelona tsy marina;
aza manambaka;
manajà ny rainao aman-dreninao.”
Dia hoy ny navaliny Azy:
“Ry Mpampianatra ô,
hatra ny fony kely aho no efa nitandrina izany rehetra izany.”
Ary nijery azy i Jesoa,
dia tia azy ka nanao taminy hoe:
“Zavatra iray loha no tsy ampy aminao:
mandehana, amidio ny fanananao rehetra ka omeo ny mahantra,
dia hanan-drakitra any an-danitra ianao,
ary rahefa izany dia avia hanaraka Ahy.”
Nampahory azy izany teny izany fa nanan-karena be izy,
ka niala tamin’alahelo.
Ary nijerijery nanodidina i Jesoa ka nanao tamin’ny mpianany hoe:
“Akory ny hasarotry ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny Fanjakan’Andriamanitra!”
Nony gaga tamin’izany teny izany ny mpianany,
dia hoy indray i Jesoa taminy:
“Sarotra, anaka,
ny hidiran’izay miankina amin’ny harena amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.
Moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodifanjaitra
noho ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.”
Vao mainka gaga izy ireo ka nifampilaza hoe:
“Iza àry no mety ho voavonjy?”
Fa nojeren’i Jesoa izy ka nilazany hoe:
“Amin’ny olombelona, zava-tsy vitany izany;
tsy mba toy izany amin’Andriamanitra,
satria mahavita ny zavatra rehetra Andriamanitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Deterônômy (Det. 4, 32-34. 39-40)
Tamin’izany andro izany,
dia hoy i Môizy tamin’ ny vahoaka Israely:
“Anontanio ny andro fahagola tany alohanao,
hatramin’ny andro naharian’Andriamanitra ny olombelona teto ambonin’ny tany
sy hatramin’ny faravodilanitra na aiza na aiza,
raha mba nisy zava-dehibe tahaka izany na oviana na oviana,
na nisy re toy izany akory na oviana na oviana!
Vahoaka aiza no efa nandre ny feon’Andriamanitra
niteny tao anatin’ny afo toy ny efa renao,
ka mbola velona ihany izy?
Oviana no mba nisy andriamanitra nanandrana haka firenena anankiray ho azy
tao afovoan’ny firenena iray hafa,
tamin’ny fitsapana, famantarana, fahagagana, ady,
tanana mahery, sandry ahinjitra, ary fangorohoroana lehibe,
toraky ny nataon’ny Tompo Andriamanitra ho anareo, teo imasonareo, tany Ejipta?
Koa fantaronao anio,
sy araiketo ao am-ponao fa ny Tompo no Andriamanitra,
any amin’ny lanitra ambony sy ety an-tany ambany, ary tsy misy hafa.
Tandremo ny lalàny sy ny didiny, izay andidiako anao anio,
mba ho sambatra ianao, dia ianao sy ny zanakao manaraka anao,
ary mba ho lava ny andronao, amin’ny taona mifandimby rehetra
any amin’ny tany omen’ny Tompo Andriamanitrao anao”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 32, 4-5. 6 sy 9. 18-19. 20 sy 22
Eny, marina ny tenin’ny Tompo,
ny asany rehetra mahatoky,
ny rariny sy hitsiny no tiany,
mameno ny tany ny fitiavany.
Ny lanitra no vita dia ny tenin’ny Tompo;
ny tafiny no misy: ny fofon’ain’ny vavany.
Izay lazainy dia efa;
izay teneniny, tomombana.
Izay matahotra ny Tompo no ahìny;
eny, izay miantehitra amin’ny fitiavany
hafahany amin’ny fahafatesana,
hovelominy amin’ny tao-mosarena.
Izahay manantena ny Tompo,
ilay Mpitahy sy Mpiaro anay.
Ny fitiavanao, ry Tompo ô,
ho aminay matoky Anao!
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 8, 14-17)
Ry kristianina havana,
izay rehetra tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra dia zanak’Andriamanitra.
Ary izany tokoa,
satria tsy Fanahim-pahandevozana no noraisinareo,
fa Fanahim-pananganan-janaka,
ka iantsoantsika hoe: Abà! Ray!
Ary ny Tenan’io Fanahy io ihany no vavolombelona
miaraka amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika.
Ary raha zanaka dia mpandova,
eny sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy,
raha miara-mijaly aminy isika,
mba hiarakomem-boninahitra aminy koa.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina, Andriamanitra Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 28, 16-20)
Tamin’izany andro izany,
niaraka nankany Galilea ny mpianatra iraika ambin’ny folo lahy,
any amin’ilay tendrombohitra nasain’i Jesoa nalehany.
Nony nahita Azy izy ireo, izay nisalasala taloha,
dia nitsaoka Azy.
Ary i Jesoa nanatona azy ireo ka nilaza taminy hoe:
“Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany;
koa mandehana ianareo, mampianara ny firenena rehetra,
manaova Batemy azy amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina;
ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo.
Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Nampiakatra ny raharaha eny amin'ny Fitsarana ka mangataka ny hanafoanana sy hampiatoana ny didy nanakatona ny Radio Fivoarana, ny tompon'ity onjam-peo ity... ♦ Nitohy tany avaratry ny nosy ny fitsidihana ataon'ny Filoha Andry Rajoelina, izay nanolorana ireo foto-drafitrasa ho an'ny mponina... ♦ Mety hiafana hatrany amin'ny fanalana an-daharana ny kandidà ny fandikan-dalàna amin'izao fampielezan-kevitra izao, hoy ny mpisolovava avy amin'ny Vononana Firaisankina...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco