Taratasy voalohany nosoratan'i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo 1, 1-4)
Ry zanako malala,
izay efa nisy hatramin'ny voalohany,
sy efa renay, efa hitan'ny masonay, efa nodinihinay,
ary efa notsapain'ny tànanay, dia ny Teny fiainana;
- fa efa naseho ny fiainana, sy efa hitanay, ary vavolombelona izahay,
ka manambara aminareo ny fiainana mandrakizay
izay tao amin'ny Ray sy naseho taminay,
- eny, izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo kosa,
mba hanananareo fikambanana aminay koa;
ary ny fikambananay dia amin'ny Ray sy amin'i Jesoa-Kristy Zanany.
Ary izahay no manoratra izany aminareo, dia mba ho feno ny fifalianareo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 96, 1-2. 5-6. 11-12
Mpanjaka ny Tompo: aoka hifaly ny tany;
Aoka hiravoravo ny nosy maro!
Rahona aman'aloka no manodidina azy,
rariny sy hitsiny no iorenan'ny seza fiandrianany.
Miempo hoatry ny savoka ny tendrombohitra eo anatrehan'ny Tompo,
dia eo anatrehan'ny Tompon'ny tany rehetra.
Ny lanitra mitory ny fahamarinany,
ary ny firenena rehetra mibanjina ny voninahiny.
Afafy ho an'ny marina ny fahazavana,
ary ho an'ny mahitsy fo ny fifaliana.
Mifalia amin'ny Tompo ry olo-marina,
ary manomeza voninahitra ny anarany masina.
Aleloia. Aleloia.
Andriamanitra ô, midera anao izahay, mankalaza anao izahay; ary mihoby anao ny antokon'ny Apôstôly.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo 20, 2-8)
Tamin'ny andro voalohan'ny herinandro,
i Maria Magdalena lasa nihazakazaka
nankany amin'i Simona Piera sy ilay mpianatra malalan'i Jesoa,
ka nanao tamin'ireo hoe:
Nalain'olona tao am-pasana ny Tompo,
ka tsy fantatray izay nametrahany azy.
Dia mba lasa koa i Piera sy ilay mpianatra anankiray
nankany amin'ny fasana, ka niara-nihazakazaka izy roa lahy,
saingy nandeha faingampaingana kokoa ilay mpianatra anankiray,
ka tonga talohan'i Piera tao amin'ny fasana.
Dia niondrika izy,
ka nahita ny lamba nipetraka teo, nefa tsy niditra.
Nony tonga kosa Piera nanarakaraka azy,
dia niditra teo am-pasana
ka nahita ny lamba nipetraka teo, sy ny lamba nasarona ny lohany,
tsy niara-nipetraka tamin'ny lamba
fa nivalona nitokana terý.
Dia niditra koa ilay mpianatra izay tonga taloha teo amin'ny fasana,
ary nahita ka nino.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
26 desambra 2023 — Masindahy Étienne, Martiry voalohany — Fety — Hisaorana anie Ilay avy amin’ny Anaran’ny Tompo ; ny Tompo Andriamanitra Mpanazava antsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 10, 17-22)
25 desambra 2023 — Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy — Mamiratra amintsika ilay andro masina; koa avia, ry firenena rehetra, mitsaoka ny Tompo, satria nidina androany tety an-tany ilay Fahazavana lehibe — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany (Jo 1, 1-18)
24 desambra 2023 — Alahady fahefatra amin'ny Fiavian'ny Tompo — Inty aho mpanompovavin’ny Tompo aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 1, 26-38)
Boky faharoan’i Samoela (2 Sam. 7, 1-5. 8b-11. 16)
Nony efa niorina tsara tao an-tranony i Davida mpanjaka,
sady nomen’ny Tompo fandriam-pahalemana tamin’ny fahavalony rehetra nanodidina azy,
dia hoy ny mpanjaka tamin’i Natàna mpaminany:
“Jereo ange!
izaho mitoetra an-trano sedera,
ary ny Fiaran’Andriamanitra mitoetra ao afovoan’ny lay!”
Ka hoy i Natàna, namaly ny mpanjaka:
“Andeha ataovy izay rehetra ao am-ponao,
fa momba anao ny Tompo”.
Ny alin’izay ihany,
dia tonga tamin’i Natàna ny tenin’ny Tompo nanao hoe:
“Mandehana lazao amin’ny mpanompoko,
amin’i Davida hoe:
Izao no lazain’ny Tompo:
Ianao ve no hanao trano hitoerako?
Tany an-tanim-bilona tao aorian’ny ondry no nangalako anao
ho andriana amin’ny vahoakako, amin’i Israely,
ary izay nalehanao, nombako anao avokoa;
ny fahavalonao rehetra,
naringako teo anoloanao.
Ny anaranao hataoko malaza toy ny anaran’ny olo-malaza ambonin’ny tany.
Hanokan-toerana ho an’ny vahoakako, ho an’i Israely Aho,
dia hampiorina azy eo, ka honina ao aminy izy,
ary handry tsy amin’ahiahy,
fa tsy hampahorin’ny zanaky ny faharatsiana toy ny taloha intsony,
sy toy ny tamin’ny andro nananganako mpitsara hifehy an’i Israely vahoakako.
Hanome anao fialan-janona tony,
ho afaka amin’ny fahavalonao Aho.
Ary lazain’ny Tompo aminao fa hananganany trano ianao.
Ary ho azo antoka ny faharetan’ny tranonao sy ny fanjakanao
eo anatrehako mandrakizay,
ary hiorina mandrakizay ny seza fiandriananao”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 88, 2-3. 4-5. 27 sy 29
Ny fitiavanao, ry Tompo,
hohiraiko mandrakizay;
ny fahamarinanao
hambarako amin’ny taona rehetra.
“Vavako no niteny, hoy Ianao:
Voaorina mandrakizay ny fitiavako,
ary ny fahamarinako
voajoro ho toy ny lanitra!”
“Nanaovako fanekena ilay voafidiko;
i Davida mpanompoko, nianianako:
Ajoroko ho mandrakizay ny taranakao,
ny fiketrahanao aoriko ho lalandava!”
Ianao no Raiko, hoy izy miantso Ahy,
Vatolampy famonjena ahy sy Andriamanitro!
Ny fitiavako hotanako aminy mandrakizay,
ho azony antoka tokoa ny fanekeko.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 16, 25-27)
Ry kristianiana havana,
ho an’Ilay mahay mankahery anareo araka ny Evanjeliko,
izay nitoriana an’i Jesoa Kristy
sy nanambaràna ny zava-miafina tsy voalaza hatrizay hatrizay,
(fa voaseho ankehitriny tamin’ny soratry ny mpaminany,
araka ny didin’Andriamanitra mandrakizay,
ka nampahafantarina ny firenena rehetra mba hanekeny ny finoana)
dia ho an’Andriamanitra,
Ilay hany hendry indrindra anie,
ny voninahitra mandrakizay mandrakizay,
amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Amen.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Inty aho mpanompovavin’ny Tompo aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 1, 26-38)
Tamin’izany andro izany,
dia nirahin’Andriamanitra ny Anjely Gabriely
ho any amin’ny tanàna anankiray any Galilea atao hoe Nazareta
ho any amin’ny Virjiny anankiray fofom-badin’ny lehilahy atao hoe Jôsefa,
taranak’i Davida,
ary ny anaran’ilay Virjiny dia Maria.
Ary nony niditra tao aminy ilay Anjely dia nanao hoe:
“Arahaba, ry ilay feno hasoavana;
ny Tompo ao aminao;
nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao”.
Taitra izy nahare izany,
ka nieritreritra izay tokony ho hevitr’izany fiarahabana izany.
Fa hoy ny Anjely taminy:
“Aza matahotra, ry Maria,
fa sitrak’Andriamanitra ianao,
ka hiteraka Zazalahy,
ary Jesoa no hataonao Anarany.
Ho lehibe Izy ka hatao hoe:
Zanaky ny Avo indrindra;
dia homen’Andriamanitra ny fiketrahan’i Davida rainy Izy,
ka hanjaka mandrakizay amin’ny taranak’i Jakôba,
ary tsy hanam-pahataperana ny fanjakany”.
Fa hoy i Maria tamin’ilay Anjely:
“Ahoana no hahatongavan’izany,
fa tsy mahalala lahy aho?”
Hoy ny Anjely namaly azy:
“Ny Fanahy Masina no ho tonga ao aminao,
ary ny herin’ny Avo indrindra hanaloka anao;
noho izany dia hatao hoe:
Zanak’Andriamanitra ny Masina haterakao.
Ary indro i Elizabeta rahavavinao
fa efa mitoe-jaza koa, na dia efa antitra aza,
ary efa mandray enina izy izao
ilay natao hoe momba,
fa tsy hisy tsy ho hain’Andriamanitra atao”.
Dia hoy i Maria:
“Inty aho ankizy vavin’ny Tompo,
aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao”.
Dia niala teo aminy ny Anjely.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
23 desambra 2023 — Sabotsy, herinandro mialoha ny Noely — Ianao ilay Emanoela Mpanjaka sy Mpanalalana anay; avia hamonjy anay, ry Tompo Andriamanitray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 57-66)
22 desambra 2023 — Zoma, herinandro mialoha ny Noely — Ry ilay Fahendrena izay mandahatra ny zavatra rehetra amin-kery sy amin-kalemem-panahy, avia mba hampianatra anay ny lalan’ny fahamarinana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 46-56)
21 desambra 2023 — Alakamisy, herinandro mialoha ny Noely — Ianao Filohan’ny fokon’i Israely izay niseho tamin’i Môizy sy nanome azy ny lalàna teny an-tampon’i Sinaia, avia mba anavoty anay ny herin-tsandrinao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 39-45)
Manana filàna fototra maro ny olona mba tena hivelatra amin'ny maha-olona azy manontolo : maha izy feno, ho hita sy hajain'ny olona ary hitokisana, finakaviana sy namana tia ary hotiavina, filaminana afa mitsinjo ny ampitso, filàna fototra (sakafo...). Amin'ireo anefa dia tsy mbola tanteraka akory lafiny ara-tsakafo sy ny fananana trano ary ny fandriam-pahalemana. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
20 desambra 2023 — Alarobia, herinandro mialoha ny Noely — Ianao ilay Emanoela Mpanjaka sy Mpanalalana anay, avia hamonjy anay, ry Tompo Andriamanitray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 26-38)
19 desambra 2023 — Talata, herinandro mialoha ny Noely — Ry ilay Atsinanana fibaliakan’ny hazavana mandrakizay sy masoandron’ny fahamarinana, avia ary omeo an’ireo izay mandry ao amin’ny haizina sy ny aloky ny fahafatesana ny hazavana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 5-25)
♦ Mpitarika sendikà roa sy solombavambahoaka iray no samy miatrika fitsaràna nho ny raharaha pôlitika hanenjehana azy, nanomboka ny maraina teo... ♦ Tsy handefitra amin'ireo izay mihoa-pefy ny EMMO ny sabotsy izao, mandritra ny lanonam-pihanianana eny Mahamasina. Mpitandro filaminana hatrany amin'ny 6.000isa no voalaza fa hahetsika mandritra izany... ♦ Manahy ny mety ho fahavitsian'ireo mpampiasa vola vahiny hiara-hiasa amin'ireo orinasa afak'haba eto Madagasikara ny Fisemare amin'ny taona ho avy io. Nambaran'ny avy amin'ity sendikà ity fa mbola miahotra izay ireo, noho ny toe-draharaham-pirenena...
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco