♦ Tamberin'ireo vaovao natolotr'i LALAINA NALINJARA farany teto anivon'ny onjam-peo Radio Don Bosco... ♦ Fandraisam-peo mahakasika ny fiaraha-miasa tamin'i LALAINA NALINJARA : Olon'ny fifandraisana, tsotra, mahitsy rehefa miresaka, tia manampy ny hafa... ♦ LALAINA NALINJARA : Mpanao gazety mpikambana tao amin'ny vondron'ny mpanao gazety matihanina, amin'ny asa sy ny fampananan'asa na RJSET,  niara-niasa amin'ny Birao Iraisam-pirenena momba ny asa na ny BIT...

♦ Feno folo taona katroka ny naha Arsevekan’Antsiranana an’i Mgr Benjamin Marc Ramaroson… ♦ Notanterahana tamin’ny sabotsy 03 febroary 2024 teny amin’ny ISTS Mandrimena, ny fankalazana ny Andron’ny Olom-boatokana, teto amin’ny Diosezin’Antananarivo… ♦ Ny fiovana sy ny fibebahana no tena maha kristianina, hoy ny Papa François, tamin’ny vavaka Angélus, omaly… ♦ Nivavaka ho an’ireo maty noho ny doro tanety tany Chili, ny Papa François…

♦ Vaovao manokana, mitatitra ny fodiamandrin'ny Mpanao Gazety LALAINA NALINJARA, nikatroka tamin'ny sampana fampahalalam-baovao teto anivon'ny Radio Don Bosco... ♦ Naneho sy nitondra ny teny fampiononana sy fiaraha-miory noho izao voina izao ny teo anivon'ny Ministeran'ny Kolontsaina sy ny serasera.... ♦ Maro ireo mpiara-miasa tamin'ny sehatra fanaovan-gazety sy ny lafiny serasera no nahatsiahy ny fiarahana tamin'i LALALINA NALINJARA...

Alahady fahadimy tsotra "B" : Misy antony ambony ny fijaliana. Ao ambadiky ny tsy takatry ny sain'ny olombelona dia Andriamanitra no tokony hianteherana, tahaka izay niainan'i Jôba. Ny olona tsy mahazo ny dikan'ny fiainana dia mametram-panontaniana amin'ny tenany, lalana iray hikarohana an'Andriamanitra ny loza amam-pijaliana eto antany. Mila miady sy mandà ny fahadisoam-panantenana ny olona, ary mitodika amin'Andriamanitra fa miaro ny ory sy ny mahantra izy. Maneho ny Eglizy trano ny tranon'i Piera, izay nisy an'i Kristy, ny Eglizy olona kosa dia ireo mpianatr'i Jesoa ; hita taratra amin'ny Evanjely novakiana teo ny fanompoan'ny olombelona ny Eglizy. Samy manana anjara toeram-panompoana ao amin'ny Eglizy isika rehetra... 

♦ Noesorin'ny Ministeran'ny fanabeazam-pirenena teny Ampefiloha ny Canal 7 Events sy ny Fahitalavitra Dream in. Tsy misy resaka pôlitika izao raharaha izao fa fanatanterahana didim-pitsaràna hoy ny fanazavàna... ♦ Nilaza ny teo anivon'ny Tendrom-pitsaràna miady amin'ny kolikoly omaly fa tsy marina ny filazàna fa lany paik'ady, ka tsy tokony hisy tohiny intsony ny fanenjehina an'Andriamatoa Mbola Rajaonah... ♦ Tanora maherin'ny 2 tapitrisa no ezahina hiditra anatin'ny sehatry ny asa ato anatin'ny 5 taona, aorian'ny fanarahana fiofanana arak'asa. Natomboka omaly tety amin'ny distrika Ambohidratrimo izany fandaharan'asa izany, omaly... ♦ Misy mangirana kely ny mety hiatoan'ny adin'ny Israeliana sy ny Palestiniana any Gaza...

♦ Nosoniavina androany tolakandro teny Anosy ny tetikasa vaovao izay iarahan'ny FAO sy ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana... ♦ Tanora miisa 2 tapitrisa no kendrena hiditra eo amin'ny sehatry ny asa, ato anatin'ny dimy taona, ao aorian'ny fiofanana araka asa homena azy ireo... ♦ Nesorin'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena tao amin'ny toerana nisy azy eny Ampefiloha ny Canal 7 Events, sy ny fahitalavitra Dream'In androany maraina...

♦ Ho tanterahana ny 23 hatramin'ny 25 aogositra 2024, ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly, any amin'ny Arsidiôsezin'Antsiranana. Lohahevitra entina hiainana io Kôngresy io ny hoe: “Ny fihavanana no manasitrana izao tontolo izao. Mpiray tampo avokoa ianareo rehetra”... ♦ Nanentana ny rehetra hametraka amin'ny toerana ambony ny asa fanabeazana, i Mgr Jean de Dieu Raoelison, ary nanome hafatra sy fampianarana mifantoka amin'izay asa fanabeazana izay, tao anatin'ny fankalazana ny fetin'i Masindahy Joany Bosco...

♦ Nanomboka nangorona entana teny Ampefiloha ny orinasa Canal 7 Event's. Tonga hanafoana ny fifanaraham-piaraha-miasa 3P amin'ity orinasa ity ny mpitandro ny filaminana sy ny tompon'andraikitry ny minisitera, ny maraina teo... ♦ Andrasana ny fanadihadiana momba ilay 154 tapitrisa Ariary, teny amin'ny Antenimieram-pirenena. Vola saika hividianana fahana, saingy nisy nanodinkodina... ♦ Tombontsoa lehibe azon'i Madagasikara tamin'ny COP-28 natao tany Dubai, ny hisitrahana ilay tahirim-bola hamatsiana ireo firenena marefo amin'ny fiovan'ny toetrandro...

♦ Hitohy anio eny amin'ny Lapa Maitson'Anosikely, ny fanoloran'ny Praiminisitra Ntsay Christian, ny fandaharan'asa ankapoben'ny fanjakana... ♦ Fandikan-dalàna no andikan'ny Minisitra teo aloha, ny Jeneral Tsaranazy Jean Emile, raha toa ka hampiarahana ny fifidianana eny anivon'ny kaominina sy ny Solombavam-bahoka... ♦ Tsy mety ho marin-toerana ny vidin'ny vary sy ireo entana ilaina andavanandro eny an-tsena...

♦ Sambany indray no nihaona mivantana teny Tsimbazaza, ny Praiminisitra sy ireo Solombavam-bahoaka, tao aorina'ilay fitsipaham-pitokisana tamin'ny taona 2022. Niresaka momba izany androany, Andriamatoa Naivo Raholdina, tamin'ny lahateniny... ♦ Miandry ny tolo-kevitra avy amin'ny CENI, ny Governemanta, momba ny datim-pifidianana, hoy ny Praminisitra... ♦ Tsy mety ho marin-toerana mihitsy ny vidin'entana ilaina andavanandro eny an-tsena, ka mahatonga fanararaotana. Nivory ny avy amin'ny Minisiteran'ny Varotra sy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa androany, nitady vahaolana momba izany...

Vakiteny voalohany

Boky voalohan’ny Mpanjaka (1 Mpanj. 10, 1-10)

Hitan’ity mpanjakavavin’i Sabà ny fahendren’i Salômôna rehetra.

Tamin’izany andro izany:
Nandre ny lazan’ny anaran’i Salômôna amin’ny anaran’ny Tompo ny mpanjakavavin’i Sabà
ka tamy hizaha toetra azy amin’ny ankamantatra.
Dia tonga tany Jerosalema izy,
narahin’ny kalesy marobe sy rameva nitondra zava-manitra, volamena sesehena, ary vato soa.
Dia nandroso ho any amin’i Salômôna izy,
dia nolazainy taminy izay rehetra tao am-pony.
Voavalin’i Salômôna avokoa ny fanontaniany,
fa tsy nisy niafina tamin’ny mpanjaka, ka tsy hainy novaliana.
Rahefa hitan’ity mpanjakavavin’i Sabà ny fahendren’i Salômôna rehetra,
ny trano nataony, ny sakafo teo ambony latabany, ny trano fitoeran’ny mpanompony,
ny efitra amam-pitafian’ny mpiasa an-tranony mbamin’ny mpandroso divay ao aminy,
ny ambaratonga fiakarany ho eo amin’ny tranon’ny Tompo,
dia talanjona loatra izy, ka nilaza tamin’ny mpanjaka hoe:

“Hay va re dia marina tokoa ny zavatra reko tany amin’ny taniko,
ny amin’ny momba ny tenanao sy ny fahendrenao!
Tsy nety nino ny lazan’olona aho, raha tsy efa tonga sy nahita maso,
kanjo hay mbola tsy ampy antsasany akory no voalaza tamiko!
Fa mihoatra lavitra noho ny reko tamin’ny filazan’ny olona
ny fahendrena amam-boninahitrao.
Sambatra ny olonao, sambatra ny mpanomponao,
izay manoloana anao lalandava ka mandre ny fahendrenao.
Hankalazaina anie ny Tompo Andriamanitrao, izay mankasitraka anao,
ka nametraka anao eo amin’ny seza fiandrianan’i Israely.
Fa fitiavany mandrakizay an’i Israely no nametrahan’ny Tompo anao ho mpanjaka,
mba hanome rariny ny olona sy hitsara azy marina.”

Dia notoloran-dravehivavy talenta volamena roapolo amby zato,
zava-manitra be dia be ary vatosoa koa ny mpanjaka.
Tsy nisy be noho ny nomen’ny mpanjakavavin’i Sabà an’i Salômôna mpanjaka intsony ny zava-manitra tonga.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 36, 5-6. 30-31. 39-40

Ny vavan’ny olo-marina mikalo fahendrena.

Ankino amin’ny Tompo ny lalanao,
miantehera aminy; fa Izy no hanao:
ny fanananao ny rariny ho mazava atsinanana,
ny fahamarinanao ho mitataovovonana.

Ny vavan’ny olo-marina mikalo fahendrena;
ny lelany mitanisa ny rariny;
ny Lalàn’Andriamanitra, ao am-pony:
ka ny famindrany tsy hivaona.

Ny famonjena ny olo-marina dia avy amin’ny Tompo:
fa Izy no mandany amin’ny andro fahoriana.
Ny Tompo miahy sy manafaka azy, manafaka azy amin’ny ratsy fanahy.
Eny, Izy no mamonjy azy noho izy ireo mifefy aminy!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny fanambaràna avy amin’ny vavanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 14-23)

Izay mivoaka avy ao amin’ny olona no mahaloto azy.

Tamin’izany andro izany,
niantso ny vahoaka nankeo aminy indray i Jesoa ka nanao taminy hoe:

“Mihainoa Ahy ianareo rehetra, ka mahafantara.
Tsy ny zavatra avy any ivelany miditra ao anatin’ny olona no mahaloto azy,
fa izay mivoaka avy ao anatin’ny olona no mahaloto azy.
Raha misy manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino.”

Nony niala teo amin’ny vahoaka Izy ka tonga tany an-trano,
dia nanontanian’ny mpianany ny amin’ilay fanoharana, ary hoy Izy taminy:

“Hay! ianareo koa mba kely fahalalana toy izany!
Tsy fantatrareo va fa izay avy eo ivelany dia tsy mahaloto azy,
satria tsy miditra ao am-pony izany fa ao an-kibony ihany,
ka ariana any an-katakonana?
Izany no mahadio ny hanina rehetra.
Fa izay mivoaka avy amin’ny olona, hoy izy, no mahaloto ny olona;
satria avy ao anaty,
dia avy amin’ny fon’ny olona no iavian’ny sain-dratsy
dia ny fakam-badin’olona, ny fijangajangana,
ny famonoana olona, ny halatra,
ny fahihirana, ny hasomparana,
ny hafetsen-dratsy, ny fijejojejoana,
ny fialonana, ny vava ratsy, ny fiavonavonana, ny fahadalana;
izany zavatra rehetra izany no avy ao anatin’ny olona ka mahaloto azy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky voalohan’ny Mpanjaka (1 Mpanj. 8, 22-23. 27-30)

Henoy ny fifonan’ny mpanomponao sy i Israely vahoakanao.

Tamin’izany andro izany:
Tao anoloan’ny ôtelin’ny Tompo i Salômôna,
nanatrika ny fiangonan’i Israely rehetra
sy nanandratra ny tanany mankany an-danitra ka nanao hoe:

“Ry Tompo Andriamanitr’i Israely ô,
tsy misy Andriamanitra tahaka Anao,
na amin’ny lanitra ambony, na amin’ny tany ambany,
fa Ianao mitandrina ny fanekenao amam-pamindram-ponao, amin’ny mpanomponao,
izay mandeha eo anatrehanao amin’ny fony tokoa.

Fa moa dia marina va fa monina eto an-tany Andriamanitra?
Indro, ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra aza, tsy omby anao,
koa mainka fa ity trano nataoko ity!
Kanefa, ry Tompo Andriamanitra ô,
tsimbino ny vavaka amam-pifonan’ny mpanomponao,
henoy ny fiantsoam-pifaliana sy ny fangatahana ataon’ny mpanomponao eo anatrehanao anio;
ka ataovy mihiratra andro aman’alina amin’ity trano ity anie ny masonao,
dia amin’ny fitoerana izay nilazanao hoe:

‘Ho ao ny Anarako;
ka henoy ny vavaka ataon’ny mpanomponao amin’ity fitoerana ity.’

Henoy ny fifonan’ny mpanomponao sy i Israely vahoakanao,
raha mivavaka amin’ity fitoerana ity izy;
mihainoa any amin’ny fitoeram-ponenanao any an-danitra,
mihainoa, ka mamelà heloka.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 83, 3-5. 10-11

Drey, mahatehotia ny fonenanao ry tompon’ny tafika.

Ny fanahiko manembona ka reraka, manina ny kianjan’ny Tompo!
Ny foko sy nofoko mihoby an’ilay Andriamanitra velona!
Sambatra izay monina ao an-tranonao
ka midera Anao mandrakizay!

Jereo, ry Andriamanitra Mpanao soa anay, tazano ny Tavan’ilay voahosotrao!
Eny, andro iray eo an-kianjanao dia tsara noho ny arivo ao an-tranon’ny tena.
Aleo mijoro eo am-baravaran’ny Andriamanitro,
toy izay miantrano ao an-dain’ny mpanana.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 1-13)

Ny didin’Andriamanitra afoinareo, fa ny fanaon’ny olona kosa tananareo.

Tamin’izany andro izany,
niangona teo amin’i Jesoa ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna sasany avy tany Jerosalema,
ka nahita ny mpianany sasany nihinana tamin’ny tanana tsy madio, izany hoe tsy voasasa.
— Fa ny Farisianina sy ny Jody rehetra
dia tsy mihinana raha tsy efa voasasany tsara aloha ny tanany,
fa mitana ny fanaon-drazana izy;
ary raha avy any an-kianja izy dia tsy mihinan-kanina raha tsy efa nisasa.
Maro koa ny fomban-drazana hafa noraisiny hotanana
dia ny fanasana ny kapoaka, ny tavoara, ny fanaka varahina, ary ny farafara fihinanana. —
Ka dia nanontany Azy ny Farisianina mbamin’ny mpanora-dalàna nanao hoe:

“Nahoana ny mpianatrao no tsy mitandrina ny fanaon-drazana,
fa mihinana amin’ny tanana tsy misasa?”

Ary hoy ny navaliny azy ireo:

“Marina tokoa ny naminanian’i Izaia anareo mpihatsaravelatsihy
araka ny voasoratra hoe:

‘Ity firenena ity manaja Ahy amin’ny molony,
fa manalavitra Ahy ny fony;
koa foana ny ivavahan’ireo amiko satria didin’olombelona no ataony fampianarana.’

Ny didin’Andriamanitra afoinareo,
fa ny fanaon’ny olona kosa tananareo toy ny manasa tavoara sy kapoaka,
ary manaraka fomba maro toy izany koa ianareo.”

Dia hoy Izy taminy:

“Marina fa nofoananareo tokoa ny didin’Andriamanitra
mba hitandremanareo ny fomban-drazanareo.
Fa hoy i Môizy:

‘Manajà ny rainao sy ny reninao; ary koa:
Izay hanozona ny rainy na ny reniny dia hohelohina ho faty’.

Fa hoy kosa ianareo:

‘Raha misy milaza amin’ny rainy na amin’ny reniny hoe:
Ny zavatra izay tokony hoentiko manampy anao dia efa Kôrbana
izany hoe: fanatitra ho an’Andriamanitra’,

dia tsy avelanareo hanao na inona na inona ho an’ny rainy na ny reniny intsony,
ka dia foananareo amin’ny fanaon-drazana asainareo tandremana ny tenin’Andriamanitra;
sady maro koa ny zavatra toy izany ataonareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...