Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo 5, 5-6. 8-13)

Misy telo no manambara ety an-tany, dia ny Fanahy sy ny rano sy ny ra.

Ry malala,
iza àry no maharesy an’izao tontolo izao,
afa-tsy izay mino fa i Jesoa no Zanak’Andriamanitra?
Dia Izy no ilay avy tamin’ny rano sy ny ra,
tsy tamin’ny rano ihany,
fa tamin’ny rano sy ny ra, ary ny Fanahy no manambara,
satria ny Fanahy no fahamarinana.
Misy telo no manambara ety an-tany,
dia ny Fanahy sy ny rano sy ny ra;
ary mifanaraka tsara izy telo ireo.
Raha ny fanambaràn’ny olona aza raisintsika
mainka fa ny fanambaràn’Andriamanitra,
izay lehibe lavitra;
ary ny fanambaràn’Andriamanitra,
dia ny nanambaràny ny Zanany indrindra.
Koa izay mino ny Zanak’Andriamanitra
dia manana izany fanambaràna izany ao anatiny;
fa izay tsy mino kosa
dia mampandainga an’Andriamanitra
satria tsy mino ny fanambaràny ny Zanany.
Ary izany fanambaràna izany dia izao:
nomen’Andriamanitra ny fiainana mandrakizay isika,
ary ao amin’ny Zanany izany fiainana izany.
Koa izay manana ny Zanaka dia manana ny fiainana;
fa izay tsy manana ny Zanak’Andriamanitra kosa,
dia tsy manana ny fiainana.
Izaho no nanoratra izany aminareo,
dia ny mba hahafantaranareo
fa manana ny fiainana mandrakizay ianareo
izay mino ny Anaran’ny Zanak’Andriamanitra.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 147, 12-13. 14-15. 19-20

Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema.

Ry Jerosalema, aoka ianao hiantsa,
derao Andriamanitra, ry Siôna!
Ilay manamafy ny vavahady,
miahy ireo ankizy ao anatinao.

Miantoka anao handry fehizay,
manetsaka anao mena-bary kanto:
mandefa ny didiny ho etý an-tany,
dia teny miriotra tsy hay tohaina.

Nametraka ny hafany ho an’i Jakôba,
ny didy aman-tsatany ho an’i Israely!
Tsy misy olon-kafa nomeny izany:
ny satany manko nafeniny azy.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ary ny Teny dia tonga nofo, ka nonina taty amintsika. Izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahazoana ho tonga Zanak’Andriamanitra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk 1, 6b-11)

Ianao no malalako indrindra, Ianao no ankasitrahiko.

Tamin’izany andro izany,
nitory teny i Joany Batista, ka nilaza hoe:

“Avy aoriako Ilay mahery noho Izaho,
ka tsy mendrika hiondrika hamaha ny fehinkapany akory aho.
Izaho nanao batemy anareo tamin’ny rano,
fa Izy kosa hanao batemy anareo amin’ny Fanahy Masina.”

Ary tamin’izany andro izany,
dia tonga avy any Nazareta, tanànan’i Galilea i Jesoa,
ka nataon’i Joany batemy tao Jordany.
Raha vao niala avy tao anaty rano Izy,
dia nahita ny lanitra nisokatra,
sy ny Fanahy Masina nidina tahaka ny voromailala,
nankeo amboniny,
ary nisy feo re avy tany an-danitra nanao hoe:

“Ianao no Zanako malalako,
Ianao no ankasitrahako.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

5 janoary 2024 — Zoma, Mialoha ny Nisehoan'ny Tompo — Fahiny tamin’ny fotoana sy ny fomba samihafa, dia efa niteny tamin’ny razantsika Andriamanitra tamin’ny vavan’ny mpaminany, fa amin’izao andro farany izao kosa indray, dia tamin’ny alalan’ny Zanany no nitenenany tamintsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo 1, 43-51)

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo 3, 11-21)

Niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana isika, satria tia rahalahy.

Ry malala,
araka ny teny azo sy renareo hatramin’ny voalohany
dia tsy maintsy mifankatia isika,
fa tsy mba hanahaka an’i Kaina
izay avy amin’ilay ratsy
ka namono nahafaty ny rahalahiny.
Ary ahoana moa no namonoany azy?
— Dia satria ratsy ny asany,
fa ny an’ny rahalahiny kosa dia marina.
Aza gaga, ry rahalahy,
raha halan’izao tontolo izao ianareo.
Isika dia mahalala fa niala tamin’ny fahafatesana
ho amin’ny fiainana, satria tia rahalahy.
Izay tsy tia kosa
mitoetra ao amin’ny fahafatesana.
Izay rehetra mankahala ny rahalahiny,
dia mpamono olona,
ary fantatrareo fa tsy misy mpamono olona
manana ny fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny.
Izao no nahafantarantsika ny Fitiavana:
nahafoy ny Ainy ho antsika Izy.
Koa tsy maintsy mahafoy ny aintsika
ho an’ny rahalahy koa isika.
Raha misy manankarena amin’izao fiainana izao,
ka mahita ny rahalahiny mahantra,
nefa mihirim-belona aminy,
ahoana no itoeran’ny fitiavana an’Andriamanitra ao anatiny?
Anaka,
aza tia am-bava sy amin’ny teny fotsiny,
fa amin’ny asa sy amin’ny fo tokoa.
Izany no hahafantarantsika
fa avy amin’ny marina isika,
sy hahazoantsika mampatoky ny fontsika
eo anatrehan’Andriamanitra.
Fa raha ny fontsika aza
manameloka antsika,
mainka fa Andriamanitra,
izay lehibe noho ny fontsika,
sady mahalala ny zavatra rehetra.
Ry malala,
raha tsy manameloka antsika ny fontsika,
dia mahazo manatona an’Andriamanitra amin-toky isika.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 99, 2. 3. 4. 5

Hobio ny Tompo, ry tany tontolo.

Hobio Izy Tompo, ry tany tontolo,
ka fo falifaly anompoana ny Tompo.
Tongava eo aminy, mihira miravo!

Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra,
fa Azy isika satria nohariany.
Sy tena vahoakany, ondry fiandriny.

Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra,
ny ao an-kianjany idiro amin-dera.
Derao Izy Tompo, ny Anarany isaory.

Miaiky isika fa tsara ny Tompo.
Fa mandrakizay ny fitiavany antsika,
amin’ny taona rehetra ny fahamarinany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fahiny tamin’ny fotoana sy ny fomba samihafa, dia efa niteny tamin’ny razantsika Andriamanitra tamin’ny vavan’ny mpaminany, fa amin’izao andro farany izao kosa indray, dia tamin’ny alalan’ny Zanany no nitenenany tamintsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo 1, 43-51)

Ianao no Zanak’Andrimanitra, Ianao no Mpanjakan’i Israely.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa dia niroso nankany Galilea,
ary nifanena tamin’i Filipo Izy
ka nanao taminy hoe:

“Manaraha Ahy.”

Avy ao Betsaïda,
tanàna niavian’i Andre sy i Piera ihany koa i Filipo.
I Filipo kosa nifanena tamin’i Natanaely
ka nanao taminy hoe:

“Efa hitanay ilay voalazan’i Môizy
tao amin’ny Lalàna sy nambaran’ny mpaminany,
dia i Jesoa zanak’i Jôsefa avy any Nazareta.”

Ka hoy i Natanaely taminy:

“Moa mba mety hisy zava-tsoa va
avy any Nazareta?”

Dia hoy i Filipo taminy:

“Avia, ary zahao.”

Nony nahita an’i Natanaely
tamy nanatona Azy i Jesoa,
dia nilaza azy hoe:

“Io no tena Israelita tokoa,
izay tsy misy fitaka.”

Ka hoy i Natanaely taminy:

“Ahoana no nahalalanao ahy?”

Ary hoy ny navalin’i Jesoa azy:

“Talohan’ny niantsoan’i Filipo anao,
dia hitako tao ambanin’ny aviavy ianao.”

Dia namaly Azy i Natanaely ka nanao hoe:

“Raby ô,
Ianao no Zanak’Andriamanitra,
Ianao no Mpanjakan’i Israely.”

Ary hoy i Jesoa taminy.

“Mino ianao satria nilazako
fa hitako tao amin’ny ambanin’ny aviavy ianao;
mbola hahita zava-dehibe noho izany aza ianao.”

Dia hoy koa Izy:

“Lazaiko marina dia marina aminareo,
fa hahita ny lanitra misokatra
sy ny Anjelin’Andriamanitra miakatra sy midina
ao ambonin’ny Zanak’Olona ianareo.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

4 janoary 2024 — Alakamisy, Mialoha ny Nisehoan'ny Tompo — Andro masina no manazava antsika: tongava, ry firenena, ary avia hitsaoka ny Tompo ; satria nidina ety ambonin’ny tany ny Hazavana lehibe — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo 1, 35-42)

Mba hampirindra ny fiainana ao an-tokontrano ao dia isan'ny fototra lehibe ny fametrahana sy fanaharana fitsipika izay mahakasika ny tsirairay mandrafitra ny atao hoe fianakaviana. Taloha dia toa-teny ny ray aman-dreny fa ankehitriny dia ny zanaka indray no mibaiko, ary teraka ho azy ny adiady. Ilaina ny mametraka fitsipika izay midika ho lamina harahina, io ihany koa no mari-pamatarana na mikendry soa iombonana ny mpikambana iray na tsia amin'ny hataony. Ny fitsipika dia : manampy ny rehetra, mampihena ny fifandirana, mampitombo ny fifanajana sy ny fifankatiavana, mampitodika amin'ny soa iombonana, manamafy ny fifampitokisana. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe Madagasikara...

3 janoary 2024 — Alarobia, Mialoha ny Nisehoan'ny Tompo — Tonga nofo ny Teny, ka nonina tatý amintsika. Izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahazoana ho tonga zanak’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo 1, 29-34)

2 janoary 2024 — Talata, Mialoha ny Nisehoan'ny Tompo — Fahiny imbetsaka Andriamanitra no niteny tamin’ny razantsika tamin’ny vavan’ny Mpaminany; nony farany, amin’izao androntsika izao kosa, dia ny Zanany mihitsy no itenenany amintsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo 1, 19-28)

1 janoary 2024 — Masina Maria Renin'Andriamanitra — Fankalazana manetriketrika — Fahiny, tamin’ny fomba samihafa, dia efa niteny tamin’ny razantsika Andriamanitra, tamin’ny vavan’ny Mpaminany; fa amin’izao andro farany izao kosa, dia tamin’ny alalan’ny Zanany no nitenenany tamintsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 2, 16-21)

Ny atao hoe fahendrena amin'ny Soratra Masina dia mahasahana zavatra maro : Fahaiza-manao "savoir faire", tsy mbola miresaka fitondran-tena fa resaka fahalalana sy hakingana ary fahaiza-manao ; fahakingana eo am-panaovana asa iray (1R 7, 14) feno fahendrena amam-pahiratan-tsaina sy fahakingana izy, mba hanao ny asa isan-karazany ; olon-kendry ; mahay mitondra tena.  Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina. 

♦ Mahazo laka indray ankehitriny ny tsy fandriampahalemana any amin'ny tapany andrefana amin'ny Faritry Vakinankaratra. Raim-pianakaviana iray no maty alina tao amin'ny kaominina Anjomahandramaritina noho ny fanafian'ny andihan-jiolahy miisa 50 lahy mirongo fitaovam-piadiana... ♦ Handray anjara amin'ny fifidianana Ben'ny tanona sy ny mpanolontsaina vinavinain'ny CENI hatao ny volana marsa 2024, ny antoko Humaniste Ecologiste, kaominina 12 no efa nahitan'izy ireo kandidà amin'izao fotoana izao... ♦ Nahazo fitaovana ara-pambolena nafarana avy any Japon hampiroboroboana ny sehatr'asa hataony eto Madagasikara ny tetik'asa ny Papriz ; notanterahana teny Nanisana ny lanonana fanolorana izany...

Ny safidy ihany sy ny fanajana azy no ahitana filaminana, fandrosoana ary fahatsaram-piainana. Maniry ny Malagasy mba hanana safidy ary hanaja ny safin'ny hafa. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Handrasana anio ny fehin-kevitra farany amin'ny fihaonambe karakarain'ny Antenimiera Ray aman-dreny Foko Malagasy. Izy ireo izay mitaky ny hanoloana ny rafitra hitodràna ny firenena... ♦ Nolanian'ny solombavambahoaka ny volavolan-dalàna natolotry ny governemanta ahafahana mameno ny efatra amin'ireo tolo-kevitra lehibe miisa enina natolotry ny Vondrona iraisam-pirenena ho an'ny asa ara-bola na GAFI. Lalàna manova sy mameno ny andininy sasany amin'ny lalàna momba ny ady amin'ny famotsiam-bola sy ny famatsiana asa fampihorohoroana... ♦ Tsy andraikitry ny rafitra vitsivitsy fotsiny ny fiantohana ara-tsakafo hoy ny FAO. Manentana ny isan-tokantrano hampiasa ny toerana misy hambolena...

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...