Taratasy voalohan’i Masindahy Piera Apôstôly (1 Pier. 5, 1-4)
Ry malala,
mihanta amin’ny Pretra eo aminareo aho,
dia izaho izay Pretra toa azy koa,
sy vavolombelon’ny fijalian’i Kristy,
ary mpiombona amin’ny voninahitra izay haseho koa:
fahano ny ondrin’Andriamanitra napetraka hiandraiketanareo;
aoka ianareo hitandrina azy ireo,
tsy an-terivozona fa an-tsitrapo araka an’Andriamanitra;
tsy amim-pitiavam-bola fa an-jotom-po;
tsy amim-pizakazakana ny Eglizy,
fa amim-pisehoana ho fakan-tahaky ny ondry;
ka rahefa miseho ilay Filohan’ny mpiandry,
dia handray satroboninahitra tsy mety simba ianareo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 22, 1-3a. 3b-4. 5. 6
Ny Tompo miandry ahy: tsy orin’inona aho:
izaho ampiraotiny amin’ny vilo-maitso,
entiny amin’ny rano manala sasatra,
velombelominy fanahy.
Tarihiny amin’ny lala-marina noho ny Anarany!
Na mamaky lohasaha maizina aza aho, tsy matahotra izay loza:
satria Ianao miaraka amiko;
ny kibay aman-tehinao mampatoky ahy!
Rosoanao sakafo
eo imason’ny rafiko aho:
ka ny loha mitavona ilo,
ny kapoaka safomorona!
Eny, hatsaram-po sy hasambarana
no manjohy amin’ny fiainana tontolo;
ny tranon’ny Tompo no fonenana
taona maro mifandimby.
Aleloia. Aleloia.
na: Dera sy haja ho anao, ry Jesoa Tompo. (Karemy)
Ianao no Piera (vato), ary eo ambonin’izany vatotampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 13-19)
Tamin’izany andro izany,
nony tonga tany amin’ny faritany atao hoe: Sezarean’i Filipo i Jesoa,
dia nanontany ny mpianany nanao hoe:
“Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’Olona?”
Ary hoy ireo:
“Ny sasany manao hoe: i Joany Batista,
ny sasany i Elia,
ary ny sasany i Jeremia, na ny anankiray amin’ny mpaminany.”
Dia hoy i Jesoa taminy:
“Fa ianareo kosa, ataonareo ho iza Aho?”
Namaly i Simôna Piera ka nanao hoe:
“Ianao no i Kristy Zanak’Andriamanitra velona.”
Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:
“Sambatra ianao, ry Simôna zanak’i Joany,
fa tsy ny nofo aman-dra no nanambara izany taminao,
fa ny Raiko izay any an-danitra.
Ary Izaho milaza aminao fa ianao no Piera (vato),
ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko,
ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy.
Homeko anao ny fanalahidin’ny Fanjakan’ny lanitra,
ka izay rehetra hofehezinao ety an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra,
ary izay rehetra hovahanao ety an-tany dia ho voavaha koa any an-danitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe i Mompera Jean Désiré Razafinirina... ♦ Navoakan'ny CENI omaly ireo volavolan-tetiandrom-pifidianana amin'ity taona ity. Hotanterahana mialohan'ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolontsaina ny an'ireo Solombavambahoaka... ♦ Tsy ankasitrahan'ny Amnesty International ireo sazy vaovao anatin'ny lalàna ampiharina amin'ireo mpanolana zaza tsy ampy taona. Naneho hevitra momba izany ny solontenany aty atsinanana sy atsimon'i Afrika... ♦ Mbola nanamafy ny hitohizan'ny fanafihana any amin'ny Bande de Gaza ny praiministra israeliana, omaly. Teratany palestiniana 52 isa indray no namoy ny ainy tany Rafa, vokatry ny hetsika ara-miaramila nataon'i Israel...
♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe, androany 12 febroary 2024, i P. Jean Désiré Razafinirina, pretra diôsezanina avy ao Toliara... ♦ Hotontosaina ny 29 mey 2024, ny fifidianana Solombavam-bahoka; ary ny 6 nôvambra 2024, ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina, raha ny vinavina tetiandro nambaran'ny CENI androany... ♦ Hiara-miasa amin'ny fanamafisana ny fahaiza-manaon'ny mpianatra, sy ny fampidirana azy ireo eo amin'ny sehatry ny asa avy hatrany, ny Ivonteorana fanofanana araka asa ASFIFO, sy ny Université Catholique de Madagascar...
♦ Notendren'ny Papa François, androany 12 febroary 2024, ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe, i Mompera Jean Désiré Razafinirina... ♦ Aina mamelona sy manamafy ny fifandraisan'ny fianakaviana amin'Andriamanitra, ny vavaka. Io no tari-dàlana pastôraly, natolotry ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison, entina hifanentanana amin'ny mpino rehetra eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, amin'ity taona 2024 ity... ♦ Nankalazaina omaly ny Andro Maneran-tany ho an'ny Marary andiany faha-32. Samy nanana ny fanamarihana izany ny isan-diôsezy...
Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe, androany 12 febroary 2024, i Mompera Jean Désiré Razafinirina, pretra diôseziana, avy ao Toliary, Rektoran'ny Seminera Zokiny, Masindahy Jean Baptiste, Vohitsoa-Fianarantsoa.Teraka ny 5 mey 1975 tao Manombo-Atsimo, Toliara-II i Mompera Jean Désiré. Ny taona 1994 ka hatramin'ny taona 1997 izy no nandalina ny filôzôfia tao amin'ny Seminera zokiny, Vohitsoa-Fianarantsoa. Rehefa vita ny roa taona nanaovany ny "stage de régence" dia niverina tao Vohitsoa izy nandalina ny Teôlôjia, ny taona 1999 ka hatramin'ny 2002...
♦ Efa eny am-pelan-tanan'ny governemanta ny vinavina amin'ny datim-pifidianana avy amin'ny CENI. Hotanterahana amin'ny 29 mey izao ny fifidianana solombavambahoaka ary ny 6 novambra ny fifidianana kaominaly... ♦ Tafiditra ao anatin'ny kajikajy pôlitika ny vinavina amin'ny tetiandrom-pifidianana navoakan'ny CENI hoy ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa... ♦ Arahanao ato anatin'izao vaovao izao ny famintinan'ny Pr Armand Rasoamiaramanana ny zavatra niainany tamin'ny 11 febroary 1975... ♦ Nanaiky hihaona eo ambany fanarahamason'ny firenena mikambana ireo vondrona 2 mpifanandrina any Soudan...
Boky Jenezy (Jen. 9, 8-15)
Taorian’ny safo-drano Andriamanitra
niteny tamin’i Nôe sy ny zanany niaraka taminy nanao hoe:
“Izaho dia hanao fanekem-pihavanana aminareo sy amin’ny taranaka mandimby anareo,
amin’ny zava-manana aina rehetra izay eo aminareo,
na vorona, na biby fiompy, sy ny bibin’ny tany rehetra,
hatramin’izay nivoaka avy tao an-tsambo fiara ka hatramin’ny biby rehetra ambonin’ny tany.
Manao fanekem-pihavanana aminareo aho:
tsy hisy levon’ny safo-drano intsony ny nofo rehetra,
ary tsy hisy safo-drano handringana ny tany intsony”.
Dia hoy Andriamanitra:
“Ity no famantarana ny fanekena nataoko ho amiko sy ho aminareo
mbamin’ny zava-manana aina rehetra izay ao aminareo,
amin’ny taranaka ho avy rehetra:
Nataoko eo amin’ny rahona ny avako, ka ho tonga famantarana ny fanekena amiko, sy amin’ny tany.
Ka rehefa hampiangona rahona ambonin’ny tany Aho,
dia hiseho eo amin’ny rahona ny avana ka hotsarovako ny fanekena misy amiko sy aminareo
mbamin’ny zava-manana aina rehetra, ny nofo rehetra,
ka dia tsy hisy rano hanjary safo-drano mandringana ny nofo rehetra intsony”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 24, 4bd-5ab. 6-7bd. 8-9
Ny lalanao, ry Tompo, atoroy ahy;
ampianaro ahy ny soritrao.
Ny fahamarinanao itarihana ahy,
ianao no Andriamanitra Vonjiko.
Tsara sy mahitsy ny Tompo:
ny mpanota toroany lalana,
ny ory entiny amin’ny marina,
asehony azy ireo ny lalany.
Ny lalany: fahamarinana, fitiavana
amin’izay mitandrina ny fanekeny.
Izay matahotra ny Tompo tsy anafenany:
atorony azy ny fanekeny.
Taratasy voalohan’i Masindahy Piera Apôstôly (1 Pi. 3, 18-22)
Ry kristianina havana,
na i Kristy aza niaritra fahafatesana indray mandeha noho ny otantsika, dia Izy marina ho an’ny tsy marina,
mba hanolorany antsika amin’Andriamanitra, ka novonoina tamin’ny nofo Izy,
fa novelomina tamin’ny fanahy.
Ary tamin’io fanahy io ihany koa no nandehanany nitory teny tamin’ireo fanahy tao an-tranomaizina,
dia ireo fanahy tsy nino fahiny, fony niandry ny fahari-pon’Andriamanitra tamin’ny andron’i Nôe,
mandritra ny nandrafetana ny sambo fiara, izay nampidirana olona vitsivitsy, dia valo monja,
sy namonjena azy ireo tamin’ny safo-drano.
Ary amin’ny rano ihany koa ankehitriny, dia amin’ny Batemy izay tenan’io tandindona io,
sy tsy fanadiovana ny loton’ny vatana, fa fangatahana fo tsara amin’Andriamanitra,
no amonjena anareo noho ny nitsanganan’i Jesoa Kristy ho velona,
dia ilay nandevona ny fahafatesana mba hahatonga antsika ho mpandova ny fiainana mandrakizay,
ary efa lasa any an-danitra, mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra, eken’ny Anjely sy ny fahefana ary ny hery.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Voninahitra anie ho Anao, ry Kristy, Tenin’Andriamanitra.
Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra.
Voninahitra anie ho Anao, ry Kristy, Tenin’Andriamanitra
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 12-15)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa dia nentin’ny Fanahy ho any an’efitra, ka nitoetra tany efapolo andro
dia nalain’i Satana fanahy sy niara-nitoetra tamin’ny bibidia,
ary ny Anjely nanompo Azy.
Ary rahefa natao an-tranomaizina i Joany,
dia nankany Galilea i Jesoa nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra,
ka nanao hoe:
“Tonga ny fotoana, ary efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra;
mibebaha ianareo ary minoa ny Evanjely”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Andrasana anio ny ho fizotry ny fifidianana solombavambahoaka sy ny fifidianana eo anivon'ny kaominina. Hitafa amin'ny mpanao gazety eny amin'ny foiben-toerany eny Alarobia amin'izao maraina izao ny CENI... ♦ Fanilo miampita ho an'ireo mpitandro ny filaminana ankehitriny ary afo tsy maty mampiredareda ny fitiava-tanindrazana ny toe-tsain'ny Kôlônely Ratsimandrava Richard. Feno 49 taona omaly ny namonoana azy teny Ambohijatovo... ♦ Fotoana tsara hamoahana ny tena marina momba ny raharaha Ratsimandrava izao ary tsy tokony handratra ny fahalalana izany, hoy Pr Armand Rasoamiaramanana izay vavolombelona voalohany nohenoina tamin'iny raharaha iny...
♦ Kasain'ny Fitsaràna Malagasy ho gadraina mandritra ny 150 taona ve i Mbola Rajaonah, hoy ny fanontaniana napetraky ny Mpisolovava azy ny Maître Eric Mihaja Rafidison... ♦ Nahitana olona roa velona soamantsara sy razana miisa fito hafa ilay lakana dobo an-dranomasina tao Nosivarika saika hiazo an'i Mananjary... ♦ Manentana ny olona ho mailo amin'ny mety firodanan'ny trano, fihotsahan'ny tany, aorian'ny fisian'ny rotsak'orana tahaka izao, ny tale jeneralin'ny Birao nasiônaly misahana ny fitantanana ny tandindon-doza sy ny loza na ny BNGRC...
Alahady fahaenina tsotra mandavan-taona : Sitrana ny boka ; Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana hoy ny Tompo, tsy misy olona makany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako. Evanjely masina nosoratan'i Md Marka 1, 40-.45 : Ary nisy boka anankiray nanatona azy nandohalika teo anatrehany ka nitaraina taminy nanao hoe: Raha mety hianao dia mahay manadio ahy. Nangoraka azy Jesoa ka naninjitra ny tànany, dia nanendry azy sy nanao taminy hoe: Mety aho, madiova hianao... Ny vakin-teny anio dia miresaka ny lalàna sy ny momba ny boka izay tsy maintsy miseho amin'ny mpisorona manamarina fahasitranany... Maro ireo haboka ara-panahy mahazo ny olombelona ka izay no ezahina tsaboina ao amin'ny Tompo.
♦ Miantso ny hanafainganana ny famoahana ny didim-panjakàna fampiharana ireo lalàna vao nolaniana ny filohan'ny antenimieran-doholona, raha nanasongadina ny olana iainan'ny vahoaka amin'ny ankapobeny ny filohan'ny antenimieram-pirenena amin'ny fotoam-pamaranana ny fivoriana tsy ara-potoanan'izy ireo omaly... ♦ Nitokana foto-drafitr'asa maro tany amin'ny Faritra Alaotra Mangoro ny filoha Rajoelina Andry... ♦ Hiroso amin'ny fanavaozana ny votoatin'ny fandaharam-pampianarana ho an'ireo sekoly fampianarana teknika sy fanofanana arak'asa ny ministeran'ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak'asa... ♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i Robert Banditer...
♦ Mirongatra ny tsy fandriam-pahalemana, midangana ny vidim-piainana. Isan'ny noresahan'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, Christine Razanamahasoa izany androany, raha namarana ny fivoriana tsy ara-potoan'ny Antenimieram-pirenena izy. Tsy hanelingelina ny Governemanta kosa ny Antenimieran-doholona, hoy ny Jeneraly Ravalomanana Richard... ♦ Hatao faritra manokana, hisitaka amin'Alaotra ny ao Mangoro, misy ny Distrikan'i Moramanga sy Anosibe an'Ala. Fantatra izany androany, nandritra ny lahatenin'ny Filoham-pirenena, nitokana zava-bita maro tao amin'ny Distrikan'i Moramanga...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco