♦ Manentana ny olona hikolo ny fifandraisana amin'ny marary, ny Papa François, amin'ny fankalazana ny Andro Maneran-tany faha-32 ho an'ny Marary... ♦ Hotanterahana ny 10 sy ny 11 febroary 2024, ny fivoriambe voalohany amin'ity taona ity, ho an'ny Filankevitra Fitondrana ny Vahoakan'Andriamanitra, eto Antananarivo... ♦ Fahakiviana ara-panahy sy fanakanana ny olona tsy hiaina am-pifaliana ny alahelo, hoy ny Papa François tamin'ny Audience générale farany teo...
♦ Namerina indray ny maha sehatra ifanakalozana sy ifanatonana ny Antenimieram-pirenena, ny Filohan'ity andrim-panjakana ity, Christine Razanamahasoa, nandritra ny lanonam-pamaranana ny fivoriana tsy ara-potoana androany... ♦ Nomem-boninahitra manokana nandritra ny fetin'ny Orchidées andiany faha-28, izay tanterahana ao amin'ny Conservatoire Princesse de Galles, any Londres, ny hakanton'ny harena voajanaharin'i Madagasikara... ♦ Nandray andraikitra manoloana ny firongatr'ireo olona voasarika sy voambaka amin'ny hypnose, ny mpitandro ny filaminana ao Betafo...
♦ Niakatra ho 3.340 miliara Ariary ny vola ahiana ho tafiditra amin'ny famotsiam-bola, tamin'iny taona 2023 iny, araka ny tatitra nataon'ny SAMIFIN. Eo amin'ny sehatra fanafarana entana no tena isehoan'izay famotsiam-bola izay... ♦ Hikatona ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eny Anosy anio, noho ny fambolen-kazo karakarain'ny Minisiteran'ny Fitsarana... ♦ Miisa 150 ireo teratany Malagasy tratra nanjono tany amin'ny fari-dranomasin'ny Nosy Seychelles. Andrasana anio ny fahatongavan'izy ireo eto Madagasikara, hanaovana fanadihadiana...
♦ Nitombo 950 miliara Ariary ny vola nofotsiana teto Madagasikara tamin'iny taona lasa iny, mitaha ny tamin'ny taona 2022, raha ny tatiry ny SAMIFIN androany... ♦ Nisy mpanjono teratany Malagasy 150, tratran'ny fanjakana Seychellois, rehefa nanjono tany amin'ny fari-dranomasiny. Hampodiana sy hanaovana fanadihadiana eto Madagasikara izy ireo, hoy ny Minisitry ny Jono, androany... ♦ Mbola tsy misy choléra eto Madagasikara. Efa noraisina ny fisorohana rehetra, toy ny famafazana ranom-panafody ireo sambo sy fiaramanidina miditra eto amintsika, hoy ny tatitry ny Filankevitry ny Minisitra...
Taratasy nosoratan’i Masindahy Jakôba Apôstôly (Jak. 1, 12-18)
Sambatra ny olona izay maharitra ny fizahan-toetra;
fa rahefa voazaha toetra izy, dia handray ny satro-boninahitry ny fiainana,
izay nampanantenain’Andriamanitra homena izay tia Azy.
Aoka izay alaim-panahy tsy hisy hanao hoe:
“Andriamanitra no maka fanahy ahy.”
Fa Andriamanitra tsy azo alaim-panahy ho amin’ny ratsy, sady tsy maka fanahy olona.
Fa isam-batan’olona dia samy taomin’ny filan-dratsy,
izay manjono sy mitarika azy tsirairay avy.
Ny filan-dratsy kosa, rahefa torontoronina, dia miteraka ota,
ary ny ota, rahefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana.
Aza diso hevitra, ry kristianina havana:
ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fahasoavana tanteraka rehetra dia avy any ambony,
ka midina avy amin’ny Rain’ny fahazavana,
izay tsy manam-piovaovana, na aloka avy amin’ny fihodinana.
Niteraka antsika an-tsitrapo tamin’ny tenin’ny fahamarinana Izy,
mba ho santatry ny zava-boaariny isika.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 93, 12-13a. 14-25. 18-19
Sambatra ny olona izay anarinao, ry Tompo,
sy ampianarinao ny Lalànao,
mba tsy hanahiahy amin’ny andro fahoriana,
raha hihadiana longoa ny olon-dratsy.
Fa ny Tompo tsy hahafoy ny Vahoakany,
na handao ny Lovany:
ka ny olo-marina hahazo ny rariny,
ny mahitsy fo no handresy lahatra.
Vao lasa ny teniko hoe: “Mibolisatra ny tongotro!”
ny Hatsaram-ponao, ry Tompo, no avy nananty!
Raha maro loatra ny ahiahy ato anatiko,
ny fampiononanao no mampifaly ny fanahiko!
Aleloia. Aleloia.
Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 14-21)
Tamin’izany andro izany,
nanadino tsy nitondra mofo ny mpianatra,
ka tsy nisy afa-tsy mofo iray monja teo an-tsambo kely.
I Jesoa kosa nananatra azy nanao hoe:
“Mitandrema tsara ianareo
fandrao azon’ny lalivain’ny Farisianina sy ny lalivain’i Herôda.”
Dia niara-nihevitra izy ireo ka nifampilaza hoe:
“Noho isika tsy manana mofo izay.”
Fantatr’i Jesoa ny heviny ka hoy Izy taminy:
“Ahoana no iheveranareo izay tsy fanananareo mofo?
Mbola tsy mahazo hevitra sy tsy mahazo saina ihany va ianareo?
Donto ny fonareo?
Mana-maso fa tsy mahita va ianareo? ary manan-tsofina fa tsy mahare?
Ary tsy mahatadidy va ianareo?
Raha nizara ny mofo dimy tamin’ny olona dimy arivo Aho,
firy no sobika feno ny sombintsombiny sisa tsy lany nangoninareo?”
Dia hoy ireo taminy hoe:
“Roa ambin’ny folo.”
Dia hoy i Jesoa:
“Ary raha nizara ny mofo fito tamin’ny olona efatra arivo,
firy no sobika feno ny sombintsombiny sisa tsy lany nangoninareo?”
Hoy ireo hoe:
“Fito.”
Dia hoy Izy taminy:
“Ka nahoana àry no mbola tsy mahalala ihany ianareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasy nosoratan’i Masindahy Jakôba Apôstôly (Jak. 1, 1-11)
Fiandohan’ny Taratasy nosoratan’i Masindahy Jakôba,
mpanompon’Andriamanitra sy i Jesoa Kristy,
miarahaba ny foko roa ambin’ny folo, izay miely any rehetra any.
Raiso ho fifaliana avokoa, ry Rahalahy,
ny fizahan-toetra samihafa rehetra midona aminareo,
satria fantatrareo fa ny finoanareo dia mahatonga fandeferana.
Ary aoka ny fandeferana homban’asa lavorary,
mba ho lavorary sy tonga ohatra ianareo,
ka tsy hisy zavatra tsy hanananareo.
Raha misy tsy manam-pahendrena aminareo,
dia aoka izy hangataka izany amin’Andriamanitra,
fa homeny azy tokoa izany;
satria sady manome malalaka ho an’ny olona rehetra Izy no tsy mba mandatsa.
Aoka anefa hangataka amim-pinoana izy, fa tsy hisalasala;
fa izay misalasala dia toy ny onjan-dranomasina atopatopa amana hetsiketsehin’ny rivotra.
Ka ny olona toy izany dia aza manampo hahazo zavatra amin’ny Tompo,
fa olona miroa saina sy mivadibadika amin’izay alehany rehetra.
Aoka ny rahalahy ambany toetra hanao ny fisandratany ho reharehany;
ary ny manan-karena kosa, ny fietreny ho voninahiny,
fa hihelina toy ny vonin’ny ahitra izy.
Nony miposaka ny masoandro mahamay, dia mandazo ny ahitra,
ka mihintsana ny voniny, ary levona ny hatsaran-tarehiny rehetra:
toy izany koa ny mpanan-karena, halazo amin’izay alehany izy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 118, 67-68. 71-72. 75-76
Talohan’ny nijaliako dia nivilivily aho
fa izao dia mitandrina ny Didinao!
Soa Ianao, ry Tompo, sady mpanisy soa:
ampianaro ahy ny Fitsipikao.
Soa ho ahy ny nomenao fijaliana,
mba hianarako ny Fitsipikao!
Soa ho ahy ny Lalàna avy amin’ny Vavanao:
mihoatra ny volamena sy volafotsy arivoarivo.
Fantatro, ry Tompo, fa rariny ny Fitsaranao:
ara-pahamarinana no ampahorianao ahy!
Hampionona ahy anie ny Hatsaram-ponao:
araka ny teninao tamin’ny mpanomponao.
Aleloia. Aleloia.
Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalànao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 11-13)
Tamin’izany andro izany,
nanatona an’i Jesoa ny Farisianina,
ka niady hevitra taminy sy nangataka famantarana avy any an-danitra taminy,
mba hakany fanahy Azy.
Dia nisento mafy Izy ka nanao hoe:
“Ahoana no itadiavan’ity taranaka ity famantarana?
Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy homena famantarana ity taranaka ity.”
Dia nilaozany izy ireo ka niondrana an-tsambo kely indray Izy nankeny ampita.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Misaona ny tontolon'ny zava-kanto eto Madagasikara. Nodimandry i Andry Balafomanga, mpiangaly ny gadona Rock. Teo anelanelan'ny taona 1980 sy 1990 no nampisongadina ny sangan'asany... ♦ Manameloka ny fampiasana fitaovam-piadiana amonoana ny mpiray tanindrazana noho ny tsy fitovian-kevitra ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Izay no nambarany nandritra ny fahatsiarovana ny 7 febroary 2009... ♦ Afaka miditra malalaka amin'ny tsenan'ny Vondrona Eraopeana indray ny lavanila malagasy. Averina ho 0,3 miligrama isaky ny kilao ny fetra farany ambony amin'ny tahan'ny nicotine amin'ny lavanila mahazo miditra any aminy...
Boky Levitika (Lev. 13, 1-2. 45-46)
Tamin’izany andro izany,
ny Tompo niteny tamin’i Môizy nanao hoe:
“Raha mamontsina ny hoditry ny olona anankiray na misy anakandro na miseho hodi-potsy,
ka tonga misy fery toy ny habokàna amin’ny hoditry ny nofony
dia hoentina mankeo amin’i Aarôna mpisorona izy,
na eo amin’ny iray amin’ireo zanany mpisorona.
Izay boka ferena dia hanao fitafiana norovitina,
ny volony harakaràkany, ny volombavany hosaronany,
ary izy hiantsoantso hoe:‘Maloto e! maloto e!’
Ho maloto izy mandritra ny andro rehetra haharetan’ny feriny.
Maloto izy, ka hitokana irery, any ivelan’ny toby”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 31, 1-2. 5. 11
Sambatra izay voavela heloka;
eny, sambatra ny olona afaka ota,
tsy itanan’ny Tompo hadisoana,
fa nitsotra tamin’ny fo manontolo.
Koa nitsotra taminao aho,
tsy nanafina hadisoana:
“Miaiky heloka aho, ry Tompo!”
ka noesorinao ny otako.
Mifalia ao amin’ny Tompo, ry olo-marina;
miravoa, mihobia, ry fo mahitsy!
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 10, 31 — 11, 1)
Ry kristianina havana,
na mihinana ianareo na misotro, na inona na inona ataonareo,
dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany.
Aza manao izay hanafintohina ny Jody, na ny Jentily, na ny Eglizin’Andriamanitra,
fa toy ny ataoko, dia manao izay hahafaly ny olona rehetra amin’ny zavatra rehetra aho,
ka tsy mitady ny ho an’ny tenako,
fa ny ho an’ny be sy ny maro,
mba ho voavonjy izy rehetra.
Makà tahaka ahy, toy ny akako tahaka an’i Kristy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 40-45)
Tamin’izany andro izany,
nisy boka anankiray nanatona an’i Jesoa,
nandohalika teo anatrehany ka nitaraina taminy nanao hoe:
“Raha mety Ianao dia mahay manadio ahy”.
Nangoraka azy i Jesoa ka naninjitra ny tanany
dia nanendry azy sy nanao taminy hoe:
“Mety Aho, madiova ianao”.
Vantany vao niteny Izy,
dia niala tamin-dralehilahy ny habokany ka nadio izy.
Dia nampandeha azy niaraka tamin’izay i Jesoa,
sady namepetra azy mafy nanao hoe:
“Tandremo,
aza milaza izany na amin’iza na amin’iza ianao,
fa mandehana misehoa amin’ny mpisorona,
ary noho ny nanadiovana anao dia manatera ny fanatitra nodidian’i Môizy,
mba ho vavolombelona amin’ny vahoaka”.
Kanjo nony lasa ralehilahy
dia nilazalaza izany sy nampiely izany hatraiza hatraiza,
hany ka tsy afa-niditra niharihary tao an-tanàna intsony i Jesoa,
fa nitoetra teny ivelany tamin’ny tany mangingina Izy,
ary nohatonin’ny olona avy eny tontolo eny.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky voalohan’ny Mpanjaka (1 Mpanj. 12, 26-32 ; 13, 33-34)
Tamin’izany andro izany, hoy i Jerôbôama anakampony:
“Mba mety ho tafaverina amin’ny tranon’i Davida ihany ny fanjakana izao.
Raha miakatra hanao sorona any an-tranon’ny Tompo any Jerosalema ny vahoaka,
hitodika ny fon’ity vahoaka ity hankany amin’ny Tompony indray, amin-dRôbôama mpanjakan’i Jodà,
dia hamono ahy ka hiverina amin-dRôbôama mpanjakan’i Jodà.”
Dia nandinidinika ny mpanjaka, ka nanao zanak’omby volamena roa
ary nilaza tamin’ny vahoaka hoe:
“Efa ela niakarana tany Jerosalema ianareo, ry Israely,
ity no andriamanitrao, izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta.”
Ny iray napetrany tao Betela, ary ny iray kosa tany Dana.
Nahatonga fahotana izany fa lasa hatrany Dana hivavaka amin’ny anankiray amin’ireo ny vahoaka.
Nanao trano ho fitoerana avo i Jerôbôama,
ary namorona mpisorona nalainy tamin’ny vahoaka fa tsy isan’ny taranak’i Levi.
Nisy fety noforonin’i Jerôbôama
tamin’ny volana fahavalo tamin’ny andro fahadimy ambin’ny folon’ny volana
ho fanahafana ny fety fanao amin’i Jodà,
dia nanatitra sorona teo ambony ôtely izy.
Toy izany no nataony tao Betela,
mba hanaovan’ny olona sorona amin’ireo zanak’omby nataony,
ary nampitoerany tao Betela ny mpisoron’ireo fitoerana avo, izay natsangany.
Taorian’izany zava-niseho izany,
mbola tsy niala tamin’ny lalan-dratsiny ihany i Jerôbôama,
fa mbola nanangana mpisoron’ny fitoerana avo, avy amin’ny vahoaka ihany izy,
ka na iza na iza tia izany, dia natokany ka tonga mpisoron’ny toerana avo izy.
Nampisy fahotana momba ny tranon’i Jerôbôama izany
ka io no antony nandringanana sy namongorana azy teto ambonin’ny tany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 105, 6-7a. 19-20. 21-22
Nanota toy ny razanay izahay,
nanao izay meloka sy ratsy!
Ny razanay tany Ejipta
tsy nahatsapa ny asanao mahagaga.
Tany Hôreba izy ireo nanao zanak’omby,
niankohoka tamin-tsary anidina.
Ilay voninahiny dia natakalony
sarin’ombilahy homana ahitra!
Hadinony Andriamanitra Mpamonjy azy,
Ilay nanao zava-dehibe tany Ejipta,
zava-mahagaga tany an-tanin’i Kama,
zava-mahatahotra teo an-dRiakan-Jozoro.
Aleloia. Aleloia.
Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 1-10)
Tamin’izany andro izany:
nony betsaka ny vahoaka sady tsy nanan-ko hanina
dia niantso ny mpianany i Jesoa ka nanao taminy hoe:
“Mampalahelo ahy ity vahoaka,
fa efa hateloana izay tsy nisaraka tamiko ka tsy manan-ko hanina;
ary raha ampodiko ho any an-tranony izy tsy mihinana dia ho reraka eny an-dalana,
fa avy lavitra ny sasany.”
Dia hoy ny mpianany namaly Azy:
“Aiza no hahitana mofo hahavoky ireo aty an’efitra?”
Ary Izy nanontany azy hoe:
“Manana mofo firy ianareo?”
“Fito”, hoy izy ireo.
Dia nasainy hipetraka tamin’ny tany ny vahoaka ary noraisiny ny mofo fito,
ka nony vita ny fisaorana dia novakìny, sy nomeny hozarain’ny mpianany,
ary nozarainy tamin’ny vahoaka.
Ary nanana hazandrano madinika vitsivitsy koa Izy,
ka notsofiny rano dia nasainy hozaraina.
Ary nihinana ny olona ka voky,
ary ny sombintsombiny sisa tsy lany nentiny dia nisy fito sobika.
Tokony ho efatra arivo anefa no nihinana; dia nampodiny.
Dia niondrana an-tsambokely niaraka tamin’izay Izy sy ny mpianany,
ka tonga tany amin’ny faritanin’i Dalmanotà.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky voalohan’ny Mpanjaka (1 Mpanj. 11, 29-32 ; 12, 19)
Tamin’izany andro izany,
raha nivoaka avy tao Jerosalema i Jerôbôama
dia nifanojo teny an-dalana tamin’i Ahiasa mpaminany,
avy any Silao, sy nitafy kapaoty vaovao:
izy roalahy ihany no tany an-tsaha tamin’izany.
Nalain’i Ahiasa ny kapaoty vaovao teny aminy,
ka norovidrovitiny ho roa ambin’ny folo, dia hoy izy tamin’i Jerôbôama:
“Raiso ho anao ny tapany folo,
fa izao no lazain’ny Tompo Andriamanitr’i Israely:Indro, hendahako avy eo an-tanan’i Salômôna ny fanjakana,
ka homeko anao ny foko folo, fa ny foko iray ihany no sisa azy,
noho ny amin’i Davida mpanompoko sy noho ny amin’i Jerosalema,
tanàna voafidiko tamin’ny fokon’i Israely rehetra.”
Toy izany no niendahan’i Israely tamin’ny tranon’i Davida mandraka androany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 80, 10-11ab. 12-13. 14-15
Tandremo mitsaoka andriamani-kafa.
Mandray ny andriamanitr’ireo vahiny;
f’izaho re no Tompo Andriamanitrao.
Nampakatra anao avy tany Ejipta.
Kinanjo ny oloko tsy nihaino.
I Israely nanosika Ahy!
Izao izy avelako hanao ny tiany.
Hanaraka tsara izay sitrapony.
Indrisy raha nihaino Ahy ireo olon-tiako.
Ka i Israely nanaraka Ahy:
dia ho noreseko ny fahavalo.
Ny rafy ho nasiako tokoa tokoa.
Aleloia. Aleloia.
Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 31-37)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niala tany amin’ny faritanin’i Tira,
ary namaky ny faritanin’i Sidôna
ka tonga tany amoron’ny ranomasin’i Galilea, amin’ny faritanin’i Dekapaoly.
Tao dia nisy lehilahy anankiray sady marenina no moana
nentin’izy ireo teo aminy sy nangatahany mba hametrahany tanana.
Dia nitondra azy niavaka tamin’ny vahoaka Izy,
ka nangarona ny sofiny tamin’ny rantsan-tanany sy nanisy rora ny lelany.
Rahefa izany dia niandrandra ny lanitra Izy,
sady nisento ary nanao taminy hoe:
“Efeta, izany hoe, misokafa.”
Niaraka tamin’izay dia nisokatra ny sofiny ary voavaha ny fatoran’ny lelany,
ka niteny tsara izy,
ary norarany ny olona tsy hilazalaza izany na amin’iza na amin’iza;
fa araka ny nandrarany azy ireo no vao mainka nampielezany izany kokoa aza;
sady talanjona loatra izy ireo ka nanao hoe:
“Tsara avokoa ny zavatra rehetra nataony,
fa nampalady ny marenina Izy ary nampiteny ny moana.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky voalohan’ny Mpanjaka (1 Mpanj. 11, 4-13)
Tamin’ny fahanteran’i Salômôna,
dia natongilan’ny vadiny ho amin’ny andriamani-kafa ny fony,
ka tsy mba an’ny Andriamanitra Tompony manontolo,
toy ny fon’i Davida rainy, ny fony,
fa nanaraka an’i Astarte andriamani-bavin’ny Sidônianina i Salômôna,
sy an’i Melkôma, fahavetavetan’ny Amônita.
Koa nanao izay ratsy teo imason’ny Tompo i Salômôna,
fa tsy mba manaraka an-tsakany sy an-davany ny Tompo tahaka an’i Davida rainy.
Tamin’izany nanorina fitoerana avo i Salômôna
teo amin’ny tendrombohitra tandrifin’i Jerosalema,
ho an’i Kamosa fahavetavetan’i Môaba,
sy ho an’i Molaoka, fahavetavetan’ny taranak’i Amôna.
Nanao toy izany koa izy ho an’ny vadiny hafa firenena rehetra,
izay nandoro zava-manitra sy nanatitra sorona ho an’ny andriamanitr’izy ireo.
Dia tezitra tamin’i Salômôna ny Tompo noho ny nivilian’ny fony
niala tamin’ny Tompo Andriamanitr’i Israely izay efa niseho taminy indroa,
sady efa nandrara azy ny amin’izany, mba tsy hanarahany andriamani-kafa,
nefa tsy nitandrina ny didin’ny Tompo izy.
Ka hoy ny Tompo tamin’i Salômôna:
“Noho izao fitondran-tenanao izao,
ka tsy mba nitandrina ny fanekeko sy ny lalàko izay nandidiako anao ianao,
dia hotsoahako marina tokoa eo an-tananao ny fanjakana, ka omeko ny mpanomponao.
Tsy hataoko amin’ny andronao anefa izany,
noho ny amin’i Davida rainao fa rahefa mby amin’ny zanakao vao hendahako aminy izy.
Ary tsy dia ny fanjakana manontolo koa aza no hoendahako,
fa hamelako foko iray ihany ny zanakao, noho ny amin’i Davida mpanompoko,
sy noho ny amin’i Jerosalema izay voafidiko.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 105, 3-4. 35-36. 37 sy 40
Sambatra izay mitandrina ny rariny,
sy manao ny hitsiny amin’ny fotoan-drehetra!
Tsarovy izahay, ry Tompo, izay tia ny vahoakanao!
Vangio amin’ny famonjenao izahay.
Niharo tamin’ireo firenena izy,
sady nianatra ny fanaony.
Ny sampin’izy ireo notompoiny,
ka tonga fandrika ho azy.
Nosoroniny ho an-dolo
ny zanany lahy aman-janany vavy.
Koa nirehetan’ny haviniran’ny Tompo ny Vahoakany,
tonga halany mainty ny Lovany.
Aleloia. Aleloia.
Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 24-30)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa, dia nankany amin’ny faritanin’i Tira sy Sidôna,
ary niditra tao an-trano anankiray,
fa tsy te-ho fantatr’olona, nefa tsy nahazo niery.
Fa vetivety foana dia nisy vehivavy anankiray
nanan-janakavavy azon’ny fanahy maloto nandre izany,
ka tonga niankohoka tamin’ny tongony.
Jentily avy amin’ny firenena Sirôfenisa ravehivavy,
ary ny nangatahiny taminy dia ny handroahany ny demony amin’ny zanany vavy.
Fa hoy Izy taminy:
“Aoka ho voky aloha ny zanaka;
fa tsy mety raha alaina ny mofon-jaza ka atsipy ny amboa.”
Dia namaly ravehivavy ka nanao taminy hoe:
“Marina izany, Tompoko,
kanefa ny amboa kely koa mba mihinana ny sombintsombin’ny mofon-jaza
ao ambany latabatra ihany.”
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Mandehana, fa noho izany teny izany,
dia efa niala tamin’ny zanakao vavy ny demony.”
Nony tonga tany an-tranony izy,
dia nahita ny zanany vavy nandry teo am-parafara
fa efa nialan’ny demony.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Filazam-baovao natokana ahatsiarovana an'i LALAINA NALINJARA... ♦ Nandefa taratasy fiaraha-miory amin'ny Fianakavian'i LALAINA NALINJARA sy ny mpiara-miasa eto anivon'ny radio Don Bosco ny Evekan'i Morondava... ♦ Mpiofana andian'ny faharoa tamin'ireo mpiasa Nampiodina ny radio Don Bosco, olona tsotra ary nahay nifandray tamin'ny mpiofana namany i LALAINA NALINJARA, mitatitra ny tsiaro i Harimalala Cyrille... ♦ Hoy ny mpiara-miasa : mandria amim-piadanana LALAINA NALINJARA...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco