Nandefa taratasy fiarahabana sy firarian-tsoa ho an'i Mgr Tomasz Grysa, Nonce apostolique vao voatendry hiasa eto Madagasikara ny Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka, Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina. Nambarany fa vonona amin'ny fiaraha-miasa ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara.
♦ Any amin'ny Diôsezin'i Mananjary indray no hotontosaina ny Andron'ny Lahika, amin'ny taona 2023... ♦ Ezaka ataon'ny Lahika tsirairay avy ny ho tonga fanasina, hanome tsiro mahavelona ny fiainana andavanandro, hoy ny hafatry ny Filohan'ny Vaomieran'ny Eveka Misahana ny Asa fanirahana ataon'ny Lahika, Mgr Jean de Dieu Raoelison... ♦ Zanaky ny Fiangonana miisa 677 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Vikaria Episkôpaly Afovoany, teny amin'ny kianjan'ny Kôlejy Masina Misely Amparibe...
♦ Voatendry ho Administrateur diocésain ho an'ny Diôsezin'Antsirabe, i P. Andrianandrainy Jeannot Martial... ♦ Fankalazana telo sosona no nanamarika ny alarobia 21 septambra 2022, ho an'ny Seminera Zandriny Ambohipo. Fankalazana ny faha-35 taona naha pretra an'i P. Alain Thierry Raharison, ny faha-15 taona naha pretra an'i P. Anselme Raveloarisoa ary fandraisana ny Recteur vaovao, P. Hervé Solofoarimanana... ♦ Mbola nafantoky ny Papa François tamin'ny fitsidihana apôstôlika faha-38 tany Kazakhstan, ny katesizy izay nataony tamin'ny Audience générale, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Piera...
♦ Diakra 29 no nohamasinina tao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ny sabotsy lasa teo. Nitohy tamin'ny fivahinianana masina izay fanao isan-taona ny fandaharam-potoana... ♦ Ho an'ny Arsidiôsezin'i Toamasina dia nankalazaina omaly ny faha-19 taona nijoroan'ny Aumônerie Catholique Sainte Croix Analakininina. Tamin'izany koa no nanokafana amin'ny fomba ôfisialy ny fankalazana ny faha-20 taonan'ny Fiangonana izay homarihana amin'ny taona 2023... ♦ Nandritra ny vavaka Angelus no nitondran'ny Papa François fampianarana mahakasika ny fiainana mandrakizay...
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ilay loholon’ny Farisianina nanasa Azy hoe: "Raha manasa olona hisakafo antoandro na hariva ianao, aza dia ny sakaizanao na ny rahalahinao, na ny havanao na ny mpanan-karena mifanakaiky aminao no asaina, fandrao asain’ireo koa ianao ka ho voavaliny izay nataonao taminy. Fa raha manao fanasana ianao, ny mahantra, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba, no asao: dia ho sambatra ianao, satria tsy mba manan-kavaly anao ireo; fa rahefa mby amin’ny fitsanganan’ny olo-marina vao hovaliana ianao."
Tamin’izany andro izany, ny Apôstôly nanao tamin’ny Tompo hoe: "Ampitomboy ny finoanay". Fa hoy ny Tompo: "Raha manam-pinoana ohatra ny voan-tsinapy iray ianareo dia mahazo milaza amin’io voaroihazo io hoe: ‘Miongota, ka mifindrà any amin’ny ranomasina’, dia hanaiky anareo izy. Ary iza moa aminareo no manana mpanompo miasa tany na miandry ondry avy any an-tsaha, no mba hilaza aminy hoe: ‘Metia faingana, ary mipetraha hihinana?’ Moa tsy izao aza no holazainy aminy: ‘Amboary ny sakafoko, ary misikîna hampihinana ahy mandra-pitsahatro avy mihinana sy misotro, fa raha efa izany vao hihinana sy hisotro ianao?’ Ary moa misaotra izany mpanompo izany akory va izy, satria nanao izay nasainy natao io? Ataoko fa tsy izany. Koa tahaka izany koa ianareo: rehefa vitanareo izay nandidiana anareo, dia lazao hoe: ‘Mpanompo tsy mahasoa izahay, fa izay tsy maintsy ho nataonay ihany no hany vitanay"
♦ Hotanterahana ny 24 sy 25 septambra 2022 any Ambatondrazaka ny Andro Nasiônaly ho an'ny Lahika... ♦ Mitondra aim-panahy sy fisokafana ho an'ny tanora ny fiatrehana ny JMJ Mada... ♦ Manentana ireo Trapista hiroso amin'ny lalina amin'ny fihainoana ny fanirian'i Kristy, ny Papa François...
Ny fahefana anaty dia ilay fanahy endrik'Andriamanitra ao amintsika olombelona. Raha iainana io fahefana anaty io dia hiova tanteraka ny fiainan'ny tsirairay. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
Ny fahefana anaty dia ilay fanahy endrik'Andriamanitra ao amintsika olombelona. Miavaka amin'ny zava-boary rehetra ny olombelona satria : Fanahy, Aina, Vatana. Aza ny sakana anaty no omena vahana fa manimba ny ho avy izany. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
Ilay ny mampiasa ilay fahefana anaty, izay ananan'ny tsirairay. Mba hiova sy hihatsara ny fiainan'ny olona iray dia tsy maintsy manao ezaka izy handresy ny sakana anaty, ary manome vahana ny fahefana anaty. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
Ny fahefana anaty dia fahefana ara-baiboly : " Fa velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra, ka maranitra noho ny sabatra roa lela, maninteraka ny fiavahan'ny aina sy ny fanahy, ary ny famavàny sy ny tsoka aza; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan'ny fo " hebrio 4, 12. Ny fahefana anaty dia azo hazavaina ara-tsiansa. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
♦ Ho fanamarihana ny faha-140 taona nitoriana ny finoana tao amin'ny EKAR Ankosy, Diôsezin'Ambositra, dia notsofin-drano omaly ny tsangambato lehibe : Lakroan'ny Fanavotana... ♦ Nosokafana tamin'ny sabotsy teo ny fankalazana ny faha-90 taona nahatongavan'ny fikambanan'ny Misionera Montfortains teto Madagasikara. Tany amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina no nanatanterahana izany... ♦ Hisokatra amin'ny fomba ôfisialy rahampitso ny "Centre Préventorium" izay tantanan'ireo Masera Ursulines any Analaroa, izay mandray sy mikarakara ireo zaza manana olana eo amin'ny taolana...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco