♦ Notanterahana ny sabotsy 18 jona 2022, ny fanatontosana ny horonan-tsary fanentanana momba ny JMJ Mada X, sy ny famoriana ny anjara biriky ho fizakana ny JMJ Mada X, ao Antsirabe... ♦ Nomarihana tao Mandritsara ny faha-70 taonan'ny Fikambanan-dry Masera Fo Masin'i Jesoa sy Fo Madion'i Maria... ♦ Hotanterahana ny 1 ka hatramin'ny 3 jolay 2022 ny Andron'ny Ankizy eto Antananarivo...
Ny 26 jona dia fety miavaka amin'ny Malagasy satria io no andro hanamarihana ny tsingerin-taona namerenana ny fahaleovan-tena. Ny lohahevitra : ” Ny fitiavako ny tanindrazako mamelona ny ambopom-pirenena”. Firariantsoa ho an'ny Malagasy 27 tapitrisa ny hoe : " ho fetim-pirenena hiainana ny "fahavanona" anie ity andro malaza ity ary ho fety sambatra ho antsika rehetra. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Tamin’izany andro izany, nisy olona iray tao amin’ny vahoaka nanao tamin’i Jesoa hoe: "Ry Mpampianatra, mba ilazao kely ny rahalahiko hizara ny lovanay amiko". Fa hoy i Jesoa taminy: "Ralehilahy ô, iza moa no nanendry Ahy ho mpitsara na ho mpizara aminareo?" Ary hoy Izy tamin’ny olona: "Tandremo tsara sao azon’ny fahihirana ianareo, fa ny ain’ny olona tsy miankina amin’ny habetsahan’izay ananany". Dia nanao fanoharana tamin’izy ireo Izy ka nanao hoe: "Nanan-tany nahavokatra be ity lehilahy mpanan-karena anankiray, ka velona eritreritra toy izao: ‘Inona re no hataoko, fa tsy manan-toerana hamoriako ny vokatro aho ity?’ Dia hoy izy: ‘Izao lahy no ndeha hataoko, horavàko ny toeram-bariko ka hanao lehibe kokoa aho, dia hangoniko ao daholo rehefa mety ho vokatro sy fananako rehetra, ary holazaiko amin’ny fanahiko hoe: Ry fanahiko, manam-pananana be ampy ho amin’ny taona maro ianao ka mialà sasatra, mihinàna, misotroa, manaova fihinanambe’. Fa hoy kosa Andriamanitra taminy: ‘Ry adala, anio alina ihany dia halana aminao ny fanahinao, ka ho an’iza àry izay novorînao?’ Toy izany ny olona izay manangon-karena ho an’ny tenany ihany, fa tsy mba mihary eo amin’Andriamanitra".
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe: "Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny harato nalatsaka tany anaty ranomasina, ka nanangona izao karazan-kazandrano rehetra izao: rahefa feno izy, dia nosarihana ho eny amoron-drano, ka nipetraka ny olona nifantina ny tsara hataony an-karona fa ny ratsy kosa nariany. Dia ho tahaka izany koa raha mby amin’ny fahataperan’izao tontolo izao: hivoaka ny anjely hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin’ny marina, ka hanipy azy any amin’ny memy mirehitra: any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify. Efa azonareo va izany?" Eny, hoy izy ireo taminy.
Dia nanampy teny indray Izy nanao hoe: "Koa ny mpanora-dalàna rehetra izay mahay tsara ny amin’ny fanjakan’ny lanitra àry, dia tahaka ny raim-pianakaviana izay mamoaka zava-baovao sy tranainy avy amin’ny fitoeran-drakiny." Nony tapitra izany fanoharana izany, dia niala teo i Jesoa.
Tamin’izany andro izany, dia nanatona an’i Jesoa ny renin’ny zanak’i Zebede mbamin’ny zanany lahy, ka nitsaoka Azy ary nangataka zavatra taminy. "Inona no irinao?" hoy i Jesoa taminy. Dia hoy izy: "Aoka ireto zanako roa lahy ireto mba hipetraka eo ankavananao ny anankiray ary eo ankavianao ny anankiray, ao amin’ny fanjakanao." Dia hoy ny famalin’i Jesoa: "Tsy fantatrareo izay angatahinareo. Moa mahasotro izay kapoaka hosotroiko va ianareo?" Hoy ireo taminy: "Efanay ihany." Ary hoy Izy taminy: "Raha ny amin’ny kapoakako dia hosotroinareo tokoa; fa raha ny amin’ny hipetraka eo ankavanako sy eo ankaviako, dia tsy Ahy ny hanome anareo izany, fa homena izay nanamboaran’ny Raiko azy." Ary nony nandre izany izy folo lahy, dia tezitra tamin’izy mirahalahy. Fa nasain’i Jesoa nanatona Azy izy ireo, ka nilazany hoe: "Fantatrareo fa ny mpanjakan’ny jentily mandidy azy mafy, ary ny lehibeny mifehy azy fatratra. Fa tsy mba ho tahaka izany aminareo; fa izay te-ho lehibe aminareo kosa no aoka ho mpanomponareo izy, ary izay te-ho lohany aminareo, no aoka ho mpanomponareo: dia tahaka ny Zanak’olona izany; fa Izy tsy tonga hotompoina fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nivavaka tao amin’ny toerana iray, ka nony nitsahatra Izy dia hoy ny mpianany anankiray taminy: "Mba ampianaro hivavaka izahay, Tompoko, tahaka ny nampianaran’i Joany ny mpianany". Ary hoy Izy taminy: "Raha mivavaka ianareo, manaova hoe: Ray ô, hohamasinina anie ny Anaranao. Ho tonga anie ny Fanjakanao. Omeo anay anio ny hanina ilainay isan’andro. Avelao ny fahotanay, fa izahay koa mamela izay rehetra nanao ratsy taminay. Ary aza avelanao ho resin’ny fitaoman-dratsy izahay".
Dia hoy indray koa Izy taminy: "Raha misy aminareo manan-tsakaiza mankao aminy misasaka alina ka manao aminy hoe: ‘Ry sakaiza, ampisambory mofo telo aho, fa misy sakaizako nandeha nivahiny ka tonga ao amiko, nefa tsy manan-katolotra azy aho’; ary ilay ao an-trano kosa hamaly ka hanao hoe: ‘Aza manahirana ahy, fa ny varavarana efa mihidy; izaho sy ny zanako efa tafandry ka tsy afaka hifoha hanome anao aho’. Lazaiko marina aminareo, fa raha maharitra mandondòna izy, na dia tsy hifoha hanome azy noho ny fisakaizany aza ilay ao an-trano, dia hifoha hanome izay ilainy noho ny fanaovany lemozy. Ary hoy Izaho aminareo: Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita; mandondòna, dia hovohaina. Fa izay rehetra mangataka no mahazo; izay mitady no mahita, ary izay mandondòna no vohaina. Iza aminareo no ray hanome vato ny zanany, raha mofo no angatahiny, na hanome bibilava azy, raha hazandrano no angatahiny, na hanome maingoka azy raha atody no angatahiny? Koa raha ianareo, na dia ratsy toy inona aza, mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo izay any an-danitra no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy?"
Tamin’izany andro izany, ny Tompo nifidy roa amby fitopolo lahy hafa koa tamin’ny mpianany, ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy, any amin’ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa halehany. Ary hoy Izy tamin’izy ireo: "Be ny vokatra, fa ny mpijinja no vitsy; koa mangataha amin’ny tompom-bokatra mba hanirahany mpiasa hijinja ny vokany. Mandehana; indro Aho maniraka anareo tahaka ny zanak’ondry eo afovoan’ny amboadia. Aza mitondra kitapom-bola na kitapo hafa, na kiraro, ary aza miarahaba olona akory any an-dalana. Amin’izay trano hidiranareo, dia milazà aloha hoe: Fiadanana anie ho amin’ity trano ity; ka raha misy zanaky ny fiadanana ao, dia ho ao aminy ny fiadanana lazainareo; fa raha tsy misy kosa, dia hiverina aminareo ihany izany. Ary mitoera amin’izany trano izany, ka mihinàna sy misotroa izay misy ao, fa mendrika ny karamany ny mpiasa. Aza mifindrafindra trano. Ary amin’izay tanàna hidiranareo, raha mandray anareo ny olona, dia hano izay atolony anareo; ary sitrano ny marary izay ao, ka lazao hoe: Efa mby akaiky anareo ny Fanjakan’Andriamanitra".
"Fa amin’izay tanàna hidiranareo koa nefa tsy mandray anareo ny olona, dia mankanesa eny an-kianja ka lazao hoe: Na ny vovoky ny tanànanareo nipetaka tamin’ny tongotray aza dia ahintsanay hiampanga anareo; fantaro anefa fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra. Lazaiko aminareo fa amin’izany andro izany, dia ho moramora kokoa ny ho amin’i Sôdôma, noho ny ho amin’izany tanàna izany".
Ary niverina tamin-kafaliana ny roa amby fitopolo lahy ka nanao hoe: "Tompo ô, na dia ny demony aza dia manaiky anay noho ny Anaranao", Dia hoy i Jesoa taminy: "Nahita an’i Satana nilatsaka avy tany an-danitra toy ny varatra Aho. Indro efa nomeko ny fahefana hanitsaka ny bibilava sy ny maingoka mbamin’ny hery rehetra ananan’ny fahavalo ianareo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory ireny. Tsy noho ny fanahy ratsy manaiky anareo anefa no tokony hifalianareo, fa noho ny anaranareo efa voasoratra any an-danitra no ifalio".
Tamin’izany andro izany, nankao amin’i Jesoa ny mpianatr’i Joany ka nanao hoe: "Nahoana izahay sy ny Farisianina no mifady hanina matetika, fa ny mpianatrao kosa no tsy mba mifady?" Ary hoy i Jesoa taminy: "Moa mahazo misaona va ny zanaky ny mpampakatra raha mbola eo aminy ny mpampakatra? Fa mbola ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra hiala aminy, ka amin’izay vao hifady hanina izy. Ary tsy misy olona manampina akanjo tonta amin’ny tapa-damba vaovao, fa handrovitra ny tonta ny vao ka hitatra ny rovitra. Ary ny barîka hoditra tonta tsy mba fasiana divay vaovao; fa raha izany, dia ho vaky ny barîka, ka ny divay raraka, ary ny barîka simba; fa ny barîka hoditra vaovao no fasiana divay vaovao, dia samy maharitra izy roroa."
♦ Notanterahana ny 8 jona 2022 ny Sorona Masina fanankinana ny fanahin'i Mgr Donald Pelletier, Eveka emeritan' i Morondava... ♦ Nantsoin'ny Ray hiaka sasatra eo anilany i P. Rasolofo José, pretra diôsezanina ao Toamasina... ♦ Tontosa ny 3 sy 4 jona 2022 ny fihaonamben'ny Vovonan'ny Akizy tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé...
Fotoanan'ny fety isan-karazany izao : ny fetim-pirenena, ny fetin'ny ray, koa aoka iainana ny fifanajana mba hisian'ny fifankativana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
♦ Tontosa omaly, tao Mangarano II, Diôsezin'i Toamasina ny fitokanana ny fiangonana EKAR Don Bosco sy ny Sekoly Dominique Savio, tantanan'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco... ♦ Ny 27 hatramin'ny 29 mey 2022 teo ny fanohanana ny Seminera, ho an'ny Diôsezin'i Tsiroanomandidy...
♦ Alim-bavaka, Eokaristia Masina ary dia mivavaka, no nanamarihana ny faha-150 taonan'ny Masera FMA, tamin'ny 24 mey 2022... ♦ Nankalazaina ny alahady 22 mey 2022, ny taom-bolamena niorenan'ny finoana katôlika tao Andranomagnitsy, distrika Ambahikily, Morombe... ♦ Hotanterahana ny 29 mey 2022, ny famaranana ny faha-100 taonan'ny Seminera Zandriny Ambohipo... ♦ Nandefa taratasy fiaraha-miory ho an'ny Arsevekan'i San Antonio, ny Papa François, tao aorian'ilay fitifirana nitranga tao amin'ny sekoly iray tany Texas...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco