4 septambra 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra faharoa amby roapolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 4, 16-30)

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 4, 13-18)

Amin’ny alalan’i Jesoa no hitondran’Andriamanitra ireo nody mandry hiaraka aminy koa.

Ry kristianina havana,
tsy tianay ny tsy hahafantaranareo ny amin’izay efa nody mandry,
sao dia malahelo toy ny sasany tsy manam-panantenana koa ianareo.
Fa araka ny inoantsika an’i Jesoa ho efa maty sy nitsangan-ko velona
no hitondran’Andriamanitra an’izay nody mandry hiaraka aminy koa,
amin’ny alalan’i Jesoa.
Ka izao no lazainay aminareo, araka ny tenin’ny Tompo:
Isika izay velona sy tavela ho amin’ny fiavian’ny Tompo,
dia tsy mba hialoha izay efa nody mandry tsy akory;
fa hisy baiko homena, sy feon’arkanjely, ary feon-trômpetran’Andriamanitra,
dia hidina avy any an-danitra ny tenan’Izy Tompo,
ka izay maty tao amin’i Kristy no hitsangana aloha;
rahefa izany,
hakarina hiaraka amin’izy ireo eny amin’ny rahona koa isika velona sisa tavela,
hitsena ny Tompo eny amin’ny habakabaka
dia ho any amin’ny Tompo mandrakizay isika.
Koa izany teny izany àry no aoka hifanalanareo alahelo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 95, 1 sy 3. 4-5. 11-12. 13

Tamy ny Tompo hitsara ny tany.

Ihirao hira vao ny Tompo!
Ihirao ny Tompo, ry tany tontolo!
Ambarao ny firenena ny voninahiny,
ny vahoaka rehetra, ny asany mahagaga!

Fa lehibe ny Tompo sy mendri-dera fatratra,
mahatahotra noho ny andriamanitra rehetra!
Ny andriamanitr’ireo vahoaka tsinontsinona avokoa;
ny Tompo kosa nanao ny lanitra!

Aoka hifaly ny lanitra, hiravo ny tany,
hidobodoboka ny riaka sy izay mameno azy,
hibitaka ny saha sy izay rehetra ao aminy,
hanakora avokoa ny hazo any an’ala.

Mba hitsena ny Tompo;
fa tamy Izy mba hitsara ny tany,
hitsara ny tontolo araka ny rariny,
sy ireo vahoaka araka ny hitsiny!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 4, 16-30)

Nirahiny hitory ny teny soa mahafaly amin’ny malahelo Aho... Tsy misy mpaminany hajaina amin’ny tany nahabe azy.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa dia tonga tany Nazareta tanàna nahabe Azy,
ary niditra tao amin’ny Sinagôga araka ny fanaony tamin’ny andro sabata,
ary nitsangana hanao ny famakian-teny.
Natolotra Azy ny bokin’i Izaia mpaminany,
ka nony novelariny dia hitany ny teny voasoratra hoe:

“Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo,
fa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy
sy naniraka ahy hankahery ny torotoro fo,
hilaza fahafahana amin’ny mpifatotra sy fahiratana amin’ny jamba,
hanafaka izay nampahorìna
ary hitory ny taom-pahasoavan’ny Tompo sy ny andron’ny famaliana.”

Nony nahorony ny boky dia naveriny tamin’ny mpitandrina
ka nipetraka Izy,
ary nifantoka tany aminy avokoa ny mason’izy rehetra tao amin’ny sinagôga.
Dia rafitra niteny taminy indray i Jesoa nanao hoe:

“Androany no efa tanteraka eo amin’ny sofinareo izany Soratra izany.”

Ary nankalaza Azy izy rehetra,
sady talanjona noho ny tenim-pahasoavana naloaky ny vavany, ka hoy ireo:

“Tsy ny zanak’i Jôsefa va itý?”

Ary hoy kosa i Jesoa taminy:

“Marina raha tsy ataonareo amiko ilay ohabolana hoe:

‘Dokotera, sitrano aloha ny tenanao.
Ny zava-mahagaga renay nataonao tany Kafarnaôma
mba ataovy eto amin’ny tany nahabe Anao koa.’

Dia notohiziny hoe:

“Lazaiko marina aminareo
fa tsy misy mpaminany hajaina amin’ny tany nahabe azy.
Ary lazaiko marina aminareo koa
fa maro ny mpitondratena tamin’i Israely tamin’ny andron’i Elia,
raha nihantona telo taona sy enim-bolana ny orana
ka voan’ny mosary mafy ny tany rehetra,
nefa tamin’izy ireo tsy nisy nanirahana an’i Elia na dia anankiray aza,
fa tamin’ilay vehivavy mpitondratena tany Sareptà
any amin’ny tany Sidôna ihany;
ary be koa ny boka tao amin’i Israely tamin’ny andron’i Elisea mpaminany,
nefa tsy nisy sitrana na iray aza,
fa i Naamàna Sirianina ihany.”

Dia tezitra mafy izay rehetra tao amin’ny sinagôga raha nandre izany,
ka tafatsangana nandroaka Azy hiala ao an-tanàna,
sady nitondra Azy tany an-tampon’ny tendrombohitra iorenan’ny tanànany
mba hazerany any an-tevana;
fa namaky teo afovoan’izy ireo Izy, dia lasa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

3 septambra 2023 — Alahady Tsotra faharoa amby roapolo Mandavantaona — Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao amin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 21-27)

Vakiteny voalohany

Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 20, 7-9)

Ny tenin’ny Tompo tonga fandatsana ho ahy.

Notarihinao aho, ry Tompo, ka voatarika.
Nosamborinao aho, ka nahery Ianao.
Zavatra fihomehezana aho isan’andro;
maneso ahy avokoa ny olona rehetra.
Fa isaky ny miteny aho, dia manao antso avo,
manambara loza sy fandringanana,
ka ny tenin’ny Tompo tonga fandatsana sy fihomehezana ahy isan’andro.
Hoy aho:

“Tsy hilaza ny aminy intsony aho,
tsy hiteny amin’ny Anarany intsony aho!...”

dia nisy toy ny afo nirehitra ato am-poko,
voahidy ao anatin’ny taolako;
nanao izay hihazonana azy aho,
nefa tsy nahatana azy.

— Izany ary ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 62, 2. 3-4. 5-6. 8-9

Mangetaheta Anao ny fanahiko, ry Tompo Andriamanitro.

Andriamanitra ô, Ianao no Andriamanitro!
Vao maraina aho maniry Anao;
mangetaheta Anao ny fanahiko;
matimaty Anao ny nofoko;
toy ny tany maina sy mangentana,
toy ny tany haraka, mila rano!

Tao an-toerana masina
no nahitako Anao;
tao aho nibanjina
ny herinao sy ny voninahitrao:
ka ny molotro nidera Anao,
fa ny fitiavanao, tsara noho ny aina!

Eny, hisaotra aho raha mbola velona;
ny Anaranao hanandratako tanana:
ka ny fanahy ho heni-tsoa,
ny molotra hihoby, ny vava hidera.

Fa notsenainao ny vonjinao aho,
ka mibitaka alofan’ny elatrao;
ny fanahiko mifikitra aminao,
ny tananao mihazona ahy.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 12, 1-2)

Samia re manolotra ny tenanareo ho sorona velona.

Ry kristianina havana,
mangataka aminareo aho,
noho ny famindram-pon’Andriamanitra,
samia re manolotra ny tenanareo amin’Izy Tompo,
ho sorona velona, masina, ankasitrahiny;
fa izany no fanompoam-panahy mety hataonareo aminy.
Ary aza manaraka an’izao tontolo izao,
fa miovà amin’ny fanavaozan’ny Fanahy,
mba hahafantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra,
izay sady soa sy ankasitrahiny no lavorary.

— Izany ary ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao amin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 21-27)

Raha misy te hanaraka Ahy, dia aoka izy handà ny tenany.

Tamin’izany andro izany,
dia noborahin’i Jesoa tamin’ny mpianany
fa tsy maintsy ho any Jerosalema Izy,
ary hoampijalian’ny loholona sy ny mpanora-dalàna mbamin’ny lohandohan’ny mpisorona,
dia hovonoina,
ary hitsangan-ko velona rehefa afaka hateloana.
Ary naka Azy hitanila kely i Piera ka niteny Azy mafy hoe:

“Sanatria, Tompo, raha hihatra aminao izany!”

Fa nihodina Izy ka nilaza tamin’i Piera hoe:

“Mialà amiko, ry Satana!
Manafintohina Ahy ity ianao,
satria tsy mihevitra araka ny hevitr’Andriamanitra,
fa araka ny an’ny olona”.

Ary tamin’izay i Jesoa dia nilaza tamin’ny mpianany hoe:

“Raha misy te hanaraka Ahy,
aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany,
ka hanaraka Ahy.
Fa izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy,
ary izay hahafoy azy noho ny amiko no hahazo azy.
Inona no soa azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy,
nefa very ny fanahiny?
Fa ny Zanak’olona dia ho avy amin’ny voninahitry ny Rainy
miaraka amin’ny Anjeliny,
ka amin’izay dia hamaly ny olona araka ny nataony Izy”.

— Izany ary ny tenin’ny Tompo.

♦ Nivoaka tamin'ny fomba ôfisialy izao atoandro izao ny andiany faha-44, amin'ireo manam-boninahitra niofana tao amin'ny akademia miaramila na ny ACMIL any Antsirabe, nisalotra ny anarana Amiraly Didier Ratsiraka... ♦ Mbola mitana ny laharana voalohany hatrany amin'ny fahazoana medaly i Madagasikara hatramin'izao. 74 ankehitriny ny medaly azontsika ka volamena ny 43 amin'ireo... ♦ "Ny fiovaovan'ny toetr'andro" no loha-hevitra hifanakalozan'ireo tanora, anatin'ny "volet jeunesse" amin'izao lalaon'ny nosy andiany faha-11 izao. Nosokafana tamin'ny fomba ôfisialy omaly teny amin'ny Arena Ivandry izany...

♦Andrasana ny vokatry ny fanadihadiana ho ataon'ny mpitandro ny filaminana, avy eo anivon'ny EMOFAR, mikasika ny zava-nisy marina teny Mahamasina tamin'ny zoma hariva, ahafantarana raha fanakorontanana niniana natao tokoa izany na tsia... ♦ Mitarika vonjimaika eo amin'ny fahazoana medaly betsaka indrindra sy medaly volamana betsaka indrindra i Madagasikara, ao anatin'ny lalaon'ny nosy andiany faha-11... ♦  Latsaka an-katerena ny firenena Malagasy hoy Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina, ary nilaza ho vonona ny hijoro hanarina izany ka ho isan'ireo ho kandidà ho filohan'ny Repoblika amin'ny 9 novambra izao, araka ny nambarany tamin'ny sabotsy teo...

♦ Tsy fantatra mazava hatramin'ny antoandro teo ny fivoaran'ny isan'ireo niharam-boina tamin'ilay loza teny Mahamasina. Tafakatra 13 ireo namoy ny ainy, 107 ireo naratra, raha ny antontan'isa navoakan'ireo fampahalalam-baovao iraisam-pirenena sasany...  ♦ Taranja 13 no hisy lalao na katrok'ady avy hatrany anio, taorian'ny fanokafana ny lalaon'ny nosy omaly. Anisan'ny andrasan'ny maro ny lalaon'ny Barea sy ny Club M. Maorisana eny amin'ny kianjan'i Mahamasina, anio hariva... ♦ Valoa volana izao no tsy nandray tambin-karama toy ny hatramin'izay intsony ireo mpiasan'ny Antenimeran-doholona eny Anosikely. Manaitra ny Fanjakàna foibe izy ireo, mialohan'ny hirosoana any amin'ny hetsika hafa...

♦ Olona 12 farafahakeliny no namoy ny ainy, 80 naratra, vokatry ny fifanosehina teny Mahamasina, omaly hariva, nandritra ny fanokafana ny lalaon'ny nosy...  ♦ Mampitandrina izay hitondra firenena amin'ny taona 2024 mba hanaraka ny lalàna sy hanaja ny mpiasa malagasy ny Fiombonam-ben'ny Sendikà Mpiasa Malagasy. Tafatsangana omaly teny Ankatso io vondron'ny sendikà maro io, ary nanao fanambaràna...  ♦ Napetraka etsy amin'ny MBC Ivato ny "Guichet Unique" momba ny fanondranana vato sarobidy sy volamena any ivelany. Iray amin'ireo dingana lehibe hirosoana mankany amin'ny fahafahana manondrana volamena izy io, hoy ny Ministry ny Harena Ankibon'ny tany...

♦ Sokafana amin'ny fomba ôfisialy eny amin'ny Kianjan'i Mahamasina ny Lalaon'ny Nosy andiany faha-11... ♦ Nambaran'ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, fa tany manana ny fiandrianany i Madagasikara ka tsy ekena ny faintsoana tafika avy any ivelany hiaro azy... ♦ Miatrika Kôngresy Nasiônaly mandritra ny roa andro, nanomboka androany, ny antoko HVM...

2 septambra 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra faharaika amby roapolo Mandavantaona — Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 25, 14-30)

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 4, 9-12)

Ny tenanareo no nampianarin’Andriamanitra hifankatia mba hifankatiavanareo.

Ry kristianina havana,
ny amin’ny fifankatiavan’ny mpirahalahy,
dia tsy ilaina ny hanoratana izany aminareo,
satria tenanareo no nampianarin’Andriamanitra hifankatia
sady efa manao izany rahateo amin’ny rahalahy rehetra eran’i Masedônia ianareo.
Miangavy aminareo anefa izahay, ry kristianina havana,
mba handroso kokoa mandrakariva amin’izany.
Mahaiza miaina amim-piadanana,
sy manatanteraka tsara ny raharahanareo,
ary miasa tanana araka ny nandidianay anareo,
mba handehananareo amim-pahamendrehana amin’izay eo ivelany,
sy tsy hiankinanareo amin’olona foana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 97, 1. 7-8. 9

Tamy ny Tompo hitsara ireo vahoaka araka ny hitsiny.

Ihirao hiravao ny Tompo:
fa nahavita zava-mahagaga!
Namonjy Azy ny tanany havanana,
nanampy Azy ny sandriny masina!

Aoka hidobodoboka ny ranomasina sy izay mameno azy,
izao rehetra izao sy izay monina ao aminy!
Ny ony aoka hiteha-tanana;
ny vohitra indray hanakora.

Mba hitsena ny Tompo izay tamy!
Fa tamy Izy mba hitsara ny tany,
hitsara ny tontolo araka ny rariny,
sy ireo vahoaka araka ny hitsiny!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 25, 14-30)

Satria nahatoky tamin’ny zavatra kely ianao, dia miaraha mifaly amin’ny tomponao.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza itý fanoharana itý tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Andriamanitra hanao tahaka ny lehilahy anankiray handeha hivahiny
ka niantso ny mpanompony sy nametraka ny fananany taminy.
Ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray;
samy araka ny fahaizany avy dia lasa nandeha izy.
Ilay nandray talenta dimy dia nandeha nampiasa izany,
ka nahazo tombom-barotra dimy koa.
Toraka izany ilay nandray roa dia nahazo tombom-barotra roa koa;
fa ilay tsy nandray afa-tsy talenta iray kosa,
nandeha nihady tany, dia naleviny tao ny volan’ny tompony.

Nony ela dia niverina ny tompon’ireo mpanompo ireo,
ka nampamoaka azy ny amin’ny volany.
Dia nanatona ilay nandray talenta dimy,
nitondra talenta dimy hafa koa ka nanao hoe:

‘Talenta dimy, tompoko, no napetrakao tamiko,
ary indreto nahazo tombom-barotra talenta dimy koa aho.’

Dia hoy ny tompony taminy:

‘Tsara izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky,
noho ianao nahatoky tamin’ny kely
dia hataoko mpitantana ny be ianao:
miaraha mifaly amin’ny tomponao.’

Ary nanatona koa ilay nandray talenta roa, dia nanao hoe:

‘Talenta roa, tompoko, no napetrakao tamiko,
ary indro nahazo tombom-barotra roa hafa aho.’

Dia hoy ny tompony taminy:

‘Tsara izany, ry mpanompo tsara, sy mahatoky,
noho ianao nahatoky tamin’ny kely,
dia hataoko mpitantana ny be ianao:
miaraha mifaly amin’ny tomponao.’

Dia mba nanatona kosa ilay tsy nandray afa-tsy talenta iray ka nanao hoe:

‘Tompoko, fantatro fa olona lozabe ianao,
fa mijinja amin’izay tsy namafazanao,
ary manangona amin’izay tsy nanahafanao,
ka natahotra aho,
dia lasa naleviko tany anaty tany ny talentanao;
koa indro averiko aminao ny anao.’

Namaly ilay tompony ka nanao taminy hoe:

‘Ry mpanompo ratsy sady kamo,
fantatrao fa mijinja amin’izay tsy namafazako aho,
ary manangona amin’izay tsy nanahafako;
koa tokony ho napetrakao tany amin’ny mpampanàna ny volako,
ary rahefa tonga aho dia ho nandray ny ahy mban-janany.
Alao àry ny talenta any amin’io ka omeo ilay manana talenta folo;
fa izay manana no homena, ka hanam-be izy,
fa izay tsy manana kosa dia halaina aminy mbamin’izay ananany aza.
Ary ilay mpanompo tsy vanon-ko inona
dia ario any amin’ny maizina any:
any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.’

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

1 septambra 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra faharaika amby roapolo Mandavantaona — Miambena ianareo ary aoka ho vonona: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 25, 1-13)

[Miara-dàlana] Zoma 23 mey 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...