♦ Diakra efatra miarahalahy avy amin'ny Fikambanana Karma no nohamasinina ho pretra tao amin'ny Diôsezin'i Moramanga, ny 17 jolay 2022... ♦ Hotsofin-drano ny alahady 24 jolay 2022 ny tsangambaton'ny taom-bolamenan'ny CEPAL... ♦ Niantso ny rehetra hihaino ny feon'ny voahary ny Papa François amin'ny Andro eran-tany hivavahana ho fiarovana ny voahary...

Ny fahatokisan-tena no manala ny sakana anaty, ity farany ity, izay mitondra any amin'ny tsy fandrosoana mihitsy ho an'ny olona. Ny tsy fahatokisan-tena dia azo lazaina ho manapotika ny fiainana mihitsy. Fandaharana "Mba ho vanona" momba ny fahatokisan-tena, iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Nitombo efatra indray ireo mpisorona ao amin'ny Diôsezin'i Morondava satria nisy fanamasinana ho pretra notontosaina tany an-toerana omaly... ♦ "Eglizy miara-dia, miombona", io no teny nifanentanana nandritra ny fivorian'ny Diôsezin'i Tsiroanomandidy, izay notanterahana tany an-toerana, nanomboka ny alarobia teo hatramin'ny omaly alahady... ♦ Nanatanteraka ny Fihaonamben'ny Ankizy, andiany voalohany, nanomboka ny 13 jolay hatramin'ny omaly alahady 17 jolay, ny tao amin'ny Faritra Androna, Diôsezin'i Port-Bergé...

Dia hoy i Piera taminy: "Tompoko, ho anay ihany va no ilazanao izany fanoharana izany, sa ho an’ny olona rehetra koa?" Ary hoy ny Tompo: "Iza moa no mpitandrim-pananana mahatoky sy hendry izay hotendren’ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy ny anjara variny ara-potoana? Sambatra izany mpanompo izany raha tratran’ny tompony manao tahaka izany raha avy izy. Lazaiko marina aminareo fa hotendreny ho mpitandrina ny fananany rehetra izy. Fa raha izany mpanompo izany kosa, manao anakampo hoe: ‘Ela vao ho avy ny tompoko’, ka amin’izany dia mikapoka ny ankizy lahy sy ny ankizy vavy izy, sady mihinana sy misotro ka mamo, dia ho avy amin’ny andro tsy ampoiziny sy amin’ny ora tsy fantany ny tompon’izany mpanompo izany, ka hataony rotiky ny kapoka izy, ary homeny anjara any amin’ny mpanompo ratsy. Izay mpanompo nahalala ny sitra-pon’ny tompony ihany nefa tsy niomana, na tsy nanao araka ny sitra-pony, no hokapohina imbetsaka; fa izay tsy nahalala kosa, na nanao zavatra mendri-pamaizana aza, dia hokapohina kelikely ihany. Izay nomena be no hitakiana be, ary izay nanankinana be no hadinina be koa".

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny Fanjakana. Amidio izay anananareo ka anaovy fiantrana; manaova kitapom-bola tsy tontan’ny ela ho anareo, dia rakitra tsy mety lany any an-danitra, izay tsy azon’ny mpangalatra idirana sady tsy misy kalalao manimba; fa izay misy ny harenareo no hisy ny fonareo koa".

"Aoka ho voaetra ny andilanareo, ary ho voarehitra ny jironareo. Manaova toy ny olona izay miandry ny fotoana hiverenan’ny tompony avy any amin’ny fampakaram-bady, mba hamoha azy miaraka amin’izay raha vantany vao tonga sy mandondòna izy. Sambatra ireo mpanompo tratran’ny tompony miambina raha tonga izy; lazaiko marina aminareo fa hisikina ny tompony ka hampipetraka azy hihinana, ary ho avy hampihinana azy. Na tonga amin’ny fiambenana faharoa izy, na tonga amin’ny fiambenana fahatelo ka mahatratra azy manao toy izany, dia sambatra ireo mpanompo ireo. Ary fantaro tsara fa raha fantatry ny tompon-trano ny ora hiavian’ny mpangalatra, dia hiambina izy, fa tsy hamela ny tranony hotamîna. Koa mivonòna koa ianareo, fa ho avy amin’ny ora tsy hampoizinareo ny Zanak’Olona".

Dia hoy i Piera taminy: "Tompoko, ho anay ihany va no ilazanao izany fanoharana izany, sa ho an’ny olona rehetra koa?" Ary hoy ny Tompo: "Iza moa no mpitandrim-pananana mahatoky sy hendry izay hotendren’ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy ny anjara variny ara-potoana? Sambatra izany mpanompo izany raha tratran’ny tompony manao tahaka izany raha avy izy. Lazaiko marina aminareo fa hotendreny ho mpitandrina ny fananany rehetra izy. Fa raha izany mpanompo izany kosa, manao anakampo hoe: ‘Ela vao ho avy ny tompoko’, ka amin’izany dia mikapoka ny ankizy lahy sy ny ankizy vavy izy, sady mihinana sy misotro ka mamo, dia ho avy amin’ny andro tsy ampoiziny sy amin’ny ora tsy fantany ny tompon’izany mpanompo izany, ka hataony rotiky ny kapoka izy, ary homeny anjara any amin’ny mpanompo ratsy. Izay mpanompo nahalala ny sitra-pon’ny tompony ihany nefa tsy niomana, na tsy nanao araka ny sitra-pony, no hokapohina imbetsaka; fa izay tsy nahalala kosa, na nanao zavatra mendri-pamaizana aza, dia hokapohina kelikely ihany. Izay nomena be no hitakiana be, ary izay nanankinana be no hadinina be koa".

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany nanao hoe: "Raha misy ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany, sy hitondra ny hazofijaliany, ka hanaraka Ahy. Fa izay ta-hamonjy ny ainy no hahavery azy, ary izay hahafoy azy noho ny amiko no hahazo azy. Inona no soa azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy, nefa very ny fanahiny? Ary inona no homen’ny olona ho takalon’ny fanahiny? Fa ny Zanak’Olona dia ho avy amin’ny voninahitry ny Rainy miaraka amin’ny anjeliny, ka amin’izay dia hamaly ny olona araka ny nataony Izy. Lazaiko aminareo marina tokoa, fa ny sasany eto, dia tsy hanandrana fahafatesana, raha tsy efa mahita ny Zanak’Olona avy amin’ny fanjakany."

♦ Tanterahina ny 13 hatramin'ny 18 jolay 2022 ny Fihaonamben'ny ankizy ao amin'ny Diôsezin'i Morondava... ♦ "Ankizy mivelona ny Tenin'Andriamanitra sy ny Eokaristia no fanantenan'ny Eglizy" no teny  ifanentanan'ny ankizy ao amin'ny Diôsezin'Ambanja, ny 13 hatramin'ny 17 jolay 2022... ♦ Hanatanteraka ny fihaonambe ny 18 hatramin'ny 22 jolay 2022, ny ACP eto Antananarivo...

Ny nofinofy hanana tanjona sy dingana eo amin'ny fiainana no manala ny sakana anaty rehetra. Tsy tokony ho ny safidin'ny raiaman-dreny no hamaritra ny fiofanana na asa hataon'ny tanora fa izay nofinofiny. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Desiré Ramakavelo.

♦ Fivoriana sy laretirety no hanamarihana ny volan'ny pretra ho an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana... ♦ Nihaona nandritra ny efatra andro ny Misiona Fianakaviana Masina sy ny Misiona Masimbavy Terezin'i Jesoa Zazakely ao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Nanentana ny rehetra hivavaka ho an'i Sri-Lanka, izay miaina ao anatin'ny olana ara-toekarena sy pôlitika, ny Papa François ny alahady 10 jolay 2022...

♦ Niantso ny isam-pianakaviana hifanome tanana amin'ny fampanjariana ny fandriam-pahalemana, ny Arsevekan'i Toamasina, ny Kardinaly Tsarahazana Désiré... ♦ Hotanterahana ny 9 sy 10 jolay ny fihaonam-ben'ny Filankevitra Fitondrana ny Vahoakan'Andriamanitra eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Manentana ny rehetra hivavaka ho an'ny zokiolona ny Papa François, mandritra ny volana jolay...

♦ Hotontosaina amin'ny 18 hatramin'ny 22 jolay 2022 ny Fihaonamben'ny Aumônerie Catholique des Prisons. Lohahevitra hobanjinina amin'izany ny hoe "ACP, akaiky an'ireo voafonja mandrakariva"... ♦ "Tsy maintsy homanina ny ho avy", hoy ny pretra nitarika ny Eokaristia Masina, nanatanterahana ny Fihaonamben'ny Ankizy, teto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Olon-dehibe miisa 45 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana, nandritra ny fitsidihana pastôraly nataon'i Mgr Désiré Kardinaly Tsarahazana, tao amin'ny Paroasy Saint Eugène de Mazenod, omaly alahady...

♦ Notontosaina ny 29 sy 30 jona 2022 ny fihaonana voalohany ho an'ireo Ekipa nasiônaly, namondronana ireo valim-panontaniana rehetra manodidina ny Sinaodin'ny Eveka... ♦ Hotontosaina ny 9 sy 10 jolay 2022 ny fivoriana faharoa ho an'ny Filankevitra Fitondrana ny Vahoakan'Andriamanitra, eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, eny amin'ny FTMTK Ambohipo... ♦ "Aza manao hoe zaza aho, fa handeha any amin'izay hanirahako anao ianao" (Jer. 1, 7a). Io no teny manentana amin'ny fanatanterahana ny Andron'ny Ankizy eny amin'ny FTMTK sy ny Seminera zandriny Ambohipo, nanomboka androany...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...