Tamin’izany andro izany, i Jesoa nankany amin’ny tanàna anankiray atao hoe Naima, ary mpianany maro sy vahoaka betsaka no niaraka taminy. Rahefa mby teo akaikin’ny vavahadin’ny tanàna Izy, dia indro nisy fatin’ny zazalahy anankiray nentina halevina, zanak’olona lahitokana sady mpitondratena indray reniny, ka vahoaka be avy ao an-tanàna no nanaraka azy. Nangoraka ny Tompo nony nahita an-dravehivavy, ka nanao taminy hoe: "Aza mitomany." Dia nanatona Izy ka nanendry ny tranovorona; dia nijanona ny mpilanja, ary hoy i Jesoa: "Ry zatovo, Izaho mandidy anao, mitsangàna." Dia niarina niaraka tamin’izay ny maty, sady niteny, ary nomen’i Jesoa an-dreniny. Raiki-tahotra avokoa izay rehetra teo, sady nankalaza an’Andriamanitra nanao hoe: "Mpaminany lehibe no efa niseho eto amintsika, ary Andriamanitra efa namangy ny olony." Dia niely eran’i Jodea sy ny tany manodidina rehetra izany teny fankalazana izany.
Tamin’izany andro izany, nanatona hihaino an’i Jesoa ny Poblikanina sy ny mpanota, ka nimonjomonjo ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna nanao hoe: "Ilay ity mandray ny mpanota sy miara-mihinana aminy". Dia nilaza ity fanoharana ity taminy i Jesoa nanao hoe: "Iza moa aminareo no manana ondry zato ka very ny anankiray no tsy handao ny sivy amby sivifolo any an’efitra, ka handeha hitady ilay very mandra-pahitany azy? Ary rehefa hitany dia ataony eo an-tsorony an-kafaliana, ka nony tonga any an-tranony izy, dia mamory ny sakaizany sy ny olo-mifanakaiky aminy ary manao amin’ireo hoe: ‘Miaraha mifaly amiko, fa efa hitako ny ondriko very’. Lazaiko aminareo, fa toy izany koa hisy hafaliana lehibe kokoa any an-danitra amin’ny mpanota iray mibebaka, noho ny amin’ny olo-marina sivy amby sivifolo tsy mila fibebahana. Sa iza no vehivavy manana dragma folo ka very ny anankiray no tsy hampirehitra jiro sy hifafa trano, ary hitady azy tsara ambara-pahitany azy? Ary rehefa hitany dia mamory ny sakaizany sy ny vehivavy mifanakaiky aminy izy ka manao hoe: ‘Miaraha mifaly amiko, fa efa hitako ny dragmako very’. Toy izany koa: lazaiko aminareo fa hisy hafaliana lehibe eo anatrehan’ny Anjelin’Andriamanitra raha misy mpanota iray mibebaka".
Hoy koa Izy: "Nisy lehilahy anankiray nanan-janaka mirahalahy, ka hoy ilay zandriny tamin-drainy: ‘Dada ô, omeo ahy ny anjara fananana tokony ho ahy’. Dia nozarainy tamin’izy roa lahy ny fananany. Nony afaka andro vitsivitsy, dia nangonin’ilay zandriny ny fananany rehetra ka lasa nankany an-tany lavitra izy, nandany ny fananany tamin’ny fitondran-tena ratsy. Rehefa laniny avokoa ny fananany rehetra dia nisy mosary lehibe tamin’izany tany izany ka nahantra izy. Dia lasa ny anao nikarama tamin’ny tompon-tany anankiray tany, ka nirahiny hiandry kisoa tany an-tsaha. Naniry hivoky amin’ny hodi-boan-javatra nohanin’ny kisoa izy, fa tsy nisy nanome azy. Izay vao nody ny sainy ka hoy izy: ‘Firifiry akory moa ny mpikaraman’i dada no manan-kanina be, nefa izaho kosa ity maty noana aty! Hitsangana aho ho any amin’ny raiko ka hanao aminy hoe: Dada ô! efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho, ka tsy mendrika hantsoina hoe zanakao intsony; fa mba ataovy tahaka ny anankiray amin’ny mpikaramanao re aho’. Dia niainga izy ka lasa nankany amin-drainy. Mbola lavitra kosa izy, dia nahatazana azy rainy, ka onena nidodododo nitsena azy, ary namihina ny vozony sy nanoroka azy. Dia hoy ity zanany taminy: ‘Dada ô! efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho, ka tsy mendrika hantsoina ho zanakao intsony’. Fa hoy ny rainy tamin’ny mpanompony: ‘Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy; asio peratra ny rantsan-tanany, kiraroy ny tongony, ary ento ny zanak’omby matavy ka vonoy, dia aoka hihinana sy hifaly isika, fa ity zanako ity dia maty ka velona indray, ary very ka hita indray’.
Dia nifaly izy rehetra. Sendra tany an-tsaha kosa ny zanany lahy matoa tamin’izay. Nony nody izy sy mby teo akaikin’ny trano, dia nandre zava-maneno sy dihy, ka niantso ankizilahy anankiray sy nanontany azy izay anton’izany. Dia hoy ilay mpanompo taminy: ‘Tonga ny rahalahinao, ka namono zanak’omby matavy irainao, satria tafaverina soa aman-tsara izy’. Dia tezitra izy, ka tsy nety niditra ary nivoaka irainy hampandroso azy. Fa hoy ny navaliny an-drainy: ‘Indro efa ela no nanompoako anao, ary tsy mbola nandika ny didinao akory aho, nefa tsy mbola mba nomenao zanak’osy iray akory hifaliako amin’ny sakaizako; fa nony tonga kosa io zanakao io izay avy nandany ny fanananao tamin’ny vehivavy janga, dia namonoanao zanak’omby matavy izy’. Fa hoy rainy taminy: ‘Ianao, anaka, dia eto amiko mandrakariva ka anao avokoa izay rehetra ananako; fa mety kosa ny manao fihinanam-be sy fifaliana, satria io rahalahinao io, dia maty ka velona indray, ary very ka hita indray".
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niatrana nijery an’ireo mpianany, ka nanao hoe: "Sambatra ianareo mahantra, fa anareo ny fanjakan’ny lanitra. Sambatra ianareo noana ankehitriny, fa ho voky ianareo. Sambatra ianareo mitomany ankehitriny, fa hifaly ianareo. Ho sambatra ianareo raha hankahalain’ny olona, horoahiny amin’ny fikambanany, hotevatevainy ary holaviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo, noho ny amin’ny Zanak’Olona. Mifalia ianareo amin’izany andro izany ary miravoravoa, fa indro lehibe ny valisoanareo any an-danitra; fa tahaka izany koa no nataon’ny razany tamin’ny mpaminany.
Fa loza ho anareo kosa, ry mpanan-karena, fa manana ny fahafaham-ponareo ianareo. Loza ho anareo izay voky ankehitriny, fa ho noana ianareo. Loza ho anareo izay mihomehy ankehitriny, fa hitomany sy higogogogo ianareo: Loza ho anareo raha hataon’ny olona tsara laza ianareo, fa tahaka izany no nataon’ny razany tamin’ny mpaminany sandoka."
♦ Hanana karatra famantarana manokana ireo mpisehatra ao amin'ny Vaomieran'ny Fifandraisan'ny Mpiara-belona eto Madagasikara, mandritra ny JMJ Mada X... ♦ Ho marihana ny 28 aogositra 2022 ny andron'ny Diôsezy eto Antananarivo... ♦ Mitombo ny fahantrana ao Dublin, Irlande, hoy i Fr. Kevin Crowley...
♦ Nandefa taratasy fankasitrahana ho an'i Mgr Paolo Rocco Gualtieri ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Homarihana amin'ny 15 aogositra 2022 ny ivon'ny fankalazana ny faha-5 taonan'ny Diôsezin'i Maintirano... ♦ Nankahery ireo misiônera avy ao amin'ny Fiangonana ao Río Cuarto, Argenetine, ho any amin'ny Diôsezin'i Orán, ny Papa François...
♦ Miisa roa amby telopolo ireo diakra nohamasinina ho pretra tao amin'ny Diôsezin'Antsirabe tamin'ny sabotsy 6 aogositra 2022, fankalazana ny niovan'ny Tompo tarehy... ♦ Tao amin'ny Diôsezin'Ambositra dia dimy ireo nohamasinina ho pretra ary fito ireo nohamasinina ho diakra... ♦ Telo mirahavavy ireo masera, avy ao amin'ny fikambanana Filles de Marie Auxiliatrice, nanonona ny voady mandrakizay tany Betafo, Diôsezin'Antsirabe, toerana izay iasan'izy ireo...
♦ Manentana ny rehetra hivavaka ho an'ny mpandraharaha madinika sy salantsalany ny Papa, ao anatin'ny Tambazotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana aogositra ity... ♦ Ezahana hilamina hatramin'ny 17 aogositra, ny fandraisana ireo tanora rehetra ho avy any amin'ny Diôsezin'Antsirabe, hiatrika ny JMJ Mada X... ♦ Hitsidika an'i Kazakhstan, ao Azia Afovoany, ny Papa François ny 13 hatramin'ny 15 septambra 2022...
Indray sabata, i Jesoa niditra hisakafo tao an-tranon’ny loholon’ny Farisianina anankiray. Nony hitan’i Jesoa ny hamaizan’ny olona nasaina naka ny fitoerana voalohany, dia nanao ity fanoharana ity tamin’izy ireo Izy: "Raha asaina amin’ny fampakaram-bady ianao, aza mipetraka amin’ny fitoerana voalohany, fandrao misy olona nasaina ambony toetra noho ianao, ka ho avy izay nanasa anao sy izy, hilaza aminao hoe: ‘Omeo an’ity ny fitoeranao’, ary amin’izay ho menatra ianao hifindra ary amin’ny fitoerana farany. Fa raha asaina ianao, dia any amin’ny fitoerana farany mipetraka, ka raha tonga izay nanasa anao, dia hilaza aminao hoe: ‘Mandrosoa, ry sakaiza, etsy alohaloha kokoa’; amin’izay dia hahazo voninahitra eo imason’izay rehetra hiara-mihinana aminao ianao. Fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra".
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny nanao hoe: "Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa ny ampahafolon’ny solila sy ny aneta ary ny komina aloanareo; nefa ny zavatra lehibebe kokoa amin’ny Lalàna tsy tandremanareo, dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana. Izany no tsy maintsy arahinareo, nefa ireroa koa tsy azonareo avela. Ry mpitari-dalana jamba, ny moka tantavaninareo, nefa ny rameva atelinareo! Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa ny vohon’ny kapoaka sy ny lovia diovinareo, nefa ny ao anatiny feno halatra sy tsy fahonònana. Ry Farisianina jamba, diovy aloha ny atin’ny kapoaka sy ny lovia mba ho madio koa ny vohony."
Tamin’izany andro izany, nanatona an’i Jesoa ny mpianany ary nanao taminy hoe: "Iza moa no ambony indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra?" Dia niantso zazalahy kely anankiray i Jesoa ka napetrany teo afovoany ary hoy Izy: "Lazaiko marina aminareo fa raha tsy miova ianareo ka tsy tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra akory. Koa amin’izany, na iza na iza hanetry tena tahaka ity zazakely ity, dia izy no lehibe indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra. Ary izay handray zazakely anankiray tahaka ity amin’ny Anarako, dia mandray Ahy koa. Tandremo sao ataonareo tsinontsinona na dia ny anankiray amin’ireny madinika ireny aza; fa lazaiko aminareo fa ny Anjelin’izy ireny any an-danitra dia mahita lalandava ny tarehin’ny Raiko izay any an-danitra. Ahoana ny hevitrareo? Raha misy olona manana ondry zato, ka nania ny anankiray, moa tsy havelany eny an-tendrombohitra va ny sivy amby sivifolo, ka handeha hitady ilay nania izy? Ary raha sendra hitany izy, dia lazaiko marina aminareo fa iny anankiray iny aza no mahafaly azy noho ny sivy amby sivifolo tsy nania. Toy izany koa, tsy tian’ny Rainareo izay any an-danitra hisy very na dia anankiray amin’ireo madinika ireo aza."
Fandaharana "Mba ho vanona" : famintinana ny natao nandritry ny taom-piasana 2021-2022. Taom-piasana niresahana ny fananganana ny rindrin'ny fahavanonana : ny maha-olom-banona, ny maha-olom-pirenena ary ny tamberin'andraikitra. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
♦ Nankalaza ny faha-75 taona nanandratana ho amin'ny laharan'ny olomasina an'i Masindahy Louis Marie Gignon de Montfort ny Fikambanana Montfortain, miasa any amin'ny Diôsezin'i Toamasina... ♦ Nofaranana omaly ny fankalazana ny faha-50 taona niorenan'ny CEPAL... ♦ Nigadona tao Edmonton, Canada, omaly alahady 24 jolay 2022 ny fiaramanadina nitondra ny Papa François...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco