♦ Tanora dimy ambin'ny folo mirahalahy no nanonona ny voady voalohany ho an'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco, ny alakamisy 8 septambra 2022... ♦ Tontosa ny 8 septambra 2022 tolakandro ny Eokaristia Masina, fanaovam-beloma farany an'i Mgr Philippe Ranaivomanana, Evekan'Antsirabe...
Isika olombelona dia Fanahy - Aina - Vatana. Ny fahafenoan'ireo singa ireo dia midika fa tsara ny olombelona. Ireo telo ireo no tomombana dia azo antoka ny fananganana ny rindrin'ny fahavanonana. Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Tanora manodidina ny 28590 no niatrika ny JMJ Mada X, izay nanomboka ny 30 aogositra hatramin'ny 4 septambra 2022. Nanafatra azy ireo ny Fivondronamben'ny Eveka, mba ho sahy hijoro hiaro ny tontolo iainana ary ho sahy haneho marina tokoa ny hatanorana... ♦ Entanin'ny Papa François isika, amin'izao volana septambra izao, hivavaka mba ho foana ao anatin'ny lalan'ny firenena rehetra maneran-tany ny fanamelohana hofaty...
♦ Efa ao anatin'ny fiatrehana tanteraka ny JMJ Mada X, ireo tanora rehetra manerana an'i Madagasikara, any amin'ny Diôsezin'Antsirabe. Maro ireo fandaharam-potoana efa natrehan'izy ireo. Entina amintsika ny andinindininy... ♦ Tamin'ny 20 hatramin'ny 25 aogositra 2022 no nanatanteraka ny Zaikabe iraisam-pirenena faha-8 ny Fikambanan'ny Mpitantana sy Mpiasa mandinika ny Baiboly, tany amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina...
♦ Pretra 15 sy diakra 16 no nohamasinina nandritra ny Andron'ny Diôsezin'Antananarivo, ny 27 aogositra 2022... ♦ Hanao fanomanam-panahy ao Ifanadiana, ny tanoran'ny Diôsezin'i Mananjary, ny 30 aogositra, hamonjy ny JMJ Mada X... ♦ Tao Ambilobe no nakalazana ny Sorona Masina fanirahana ny tanoran'Antsiranana ho any Antsirabe... ♦ Aoka mba no renivohitry ny famelan-keloka i Aquila, hoy ny Papa François...
♦ Hivavaka sy handalina ny finoana no tanjon'ny JMJ Mada X, hoy i Mompera Jean Luc Ratovonjanahay, Amônien'ny Vovonam-pirenena Katôlikan'ny Tanora... ♦ Tontosa ny sabotsy 20 aogositra teo ny fanamasinana ho pretra roa sy diakra dimy, ho an'ny Diôsezin'i Mirinarivo... ♦ Hankalazaina amin'ny 28 aogositra ny Andron'ny Diôsezy eto Antananarivo sy fanamasinana ireo ho pretra sy diakra. Misy ny fandaminana manokana momba izany...
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nitety ny tanàna sy ny vohitra rehetra, nampianatra teo amin’ny sinagôgany sy nitory ny evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra, ary nahasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra. Onena Izy nahita ireto vahoaka be nijaly sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry. Dia hoy Izy tamin’ny mpianany: "Ny vary hojinjaina be, fa ny mpijinja no vitsy; koa mihantà amin’ny Tompom-bary mba haniraka mpijinja amin’ny variny."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nitety ny tanàna sy ny vohitra rehetra, nampianatra teo amin’ny sinagôgany sy nitory ny evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra, ary nahasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra. Onena Izy nahita ireto vahoaka be nijaly sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry. Dia hoy Izy tamin’ny mpianany: "Ny vary hojinjaina be, fa ny mpijinja no vitsy; koa mihantà amin’ny Tompom-bary mba haniraka mpijinja amin’ny variny."
Tamin’izany andro izany, tonga hankao amin’i Jesoa ny reniny sy ny rahalahiny, fa tsy afa-nihaona taminy noho ny habetsahan’ny vahoaka, ka nisy nilaza taminy hoe: "Ao alatrano ny reninao sy ny rahalahinao te-hihaona aminao." Dia novaliany hoe: "Ny reniko sy ny rahalahiko, dia izay mihaino sy mankatò ny tenin’Andriamanitra."
Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’ny mpianany hoe:
"Izay mahatoky amin’ny kely, dia mahatoky amin’ny lehibe, ary izay tsy marina amin’ny kely, dia tsy marina koa amin’ny lehibe. Koa raha tsy mahatoky amin’ny harena tsy marina ianareo, iza no hametraka aminareo ny harena marina? Ary raha tsy mahatoky amin’izay tsy anareo ianareo, iza no hanome anareo izay anareo? Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa, fa na hankahala ny iray izy ka ho tia ny anankiray; na homba ny anankiray kosa ka hanamavo ny iray indray. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny harena ianareo".
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao ity fanoharana ity tamin’ny mpianany: "Nisy lehilahy mpanan-karena anankiray nanana mpitandrim-pananana izay nampangain’ny olona taminy fa nandany ny fananany. Dia nantsoiny izy ka nilazany hoe: ‘Ahoana izany fandrenesako anao izany? Avoahy kely hoe ny fitandremanao, fa amin’ny sisa dia tsy hahazo miadidy ny fananako intsony ianao’. Tamin’izay ilay mpitandrina dia nanao anakam-po hoe: ‘Inona re no hataoko, fa esorin’ny tompoko amin’ny fitandremana ny fananany aho ity. Ny miasa tany moa tsy vitako, ny mangataka indray mahamenatra ahy. Aoka fa fantatro izay hataoko, mba handraisan’ny olona ahy any an-tranony rehefa esorina amin’ny raharahako aho’. Dia nampanalainy tsirairay izay rehetra nitrosa tamin’ny tompony, ka hoy izy tamin’ny voalohany: ‘Ananan’ny tompoko hoatrinona ianao?’. Namaly io hoe: ‘Diloilo injaton’ny barika’. Dia hoy ny mpitandrina taminy: ‘Raiso ny taratasinao, ary mipetraha ka soraty haingana dimampolo’. Dia hoy indray izy tamin’ny anankiray: ‘Hoatrinona kosa ny trosa aminao?’. Namaly kosa io hoe: ‘Vary injaton’ny famarana’. Dia hoy ilay mpitandrina: ‘Raiso ny taratasinao dia soraty valopolo’. Noderain’ny tompony ilay mpitandrina tsy marina, satria nampiseho hafetsena, fa hendrihendry kokoa ny zanak’izao tontolo izao amin’izy samy izy noho ny zanaky ny fahazavana. Ka hoy Aho aminareo: Aoka ny harena tsy marina no hahazoanareo sakaiza, mba handraisany anareo any amin’ny tranolay mandrakizay raha avy izay haharerahanareo".
"Izay mahatoky amin’ny kely, dia mahatoky amin’ny lehibe, ary izay tsy marina amin’ny kely, dia tsy marina koa amin’ny lehibe. Koa raha tsy mahatoky amin’ny harena tsy marina ianareo, iza no hametraka aminareo ny harena marina? Ary raha tsy mahatoky amin’izay tsy anareo ianareo, iza no hanome anareo izay anareo? Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa, fa na hankahala ny iray izy ka ho tia ny anankiray; na homba ny anankiray kosa ka hanamavo ny iray indray. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny harena ianareo".
Gaga ny ray aman-drenin'i Jesoa noho izany voalaza momba azy izany. I Simeôna kosa nitsodrano azy ireo, sady hoy izy tamin'i Maria reniny : "Indro ity Zaza ity fa ho fandavoana sy ho fanarenana ho an'ny maro amin'i Israely, ary ho famantarana ifanoherana : (ka ny fanahinao aza hotanterarahan-tsabatra) mba hisehoan'ny hevitra ao am-pon'ny olona rehetra".
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco