Vokatry ny Batemy no nahatonga antsika ho isan'ny fianakavian'Andriamanitra, Andriamanitra Trinite Masina. Nanova ny maha izy antsika io, nanokatra ny lalam-piainana mampiombona antsika hatrany amin'Andriamanitra. ... Katesizy momba ny vavaka ho an'ny firaisan'ny Kristianina, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
• Vinavinaina hitombo hery ato anatin'ny 24 ora ilay andro ratsy atsy amin'ny Lakandranon'i Mozambika, ka ahiana hivadika ho rivodoza. Hanohy ny diany hianatsimo atsinanana izy manomboka anio alina ka mety hanambana mivantana ny tapany atsimon'ny nosy amin'ny faran'ny herinandro... • Naneho ny fahavononany hiatrika ny fanamby hotratrarina amin'ny fanjarian-tsakafo i Madagasikara. Tamin'ny alalan'ny atrikasa fampisehoana sy fanomezana lanja ny fiadiana amin'ny tsy fanjarian-tsakafo, natao teny amin'ny Novotel Alarobia, no nanehoana izany androany... • Nanao tombana ny asa vita niarahany tamin'ny fitondram-panjakana malagasy, ho an'ny taona 2024 sy ny fanamby ho an'ny taona 2025, ny fandaharan'asa iraisam-pirenena ho an'ny fampandrosoana na ny PNUD...
Ny faha 21 febroary no andro manerantany natokana ho an'ny tenin-dreny ; tamin'ny taona 2000 no nanapahan'ny UNESCO fa natokana hanasongadinana ny tenin-dreny io ando io. Ny loha-hevitra nofidiana amin'ity taona ity dia " Teny ibeazana fanohitry ny fampandrosoa maharitra, lovain-jafy, mateza. Ny "teny" dia fitaovam-pifandraisana eo amin'ny firenena, ampiasain'ny vahoaka ao anatin'ny tontolo isainana iombonana. Ny "fiteny" dia fomba fanehoana ny teny, izay miova araka ny firafitry ny vatana, sy ny hodidina, toerana misy ny olona...
Ny Soratra Masina, indrindra ny Evanjely dia samy maneho ny fiombonam-piainana nisy teo amin'i Jesoa sy ny Ray, ary tamin'ny toe-javatra natrehina dia hita miharihary ny vavak'i Jesoa maneho ny tsy maha irery Azy sy ny fitodiany mandrakariva amin'ny Ray. Anisan'ny mampiharihary ny maha kristianina ny fiombonany amin'Andriamanitra... Katesizy momba ny vavaka ho an'ny firaisan'ny Kristianina, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
• Vinavinaina hitombo hery ka ho lasa rivodoza ao anatin'ny roa andro ireo faritra andro ratsy manodidina ny morotsirak'i Madagasikara. Tomombana amin'ny ankapobeny ny tontolo ivoaran'izy ireo... • Namory ireo mpiara-miombona antoka aminy amin'ny sehatry ny fanabeazana sy ny famoronana asa mendrika ho an'ny tanora, ny Don Bosco Madagascar. Tanjona ny hitadiavana ny fomba hanampiana ny tanora hananany asa mahavelona azy sy ho avy mamiratra... • Nosoniavina androany teny amin'ny Episcopat Antanimena ny fifanarahana eo amin'ny Vaomieran'ny Eveka ho an'ny Fahamarinana sy ny Fiadanana sy ny Orinasa Base Toliara. Miompana amin'ny fananan-tany ny fiaraha-miasa...
• Hosokafana ny 14, 15 ary 16 marsa 2025, any amin'ny Diosezin'i Morondava ny faha-800 taonan'ny Antsan'ny zavaboahary, ao amin'ny Fianakaviambe Fransiskana... • Nanatanteraka ny anjara fankalazana ny Jobily 2025 ny Tafika tao amin'ny Distrikan'i Betafo, Diosezin'Antsirabe, ny alahady 23 febroary 2025... • Fototry ny asa fanompoana maha Diakra ny asa tsy ilana tambiny, hoy Papa François, tao anatin'ny fampianarana nomaniny ho fankalazana ny Jobilin'ny Diakra...
Mandia herinandro vaovao indray isika, herinandro farany amin'ity volana febroary ity. Izany hoe eto ilay fiandrasana ny faran'ny volana izay mampiasa saina ny ankamaroan'ny mpiasa. Toa efa lasa fahazarana mantsy ilay fomba fanaon'ny karama izay manao fandalovana fotsiny ao an-tokantrano ao. Raha atao kisarisary an-tsaina dia indreo efa miatrana miandry haka ny anjarany avy ireo filana fototra tsy azo ialana: ry rahofantrano, rasakafo, rasaran-dalana, rasaram-pianarana, rajirama sy ny sisa tsy ho votatanisa e! Toa tsy manan-jo na iniana omena lamosina aza mazàna ny fil na fototra hafa, satria hodian-tsy hita sy tsy eritreretina, ny tsy ampoizina hafa, raha tsy hilaza afa-tsy ny aretina mety handalo tampoka amin'ny maha nofo sy ra ny olombelona.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco