• Hiampy 42.000 m3 isan'andro atsy ho atsy ny rano vatsian'ny Jirama ho an'ny mponin'Antananarivo. Nanomboka nampiasaina sy notokanana androany ny fitaovana fanadiovan-drano vaovao eny Mandroseza... • Homena lanja ny fijerena ireo tena marefo ara-pivelomana, mandritra ny iray volan'ny fiahiana ara-tsosialy. Natomboka tamin'ny fomba ofisialy androany teny Analakely izany hetsika izany, sady nanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny fianakaviana... • Nanapa-kevitra ny komity mpikarakara ny fifaninana ara-panatanjahan-tena ho an'ny orinasa fanaovan-gazety, na ny Inter-média, 2026, fa ahena ho 1 hetsy Ariary ny sara-pisoratana anarana ho an'ny taranja baolina kitra sy ny Basketball...
• Ny 3 jona izao indray vao hirosoana ny Fikaonandoham-pirenena, raha ny fampahafantarana nataon'ny Minisitra misahana ny Fanavaozana, Hanitra Razafimanantsoa. Anton'io fihemorana io ny fifampidinihana sy ny fandaminana tsy maintsy natao... • Andro faharoa amin'ny Foaraben'Ambohimalaza andiany voalohany ny anio. Omena lanja mandritra izany ny kalitao sy ny famokarana ary ny fametrahana ny vokatra Label Bio... • Nanao bemidina nadamina ny olana amin'ny tany ambolen'ny mponina sy ny faritra arovana ny any Belo sur Tsiribihina...
• Notendren'ny Papa Léon faha-14 ho Nonce Apostolique any Ouganda, i Monseigneur Tomasz Grysa, Nonce Apostolique eto Madagasikara... • Nitory ny Filohan'ny Fanavoazana ny Repoblika, Kolonely Randrianirina Michaël eny amin'ny HCC, ny Solombavam-bahoaka Rajerison Antoine. Nitsikera avy hatrany izany ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, Siteny Randrianasoloniaiko... • Nitondra fanazavana momba ny fisavana teny amin'ny Arena Ivandry, misy ny haino aman-jery Viva, ny Tonia Mpampanoa lalana, Rakotoniaina Narindra Navalona...
An'Andriamanitra ny aina. Izy no manome, Izy koa no maka hoy ny fahendren-dRazantsika. Adidy ankinin'Andriamanitra amin'ny olombelona ny fiahiana ny aina, ny miaro azy ; noho izany dia anadinan'Andriamanitra antsika olombelona izany. Tsy maintsy harovana amim-pitandremana lehibe ny aina... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Tsimbinina ny fahamendehan'ny fanambadiana sy ny fianakaviana ", iarahana amin'i P. Rarivoson Aurélien.
Ny mpivady tsy miray ara-nofo dia mety hihena fifankatiavana sy fiombonana ; mety ho tonga fiaraha-monina sisa ny fifandraisan'izy ireo. Rehefa tapaka ny firaisana ara-pomban'ny mpivady dia mety ho tandindomin-doza ny tsy fivadihana ary mety ho an-kihilahila ny soa ho an'ny ankizy... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Tsimbinina ny fahamendehan'ny fanambadiana sy ny fianakaviana ", iarahana amin'i P. Rarivoson Aurélien.
• Tsy tanteraka ny fitakiana tamin'ny 1972, ary vao mainka miharatsy ny fitantanana ny firenena, hoy ny fikambanana “ Hetsika Mai 72”, raha nanatitra fehezam-boninkazo teo amin'ny Kianjan'ny 13 mey izy ireo androany... • Nihazo avy hatrany ny Repoblikan'i Congo androany, ny Filohan'ny Fanavaozana, Colonel Randrianirina Michaël mivady, taorian'ny fiatrehana ny Fihaonana an-tampony Afrikana, natao tany Nairobi Kenya... • Tsapa sy heno ny antsoantson'ny mponina amin'ny toerana sasany, momba ny olan'ny famatsian-drano amin'izao, hoy ny Minisitry ny Rano, Fidiovana sy Fahadiovana. Maro ny ezaka efa natao, sy mbola hatao amin'ireo tetikasa samihafa momba izay famatsiana rano izay...
♦ Fikaonan-doha mazava sy mahomby no ilaina, olona mahasolo tena ny maro sy mahalala ny tombontson'izy ireo no hantsoina hoy ny hafatra avy amin'ny fivondronaémben'ny Evekan'i Madagasikara... ♦ Vahaolana lavitr'ezaka hamahana ny fitohanan'ny fifamoivoizana eny Ampasika kaominina Bemasoandro Itaosy, ny fanamboarana tetezana eny Ambohitrimanjaka sy Makis mivoaka eny amin'ny Fiombonana sy Ambohidrapeto... ♦ Fikambanan'ny mpivarotra etsy Vavafolo Tsarasaotra : Hametraka fitoriana eny anivon'ny tendrom-pitsaràna miady amin'ny kolikoly (Pac) mahakasika ny Ben'ny tanàna CR Ambatolampy Tsimahafotsy...
♦ Miantso ny Malagasy mba handray an-tanana ny fiainany ka tsy hampandefitra ny marina sy ny fihavanana ny hafatra avy amin'ny Fivoriamben'ny Evekan'i Madagasikara... ♦ Hanatitra fehezam-boninkazo fahatsiarovana ireo namoy ny ainy tamin'ny hetsika Mey 1972, eny Analakely anio, ny Fikambanana Mai-72... ♦ Niharan'ny fisavana nataon'ny mpitandron'ny filaminana alina ny haino aman-jery VIVA Madagasikara, haino aman-jery izay an'ny filoha teo aloha Rajoelina Andry...
Mila mahay manavaka tsara ireo lafim-panabeazana ny ray aman-dreny : avahany miavaka tsara ny fanabeazana ara-nofo, ny fanabeazana ara-tsaina ary ny fanabeazana ara-panahy. Mifameno ireo lafiny telo ireo saingy kosa samy manana ny hanitra ho azy, ka samy mila raisina an-tanana tsara daholo... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Tsimbinina ny fahamendehan'ny fanambadiana sy ny fianakaviana ", iarahana amin'i P. Rarivoson Aurélien.
• Manohy ny ady sisika amin'ny fananganana ny Filankevitra ara-toekarena, ara-tsosialy ary ara-kolontsaina na ny CESC, ny firaisamonim-pirenena ROHY. Nihaona tamin'ny depiote izy ireo nifampifdinika sy nifampizara vaovao momba ny volavolan-dalana momba azy io... • Hiroso amin'ny fanarenana ny KRAOMA ny tompon'andraikitra. Mpiara-miombona antoka vahiny maro no efa vonona hiara-miasa amin'ity orinasa ity, hoy ny Tale jeneraliny, Kerone Idealson... • Natomboka tamin'ny fomba ofisialy androany ny tetikasa SABER, fampisakafoana an-tsekoly. Maherin'ny 4.000 ireo sekoly manerana ny nosy misitraka izany, amin'ity taom-pianarana 2025-2026 ity...
♦ Mizotra atsy Kenya nanomboka ny antoandro teo ilay fihaonana antampony momba ny toe-karena eo amin'i Frantsa sy Afrika. Anisan'ireo Filoham-panjakàna 30 miatrika izany ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika... ♦ Olona maromaro no tratry ny fahapoizinana ara-tsakafo faobe, noho ny fihinànana "composé". Mbola misy amin'ireo narary no mbola manaraka fitsaboina eny amin'ny Hôpitaly hatramin'izao... ♦ Manomboka miha-simba ary ahiana ho faty ilay Baobab lehibe indrindra eto Madagasikara hita any amin'ny Distrikan'i Morombe Faritra atsimo-andrefana. Baobab manana haavo mihoatry ny 28 metatra...
Mandritry ny fanabeazana ireo ankizy sy zavatovo dia efa atomboka ny famolavolana azy ho amin'ny adidy sy andraikitra maha olon-dehibe sy ny ha-olon-dehibe. Raha fianakaviana tsy ampy fifaneraserana sy fifanankalozan-kevitra dia mety ho olana ho an'ny fanabeazana satria hahazo vahana kokoa ny toro-hevitra sadasada any amin'ny fiahara-monina ivelan'ny tokantrano. Ilaina araka izany ny fifankahazoana am-po eo amin'ny mpianakavy... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco