• Efa misokatra ny fisoratana anarana ho an'ny Andro Nasiônaly ho an'ny Olon-dehibe andiany faha-2 hatao any Morondava... • Mangataka ny hamiliana ny fanitaran-dalana anatin'ny tetikasam-panjakana, ireo mponina voakasik'izany ety amin'ny Kaominina Ivato... • Misy andro ratsy andalam-piforonana ao amin'ny Ranomasimbe Indiana. Vinavinaina ho lasa rivodoza ato anatin'ny 48 ora izy io...

Mbola maro ny vehivavy miaina ao anatin'ny fiankinan-doha. Maniry mafy izy ireny, ary manao ny ezaka rehetra, ny mba hizaka tena, noho izany dia maro koa ireo manararaotra izay finiavan'ny vehivavy te hizaka tena izay. Endrika iray isehoan'izany fanararaotana izany ny famarinana olona.

Ny fototra iorenan'ny fanabeazana dia ny fifampatokisana, ny fahamarinana ary ny fitiavana. Ny fifampatokisana dia mampandroso sy mampivelatra ny ankohonana ; itsy voalohany koa dia mampirindra ny fiaraha-monina. Ny fifampitokisana dia mampisy fifanakaikaizana am-po amin'ny alalan'ireo fifampiresahana, fifanankalozan-kevitra, fiarahana manao zavatra... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

  • Miteraka voka-dratsy ara-batana sy ara-tsaina, ary ara-toekarena ny tsy fahaizana mifehy tambazotran-tserasera samihafa, hanofana mpianatra hisorohana izany ny ONG H.D.A...
  • Hiara-hiasa amin'ny sehatra marolafy ny kaominina Antananarivo renivohitra sy ny fikambanana Skoto miisa valo eto Madagasikara...
  • Nanantanteraka fivoriana maika ireo tompon'andraikim-panjakàna tao Toamasina, manoloana ny tsy fandriam-pahalemana izay nafamàna tato ho ato tany an-toerana...
  • Manantena ny fiavian'ny orana hanampy azy ireo amin'ny fifehezana ny doro ala, any amin'ny faritra avaratr'i Japon, ireo mpamonjy voina any an-toerana...

Mpisorona manjaka ny kristianina, ary Kristy no mpisorombe, mpisorona ho an'Andriamanitra Rainy. Ny vita batemy dia voahasina ho tempolin'ny Fanahy Masina sy ho mpisorona masina mba hanolotra fanatitra ary mba hanambarana ny fahefan'ny naniraka azy hiala amin'ny haizina ka handeha any amin'ny fahazavana. Ny mpianatr'i Kristy rehetra dia vavolombelon'i Kristy eran-tany... Katesizy momba ny vavak'i Jesoa, vavaky ny mpisorona, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

• Mafampana ny tsy fandriam-pahalemana any Toamasina. Lehilahy iray 23 taona, maty noho ny tsatoka antsy miisa telo nihatra taminy... • Ilaina ny fifampidinihana eo amin'ny mpitatitra sy ny fanjakana, mba hisorohana ny fampakarana saran-dalana, hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa MCI... • Tsy manana sora-bola manokana entina hanampiana ireo traboina ny Solombavam-bahoaka, fa anjara andraikitry ny fahefana mpanatanteraka izany, hoy ny Solombavam-bahoka, Jean Jacques Rabenirina...

  • Tanterahina ao amin'ny Faritra Vakinankaratra ny tolak'andro izao ny hetsika ara-toe-karena "Forum Club"...
  • Niantoka ny 21,30% tamin'ny hari-karena faove teto Madagasikara ny taona 2022 ny tontolon'ny fambolena, tanterahina nanomboka tamin'ity herinandro ity ary aharitra 1 volana ny fanadihadiana isan-taona ho an'ny sehatry ny fambolena sy fiompiana taona 2024...
  • Nametra-pialana faobe ireo mpikambana anatin'ny kômity manokana tokony hikarakara ny fifidianana izay ho filohan'ny Oniversite an'Antananarivo. Nahemotra amin'ny fotoana mbola tsy voafaritra araka izany ny fifidianana izay tokony hotanterahina amin'ity volana ity...
  • Natokana ho an'ny fianakaviana misara-bazana ny fangataham-bavaky ny Papa François amin'ity volana ity...

Ny fampandrosoana dia mivelatra amin'ny sehatra maro, miainga amin'ny tsirairay, ny faritra, ny firenena. Ireo fototry ny fampandrosoana afahana mivoatra : ara-batana (hery sy fahasalamana), ara-tsaina, ara-po. Manana zo hiato kely hanao jeri-todika, handinika ny tokony hatao ho fampandrosoana ny tena sy ny ankohonana. Ny vehivavy dia afaka mitarika amin'ny fampandrosoana sy efa zatra mindrindra asa...  Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

  • Miditra amin'ny vanim-potoanan'ny karemy manomboka androany ary aharitra 40 andro ny mpino kristianina Katôlika...
  • Fiovan'ny vidin-tsolika isam-bolana : Nahitana fihenany 180 Ariary isaky ny litatra ny lasantsy raha niakatra 80 Ariary isaky ny litatra ny Gazoaly ary 200 Ariary ny solika fandrehitra...
  • Efa niharan'ny fanararaotana mamoafady amin'ny fampiasana teknôlôjia ny 40% amin'ny ankizy eo anelanelan'ny 15 hatramin'ny 19 taona eto Madagasikara...
  • Mitaky ny hamaritana tanteraka ny faritry ny sisin-tany manasaraka azy amin'i Gaza i Israël mialoha ny hanohizana ny fampiatoana ny ady saingy tsy manaiky ny hanaovana izany i Hamas...

Tsara tsipihina fa tsy miresaka momba ny pretra izay fantatsika kristianina ankehitriny loatra ny Testamenta Vaovao fa mbola ireo mpisorona araka ny fomba jody ihany no resahina ; i Jesoa Kristy dia sady anisan'ireo Mpisorona araka ny fomba jody no araka ny fomba kristianina. Tany am-piandohana dia mbola nandray anjara tamin'ny "culte" jody ny kristianina... Katesizy momba ny vavak'i Jesoa, vavaky ny mpisorona, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

• Nankalazaina androany teny amin'ny UCM Ambatoroka ny Andro natokana ho an'ny Ivon-toerana sy Sekoly Fampianarana Ambony Katolika, na ny Journée ESS CATHO, andiany faha-4... • Manodidina ny 40%-n'ny ankizy eo anelanelan'ny 15 hatramin'ny 19 taona nanaovana fanadihadiana, izay mampiasa ny Internet, no efa niharan'ny fanararaotana mamoafady amin'ny alalan'ity teknolojia ity... • Niavaka ny nanamarihan'i Madagasikara ny andron'ny omaly 3 marsa, izay Andro Afrikana ho an'ny Tontolo Iainana...

• Hivoaka ny Lapan'i Iavoloha indray ny filankevitry ny Minisitra amin'ity herinandro ity. I Mahajanga no handray izany, araka ny nampahafantarina omaly... • Haverina hodinihina eo anivon'ny Filankevitry ny tanana, ny momba ny orinasa SMGD, mitantana ny fidiram-bolan'ny Kaominina Antananarivo... • Samy manana ny heviny ireo mpanabe momba ny fanovana ny laza adina CEPE ho isaky ny CISCO. Misy ireo milaza fa hampidina ny fari-pahaizan'ny ankizy izao fanapahan-kevitra izao...

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...