51 taona izao no nitrangan'ny famonoana ka nahafaty ny Kôlônely Ratsimandrava Richard, tandindon'ny finiavana hambabo hatrany ny firenena ho eo ambany vahohon'ny fahavalom-pirenena. Ny fahalalana ny tantara nisy dia ahafahana mamaritra ny ho avy sy mampandroso ny firenena. Toerana stratejika tsara i Madagasikara ho an'ny firenena vahiny, mila mitandrindra ny mpitondra, ka hanao ho zava-dehibe ny fiandrianam-pirenena amin'ny lafiny rehetra... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Handefa mpitandro filaminana miisa 600 any Toamasina handrindra ny fanampiana ho an'ireo traboina ny fitondram-panjakàna... ♦ Haverina amin'ny endriny tany aloha ny ao anatin'ny Rovan'i Manjakamiadana, esorina avokoa ireo fitaovana tsy an'ny mpanjaka araka ny didim-pitsarana momba ny Colisée nivoaka omaly... ♦ Niato nanomboka omaly alarobia 18 febroary 2026 ny fahafahan'ireo mpiasam-panjakàna miisa 159 manao dialyse eny anivon'ny Hopitaly Polyclinique Ilafy... ♦ Manomboka miverina sy miarin-doha tsikelikely ny toe-karena ao RDC...
• Horavana ny "Colisée" izay naorin'ny fitondrana teo aloha eny anaty Rova eny Manjakamiadana, raha ny nambaran'ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina... • Manahy mafy ny amin'ny ainy ireo marary voa miisa 159 manao "dialyse", satria niato nanomboka androany ny fanaovana "dialyse" izay eny amin'ny hopitaly Polyclinique Ilafy... • Hisy ny fifaninana nasionaly "Fokontany madio", karakarain'ny Minisiteran'ny Rano, ny Fidiovana sy Fahadiovana, miaraka amin'ireo mpiara-miombona antoka...
♦ Nanainga alina nihazo an'i Rosia ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, hamaly ny fanasana nataon'ny filoha rosianina Vladmir Poutine... ♦ Mankasitraka ny fikarakaràna ny herinandron'ny fanapariahana ara-pamokarana tanteraka eo Antananarivo ny filohan'ny Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra Nasiônaly. Misy ny fiovàna amin'ny fandraisan'anjaran'ny tantsaha amin'ny hetsika toa izao hoy izy... ♦ Miatraika amin'ny lafiny toe-karena eto Madagasikara ny fahavoazana mahazo an'i Toamasina vokatry ny rivodoza hoy ny sendikan'ny mpiasan'ny fadintseranana. Toamasina no mampiditra 75% ny vola azo avy amin'ny fadintseranana...
Manomboka amin'ny faha-13 ka hatramin'ny 15 taona ny fivelaran'ny fitiavan'ny tanora, ka ny ankizy vavy no misarika mialoha ny lehilahy ary ara-boajanahary izany, mifandrohy amin'ny fisian'ny ra eo amin'ny vehivavy. Noho io lamina ara-boajanahary io dia manosika ny mpampianatra sy ny ray aman-dreny handanjalanja ny fomba fanabeazana ny tanora. Misy fihetsika na toetra miova rehefa tonga amin'ny fotoana fahamaotinana ny ankizy sy ny tanora ; tsy azo fehezina tsy hitia ny olona iray... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Nanainga alina nihazo an'i Rosia ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kôlônely Randrianirina Michaël, miaraka amin'ny Ramatoa vadiny. Ny hamaly ny fanasana nataon'ny Filohan'i Rosia Vladmir Poutine no anton-dia hoy izy... ♦ Taorian'ny solombavambahoaka Sahondranirina Marie Michelle, nesorin'ny birao maharitry ny antenimieram-pirenena koa omaly ny tombon-jo ho an'ny mpikamban'ny antenimiera (immunité parlementaire) an'Andriamatoa Andriamananoro Augustin... ♦ Miatrika ny herinandron'ny fanapariahana ara-pamokarana mandritra ny efatr'andro ireo mpisehatra amin'ny tontolo ambanivohitra...
♦ Afaka noho ny fisalasalàna tamin'ny raharaha fanakorontanam-panjakàna nanenjehina azy i Moussa Soalihy, mpanohana ny fitondràna teo aloha. Nivoaka ny maraina teo teny Anosy ny didim-pitsaràna momba ity raharaha ity... ♦ Ny rafitra hitantanana ny firenena tsy mazava tsara no tsy hahazoantsika fankatoavana eo anivon'ny Vondrona Afrikàna hoy Andriamatoa Beanjara Paul. Nanamafy ny hamolavolàna tondro-zotra mazava hitondràna ny firenena ity mpanao pôlitika ity... ♦ Tsy manambana an'i Madagasikara intsony ilay rivodoza Gezani. Nanalavitra tany amin'ny 431km atsimo-andrefan'i Faux Cap any Tsihombe, izy, tamin'ny 9 ora maraina teo...
Ny loko amin'ny tontolo isainan'ny Malagasy dia mifanahaka amin'ny toetra amam-pihetsika, amin'ny fomba fisainana, amin'ny filôzofia Malagasy ary ny kolontsaina. Ny Malagasy tsy mametraka ho zava-dehibe ny fitsimbinam-pihavanana, ny tsy fiziriziriana hany ka lasa manana fahazarana manao teny verindroa ireo voambolana manambara loko ; ohatra : menamena, mangamanga, fotsifotsy. Ny "mainty sy ny fotsy" dia entina ilazàna zavatra miiba, ny "manga" ilazana zavatra tsara, Ny "mena" fiandrianana na fitohizan'aina. Mety hiova isam-paritra ny hevitry ny loko (Mainty - Manga - Maitso)...
♦ Nihananalavitra an'i Madagasikara ilay rivodoza Gezani. Mbola mikorontana vokatr'izany ny toetry ny ranomasina any amin'ny morontsiraka atsimon'ny nosy, hoy ny filazana avy amin'ny Météo... ♦ Nasain'ny vondrona afrikàna hamolavola tondro-zotra hitondràna ny firenena hatramin'ny faran'ity volana febroary ity i Madagasikara. Nihaona tamin'ny filohan'ny vaomieran'ity vondrona ity tao Addis-Abbebas moa omaly ny delegasiôna Malagasy... ♦ Nitsinjo sehatra tsy miankina taorian'ny fandalovan'ny rivodoza ny Fanjakàna. Foana mandritra ny 7 andro ny saram-pitehirizana entana eny amin'ny seranan-tsambo, ho an'ny kaontenera sy ny entana amin'ny endriny mahazatra...
• Tany amin'ny 162 km andrefan'Itampolo Ampanihy no nisy ny foiben'ilay rivodoza Gezani tamin'ny 3 ora tolakandro teo, raha ny vaovao avy amin'ny Météo, tamin'ny 4 ora tolakandro... • Namory ny OMC NAT teny amin'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Anosy androany, ny Praiminisitra Lehiben'ny Governemanta. Nandinihana ny paikady hapetraka handrindrana ny fizarana ireo fanampiana omena ny traboina, vokatry ny fandalovan'ny rivodoza Gezani... • Laharam-pahamehan'ny fitondram-panjakana ankehitriny ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ny fampiroboroboana ny tontolon'ny fambolena sy fiompiana. Manaporofo izany ny fahavitan'ny orinasa mpamokatra zezika any Toliara, izay notokanan'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika androany...
♦ Tany amin'ny 240 km andrefan'Itampolo-Ampanihy no nisy ny foiben'ilay rivodoza Gezani tamin'ny 9 ora maraina teo. Nihena ny heriny... ♦ Tafakatra 59 ireo namoy ny ainy vokatry ny fandalovan'ny rivodoza Gezani araka ny tatitra navoaky ny BNGRC... ♦ 2 isa no velona sy mbola manaraka fitsaboana ao amin'ny hopitaly vokatry ny filatsahan'ny varatra tao amin'ny Fokontany Begodogodo any Bemp-sur Tsiribihina... ♦ Manentana ny mpino katolika hiaina ny karemy ho toy ny lalana mankamin'ny fanovàna anaty ny Papa Léon-XIV...
-- Sanatria tsy hanao vain-drahalahy tsy mba marary ny AROFANINA, ka handingana tsy haneho ny fiombonam-po amin'ireo malagasy havana, mpiray tanindrazana, nisedra olana vokatry ny fandalovan'ny rivodoza. Na ny Arofanina aza...sadaikatra..., sahirana hitady voambolana hambara satria tena goavana ny fahavoazana... Raha nahazatra mantsy ny masoandro miposaka avy Atsinanana vao maraina, dia rivodoza harivariva...alinalina...no tonga tsy mba nandrandraina fa nandravarava...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco