♦ Fanoitra lehibe ho an'ny orinasa sy ny fampandrosoana ara-toe-karena ny lafiny angovo, isany navoitran'ireo mpandraharaha nandray anjara tamin'ny fikaonan-doha iraisam-pirenena Malagasy sy Dubaï io, nandritra ny fihaonan'izy ireo tamin'ny filoha Rajoelina Andry... ♦ Hotanterahana eny amin'ny tokontany malalaky ny ESCA Antanimena, amin'ny zoma ho avy izao ny Andron'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ La vanille hatrany amin'ny 3.000 taonina no andrasana mandritra ny taom-piotazana 2025 ao amin'ny Faritra Sofia, ny 14 jona ho avy izao moa no hisokafan'izay taom-piotazana izay ary tsy hifarana raha tsy ny volona nôvambra...

♦ Tombana anatiny sy fanehoana ny fiombonan'ireo sekoly katôlika rehetra manerana ny nosy ny fanaovana ny CEPE Katôlika, tontosa omaly talata faha-27 mey manerana ny Diôsezy moa ny CEPE Katôlika 2025... ♦ Mitodika amin'ireo mpampiasa vola avy any ivelany afahana mampiroborobo ny toe-karena manga amin'ny alalan'ny ministeran'ny jono sy ny toe-karena manga ny fitondram-panjakàna Malagasy... ♦ Hetsika maro no hankalazana ny faha-190 taona nanotàna ny Baiboly Malagasy voalohany sy ny tsingerin-taona faha-65 niorenan'ny fikambanana Mampiely Baiboly, ny 21 jona izao no ivon'ny fankalazana...

• Tontosa androany tany amin'ireo diosezy manerana ny nosy ny fanadinana CEPE Katolika. Tombana anatiny ary anehoana ny fiombonan'ireo sekoly katolika rehetra manerana ny nosy no antony anaovana ny fanadinana, hoy ny tompon'andraikitra... • Atao eny Anosy mandritra ny roa andro, nanomboka androany, ny fikaonan-doha ho fanetsehana ireo famatsiam-bola sy ireo fiaraha-miombona antoka maharitra ho an'ny jono sy ny fihariana anaty rano... • Feno 190 taona amin'ity taona ity ny Baiboly Malagasy voalohany. 60 taona koa ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy na ny FMBM. Hatao ny 21 jona 2025 etsy amin'ny CCI Ivato ny ivon'ny fankalazana...

♦ Nilamina amin'ny ankapobeny ny tapany maraina ho an'ny fanadinana CEPE Katôlika ho an'ireo sekoly katôlika manerana ny nosy... ♦ Hentitra ireo fepetra napetraka ho an'ireo mpanatrika ny Fivoriamben'ny Sampana eo anivon'ny Sendika Seces androany teny Ankatso... ♦ Ankoatra ny olan'ny fifidianana kaominaly izay mbola tsy vita famerenana, mitarika olana hafa koa ny fanendrena sefo fokontany ankehitriny... ♦ Nirary soa ary nanentana ireo mpandray anjara amin'ny Fivahinianana Masina izay tafiditra anatin'ny Jaobilin'i Afrika, tao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera, ny Papa Léon-XIV...

Ho fanandratana ny "Teny Malagasy" dia ankalazaina isaky ny volana JONA ny iray volan'ny teny Malagasy, tompo-marika amin'izany ny Foibe momba ny teny an'ny Akademia Malagasy. Ny ohabolana sy ny famoronana no voizina amin'ity taona 2025. Ny ohabolana dia karan-dahabolana Malagasy ary iombonan'ny Malagasy rehetra, lahabolana efa nisy tamin'ny faha-Ntaolo ary mbola ampiasaina ankehitriny. Ny ohabolana dia hatarafana fananarana sy fanabeazana ary fampitàna hafatra, atao an'ohatra. Tsy mifidy taona na sarangan'olona ny famoronana ohabolana. 

♦ Mikononkonona ny hamolavola soso-kevitra entina hanatsarana ny fifidianana ka hanolotra izany eo anivon'ny governemanta sy ny andrim-panjakàna mpanao lalàna ny CENI... ♦ Fanoitra iray lehibe hahafahana manatratra ny fandrosoana lovain-jafy ny fizahan-tany maharitra ho an'i Madagasikara. Antony iray namolavolana ny hay ranty momba ny fizahan-tany sy ny fandrosoana lovain-jafy andiany faharoa izany... ♦ Andrasana ny valin'ny fanadihadiana ataon'ny ministeran'ny fahasalamam-bahoaka manoloana ireo olona 20, voamarina fa maty tao amin'i Distrika Ikongo...

• Mikasa ny hanomana atrikasa iarahana amin'ireo mpisehatra amin'ny fifidianana ny CENI, mialoha ny hitondrany sosonkevitra hanatsarana ny fifidianana... • Mijoro, hanohitra amin'ny amabran'isy ireo ho tsy rariny sy fanamparam-pahefana ataon'olon-tokana ao amin'ny Distrikan'i Betroka, ny fikambanan'ny Zanak'i Betroka Miray na ny FIZABEMI... • Olona 20 no voamarina famaty tao amin'ny Distrikan'Ikongo. Andrasana ny vokatry ny fitikiana sy ny fanadihadiana ny antony nahafaty azy ireo...

• Fiombonam-bavaka sy fiaraha-mientana amin'ny fanohanana sy fanampiana ny seminera no fandaharam-potoana isaky ny fetim-bokatry ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Zanaky ny Fiangonana miisa 220 mianadahy no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana omaly, namaranana ny fitsidihana pastoraly tao amin'ny Distrikan'Ambohimena, Diosezin'Antsirabe... • Nosokafana tamin'ny sabotsy teo teny amin'ny EKAR Masimbavy Anne Anjomakely, ny faha-10 taonan'ny Ansiklika Laudato Si...

♦ Nandefa hafatra noho ny fankalazana ny tsingerin-taona faha-62 ny Vondrona Afrikana ny filohan'ny  SCEAM fivondronamben'ny Eveka aty Afrika sy Madagasikara. Nampitondraina ny lohateny hoe " Aoka ho mpanorina an'i Afrika iriantsika, isika" izany hafatra izany... ♦ Tsy misy ny fahaleovantena sy ny fiandrianam-pirenena, 65 taona aty aorian'ny nahazoana ny fahaleovantena fa mitady hiverina ny fanjanahana amin'ny endriny vaovao hoy ny solombavambahoaka Gascar Fenosoa... ♦ Ny 20% amin'ny mponina tena mahantra eto Madagasikara ihany no misitraka ny fandaharan'asa haraton'aina, raha ny nambaran'ny Banky Iraisam-pirenena...

Mahazo vahana tato ho ato ny fahaverezana zaza na ankizy tsy ampy taona, miparitaka amin’ny peta-drindrina, na ny tambazotran-tserasera samihafa ny filazana izany. Manaporofo izany ihany koa ny tatitra nomen’ny Polisim-pirenena izay milaza fa miisa 45 ny filazana zaza very voarain’izy ireo tao anatin’ny dimy volana voalohany tamin’ity taona 2025 ity, ka ny 17 tamin’ireo dia voaray tamin’ity volana mey ity fotsiny.

♦ Fiombonam-bavaka sy fiaraha-mientana amin'ny fanohanana sy fanampiana ny Seminera, izay no nanamarihana fetim-bokatry ny Seminera Zandriny Fianakaviana Masina Ambohipo omaly Alahady... ♦ Natao hanoroana lalana sy ny hijerena ny ho avin'ny mpianatra any aoriana ny "Salon de l'avenir" nokarakarain'ny EESCATHO fikambanan'ireo Sekoly ambony katôlika eto Madagasikara, teny amin'ny ESCA Antanimena ny sabotsy teo... ♦ Trano fonenana miisa 500, amin'ny faritra samihafa eto Madagasikara no kendren'ny orinasa SEIMAD ho vitaina amin'ity taona 2025 ity... ♦ Olona miisa 22 no namoy ny ainy omaly tany Ranyones-Gaza vokatry ny daroka baomba Israelianina...

♦ Nankalaza ny faha-10 taona ny ansiklika Laudato Si, isika Malagasy. Tamin'ny alalan'ny Sorona Masina teny amin'ny EKAR Masimbavy Anne Anjomakely ato amin'ny Diôsezin'Antananarivo no nanehoana izany sady nanokafana ihany koa ny herinandron'ny Laudato Si... ♦ Nitokana zava-bita tao Nosy-Be ny filohan'ny Repoblika nandritra ny dia nataony tany. Nanolotra fanampiana ho an'ny vahoaka tao an-toerana ihany koa... ♦ Mitohy ny tolona hitakiana ny fandehanan'ny fiainan'ny firenena amin'ny tokony ho izy hoy ny Filohan'ny Hery Politika Mitambatra. Tsy tokony hametraka sakana amin'izany ny Prefet an'Antananarivo hoy Pr Ralison Roger...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...